1.1
Iza
no namorona ny tany sy lanitra sy izay rehetra ao aminy?
Isaia 45:18 – 19 « 18 Fa izao no lazain’i Jehovah , Izay nahary ny lanitra
(Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina
azy ; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony
honenana) : Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa. 19 Tsy
tao amin'ny mangingina, dia tao amin'ny fitoera-maizina amin'ny tany no
nitenenako ; Izaho tsy niantso ny taranak’i Jakoba hitady Ahy foana ; Izaho
Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy. »
Eny Jehovah
tokoa no nanao sy nahary ny lanitra sy ny tany, sy izay rehetra ao aminy, ary
asan’ny tanany izany rehetra izany. Raha araka ny Soratra Masina dia tao
anatin’ny enina andro no namoronany izany tany izany.
1.1.1 Enina andro ve nahavitana ny famoronana?
Mbola
famoronana nataon’Andriamanitra eto no resaka, ka noho izany dia ny indray
andro amin’Andriamanitra izany, no resahina . « Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy
hohadinoinareo : ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny
arivo taona toy ny indray andro. »2
Petera 3:8. Izany hoe raha miresaka izany Izy eto, amin’ny maha
Andriamanitra Azy, fa hoe enina andro no nanamboarany ny lanitra sy ny tany,
dia midika avy hatrany izany fa, 6000 taona izy io raha ara-baiboly, fa 6000 x 356 X 1000 = 2 136 000 000 taona raha
ny fandinihina.
1.1.2Ny
hevitr’ireo manampahaizana
1.1.2.1
Charles Darwin : La Théorie de
l’evolution
Tany amin’ny fiandohan’ny
taonjato faha 19 ary, dia nisy manampahaizana iray antsoina hoe Charles Darwin
izay nametraka, fa izao zavatra misy rehetra eto an-tany izao dia tsy mba avy
tamin’izany Andriamanitra izany, fa ny fiandohan’ny zava-manan’aina rehetra dia
niainga tamin’ny fototra iray nitambarana, ary dia niha-nivoatra tsikelikely ho
amin’ny karazany avy nandritra ny fotoana ela, araka ny ahitantsika azy amin’ny
sary izao. Io fomba fijery io izany dia tena nentin’ireo manampahaizana
nanomboka tamin’izany, ka hatramin’izao vanimpotoana izao, nanohitra ny
fisian’ilay Mpahary sy Mpamorona izao rehetra izao. Raha ny fijery azy maimaika
dia toa hita fa toa mitombina tokoa ny zavatra noresahin’izy ireo, fa saingy
rehefa tena fotorana tsara kosa, dia ahitana fa zavatra tsy mari-pototra sy tsy
voaporofo ara-tsiantifika, toa mandeha araka ny fifandrifian-javatra fotsiny
ihany ilay izy.
Ny taona 1859 ary dia namoaka
boky iray andriamatoa Charles Darwin izay mitondra ny lohateny hoe: “The
origin of speace by means of natural selection” na koa hoe “L’origine des espèces” na amin’ny teny
Malagasy “Ny fiandohan’ireo
karazan’java-manan’aina”. Tena nalaza be, sy be mpitia tokoa io boky nosoratany
io, noho ilay foto-kevitra izay novohiziny. Tsy noho ny maha boky
ara-tsiantifika azy anefa, fa noho ilay foto-kevitra mivohy ny tsy fisian’ilay
mpahary. Ary dia nahazo ny fanohanan’ireo filozofa materialista marobe
tamin’izany izy, noho ilay fanoherana ny tsy fisian’Andriamanitra. Anisan’izany
i Karl Marx, filozofa materialista Rosiana izay tena nankasitraka tanteraka
an’izany foto-kevitry Charles Darwin izany. Tsy nahavita ny nanohana izany
foto-keviny izany ara-tsiatifika anefa i Charles Darwin, ka dia nanoratra boky
faharoa indray izy, izay nitondra ny lohateny hoe “Difficultés à propos de la théorie” na hoe “Ny fahasarotana ao anatin’ilay foto-kevitra nijoroana”. Nanantena
i Darwin fa indray andro any, dia ho voavaha izany olana eo amin’ny fanamporofoana
ara-tsiantifika izany, vokatry ny
fandrosoan’ny siansa.
