1 JEHOVAH ANDRIAMANITRA NO RAY
1.1 Nahona Izy no antsointsika hoe Ray?
Inona no fepetra ahatongavantsika sy ahafahantsika miteny hoe zanak’Andriamanitra isika ? na ahafahantsika miteny hoe Raintsika Jehovah ?
1 Jaona 5:1–2 «1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. 2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny. » Misy fepetra maromaro izany voalaza eto hamaritana ny antsoina hoe naterak’Andriamanitra na ny marimarina kokoa dia hoe hahatonga antsika antsoina hoe zanaka.
Ny fepetra voalohany dia ny hoe: MINO aloha fa i Jesosy no Kristy.
1.1.1 Jesosy no Kristy
1.1.1.1 Inona no dikan’ny teny hoe Kristy?
Ny teny hoe Kristy dia midika hoe: “olona voahosotry ny Avo” na “iraka manokana avy amin’ Andriamanitra hisolo tena Azy ety”.
Ahoana no hanaporofointsika ary fa Jesosy no Ilay Kristy?
Daniela 9:25 « Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i Mesia Andriana* dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro**; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro mampahory.[*Na: ilay andriana voahosotra][**Na: ary amin'ny herinandro roa amby enim-polo, dia etc] »
Efa hatrany amin’ny andron’ny mpaminany Daniela no efa fantatra fa izay antsoina hoe “Mesia” no “Ilay nohosoran’Andriamanitra”.
1.1.1.2 Ahoana ihany koa aloha ny dikan’ny teny hoe Mesia?
Ny teny hoe Mesia dia midika hoe “Ilay Mpanjaka andrasana hamonjy ilay firenena voafidy, izay tsy iza izany fa ny firenena Jiosy na ny zanak’isiraely”.
1.1.1.2.1 Ka moa ve i Jesosy marina ilay Mpanjaka nandrasana hamonjy ny firenena voafidy?
1. Ny porofo voalohany hilazana fa Izy no Ilay Mpanjakan’ny Jiosy dia izay niseho tamin’Izy vao teraka : Raha vao teraka Jesosy dia efa tonga ireo olon-kendry telo lahy na “Magy” avy tany atsinanana tonga hiankohoka sy hanome voninahitra Ilay Mpanjakan’ny Jiosy. Matio 2:1 – 2 «1 Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an'i Jodia, tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy* avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:[*Magy = olon-kendry] 2 Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany. »
2. Ny porofo faharoa hilazana fa Izy no Ilay Mpanjakan’ny Jiosy dia izay niseho tamin’ny namaliany ilay vehivavy Kananita : Matio 15:24 « Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely. »
3. Ny porofo fahatelo hilazana fa Izy no Ilay Mpanjakan’ny Jiosy dia izay niseho rehefa antomotra ny andro hanolorana Azy : Matio 21:5 « Lazao amin'i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa* (Zak. 9. 9).[*Gr. mitondra zioga] » Tamin’izay fotoana izay indrindra no nihorakoram-pifaliana ny vahoaka nilaza hoe: Matio 21:8 – 9 «8 Ary ny ankabiazan'ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany. 9 Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana* ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana* any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26).[*Hosana = vonjeo re!] » Manomboka voaporofo tokoa teo fa Jesosy dia Mpanjaka teo amin’ny zanak’isiraely, satria na dia mbola voazanaky ny fanjakana Romana aza ny zanak’Isiraely dia noraisina toy ny Mpanjaka Jesosy, ary nanaiky azy ny vahoaka.
4. Ny porofo fahefatra hilazana fa Izy no Ilay Mpanjakan’ny Jiosy dia izay niseho rehefa nanontanian’ny manampahefana Romana Izy tamin’ny fiampangana nataon’ny mpisorona be sy ny mpanora-dalana ary ny Fariseo taminy. Matio 27:11 « Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan'ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao. » Teto dia tsy nisalasala mihitsy Jesosy nanamarina ny fanontaniana napetraka taminy fa Izy no Mpanjakan’ny Jiosy.
5. Ny porofo fahadimy hilazana fa Izy no Ilay Mpanjakan’ny Jiosy dia izay niseho rehefa nohombohona tamin’ny hazo fijaliana Izy. Ireo miaramila tsy nitsahatra nilaza fa Izyno Mpanjakan’ny Jiosy na dia nanaraby azy aza izy ireo, fa napetaka teo ambony lohany teo amin’ny hazo fijaliana ihany koa ny soratra manambara fa hoe “Ity no Mpnajakan’ny Jiosy”. Matio 27:37 « Ary napetany teo ambonin'ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan'ny Jiosy. »
6. Ny porofo fahenina hilazana fa Izy no Ilay Mpanjakan’ny Jiosy dia izay niseho raha vao nifidy ny mpianany Izy : Jaona 1:41 – 42 «41 Izy no nahita an'i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atao hoe, raha adika, ny Kristy). 42 Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak'i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera*) [*Petera = vato] »
1.2 Ahoana ary no hilazana fa Jesosy no Kristy?
Efa hitantsika teny ambony fa ny antsoina hoe Kristy dia olona voahosotry ny Avo na Ilay Tsitoha, izany hoe Iraka manokana avy amin’Andriamanitra hisolo tena Azy ety an-tany. Ny porofo dia izao, Izy Jehovah Rainy mihitsy no miteny manamarina izany : Matio 17:5 « Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy. »
Marka 9:7 « Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy. »
Lioka 9:35 « Ary nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy. » Misy dikan-teny telo ireo izay voalazan’ny soratra Masina fa niantsoan’ny Ray Azy, feo izay nivoaka avy tao amin’ny rahona izay nanarona Azy : milaza ny “Ray fa Zanaka Malalany Jesosy”, izany hoe ny Zanany tiany indrindra no dikan’izany. Milaza ihany koa Izy fa hoe “Zanany Izay sitrany”, izany hoe voafidiny ary tsy ahitany kilema. Milaza ihany koa Izy fa hoe “Izy no henoy” izay hoe mahatoky tanteraka izay lazainy Izy satria Jesosy tokoa no Tenin’Andriamanitra tonga nofo ka nonina tamintsika. Ary ny farany dia milaza ihany koa Izy fa hoe “Jesosy no Ilay Zanaka voafidiny”. Dia mazava tsara izany fa Jesosy no Ilay sitrany, Jesosy no Ilay Zanaka Malalany, Jesosy no Ilay voafidiny. Izy irery no Ilay Mpanjaka, sady voahosotry ny Ray, noho izany dia Izy no Mesia na Ilay andriana voahosotra araka izay voalazan’ny Daniela 9 : 25; ary raha Izy no Mesia dia mazava tsara izany fa Izy no Kristy.
1 Jaona 5:1 – 2 «1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. 2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny. »
Izay mino izany fa Jesosy no Ilay Kristy dia voalaza fa naterak’Andriamanitra, ary raha misy olona milaza fa tia an’Ilay Ray niteraka dia Jehovah Andriamanitra Ray dia tsy maintsy tia izay naterany na izay nolazainy fa Zanany Malalany, dia Jesosy Kristy ihany koa izany. Kanefa raha milaza isika fa Kristiana na ihany koa mpanaradia an’i Jesosy Kristy, na ihany koa tia an’i Jesosy Kristy, dia tsy maintsy tia an’Ilay Jehovah Andriamanitra Ray, ary tsy maintsy mankatoa ny didiny, satria Izy no Ray, ary raha Izy no Ray dia ankohonany izany isika, izany hoe zanaka, ka raha zanaka dia mankatoa ny didin’ny Ray satria ny Ray no lohan’ny ankohonana.
