1.1 Iza no namorona ny tany sy lanitra sy izay rehetra ao aminy?
Isaia 45:18 – 19 « 18 Fa izao no lazain’i Jehovah , Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy ; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana) : Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa. 19 Tsy tao amin'ny mangingina, dia tao amin'ny fitoera-maizina amin'ny tany no nitenenako ; Izaho tsy niantso ny taranak’i Jakoba hitady Ahy foana ; Izaho Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy. »
Eny Jehovah tokoa no nanao sy nahary ny lanitra sy ny tany, sy izay rehetra ao aminy, ary asan’ny tanany izany rehetra izany. Raha araka ny Soratra Masina dia tao anatin’ny enina andro no namoronany izany tany izany.
1.1.1 Enina andro ve nahavitana ny famoronana?
Mbola famoronana nataon’Andriamanitra eto no resaka, ka noho izany dia ny indray andro amin’Andriamanitra izany, no resahina . « Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo : ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. »2 Petera 3:8. Izany hoe raha miresaka izany Izy eto, amin’ny maha Andriamanitra Azy, fa hoe enina andro no nanamboarany ny lanitra sy ny tany, dia midika avy hatrany izany fa, 6000 taona izy io raha ara-baiboly, fa 6000 x 356 X 1000 = 2 136 000 000 taona raha ny fandinihina.
1.1.2Ny hevitr’ireo manampahaizana
1.1.2.1 Charles Darwin : La Théorie de l’evolution
Tany amin’ny fiandohan’ny taonjato faha 19 ary, dia nisy manampahaizana iray antsoina hoe Charles Darwin izay nametraka, fa izao zavatra misy rehetra eto an-tany izao dia tsy mba avy tamin’izany Andriamanitra izany, fa ny fiandohan’ny zava-manan’aina rehetra dia niainga tamin’ny fototra iray nitambarana, ary dia niha-nivoatra tsikelikely ho amin’ny karazany avy nandritra ny fotoana ela, araka ny ahitantsika azy amin’ny sary izao. Io fomba fijery io izany dia tena nentin’ireo manampahaizana nanomboka tamin’izany, ka hatramin’izao vanimpotoana izao, nanohitra ny fisian’ilay Mpahary sy Mpamorona izao rehetra izao. Raha ny fijery azy maimaika dia toa hita fa toa mitombina tokoa ny zavatra noresahin’izy ireo, fa saingy rehefa tena fotorana tsara kosa, dia ahitana fa zavatra tsy mari-pototra sy tsy voaporofo ara-tsiantifika, toa mandeha araka ny fifandrifian-javatra fotsiny ihany ilay izy.
Ny taona 1859 ary dia namoaka boky iray andriamatoa Charles Darwin izay mitondra ny lohateny hoe: “The origin of speace by means of natural selection” na koa hoe “L’origine des espèces” na amin’ny teny Malagasy “Ny fiandohan’ireo karazan’java-manan’aina”. Tena nalaza be, sy be mpitia tokoa io boky nosoratany io, noho ilay foto-kevitra izay novohiziny. Tsy noho ny maha boky ara-tsiantifika azy anefa, fa noho ilay foto-kevitra mivohy ny tsy fisian’ilay mpahary. Ary dia nahazo ny fanohanan’ireo filozofa materialista marobe tamin’izany izy, noho ilay fanoherana ny tsy fisian’Andriamanitra. Anisan’izany i Karl Marx, filozofa materialista Rosiana izay tena nankasitraka tanteraka an’izany foto-kevitry Charles Darwin izany. Tsy nahavita ny nanohana izany foto-keviny izany ara-tsiatifika anefa i Charles Darwin, ka dia nanoratra boky faharoa indray izy, izay nitondra ny lohateny hoe “Difficultés à propos de la théorie” na hoe “Ny fahasarotana ao anatin’ilay foto-kevitra nijoroana”. Nanantena i Darwin fa indray andro any, dia ho voavaha izany olana eo amin’ny fanamporofoana ara-tsiantifika izany, vokatry ny fandrosoan’ny siansa.