Tamin’izany fotoana izany ny olona dia
nihevitra fa hoe: ny zava-mananina iray dia nivoaka ho azy avy amin’ny zavatra
tsy misy aina, toy ny hoe: ny sahona iray dia nivoaka ho azy avy amin’ny
fotaka, na koa hoe ny bibikely iray (insectes) dia nivoaka avy tamin’ny sakafo
efa simba, ary dia nisy mihitsy ny fanandramana natao mba hanamporofoana
an’izany, toy ny hoe: natao tao anaty “bocal”, na tavoahangy fitaratra lehibe
vava misarona ny varim-bazaha dia nandrasana izay hipoiran’ny totozy avy ao
anatin’izany varim-bazaha izany, na koa hoe: natao tao anaty bocal ny hena dia
andrasana izay hivoahan’ny lalitra avy ao anatin’ny hena.
1.1.2.2
Francesco Redi : «Génération spontanée »
Tany amin’ny faran’ny taonjato
faha XVII tany ho any dia nisy manampahaizana iray tany Eropa antsoina hoe Francesco Redi (1626-1691) izay nihezaka
nanazava io «Génération spontanée » io. Nosoratany tamin’ny taona
1609 ary fa : "Il
existe un arbre peu commun en France, il est vrai, mais fréquemment observé en
Écosse. Des feuilles tombent de cet arbre ; d'un côté elles touchent l'eau et
se transforment en poissons, de l'autre côté elles touchent la terre et se
transforment en oiseaux." Raha
adika malalaka izay ambarany dia milaza izy fa misy hazo iray miavaka any
Frantsa izay hita ihany koa any Ecosse, ka rehefa manitsan-dravina io hazo io
ka mahakasika ny rano izany ravina izany dia lasa hazandrano, fa raha
tafajanona ety an-tanety kosa dia lasa voromanidina. Hita ao anatin’ilay
boky : « Une petite histoire des recherches scientifiques sur
l'origine de la vie » (Rédigée par
D. Pol, PRAG, Université Pierre et Marie Curie, Paris)
1.1.2.3
Louis
Pasteur : Les êtres microscopiques
Taty aoriana kely dia voaporofo, fa tsy mipoitra ho azy izany ny
zava-mananaina iray avy amin’ny zavatra tsy misy aina, raha tsy nisy zavatra
niteraka azy tao. Ohatra: tsy misy olitra mivoaka avy amin’ny hena natao tao
anaty “bocal” mihidy tsara, raha tsy nisy lalitra efa nipetaka mialoha
tamin’ilay hena ka nanatody teo.
|
Tsy vitan’izany fa mbola marobe
ireo manam-pahaizana eran’ny vazan-tany efatra no nihezaka ny hikatsaka izany
fiandohan’ny zava-mananina voalohany izany, toa an’dry:
1.1.2.4
Alexander Oparin
-
Tsy nahomby io satria tsy
sela na cellule no niandohan’ny zavatra rehetra fa efa zava-manan’aina araka
ny karazany avy. |
1.1.2.5
Stanley Muller
-
1.1.2.6
Jeffrey Brada
-
-
Ho azy ireo, ny antony tena maha sarotra
ilay fanohanan-kevitra dia ilay
fahasarotan’ny fipetrapetraky ny sela velona, satria ny zavatra velona
rehetra eto an-tany, dia tsy maintsy misy sela maro mitambatra no mahatonga
azy. Kanefa izany
fitambarany izany dia tena sarotra tokoa. Raha tany amin’ny andron’i Darwin
dia tsy mbola nisy nahita izany sela izany, satria mbola tsy harifomba ny
fanita-jery na microscope nisy tamin’izany fotoana izany. Saingy rehefa tonga
izao taonjato niainantsika izao, dia voaforona ireo fitaovana avo lenta sy
tena raitra ahafahana mandinika an’izany maha sarotra sy maha avo lenta ny
fikambanan’tsela izany, izay mitambatra manara-drafitra tsara tokoa, ary tsy
misy mikorontana ka mahatonga taova na zava-manan’aina iray. Amin’izao
taonjato hiainantsika izao dia maro tokoa ireo mpandalina tsy mbola manaiky
ny fisian’ny Mpamorona, ary dia toa henatra ho azy ireo ny manaiky an’izany. |