Ka didy inona no ilay napetraky ny Ray ka tokony hankatoavin’ny zanany?
1 Jaona 2:7 « Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin'ny voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo. » Mazava tsara fa tsy nanoratra na nanome didy vaovao izany Ilay Ray fa izay efa napetrany sy nisy hatrizay ihany no mbola mitoetra sy hitantanany ny ankohonany.
Izy tsy manavaka fa miandry izay fanoloran-tenanao Izy, fa raha manolon-tena ho Azy ianao dia nomeny hery na nomeny anarana hoe Kristiana (tena izy fa tsy anarana fotsiny satria mankatoa ny didiny) ary dia tonga zanak’Andriamanitra tokoa, ka afaka miantso Azy hoe Ray.
Jaona 1:12 « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, [*Na: anarana, na fahefana] »
Satria isika sady mino an’ilay Jesosy ho Kristy, no mino fa Izy no Ilay Mesia, ary isika koa dia tia an’Andriamanitra ka mitandrina tsara ny didiny, dia afaka miantso Azy hoe Ray isika izany. Jehovah Ray!!
Raha toa ka izany tokoa isika, sady Kristiana tena izy, tsy misy fitaka, tsy misy lainga dia tonga zanaka tokoa isika ka dia tonga hamonjy antsika Jehovah.
Isaia 63:8 « Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy. »
Izao anefa tsy mora ny manaraka izany didy sy ny fitsipiny izany, tsy mora tokoa ny ho tonga hoe Kristiana marina izany, fa eo ny ota izay efitra mampisaraka antsika aminy.
1.3 Ny efitra mampisaraka antsika amin’i Jehovah
Isaia 59:1 – 2 «1 [Ny amin'ny ota, izay efitra fisarahana, sy ny fandravana azy] Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare; 2 Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy. »
Eto izany dia hitantsika mazava tsara mihitsy fa ny fahotantsika no efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra, ka lasa tsy hiainoany intsony izay vavaka ataontsika. Hany ka rehefa tafasaraka aminy isika noho ilay otantsika, dia manjary toa ny herin’ny tenantsika na ny fahaizantsika sisa no entintsika miady eo amin’ny fiainana, na ihany koa lasa mitady fitahiana hafa ankoatra ny fitahian’Andriamanitra any amin’ireo karazana fanompoan-tsampy isan-karazany.
Efa hitantsika tany aloha ny famaritana ny antsoina hoe « OTA », izay raha fintinina dia midika fa hoe mandika lalàna.
1.3.1 Ka lalàna inona ary io lazainy fa hitsarana antsika io?
Mba hampahazava tsara izay tiana hambara sy hampitaina amintsika, dia tsara raha hiverenantsika kely izay voasoratra ao amin’ny fitarihan-teny nataon’i Jaona, alohan’ny hakantsika lesona amin’izay rehetra voalaza ao.
1Jao 1:1–4 «1 [Ny firaisan'ny Kristiana amin'Andriamanitra, ary ny vavolombelona mampiseho sy mahamarina izany] Izay hatramin'ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain'ny tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana 2 (fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin'ny Ray ka efa naseho taminay), 3 izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin'ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany. 4 Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika*. »
Eto ny apostoly Jaona dia sahy mijoro vavolombelona ny amin’izay fifandraisany amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy. Izany hoe efa hitany ny làlana mizotra mankany amin’izany fiainana mandrakizay izany ka dia ambarany amintsika. Milaza izy fa izay efa henon’ny sofiny sy hitan’ny masony, ary notsapain’ny tanany no ambarany, ka anisan’izany ny mahakasika izay ho firaisan'ny Kristiana amin'Andriamanitra. Tsy vitsy tokoa ny Kristiana izay mba manampaniriana ny ho tsara fifandraisana amin’Andriamanitra izany, kanefa dia tsy vitsy ihany koa ny Kristiana no very hevitra sy manontany tena aza hoe: mbola misy mihaino ihany ve izany fivavahako izany?, sao dia efa tsy misy intsony izany Andriamanitra izany (sanatriaviko izany)? Dia very fanahy mbola velona ny ankamaroan’ny kristiana. Aiza ny làlan-kizorana? Mizotra mankaiza izany diako? Ho jerentsika miandalana ireo rehetra ireo, fa alohan’izany dia tsara raha ho faritantsika miaraka ny antsoina hoe “kristiana”.
1.4 Inona no antsoina hoe Kristiana?
Ny “Kristiana” dia tsy inona tsy akory fa ireo izay andiana olona milaza sy manaiky fa :
- i Jesosy no Kristy, ary Izy dia Zanak’Andriamanitra,
- manaiky ihany koa fa mpanaradia an’i Kristy, ka mandray ho modely izay rehetra nataony, ary mankatoa ny teniny rehetra.
Eto izany i Jaona, izay azo lazaina fa anisan’ireo Kristiana voalohany indrindra, dia mijoro vavolombelona sy manambara izay rehetra hitan’ny masony, sy ren’ny sofiny, ary notsapain’ny tànany, ny amin’ny Teny fiainana, izay tsy inona tsy akory fa ilay efa voalazantsika tany aloha ihany, dia ny amin’ny fiainana mandrakizay.
Voalazany mazava tsara mihitsy fa izay rehetra efa hitany sy tsapany ary ren’ny sofiny no ambarany sy entiny amintsika eto, mba hahazoantsika firaisana amin’ilay Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany.
Tsy zavatra nosoran-tsoratana fahatany ireo voasoratra ato amin’ny bokin’i Jaona ireto, fa tena zavatra marina efa niainany, efa hitany, efa henony, efa notsapain’ny tanany, ka entiny hijoroana vavolombelona amintsika aty aoriana. Izany hoe ny tian’ny Apostoly Jaona hiaviana izany dia ny hoe: raha tena te ho kristiana marina, manana firaisana amin’i Jehovah Andriamanitra sy amin’i Jesosy Kristy izany ny olona iray dia lalàn-tokana no haraina dia izay efa nambarany eto sy hijoroany vavolombelona amintsika.
1.4.1 Ny hilazan’ny Apostoly Jaona ny tokony ho fiainana Kristiana
1Jao5:1–3 «1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak' Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. 2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny. 3 Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. »
Ambarany ary fa raha tena te ho zanak’Andriamanitra izany ny olona iray dia tsy maintsy manaiky aloha, fa Jesosy no Kristy, izany hoe Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra; Ilay Teny tonga nofo, Ilay Mpita-marika teo anilan’ny Ray. Ary dia maro tokoa ny olona milaza fa hoe kristiana, izay midika avy hatrany fa hoe olona mpanaradia an’i Kristy hitantsika eny amin’ny fiarahamonina misy antsika, ary tsy vitan’izany ihany fa milaza izy ireo fa tia sy mino an’i Kristy. Ka raha tia an’i Kristy izany ny olona iray, dia hoy ny Apostoly Jaona hoe tsy maintsy tia an’Andriamanitra ihany koa izany ilay milaza fa kristiana. Ary farany dia ambarany fa raha milaza isika fa tia an’Andriamanitra, dia tsy maintsy mankatoa sy tia ny didiny, ary mitandrina an’izany. Noho izany raha hiverenantsika amin’izay ilay lohahevitra manao hoe: lalàna inona, na didy inona ary io tokony ho tandremana io, mba ho tsy voadika ka mety hilazana antsika hoe mpanota io? Eto dia tsy haka alavitra isika fa izay nanambaran’ny Apostoly Jaona azy ihany no haverintsika eto mba tsy hampiova ny hevitry ny teny: «7 Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin'ny voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo. 8 Ary koa, didy vaovao no soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria miala ny maizina, ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny. » 1Jao2:7 – 8
Voalazan’ny Apostoly Jaona ary eto fa tsy mba zavatra na didy na fitsipika vaovao izay vao noforonina akory ny lalàna izay ambarany eto, fa ireo izay efa nisy hatry ny elabe ka mbola mitoetra tsara ankehitriny.