Tamin’izany fotoana izany ny olona dia nihevitra fa hoe: ny zava-mananina iray dia nivoaka ho azy avy amin’ny zavatra tsy misy aina, toy ny hoe: ny sahona iray dia nivoaka ho azy avy amin’ny fotaka, na koa hoe ny bibikely iray (insectes) dia nivoaka avy tamin’ny sakafo efa simba, ary dia nisy mihitsy ny fanandramana natao mba hanamporofoana an’izany, toy ny hoe: natao tao anaty “bocal”, na tavoahangy fitaratra lehibe vava misarona ny varim-bazaha dia nandrasana izay hipoiran’ny totozy avy ao anatin’izany varim-bazaha izany, na koa hoe: natao tao anaty bocal ny hena dia andrasana izay hivoahan’ny lalitra avy ao anatin’ny hena.
1.1.2.2 Francesco Redi : «Génération spontanée »
Tany amin’ny faran’ny taonjato faha XVII tany ho any dia nisy manampahaizana iray tany Eropa antsoina hoe Francesco Redi (1626-1691) izay nihezaka nanazava io «Génération spontanée » io. Nosoratany tamin’ny taona 1609 ary fa : "Il existe un arbre peu commun en France, il est vrai, mais fréquemment observé en Écosse. Des feuilles tombent de cet arbre ; d'un côté elles touchent l'eau et se transforment en poissons, de l'autre côté elles touchent la terre et se transforment en oiseaux." Raha adika malalaka izay ambarany dia milaza izy fa misy hazo iray miavaka any Frantsa izay hita ihany koa any Ecosse, ka rehefa manitsan-dravina io hazo io ka mahakasika ny rano izany ravina izany dia lasa hazandrano, fa raha tafajanona ety an-tanety kosa dia lasa voromanidina. Hita ao anatin’ilay boky : « Une petite histoire des recherches scientifiques sur l'origine de la vie » (Rédigée par D. Pol, PRAG, Université Pierre et Marie Curie, Paris)
1.1.2.3 Louis Pasteur : Les êtres microscopiques
Taty aoriana kely dia voaporofo, fa tsy mipoitra ho azy izany ny zava-mananaina iray avy amin’ny zavatra tsy misy aina, raha tsy nisy zavatra niteraka azy tao. Ohatra: tsy misy olitra mivoaka avy amin’ny hena natao tao anaty “bocal” mihidy tsara, raha tsy nisy lalitra efa nipetaka mialoha tamin’ilay hena ka nanatody teo.
Tsy vitan’izany fa mbola marobe ireo manam-pahaizana eran’ny vazan-tany efatra no nihezaka ny hikatsaka izany fiandohan’ny zava-mananina voalohany izany, toa an’dry:
1.1.2.4 Alexander Oparin
- Tsy nahomby io satria tsy sela na cellule no niandohan’ny zavatra rehetra fa efa zava-manan’aina araka ny karazany avy. |
1.1.2.5 Stanley Muller
-
1.1.2.6 Jeffrey Brada
- - Ho azy ireo, ny antony tena maha sarotra ilay fanohanan-kevitra dia ilay fahasarotan’ny fipetrapetraky ny sela velona, satria ny zavatra velona rehetra eto an-tany, dia tsy maintsy misy sela maro mitambatra no mahatonga azy. Kanefa izany fitambarany izany dia tena sarotra tokoa. Raha tany amin’ny andron’i Darwin dia tsy mbola nisy nahita izany sela izany, satria mbola tsy harifomba ny fanita-jery na microscope nisy tamin’izany fotoana izany. Saingy rehefa tonga izao taonjato niainantsika izao, dia voaforona ireo fitaovana avo lenta sy tena raitra ahafahana mandinika an’izany maha sarotra sy maha avo lenta ny fikambanan’tsela izany, izay mitambatra manara-drafitra tsara tokoa, ary tsy misy mikorontana ka mahatonga taova na zava-manan’aina iray. Amin’izao taonjato hiainantsika izao dia maro tokoa ireo mpandalina tsy mbola manaiky ny fisian’ny Mpamorona, ary dia toa henatra ho azy ireo ny manaiky an’izany. |
1.1.2.7 Francis Crick sy James D Watson ary ny Pr Anthony Flew