1.1.2.7
Francis
Crick sy James D Watson ary ny Pr Anthony Flew
- 1 – Ny voalohany dia ilay endrika faran’izay sarotra indrindra amin’ny
fiasan’ny molekiola ADN. Ho an’ity manam-pahaizana iray ity, ny fanohanan-kevitra tsara indrindra
ho fanohanana fa misy Andriamanitra dia ilay endrika tena sarotra sy mahagaga
ananan’io molekiola ADN io, indrindra indrindra ilay fivadihan’ilay ADN ho
lasa molekiola ARN. Izao no nosoratany tao
amin’io boky mitondra ny lohateny hoe («Ce que je pense que le matériel ADN a fait, c’est qu’il a montré,
par la complexité incroyable des dispositions qui sont nécessaires pour
produire la vie, qu’une intelligence doit avoir été impliquée pour permettre
à ces éléments extraordinairement divers de travailler ensemble. C’est
l’énorme complexité du nombre d’éléments et la subtilité énorme dans la façon
dont ils travaillent ensemble. La réunion de ces deux parties au bon moment
et par hasard est simplement miraculeux. Tout est une question de l’énorme
complexité par laquelle les résultats ont été obtenus, ce qui me semblait le
travail d’une intelligence» (Anthony Flew, «Il y a un Dieu» p. 75). Raha
adika tsotsotra izany fanambarany izany dia milaza izy fa ilay
fiaraha-miasan-javatra tena sarotra sy ny fipetrapetrak’ilay sela izay tena
mahavariana, dia midika fa tsy maintsy misy fahalalana sy fahaizana ambony
izay niasa tany ampamoronana an’izany. Aminy izany dia midika fa tsy
tongatonga ho azy izany rehetra izany fa nisy
asan’ny Mpamorona tao. Raha adika
amin’ny dika teny malalaka izany teniny izany dia izao : « Avy aiza hoy
izy ireo lalàna natoraly na ara-pizika
misy ireo ? nahoana no ireo lalàna ireo no misy, fa tsy lalàna hafa
ankoatra an’ireo ? Nahoana no nisy izany lalàna izany izay tsy
mifanipaka amin’ny toetra mampiavaka ny fiainana sy ny fiheritreretana ary ny
fahalalana ? Mampiheritreritra
tokoa izany satria raha toa tokoa moa izany ka tsy voahaja ireo lalàna
ara-natoraly ireo dia moa ve ho nisy fiainana nirindra teto an-tany ? Ohatra hoe: ny
vatobe iray raha tsy manaraka ny lalàn’ny vesatra sy ny atmosfera na (la loi
de la peusanteur) dia ho nitsingevana sy nanidina teny amin’ny habakabaka ireo vatobe
ireo ! Dia mba azonao saintsainina ve ny mety ho zavatra hiseho raha
sendra mifandona amin’ireny ny vatantsika na ny fananantsika ? Azonao an-tsaina ve ny fikorontanana maro hiseho manoloana
an’izany ? Moa ve nisy aina na fivelomana mety ho niseho teto an-tany
raha tsy voahaja izany lalàna rehetra izany? Azo zaraina dimy karazany lehibe ireo lalàna ara-pizika izay mitovitovy
amin’izany, izay tena mifehy tanteraka ity tontolo hiainantsika ity, ka raha
toa ka tsy voahaja izany dia asa izay hiseho. 1.
Loi mécanique : -
- la
loi universelle de la gravitation izany hoe ireo lalàna izay mitazona sy mampifandray ireo planeta
rehetra ato anatin’ny système solaire ka tsy mamela ireo planeta maro hifandona. Raha ho tsy nisy izany dia
ho tsy nisy aina teto ambonin’ny tany fa efa nifandona hatry ny ela ireo
planeta misy ao anatin’ny “système solaire” iray -
- attraction
terrestre na Loi de la pesanteur io dia lalàna iray izay mametra
fa ny vesatra iray dia tsy maintsy voasinton’ny tany avokoa araka ilay ohatra
noraisintsika teo ambony. 2.