1.4.2 Ireo didy ambara fa tokony ho hajaina
Dia ahoana ary izany? Inona ireo didy ireo?
Hijery teny roa samihafa isika mba hahafahantsika miroso lalin-dalina kokoa hatrany. Ny teny voalohany dia ho hitantsika ao amin’ny bokin’ny Malakia, ary ny teny faharoa dia izay efa nolazain’i Jesosy Kristy fony Izy tety an-tany.
Fa maninona isika no nisafidy ny bokin’i Malakia eto fa tsy boky hafa?
Satria ny bokin’i Malakia no boky farany indrindra ao amin’ny testamenta taloha, ary dia heverin’ireo mpandinika ny soratra masina maro fa izay voasoratra ao no famintinana izay rehetra voalaza ao amin’ny testamenta taloha rehetra. Inona ary no voasoratra?
Malakia 3:22 « Tsarovinareo ny lalàn’i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin'ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika. »
Jehovah eto no miteny na manisy sonia izany teny izany any ampamaranana ity boky ity. Eto dia tsy ho nilaza didy sy fitsipika hafa Izy, fa izay efa nomeny an’i Mosesy tao Horeba ihany no mbola nohamafisiny fa tsy maintsy ho tsarovana.
Toy izany koa rehefa tonga nofo ka nonina tamintsika ny Tenin’ Andriamanitra, dia tsy iza izany fa i Jesosy Kristy, dia nilaza zavatra mitovy amin’io ihany:
Jaona 5:45-46 «45 Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo. 46 Fa raha mba nino an’i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy. »
Angamba tsy ho hasiantsika ady hevitra be ireo fanambarana roa ireo fa dia mazava tsara mihitsy. Fa na i Jesosy Kristy izay Tenin’Andriamanitra tonga nofo ihany koa dia milaza mazava tsara, fa tsy mba Izy no hiampanga antsika, fa i Mosesy hoy Izy no hiampanga!! Dia mitovy tsara ny fanambarana na izay nolazain’i Jehovah Andriamanitra, na izay nolazain’i Jesosy Kristy, Ilay Tenin’Andriamanitra tonga Nofo satria hoy Jesosy: Jao12:48-50«48 Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany, 49 satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. 50 Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko. »
Toa milaza izany eto Jesosy Kristy fa tsy Izy no miteny ho antsika fa ny Teny izay noteneniny tamintsika dia tenin’ny Ray izay naniraka Azy, ary satria efa fantatsika tsara fa Jehovah Andriamanitra no Ilay Ray izay naniraka Azy, dia mazava tsara izany fa Tenin’i Jehovah Andriamanitra izany ny Teny izay nolazainy tamintsika. Tsy mahagaga araka izany raha toa ka tsy misy mifanipaka velively ny teny rehetra izay nolazain’ny Ray dia i Jehovah Andriamanitra hatrizay hatrizay sy ny nolazain’i Jesosy Kristy izay Teny tonga nofo ka nirahiny hamonjy antsika. Izany hoe azo raisina ho toy ny fantsona mampiampita hafatra izany Jesosy.
1.4.3 Nahoana ary no i Mosesy hatrany no lazaina fa mpiampanga antsika?
I Mosesy no voalaza satria izy no nomena ireo didy sy fitsipika rehetra nasain’Andriamanitra notandremana, raha toa ka tena hitia sy hitandrina ny teniny isika.
Maro tokoa mantsy ankehitriny ireo olona no milaza fa hoe tia an’Andriamanitra, sy milaza fa hoe Kristiana nefa tsy vonona akory hankatoa ny didy sy ny fitsipiny rehetra, ary dia tena mahavariana aza ny fiheveran’ny sasany fa hoe: raha vao miresaka didy sy fitsipika izany dia efa maika ery hilaza hoe: efa testamenta taloha izany, efa natokana ho an’ny zanak’isiraely tamin’izany fotoana izany ihany izany, ka tsy hihaino an’izany intsony izahay na hankatoa an’izany intsony. Tsy ho andevon’ny lalàna intsony izahay, fa efa ambany fahasoavana.
Mahagaga ilay fomba fiheverana fa hoe mety miova io Andriamanitra io, ary mety ho diso izay lazainy, ka dia ho voafetran’ny vanimpotoana izay zavatra nambarany. Ohatra hoe: taloha dia nilaza Izy Jehovah Andriamanitra fa hoe hamasino ny sabatako, ary ho famantarana ho Ahy Jehovah Andriamanitrareo sy ho anareo izay manompo Ahy io fanajana ireo andro Sabata amin’ny fotoany avy ireo, na Jiosy ianareo na jentilisa, ka hanompo Ahy. Ho lalàna mandrakizay izany. Taty aoriana dia nanjary niova izany ka tsy ireo Sabatan’i Jehovah intsony no nohamasinina sy notandremana fa nanjary ny andro hafa toy ny alahady, Krisimasy, Paska tsy amin’ny fotoany, fetin’ireo olomasina toy ny hoe fetin’ny Saint Valentin lazaina fa fetin’ny mpifankatia, Saint Sylvestre lazaina fa fety voalohan’ny taona, sns… manjary izany rehetra izany indray no nohajaina. Ka mety miova ary ve izany ny tenin’i Jehovah? Mety ho diso ary ve izany Jehovah? Sa tamin’izany vaninandro niainan’ny Zanak’isiraely izany ihany Izy, no Andriamanitra fa amin’izao fotoana izao Izy efa tsy eo intsony? Tena mampiheritreritra lalina izany rehetra izany, kanefa izao no lazain’ny Soratra Masina:
Isaia 46:4 « Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka. »
Isaia 48:12 « Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy ry Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany. »
Nomery 23:19 « Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny? »(1 Samoela 15:29)
Apok 16:5 « Ary nahare ny anjelin'ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao; »
Tsara apetraka mazava tsara ary aloha fa tsy miova Jehovah, “Izy Ilay Izy Hatrizay Hatrizay ka ho mandrakizay”, tsy mandainga Izy ary tsy mba misy fitaka eo ambavany. Izy no Ilay niteny ary tsy miova izay teneniny.