- 1 – Ny voalohany dia ilay endrika faran’izay sarotra indrindra amin’ny fiasan’ny molekiola ADN. Ho an’ity manam-pahaizana iray ity, ny fanohanan-kevitra tsara indrindra ho fanohanana fa misy Andriamanitra dia ilay endrika tena sarotra sy mahagaga ananan’io molekiola ADN io, indrindra indrindra ilay fivadihan’ilay ADN ho lasa molekiola ARN. Izao no nosoratany tao amin’io boky mitondra ny lohateny hoe («Ce que je pense que le matériel ADN a fait, c’est qu’il a montré, par la complexité incroyable des dispositions qui sont nécessaires pour produire la vie, qu’une intelligence doit avoir été impliquée pour permettre à ces éléments extraordinairement divers de travailler ensemble. C’est l’énorme complexité du nombre d’éléments et la subtilité énorme dans la façon dont ils travaillent ensemble. La réunion de ces deux parties au bon moment et par hasard est simplement miraculeux. Tout est une question de l’énorme complexité par laquelle les résultats ont été obtenus, ce qui me semblait le travail d’une intelligence» (Anthony Flew, «Il y a un Dieu» p. 75). Raha adika tsotsotra izany fanambarany izany dia milaza izy fa ilay fiaraha-miasan-javatra tena sarotra sy ny fipetrapetrak’ilay sela izay tena mahavariana, dia midika fa tsy maintsy misy fahalalana sy fahaizana ambony izay niasa tany ampamoronana an’izany. Aminy izany dia midika fa tsy tongatonga ho azy izany rehetra izany fa nisy asan’ny Mpamorona tao. Raha adika amin’ny dika teny malalaka izany teniny izany dia izao : « Avy aiza hoy izy ireo lalàna natoraly na ara-pizika misy ireo ? nahoana no ireo lalàna ireo no misy, fa tsy lalàna hafa ankoatra an’ireo ? Nahoana no nisy izany lalàna izany izay tsy mifanipaka amin’ny toetra mampiavaka ny fiainana sy ny fiheritreretana ary ny fahalalana ? Mampiheritreritra tokoa izany satria raha toa tokoa moa izany ka tsy voahaja ireo lalàna ara-natoraly ireo dia moa ve ho nisy fiainana nirindra teto an-tany ? Ohatra hoe: ny vatobe iray raha tsy manaraka ny lalàn’ny vesatra sy ny atmosfera na (la loi de la peusanteur) dia ho nitsingevana sy nanidina teny amin’ny habakabaka ireo vatobe ireo ! Dia mba azonao saintsainina ve ny mety ho zavatra hiseho raha sendra mifandona amin’ireny ny vatantsika na ny fananantsika ? Azonao an-tsaina ve ny fikorontanana maro hiseho manoloana an’izany ? Moa ve nisy aina na fivelomana mety ho niseho teto an-tany raha tsy voahaja izany lalàna rehetra izany? Azo zaraina dimy karazany lehibe ireo lalàna ara-pizika izay mitovitovy amin’izany, izay tena mifehy tanteraka ity tontolo hiainantsika ity, ka raha toa ka tsy voahaja izany dia asa izay hiseho. 1. Loi mécanique : - - la loi universelle de la gravitation izany hoe ireo lalàna izay mitazona sy mampifandray ireo planeta rehetra ato anatin’ny système solaire ka tsy mamela ireo planeta maro hifandona. Raha ho tsy nisy izany dia ho tsy nisy aina teto ambonin’ny tany fa efa nifandona hatry ny ela ireo planeta misy ao anatin’ny “système solaire” iray - - attraction terrestre na Loi de la pesanteur io dia lalàna iray izay mametra fa ny vesatra iray dia tsy maintsy voasinton’ny tany avokoa araka ilay ohatra noraisintsika teo ambony. 2. Ce qui chauffe : la thermodynamique : Misy maromaro ny lalàna miseho ao, misy ny hoe hafanana mahatonga ny rano ho lasa hangotraka na hivadika ho entona ; misy ny hoe hatsiaka izay mahatonga ny rano ho tonga vaingana ranomandry. Izany lalàna izany no mametraka ilay fizaram-potoana mafana sy mangatsiaka misy eto amin’ity planeta tany misy antsika ity. 3. Ce qui est lumineux : l’optique et l’électromagnétisme 4. La réflexion 5. La réfraction.