Ce qui chauffe : la
thermodynamique : Misy maromaro ny
lalàna miseho ao, misy ny hoe hafanana mahatonga ny rano ho lasa hangotraka
na hivadika ho entona ; misy ny hoe hatsiaka izay mahatonga ny rano ho tonga
vaingana ranomandry. Izany lalàna izany no mametraka ilay fizaram-potoana
mafana sy mangatsiaka misy eto amin’ity planeta tany misy antsika ity. 3. Ce qui est lumineux : l’optique et
l’électromagnétisme 4. La réflexion 5. La réfraction. Iza anefa no namorona azy ireo? Tsy misy valinteny hafa azo omena hafa tsy ny
hoe: izay namorona ny tany sy izay rehetra ao aminy no tsy maintsy nandrindra
sy namorona izany mba ho tany azo honenana ity tany ity. Izany rehetra izany dia
mahatonga ahy hahatsiaro ny tenin’ilay manam-pahaizana iray antsoina hoe
Barry Parler, izay mpikaroka manokana momba ny tontolo tsy takamaso. Izao no
nambarany tao amin’ilay boky mitondra ny lohateny hoe: «Montre moi Dieu» de
F.heeren, p.223 « Qui a créé ces lois ? Il n’y a pas de doute qu’un Dieu sera toujours
nécessaire pour répondre à cette question » “Iza no namorona ireo lalàna
ireo? Tsy hisy fisalasalana mihitsy isika hamaly izany fanontaniana izany hoy
Andriamatoa Barry ka hilaza fa tsy maintsy misy Andriamanitra tokana nahary
izany lalàna rehetra izany ” 4 – Ny fahefatra farany izay hanekeny fa
misy Mpamorona tena mahay namorona izao rehetra izao dia ny fahatsapany fa
tena milamina sy mipetrapetraka ary azo lazaina fa tena tonga lafatra mihitsy
ny firindrany sy ny fipetrapetraky ny natiora. Ny mahatonga ireo olona milaza
fa tsy mino ny fisian’Andriamanitra mantsy hoy izy dia ny tsy fahampian’ny
porofo misy eo ampelatanany fa misy Andriamanitra. Tsy tongatonga ho azy
araka izany ny fiovan-kevitry Pr Flew io fa notohanany tamin’ireo
vokam-pikarohana siantifika maro. Niaiky izy fa ny vatan’ny olombelona iray
dia tena zavaboahary voarafitra tamin’ny fomba sy saina tena lalina tokoa,
satria dia fitambarana sela ary ahitana ireo ADN sy ARN marobe izay tena
sarotra takarina, ka raha tsy mpamorona tena mahay sy fara-tampony, dia tsy
afaka ny hampandeha izany vatana izany hirindra sy ho velona ohatra ny
vatan’olombelona io. Ny azontsika marihina izany dia izao, raha
tsy mbola ampy ny fahaizan’ny olombelona, dia tsy manaiky ilay
fisian’Andriamanitra mihitsy izy, fa rehefa mitombo kosa ny fahalalany dia
miha-tsapany izany fahambonian’ Andriamanitra izany. -
Mbola tsapan’ireo manampahaizana ireo ihany koa, fa io ADN io dia misy code
na teny miafina izay foronin’ny litera 4 dia ny ACGT vokatr’izany dia, tena
samy manana ny mampiavaka azy tokoa ny karazan-java-mananaina tsirairay avy.
Raha ampitahaina ohatra ny ADN misy eo amin’ny olona sy ny gidro dia toa
mitovy hatramin’ny 98% izy io, ary dia mahavelombolo mihitsy ireo mpandala
ilay fiovana izany satria dia ambarany fa dia kely tokoa ny fahasamihafana.
Saingy rehefa tena dinihina tsara ilay fahasamihafana, dia tena lehibe tokoa
satria, ny teny miafina foronin’io ADN io eo amin’ny sela iray amin’ny
vatan’ny olombelona iray dia miisa, 3 miliara, na 3 000 000 000 no isany.