Noho izany raha milaza isika fa tia sy mahalala an’Andriamanitra, dia ilay Jehovah Andriamanitra Tsitoha Mpahary ny lanitra sy ny tany, dia izao no hambaran’i Jaona ho fitiavana an’izany Andriamanitra izany:
1Jao2:4-6 «4Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. 5 Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra* izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. 6 Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. »
1Jao5:3 « Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. »
Ny fitiavana an’Andriamanitra izany dia tsy mandehandeha ho azy izany, tsy hoe tononina fotsiny eo am-bava, hoe tia an’Andriamanitra aho, fa tsy maintsy misy fankatoavana asehontsika eo vao afaka milaza isika fa mahafantatra sy tena tia Azy. Ilay fankatoavana dia tsy inona tsy akory fa ilay fanarahana sy fitandremana ny didiny sy ny fitsipiny, ary tsy misy fimenomenomana hoe tsy zakako izany didy izany fa toa mavesatra be. Andriamanitra dia fitiavana ary izay mandray Azy dia tsy maintsy manana izany fitiavana izany ihany koa, ka dia mitandrina ny didiny sy ny fitsipiny izay nomeny an’i Mosesy tao Horeba ary tsy mahatsapa akory hoe misy didy sy fitsipika tandremako ato fa lasa fiainana mahazatra izany. Matoa maro ireo lazaina hoe Kristiana na ireo izay kilasiana na ny marimarina kokoa misoratena hoe mino an’i Jesosy ho Kristy, na raha tena tsorina dia ireo antsoina hoe Kristiana sadasada, dia satria tsy maintsy misy izany ary tsy vitsy no hanaraka sy voasoratra amin’izany mba ho fahatanterahan’ny Soratra Masina manao hoe Isaia 4:1 « Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso » Fantatsika tsara fa ny “code” na ny dikanteny miafina ambaran’ny teny hoe “vehivavy” dia midika hoe “Fiangonana”. Ny “lehilahy iray” izay lazaina fa tazonin’ireo “fiangonana fito” ireo izany dia tsy iza fa “Jesosy Kristy”. Milaza izy fa hoe “Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay” toa midika izany fa fantatr’izy ireo tsara (dia ilay fiangonana fito izany) fa misy sakafo tokony ho fadiana eo, misy fitafy tokony ho tandremana eo, saingy tsy te hitandrina izany izy, izany hoe tsy te hitandrina izay didy sy fitsipika any izy ireo, fa izay tiany atao dia hataony avokoa, tsy manaraka sy tsy miraharaha izay didy sy fitsipika izany, tsy misy fitiavana an’Andriamanitra izany satria tsy te hankatoa ny didiny, kanefa dia miangavy izy ireo ny mba hotononina amin’ny anaran’Ilay lehilahy iray dia tsy iza izany fa i Jesosy Kristy, izany hoe miangavy izy ireo ny mba ho antsoina hoe “KRISTIANA”, mba tsy ho afa-boninahitra na ho resi-tondromaso. Tsy mahagaga tokoa araka izany raha toa ka harabirabian’ny finoana sasany isika Kristiana, (finoana sasany, toa ny silamo izany ohatra, na ny mpino ny fomban-drazana, sns…) satria hita tokoa fa tsy misy fitiavana an’Andriamanitra ao anatin’ireo lazaina fa Kristiana satria tsy te hanaraka ilay didiny sy ny fitsipik’Andriamanitra.
1.5 Ireo didy nambaran’i Jehovah fa tsy maintsy hajaina
Deo6:16-17 « 16 Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa. 17 Tandremo tsara ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao. »
Maro tokoa ireo didy izay nambaran’i Jehovah fa tsy maintsy hajaina, ary mbola mitoetra hatramin’izao vanin’andro hiainantsika izao. Mbola mihatra tokoa satria, tsy mbola nisy didy na fitsipika na teny nanambara fa efa noravana sy nofoanana izany, hany ka sady mbola hajaintsika no tena hankatoavintsika, na mpivavaka isika na tsia. Ny tsy fanajantsika izany dia mampikorontana ny tontolon’ ny fiarahamonina misy sy hiainantsika. Ohatra hoe, na dia tsy mpivavaka na tsy mahafantatra an’Andriamanitra aza ny fiarahamonina iray, dia mikorontana io raha vao misy mangalatra, na mandainga, na mijangajanga, na mamono olona, sns… ao anatin’izany fiarahamonina izany. Na dia izany aza ny fiantraikan’ny tsy fanajana ireo lalàna ao anatin’ny fiarahamonina izany, dia misy ihany ireo lalàna izay toa niniana novolena, na novana mihitsy satria manelingelina ny filan’ny sasany, sy ny fahafahany; na ihany koa niniana novana tsotra izao noho ny fanarahana fampianarana diso, na koa noho ny asan’i Satana ka nanovany ny marina izay voasoratra, ka lasa tsy fantatsika ny tena marina sy ny tena heviny hatrany ampiandohana, ka hanarahantsika ny fampianarana izay nodisoina ary mahavery ny fiainam-panahintsika. Ireo lalàna ireo dia manjary hadino sy tsy tsaroantsika ny fisiany nefa dia nambarany fa ho lalàna mandrakizay ary tsy maintsy hajaina. Izany lalàna mandrakizay izany dia tsy ho foana tsy akory na ho tsy manankery intsony, raha tsy efa tanteraka ny sitrapony ka tanteraka ny planiny ho an’ny olombelona rehetra.
Fa alohan’ny tena hidirantsika amin’io fanadihadiana io, dia andeha aloha isika hijery manokana ireto zavatra manaraka ireto, mba tena ahafahantsika miroso lalin-dalina kokoa.
Ny nanomezan’Andriamanitra ny tabernakely
Eks 25:1 « [Ny nandidian'Andriamanitra an’i Mosesy ny amin'ny hanaovana ny Tabernakely sy ny fanaka momba azy] Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: »
Eks 25:8 – 9 «8 Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho. 9 Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy. »
Misy sarin’ny tabernakely izay nasehon’i Jehovah an’i Mosesy izany teo ho modely, ary dia nodidiany mihitsy Mosesy mba handrafitra izany tabernakely izany, ka hatao tena mitovy tsara mihitsy tamin’izay sary naseho azy. Dia toy izany no nanamboaran’i Mosesy ny Tabernakely. Midika izany fa ny “original” na ny tabernakely tena izy dia mitoetra any an-danitra, fa dika mitovy io narafitry Mosesy io, ka nampiasain’ny Zanak’isiraely.
1.5.1.1 Ny tabernakely tena izy any an-danitra
Apok 11:19 « Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy. »
Apok 15:5 « Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia* ny tabernakelin'ny vavolombelona*[* Dia ny Didy Folo] * tany
Rehefa nahita ny fahitana tany an-danitra izany ny Apostoly Jaona, tao anatin’io fandraisana na fanoratana ny boky Fanambarana io na ny Apokalypsy, dia nahatsapa izy fa, hitany tany tokoa ny tabernakely (ilay original), izay nasehon’Andriamanitra an’i Mosesy ka nasainy nalaina tahaka ho tena mitovy amin’io lasitra tena izy any an-danitra io. Ka ahoana ary no hilazan’i Paoly an’izany tabernakely izany?
1.5.1.2 Inona avy ireo fanaka hita ao anatin’io tabernakely io?
Hebreo 9:3 – 5 «3 Ary ao anatin'ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe "ny fitoerana masina indrindra," 4 izay nisy lovia*[* Na: alitara] volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran'ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin’io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran'ny mana, sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena; (didy folo) 5 ary teo ambonin’io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana, tsy azonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny. »
Misy fanaka maromaro izany ao anatin’io tabernakely io:
- ka ao anatin’ny fitoerana masina indrindra no misy ny alitara na ny lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra;
- manaraka an’io alitara io dia misy ihany koa ny fiaran’ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa, ary ao anatin’io fiaran’ny fanekena io no misy:
1 vilany volamena izay nitoeranan’ny mana;
2 ny tehin’i Arona izay nitsimoka;
3 ny vato fisaky ny fanekena na ny didy folo; ary teo ambonin’io fiaran’ny fanekena io no nisy ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny fanaovam-panavotana.