Iza anefa no namorona azy ireo? Tsy misy valinteny hafa azo omena hafa tsy ny hoe: izay namorona ny tany sy izay rehetra ao aminy no tsy maintsy nandrindra sy namorona izany mba ho tany azo honenana ity tany ity. Izany rehetra izany dia mahatonga ahy hahatsiaro ny tenin’ilay manam-pahaizana iray antsoina hoe Barry Parler, izay mpikaroka manokana momba ny tontolo tsy takamaso. Izao no nambarany tao amin’ilay boky mitondra ny lohateny hoe: «Montre moi Dieu» de F.heeren, p.223 « Qui a créé ces lois ? Il n’y a pas de doute qu’un Dieu sera toujours nécessaire pour répondre à cette question » “Iza no namorona ireo lalàna ireo? Tsy hisy fisalasalana mihitsy isika hamaly izany fanontaniana izany hoy Andriamatoa Barry ka hilaza fa tsy maintsy misy Andriamanitra tokana nahary izany lalàna rehetra izany ”
4 – Ny fahefatra farany izay hanekeny fa misy Mpamorona tena mahay namorona izao rehetra izao dia ny fahatsapany fa tena milamina sy mipetrapetraka ary azo lazaina fa tena tonga lafatra mihitsy ny firindrany sy ny fipetrapetraky ny natiora. Ny mahatonga ireo olona milaza fa tsy mino ny fisian’Andriamanitra mantsy hoy izy dia ny tsy fahampian’ny porofo misy eo ampelatanany fa misy Andriamanitra. Tsy tongatonga ho azy araka izany ny fiovan-kevitry Pr Flew io fa notohanany tamin’ireo vokam-pikarohana siantifika maro. Niaiky izy fa ny vatan’ny olombelona iray dia tena zavaboahary voarafitra tamin’ny fomba sy saina tena lalina tokoa, satria dia fitambarana sela ary ahitana ireo ADN sy ARN marobe izay tena sarotra takarina, ka raha tsy mpamorona tena mahay sy fara-tampony, dia tsy afaka ny hampandeha izany vatana izany hirindra sy ho velona ohatra ny vatan’olombelona io.
Ny azontsika marihina izany dia izao, raha tsy mbola ampy ny fahaizan’ny olombelona, dia tsy manaiky ilay fisian’Andriamanitra mihitsy izy, fa rehefa mitombo kosa ny fahalalany dia miha-tsapany izany fahambonian’ Andriamanitra izany. - Mbola tsapan’ireo manampahaizana ireo ihany koa, fa io ADN io dia misy code na teny miafina izay foronin’ny litera 4 dia ny ACGT vokatr’izany dia, tena samy manana ny mampiavaka azy tokoa ny karazan-java-mananaina tsirairay avy. Raha ampitahaina ohatra ny ADN misy eo amin’ny olona sy ny gidro dia toa mitovy hatramin’ny 98% izy io, ary dia mahavelombolo mihitsy ireo mpandala ilay fiovana izany satria dia ambarany fa dia kely tokoa ny fahasamihafana. Saingy rehefa tena dinihina tsara ilay fahasamihafana, dia tena lehibe tokoa satria, ny teny miafina foronin’io ADN io eo amin’ny sela iray amin’ny vatan’ny olombelona iray dia miisa, 3 miliara, na 3 000 000 000 no isany. Izany hoe raha milaza izany hoe 2% ny faha-samihafana misy na ambaran’dry zareo ireo hoe fahadisoana (erreur) eo aminy gidro sy ny olombelona dia midika izany fa 60 000 000 ny isan’izany fahasamihafana. Ka izany fahasamihafana izany dia tsy azo ambara mihitsy hoe fahadisoana fa tena