Izany hoe raha milaza izany hoe 2% ny faha-samihafana misy na ambaran’dry
zareo ireo hoe fahadisoana (erreur) eo aminy gidro sy ny olombelona dia
midika izany fa 60 000 000 ny isan’izany fahasamihafana. Ka izany
fahasamihafana izany dia tsy azo ambara mihitsy hoe fahadisoana fa tena
mampiavaka manokana mihitsy an’ilay olombelona, satria raha adika ho boky
izany faha-samihafana izany dia mitovy amin’ny boky 20 izay misy 500 pejy ao
anatiny. Ka tsy azo raisina mihitsy hoe fahadisoana io faha-samihafana io
satria raha izany dia inona no mety hitovizan’ny olombelona sy ny akondro,
satria dia misy hitovizana hatramin’ny 50% ny code de l’ADN an’ireo?. Ny
zava-mananaina tsirairay avy dia samy manana ny maha samihafa azy avokoa
amin’io code de l’ADN io, na io tenimiafin’ny ADN io. Misy dikany avokoa
izany tenimiafina izany, toa ireny nampiasain’ny olona fahiny ireny,
arakaraky ny sivilizasiona niainany. Misy porofo manamarina fa mampiseho fomba
fiteny hafa, ireo tenimiafin’ny ADN ireo, izay mitambatambatra ka manome ilay
singan’ny proteina madinika antsoina hoe “acides amines” miisa 20. Ary miainga amin’ireo
“acides amines” 20 ireo no hiforonan’ny proteina miisa 100 000 izay
mandrafitra ny vatana iray. Amin’izao fotoana misy antsika izao dia mihezaka
mafy ireo “biologistes”, na ireo manampahaizana manokana mahakasika ny sela,
manomboka mamakafaka io tenimiafina io. Ary dia efa hita hatreto fa ny sela
iray faran’izay madinika ao amin’ny vatantsika dia ahitana ADN
mifampitohitohy sy mifanety ka raha vahana sy refesina dia mirefy ho 1
metatra izany, ary ahitana “nuléotides” na ireo fitambarana litera efatra
GTCA miisa 3 000 000 000. Io tenimiafin’ny ADN io izany
dia azo ambara fa ny tenin’ny fiainan’ny zava-mananaina, ary misy tompony io
teny io, ary izay tompony ihany no afaka mamaky izany, dia tsy iza, fa
ambaran’ireo manampahaizana ireo fa ny Mpahary izao tontolo izao no tompon’io
teny io na “language” io. |
1.1.2.8
Grégoire Mendel : “les lois
sur l’héritage”
-
1.1.2.9
Colin Patterson
-
Ilay paléontologue anglisy malaza antsoina hoe
Colin Patterson dia nilaza nanao hoe: “na iza na iza dia tsy afaka nanamboatra
karazam-java-boahary hafa niainga avy amin’ny sivan’ny natiora”.
Rehefa tsy
hitan’ireo mpanaraka ny foto-kevitry Darwin intsony ary ny hevitra satria dia
tapaka avokoa ny làlana rehetra raha mbola hivoy ilay foto-kevitry ny fiovana
izy ireo, dia narosony indray ny hevitra vaovao dia ny resaka mutation. Ny
mutation dia tsy inona akory fa fiolanana na “distorsions”, na fahasimbana na
“alterations” ny ADN ao anatin’ny zava-manan’aina iray, izay mazàna dia vokatry
ny taratra “radio actif”, na ny fiovana ara-tsimika. Ny hanamarinany an’izany
tsoa-kevitra izany dia noho ireo zava-mananaina izay lasa toa miha-misy fiovana
tsikelikely vokatr’io “mutation” io.
Izany fomba fijerin’izy ireo izany anefa, dia tsy marina sy tsy mitombona
mihitsy, satria ny “mutation” izany
dia tsy misy hafa tsy ny manimba ny ADN fotsiny no zavatra miseho ao, ary tsy
mamokatra zavatra tsara mihitsy ho an’ny zava-mananaina izany fa fahasimbana
aza no aterak’izany. Dia tapaka hatreo izany aloha ny làlan’ireo mpanohana
an’ingahy Darwin ireo.