1.5.1.3 Ny mana
Ahoana izany taratry ny sitrapon’Andriamanitra manodidina io mana io izany?
1 Tsy misy mana mirotsaka amin’ny alina fa dia mitohy mandeha ny zanak’isiraely. Midika izany fa tsy natao hiasana hitadiavana hanina na vola ny alina fa ny atoandro ihany no tokony hanaovana an’izany. Salamo 127:2 « Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina sy ny alim-pandry ka homana ny hanina azo amin'ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory aza izy. »
2 Tsy nataony hitady sakafo mihoatra noho izay ampy azy ny zanak’isiraely, fa nomeny izay sahaza ho an’ny iray andro ihany. Izany dia manamarina ilay vavaka nampianarin’i Jesosy Kristy manao hoe: Lioka 11:3 « Omeo anay isan'andro izay hanina sahaza ho anay. » Izay nanangona nihoatra ny sahaza ho azy dia nivoaka olitra avokoa ny mana nangoniny.
3 Tsy miasa mitady hanina rehefa andro fahafito na Sabatan’i Jehovah, fa efa omeny ny andro zoma na andro fahenina avokoa izay sakafo ilaina ho an’ny Sabata. Ny dikany izany dia hoe efa vita mialoha ny sabata avokoa ny fihomanana rehetra hidirana ao anatin’ilay tena fitsaharana tanteraka.
4 Fampahatsiahivan’i Jehovah ho an’ny zanak’isiraely ilay andro fahafito fitsaharana io mana io, satria efa nanadino ny fanajana ny Sabata ny zanak’isiraely tany Egypta nandritra ny 430 taona naha andevo azy ireo, ka tsy nasiany mana nilatsaka ny andro fahafito na Sabata mba ho tena fitsaharana marina. Eksodosy 16:23 – 27 «23 Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain’i Jehovah : Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an’i Jehovah ; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina. 24 Dia namela izany ho tra-maraina izy, araka izay nandidian’i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka olitra izany. 25 Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an’i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha. 26 Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin’izany. 27 Ary nony tamin'ny andro fahafito dia nisy olona nivoaka hanangona, fa tsy nahita na dia kely akory aza. »
1.5.1.4 Ny tehin’i Arona izay nitsimoka
Ny nahatonga ny tehin’i Arona ho nitsimoka izany, dia ho famantarana nasehon’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny Zanak’isiraely rehetra, fa tena voafidiny ho mpisorona ny taranak’i Levy, ka ny tehin’i Arona no nanaporofoiny an’izany. Napetrany ihany koa izany ho fahatsiarovana ny hampitsaharan’ny zanak’isiraely ny fimonomononana tamin’i Mosesy sy Arona mba tsy hahafaty azy ireo.
Fa misy hafatra hafa tian’Andriamanitra hasongadina ihany koa izany manodidina io tehin’i Arona io. Midika avy hatrany io, fa tena fitiavana lehibe tokoa no nasehon’Andriamanitra ny zanak’isiraely, ka namoahany azy tao Egypta tamin’ny fanandevozana nahazo azy. Io tehin’i Arona io no anisan’ny fitaovana voalohany nampiasain’i Mosesy sy Arona mba handresy lahatra an’i Farao mba handefasana hivoaka an’i Egypta ireo zanak’isiraely ireo. Midika izany fa ho vavolombelona eo amin’ny tantara sy ny fanavotana lehibe izay nataon’Andrimanaitra tamin’izany fotoana izany dia nampitoerina tao anatin’ilay fiaran’ny fanekena io tehina io ho porofo, fa sandry mahery no nampiasain’i Jehovah namoaka ireo zanak’isiraely hiala amin’ny fanandevozan’i Farao.
1. ny tehin’i Arona no natsipy teo anoloan’i Farao ka nivadika ho menarana ary dia nitelina ihany koa ny bibilava avy tamin’ny tehin’ireo ny olon-kendry sy ny mpanana ody; ary ireo ombiasy teo Egypta (Ekso7: 10-12)
2. mbola io tehina io ihany koa no nikapohan’i Mosesy sy Arona ny rano tao Neily, ka nampivadika ho tonga rà ny rano rehetra tao Egypta ary dia nahafaty ny hazandrano rehetra ary dia tonga maimbo ny rano. Ary dia io tehin’i Arona io ihany koa no nahinjitra tambonin’ny sampandrano sy ny rano rehetra tao Egypta ka tonga rà ny rano rehetra tao. (Ekso 7: 15-25).
3. Io tehina io hatrany no nasain’i Jehovah nahinjitra tambonin’ny rano tao Neily, ka nahatonga ny loza faharoa izay namelezana ny Egyptiana, ka nampiakatra ny sahona handrakotra ny tany Egyptiana. (Ekso 7:26 – 29; Ekso 8:1-11).
4. Io tehina io hatrany no nampiasaina hahatonga ny loza fahatelo, dia ny moka betsaka rehefa nokapohina tamin’io tehina io ny vovo-tany. Nahazo ny tany Egyptiana rehetra izany hafa tsy ny tao Gosena ihany izay nisy ny Zanak’isiraely (Ekso 8:12-15).
6. Mbola io tehina io ihany koa no nahinjitra tambonin’ny tany ka nahatonga ny loza fahavalo dia ny valala, ka namotika sy nihinana ny voly rehetra tao Egypta, na anana na voankazo, ary dia tonga maizina mihitsy ny tany tamin’izany andiam-balala betsaka izany. (Ekso10:1-20).
7. Ny loza faha sivy sy ny fahafolo kosa dia tsy nampiasana ny tehina.
10. Rehefa vita izany ka tonga ny Amalekita tao Refidima hiady amin’ny zanak’isiraely dia mbola io tehina io ihany koa no nasandratry Mosesy teny an-tanany, ka nandresen’ny zanak’isiraely ny Amalekita (Eks17:7-16).
Ny hevitra ambadika manodidina io tehina io
Midika izany fa tena nanehoan’Andriamanitra ny heriny sy ny voninahiny mihitsy io tehina io, ka mba ho vavolombelon’izany asa fanafahana lehibe izany sy ho marika hatrany amparany fa tena taranaka nofidiany tokoa ny zanak’isiraely, ary dia tena tiany, dia nampitoeriny ao anatin’izany fiaran’ny fanekena izany io tehina io.
1.5.1.5 Ny vato fisaky ny fanekena na ny didy folo
Voatahiry ao anatin’izany tabernakely izany ihany koa io vato fisaky ny fanekena io, mba ho vavolombelona hatrany amparany, fa sora-tanan’i Jehovah no nanaovany an’io, ary ho fanekena mandrakizay izay soratra rehetra voarakitra ao anatin’izany vato fisaky ny fanekena izany.
Mbola mitoetra mandraka androany izany didy folo nomen’i Jehovah izany, satria raha hanao fanadihadiana kely isika, dia hahatsapa fa mbola voatahiry any an-danitra ny dika mitovy amin’izany didy folo izany ary tsy nisy novana mihitsy izany.
Andeha ho jerentsika tsirairay izay tena nasian’Andriamanitra tsindrim-peo manokana mahakasika izany didy izany. Nasiany tsindrimpeo manokana satria na dia ny fehezanteny izay nanoratany azy aza dia tena lava dia lava tokoa tsy mitovy amin’ireo didy sasany.