mampiavaka manokana mihitsy an’ilay olombelona, satria raha adika ho boky izany faha-samihafana izany dia mitovy amin’ny boky 20 izay misy 500 pejy ao anatiny. Ka tsy azo raisina mihitsy hoe fahadisoana io faha-samihafana io satria raha izany dia inona no mety hitovizan’ny olombelona sy ny akondro, satria dia misy hitovizana hatramin’ny 50% ny code de l’ADN an’ireo?. Ny zava-mananaina tsirairay avy dia samy manana ny maha samihafa azy avokoa amin’io code de l’ADN io, na io tenimiafin’ny ADN io. Misy dikany avokoa izany tenimiafina izany, toa ireny nampiasain’ny olona fahiny ireny, arakaraky ny sivilizasiona niainany. Misy porofo manamarina fa mampiseho fomba fiteny hafa, ireo tenimiafin’ny ADN ireo, izay mitambatambatra ka manome ilay singan’ny proteina madinika antsoina hoe “acides amines” miisa 20. Ary miainga amin’ireo “acides amines” 20 ireo no hiforonan’ny proteina miisa 100 000 izay mandrafitra ny vatana iray. Amin’izao fotoana misy antsika izao dia mihezaka mafy ireo “biologistes”, na ireo manampahaizana manokana mahakasika ny sela, manomboka mamakafaka io tenimiafina io. Ary dia efa hita hatreto fa ny sela iray faran’izay madinika ao amin’ny vatantsika dia ahitana ADN mifampitohitohy sy mifanety ka raha vahana sy refesina dia mirefy ho 1 metatra izany, ary ahitana “nuléotides” na ireo fitambarana litera efatra GTCA miisa 3 000 000 000. Io tenimiafin’ny ADN io izany dia azo ambara fa ny tenin’ny fiainan’ny zava-mananaina, ary misy tompony io teny io, ary izay tompony ihany no afaka mamaky izany, dia tsy iza, fa ambaran’ireo manampahaizana ireo fa ny Mpahary izao tontolo izao no tompon’io teny io na “language” io. |
1.1.2.8 Grégoire Mendel : “les lois sur l’héritage”
-
1.1.2.9 Colin Patterson
- Ilay paléontologue anglisy malaza antsoina hoe Colin Patterson dia nilaza nanao hoe: “na iza na iza dia tsy afaka nanamboatra karazam-java-boahary hafa niainga avy amin’ny sivan’ny natiora”.
Rehefa tsy hitan’ireo mpanaraka ny foto-kevitry Darwin intsony ary ny hevitra satria dia tapaka avokoa ny làlana rehetra raha mbola hivoy ilay foto-kevitry ny fiovana izy ireo, dia narosony indray ny hevitra vaovao dia ny resaka mutation. Ny mutation dia tsy inona akory fa fiolanana na “distorsions”, na fahasimbana na “alterations” ny ADN ao anatin’ny zava-manan’aina iray, izay mazàna dia vokatry ny taratra “radio actif”, na ny fiovana ara-tsimika. Ny hanamarinany an’izany tsoa-kevitra izany dia noho ireo zava-mananaina izay lasa toa miha-misy fiovana tsikelikely vokatr’io “mutation” io. Izany fomba fijerin’izy ireo izany anefa, dia tsy marina sy tsy mitombona mihitsy, satria ny “mutation” izany dia tsy misy hafa tsy ny manimba ny ADN fotsiny no zavatra miseho ao, ary tsy mamokatra zavatra tsara mihitsy ho an’ny zava-mananaina izany fa fahasimbana aza no aterak’izany. Dia tapaka hatreo izany aloha ny làlan’ireo mpanohana an’ingahy Darwin ireo.