1.5.2 Ny didy folo
Tsy nisy na dia iray aza hatramin’izao fotoana hiainantsika izao didy nilaza ny handravana izany didy folo izany. Efa tany amin’ny andron’ny zanak’isiraely nivoaka tany Egypta no nanomezan’i Jehovah izany didy folo izany. Ary i Mosesy no naka izany tany an-tendrombohitr’i Sinay (Horeba), ary dia ny tanan’i Jehovah mihitsy no nanoratra izany vato izany, nosokirina tamin’ny takela-bato roa.
Ny teny voarakitra tao anatin’izany didy izany dia izao:
Eks 20:2 – 17 1« 2 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.3 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. »
24«Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. 5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy; 6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. »
37 « Aza manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. »
48 « Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. 9 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. 10 Fa Sabatan’i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. 11 Fa henemana no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian’i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. »
512 « Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao. »
613 « Aza mamono olona. »
714 « Aza mijangajanga. »
815 « Aza mangalatra. »
916 « Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. »
1017« Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza. »
Ireo didy ireo no nisy tamin’izany ary mbola mitoetra mandraka androany.
Heb 10:28 « Izay manohitra ny lalàn’i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po; »
Anjarantsika no mankatoa na tsia izany, satria efa nambarako teo ambony fa manana safidy isika.
Amin’ireo lalàna folo ireo dia tokony hitovy avokoa ny fanajana sy ny fankatoavana azy rehetra, satria nomena niaraka avokoa ireo rehetra ireo, fa tsy nomena mitsitokatokana, noho izany dia mitovy avokoa ny fanajana azy rehetra. Raha misy iray tsy hajainao, dia tokony ho tsy hajaina koa izy sivy ambiny. Saingy misy ny lalàna vitsivitsy ao izay nasian’i Jehovah tsindrim-peo manokana mihitsy ny filazany azy satria angamba efa tsapany hatrany ampiandohana fa ao anatin’izany no hisy hamilana sy hisian’ny fahasamihafana, satria dia tsy tantin’ny maro ny fanajana azy toy ny fanompoana andriamanin-kafa, na ny fisokirana sarin-javatra voasikotra mba hiankohofana, ny fanajana ny andro Sabata. Ireo no tena manahirana ny olona fa ny lalàna 8 ambiny kosa tsy misy ady hevitra ny fanajana azy, fa na mpivavaka na tsia dia samy manaiky fa raha vao tsy hankatoavina ireo dia mikorontana ny fiaraha-monina Ohatra: aza mangalatra, aza mamono olona, aza miampanga lainga, aza mijangajanga sns… Ireo didy faharoa sy ny fahefatra izany no tena navahany mihitsy, sady lava be, no notsindriany mafy mihitsy ny filazany azy satria ireo no famantarana na Azy ny olona iray na tsia.
1.5.2.1 Ny mpikomy amin’Andriamanitra sy ny Mesiany
Sal 2:1 – 4 «1 [Ny mpikomy amin'Andriamanitra sy ny Mesiany] Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena? 2 Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe: 3 "Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany." 4 Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo. »
Raha araka io voalazan’ny Salamo faharoa io ary, dia ambarany mazava tsara fa ny mpikomy amin’i Jehovah sy ny Mesiany (Jesosy Kristy) no misaina zava-dratsy sy te hanohatra Azy ireo, ka milaza fa fatorana sy fangejana ny didin’i Jehovah sy ny fitsipiny ka tokony ho vahana sy borahana mba hiala amin’izy ireo, fa lazainy fa mangeja azy. Ary dia tsy vitsy tokoa no mampianatra fa hoe tsy andevo intsony izy ireo ka ho voafatotry ny didy sy lalàna, efa eo ambany fahasoavana ka tsy fehezin’izany intsony « Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso » Isaia 4:1. Tsy te ho voafatopatotra izany ireo karazan’olona ireo. Te handeha araka izay hitsiny fotsiny tsy misy didy sy lalàna, (izay tiany hohanina dia haniny avokoa, ary izay tiany ho tafiana dia tafiany avokoa, tsy misy mpifehy, tsy misy fitsipika), efa nohazavaintsika lavabe izany teo ambony tao amin’ilay lohateny hoe “Nahoana ary no i Mosesy hatrany no lazaina fa mpiampanga antsika?” fa ny tena tadiavin’izy ireo dia ny mba hiantsoana azy ireo fotsiny hoe: “kristiana ianareo”, kanefa hoy ny Salamo teo hoe hihomehy sy haneso azy ireo fotsiny Jehovah sy ny Mesiany. Hoy Jesosy Kristy Ilay Mesia « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » Matio 7:21. Ny sitrapon’ny Rainy izay any an-danitra dia ny fankatoavana ny didiny sy ny fitsipiny. Andeha ary ho fakafakaintsika ireo didy isan-karazany ireo:
1.5.2.2 Aza manana andriamani-kafa
Genesisy 1:26 – 27 « 26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. 27 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. »
Deoteronomia 4:23-24 «23 Mitandrema ianareo, fandrao manadino ny faneken’i Jehovah Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra izay efa nandraran’i Jehovah Andriamanitrao anao. 24 Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy. »
Deoteronomia 6:13-15 «13 Matahora an’i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao. 14 Aza manaraka izay andriamani-kafa amin’ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo, 15 fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran’i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany ianao. » Eksodosy 20:3 – 5
Tena miharihary ao amin’ireo andalan-teny maromaro ireo fa anisan’ny mampirehitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny olombelona mihitsy ny fananganana andriamanin-kafa hitokiana sy hiankohofana. Ny ota hafa rehetra izay mety ataon’ny olombelona ivadihana na andavana Azy, dia mbola azo lazaina fa zakany ihany, na koa hoe lefiny ihany, satria izay olona nanao ilay ota ihany no hovaliany amin’izany, izany hoe: ilay tompon’ny heloka ihany no mibaby ny helony. Fa eto kosa, raha vao fanompoan-tsampy no resahina dia mirehitra mihitsy ny fahatezeran’i Jehovah, ho an’izay olona manao izany. Noho izany, raha sendra olana isika, dia tsy ny fitadiavana andriamanin-kafa no vahaolana, fa ny fiverenana aminy. Miezaha mamantatra ny antony nahatonga ny fahatezerany eo amin’ny fiainantsika, mibebaka sy miverina aminy, fa Izy dia Andriamanitra Mpamindra fo sy Mpamela heloka, ary mahafantatra ireo izay tena mino sy miverina mitady Azy amin’ny fo mangorakoraka, sy feno fanenenana.
Eksodosy 34:6-7 « 6 Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana, 7 mitahiry famindram-po ho an'ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka sy ny zafy hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika. »
Tsy ny hahafaty ny ratsy fanahy akory no sitrak’i Jehovah fa ny hialany amin’ny ratsy.
Eny tena mazava ny filazan’i Jehovah Andriamanitsika fa tsy tokony hiankohoka amin-javatra hafa isika, fa tokony hitoky aminy tanteraka. Hametraka Azy amin’ny toerana tena mendrika sahaza ny halehiben’ny Voninahiny. Ary Izy dia manambara fa Andriamanitra saro-piaro, ka mamaly ny fampirafesantsika Azy amin’ny andriamanitra tsy izy. Ary ny tena loza dia tsy mba vitan’ny hoe: isika ihany no hamaliany ny fahatezerany, fa hatramin’ireo taranatsika efatra mifandimby (Isika + zanaka + zafikely + zafiafy + zafindohalika = taranaka dimy mifandimby) dia samy hamaliany ny fahatezerany avokoa.
Raha ireo no dinihina dia azo antoka fa na dia ny ota, na fanompoan-tsampy izay nataon’ireo ray aman-drenitsika, na ny an’ ireo razantsika tany aloha aza dia samy babetsika avokoa ankehitriny, satria dia izay no famalian’i Jehovah Andriamanitra azy ireny. Ary fantatra fa mavesatra ho an’ny taranaka aty afara ny mibaby izany heloky ny razana fahiny izany. Dia anjarantsika no misafidy na ny hanapotehany sy hanafaizany ny taranaka dimy mifandimby, na ny hanasoavany sy hamaliany soa ny taranaka arivo mandimbintsika.
1.5.2.2.1 Ka inona ary no tokony hataontsika amin’izao fotoana izao? Inona no tadiavin’i Jehovah amintsika?
Eksodosy 34:12 – 14 «12 Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany izay halehanao ianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany. 13 Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny Aserahany. 14 Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy, » (Aseraha = anaran-tsampy nisy tamin’izany fotoana izany.)
Nahoma 1:2 – 14
1. Ny tadiaviny amintsika dia ny ho miaramilany, hamotika sy handrava ny sampy rehetra misy ary hampanjaka ny fanjakany. Tsy hahavita an’izany isika raha tsy efa mahafantatra tsara Azy Jehovah Andriamanitra Tsitoha, sy afaka mahalala tsara ihany koa ny tena sitrapony:
2. Eo koa ny fitoriana ny filazantsarany, dia ny fanambarana amin’ny tany rehetra, fa Izy no Andriamanitra lehibe Mpahary ny lanitra sy ny tany:
Apokalypsy 14:6 – 7 « 6 Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay (bokin’ny Apokalypsy) hotorina amin’izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, 7 nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora] »
Tsy ho vitantsika izany raha tsy miaina miaraka aminy isika, mivelona ao anatintsika ny Teniny (dia i Jesosy Kristy izany), dia izay vao afaka ny handinika ny Soratra Masina isika (Jaona 5: 39), ary ny Fanahy Masina no hitari-dalana ho amin’izany.
3. DELIVRANCE na fanafahana na fanapahana ny fatorana amin’ilay ratsy. Famahana ny fatorana mangeja ny fiainam-panahin’ny olona iray. Tena ilaintsika io fanapahana ny zioga io, ary tsy zavatra vaovao izany fa efa voalaza hatry ny ela tokoa. Raha ny tokony ho izy aza dia zavatra fanao isan-taona io asa fanapahana io (izay midika ho andro fanavotana), ary dia atomboka hatrany amin’ireo mpisorona ny fanaovana izany (Jereo Levitikosy 16).
Misy karazany maro tokoa ny zavatry ny nofo mety mangeja ny olombelona dia ireto avy izany:
Galatiana 5:19 – 21 «19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, 21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. »
1.5.2.2.2 Mbola mety ho hitantsika amin’izao fotoana izao ve izany fiankohofana amin’ny sarin-javatra voasikotra izany? Inona avy ny endrika hisehoan’izany?
1 Tim 2:5 « Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin' Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, »
Kolo 3:17 « Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran’i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany. »
Hebreo 9:15 « Ary noho izany dia Mpanalalana amin’izay fanekena vaovao
Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan’izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay. »
Afaka mandefa ny fivavahantsika mivantana amin’Andriamanitra izany isika, amin’ny alalan’ny Teniny, dia tsy iza fa i Jesosy Kristy. Noho izany, izay mety ho endrika sary na sari-vongana, na iza no endriny, na iza mety hiheveranao azy, dia diso ary tsy eken’Andriamanitra velively izany, satria dia endriky ny sampy izany. Ka tsy fitahiana no ho azo amin’izany fa ozona ho an’ny taranaka efatra mifandimby. Fa tamin’ny fotoana izay nahatonga Ilay Zanak’Andriamanitra velona teto an-tany dia tsy mbola nisy izany fakantsary izany, ka noho izany dia izay niheveran’ny olona fotsiny ilay endriny no nanaovany ny sary. Izay fanaovana sary izay anefa no ilay ambara fa efa voarara hatrany ampiandohana ny fanaovana izany.
Ny tena andrasany amintsika dia izao:
Fantatsika izany eto, fa ny tena mahasarotiny an’i Jehovah Andriamanitra dia ny fampirafesana Azy amin’ny sarin-javatra voasikotra, ary ny fiankohofana eo anatrehan’izany zavatra izany. Izany hoe manompo sampy. Noho izany dia adidinao ny fandravana ny Aseraha na izay mety ho endriky ny sampy rehetra, na ireo izay lazaina fa sarin’ireo olo-masina, na iza no anarany na iza.
Salamo 119:159 – 160 « 159 (…) Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao. 160 Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra. »
Misy ihany koa ny lalàna izay notsindriany mafy tokoa fa ho lalàna mandrakizay. Izany hoe tafatoetra mandraka androany izany, ka tsy maintsy hajaina.
1.5.2.3 Manajà ny andro Sabata
Io fanajana ireo andro sabata ireo dia anisan’ireo lazainy fa famantarana mandrakizay eo Aminy sy isika, izay midika fa ho lalàna mitoetra mandrakizay. Dia nasiany tsindrim-peo mafy tokoa izany ary dia miverina in-157 izany teny hoe sabata izany ao anatin’ny Baiboly.
Eksodosy 31:13 « Ary dia milazà amin'ny Zanak’isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. »; Eksodosy 31:16-17«16 Dia hotandreman'ny Zanak’isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany. 17 Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak’isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra. ».
Raha apetratsika eto ny dikanteny amin’ny teny frantsay dia izao no azo tsoahina. Exode 31 : 13 “ Parle aux enfants d’Israel, et dis-leur: Vous ne manquerez pas d’observer mes sabbats, car ce sera entre moi et vous, et parmi vos descendants, un signe auquel on connaîtra que je suis l’Eternel qui vous sanctifie. » ; Raha amin’ny fiteny malagasy no hamakiana ny teny sy hanambarana izany dia tsy miavaka na tsy mazava tsara ny tiany ambara satria tsy miavaka ny teny milaza fahamaroana na « pluriel » sy ny teny milaza singa tokana na « singulier » fa mitovy avokoa izany, hany ka mety handiso hevitra izany raha tsy hijery hafa tsy baiboly amin’ny fiteny malagasy fotsiny ihany isika. Fa raha vao apetraka na jerena amin’ny fiteny frantsay ilay izy dia manaitra ny saina avy hatrany ny soratra mahakasika izany sabatan’i Jehovah izany, satria avy dia teny milaza fahamaroana na “pluriel” avy hatrany no hanoratany azy. Midika izany fa tsy tokana io sabata asainy tandremana sy famantarana eo aminy sy ny olony io, fa fara-faharatsiny misy roa izany. Ka ahoana ary ny hamantarana ny isan’izany sabata izay asainy tandremana izany?
Jehovah dia nametra fotoam-pivavahana izay tokony ho tandremana sy hajain’izay manaiky Azy fa Izy no Ray, Izy no Andriamanitra tokana, ary manaiky Azy fa Izy no Ilay Tsitoha Mpahary izao rehetra izao. Levitikosy 23:1 – 4 «1 [Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy: 3 Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany. 4 Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy: » (Manasa anao hamaky hatramin’ny farany ny bokin’ny Levitikosy toko faha 23.)
Ao anatin’io Levitikosy toko faha 23 io dia misy fotoam-pivavahana 8 voatendrin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay, ary dia samy antsoina hoe sabata avokoa izy rehetra ireo.
- Ny voalohany hanomboany Azy ao dia ilay sabata andro fahafito. Miantso fotoam-bavaka Izy eo ary dia ambarany mazava ihany koa fa tena andro fitsaharana izany andro sabata izany.
- Ny faharoa dia ilay andro Paska: Levitikosy 23:5 « Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah. » Misy fotoana manokana izay voatendriny miavaka mihitsy izany io Paskan’i Jehovah io, ary mazava tsara fa indray mandeha isan-taona izy io no tendreny ho hajaina. Misy datin’andro raikitra sy mazava izy io araka ny fanisan’andron’i Jehovah, toa ireny fahatsiarovana ny tsingerin-taona fahaterahana ireny.
- Ny fahatelo dia ilay fihinanana ny mofo tsy misy masirasira: Levitikosy 23:6 – 8 «6 Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. 7 Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo; 8 fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo. » Izy ity indray dia mandritra ny fito andro no fankalazana azy. Misy andro firavoravoana fito andro ao, fa ny fanomboana sy ny famaranana azy kosa dia hisy fivoriana masina ho tanterahana. Mandritra an’ireo fotoana ireo dia hifady ny masirasira ny olony, izany hoe mifady ireo lalovay rehetra mety hampitombo ny mofo. Fotoana raikitra ihany koa io fotoana io ary dia ankalazaina ny ampitson’ny Paska.
- Ny fahefatra nodidiany ho tandremana dia ny Pentekosta: Levitikosy 23:15 – 16 «15 Ary manisà ho anareo hatramin'ny ampitson'ny Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka. 16 Dia amin'ny ampitson'ny Sabata fahafito no hahataperan'ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah indray. » izany hoe tsy maintsy andro alahady izany io andro Pentekosta io. Isaina manomboka eo amin’ilay andro fanaterana ny amboara iray haevaheva izy io ka hanisa 7 herinandro mipaka izany dia feno tsara ilay andro fahadimam-polo, izay antsoina hoe Pentekosta.hiantsoany fivoriana masina ihany koa izany fotoana izany
- Ny fahadimy amin’ireo fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay dia ny Fitsofana trompetra: Levitikosy 23:24 « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina. » amin’ny andro voalohany amin’ny volana fahafito araka ny fanisan’andro voatendrin’i Jehovah dia misy io Fitsofana trompetra io. Miantso fivoriana masina Jehovah amin’io andro io.
- Ny fahenina amin’ireo fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah ireo dia ny andro fanavotana : Levitikosy 23:27 – 28 «27 Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah. 28 Ary aza manao raharaha akory amin'izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo. » Io dia fotoana entina ho fanafahana amin’ny ota mahazo ny olon’i Jehovah.
- Ny fahafito amin’ireo fotoam-bavaka voatendrin’i Jehovah dia ny Fetin’ny Tabernakely: Levitikosy 23:34 – 35 «34 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafolo izany no hiantombohan'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an'i Jehovah. 35 Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory. » Fety firavoravoana mandritra ny fito andro io fotoana io, ary dia hisy fivoriana masina ho an’i Jehovah ny fiantomboan’izany fotoana izany.
- Ny fahavalo sady farany amin’ireo fotoam-bavaka voatendrin’i Jehovah ireo dia ny Fara fivoriana.
Misy fivoriana masina maro ireo voatendrin’i Jehovah ireo ary dia tafiditra ao anatin’ilay antsoina hoe Sabata avokoa izy rehetra ireo, ary dia tokony ho tandremana tokoa ary amin’ny fotoana voatondrony avy. Noho ny tsy fahatakaran’ny olona ireo sabata maro tokony ho tandremana ireo no mahatonga ny tsy fahalalana tsara ny soratra masina. Ny ohatra azo raisina amin’izany dia ireto an-dalan-tsoratra masina ireto : Lioka 23:54 « Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa antomotra ny Sabata. » io andalanteny soratra masina io dia nahadiso hevitra ny maro mihitsy raha nanisa sy nametraka ny fotoana nahafatesan’ny Tompo ny maro, satria tsy nahay nanavaka ireo sabata isan-karazany izy ireo, na tsy ampy ny fahalalana dia tsy nahafantatra hafa tsy sabata andro fahafito fotsiny ny olona fa ireo sabata lehibe na ireo fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah voaresatsika teo aloha ireo tsy fantany, satria tsy nisy nanaja loatra. Raha dinihina tsara anefa ny andala-tsoratra masina mitovy laharana amin’io dia manambara mahitsy fa sabata Paska io andro io, izay tena samihafa mihitsy amin’ilay sabata andro fahafito mihitsy : Jaona 18:39 « Fa misy fanaonareo amin'ny Paska, handefasako anankiray ho anareo; koa tianareo va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan'ny Jiosy? »
Jaona 19:14 « ary andro fiomanana amin'ny Paska ny andro, tokony ho tamin'ny ora fahenina dia hoy izy tamin'ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo! » Izany hoe io no anisan’ny manamarika fa antsoina hoe SABATA ihany koa ny PASKA. Ka raha anisan’ny Sabata ny Paska dia anisan’ny sabata ihany koa izany ireo FOTOAM-PIVAVAHANA rehetra nodidian’i Jehovah ho hajaina sy hamasinina voalazantsika teo ambony rehetra ireo.
Ny fanajana ireny sabata ireny amin’ny fotoany avy no anisan’ny antoka hahamasina ny olona iray, satria raha mino isika fa Andriamanitra velona sy masina Jehovah, ary mino fa Izy no nahary izao rehetra izao (izany hoe manaiky ianao fa noforonin’Andriamanitra tamin’ny tanany, fa tsy avy amin’ny fivoaran’ny rajako), dia tsy maintsy mitsahatra manaja izany sabata izany tahaka Azy nitsahatra ihany koa tamin’ny andro fahafito rehefa vitany ilay asa famoronana rehetra tao anatin’ny enina andro. Raha manaiky ihany koa isika fa antsoina hoe Ray Izy, ary isika antsoina hoe zanak’Andriamanitra, dia tsy maintsy manaja ny didin’ny Ray isika, ary mitandrina izay nodidiany ho tandremana. Anisan’ireny ireo Sabata lehibe izay didiany sy asainy ho tandremantsika amin’ny fotoany avy ireo. Raha araka io teniny voasoratra eo ambony io ary, dia mibaribary tsara, fa famantarana ho Azy Jehovah Andriamanitra sy ny olony rehetra ny fanajana ireo Sabatany amin’ny fotoana izay notondroiny avy, ary miantoka ny fahamasinan’ilay olona sy ny taranany mandimby azy mandrakizay ny fanajan’izany olona izany ireo Sabatany ireo. Andeha ary ho jerentsika vetivety ny nahatonga ny olona tsy hanaja intsony ny andro sabata, ary anisan’izany ny sabata andro fahafito na sabotsy fa nivadika nanaja ny andro alahady. Ary moa ve izany no sitrapon’ Andriamanitra?
1.5.2.3.1 Ny fanisan’andro
Nanana ny fanisan’androny ny Jiosy, izay nifanaraka tamin’ny daty voalaza ao amin’ny baiboly, izany dia tsy mitovy tanteraka amin’ny fanisan’andro Gregoriana izay ampiasaintsika amin’izao fotoana izao. Fa na dia maro sy samihafa aza ny fanisan’andro hita sy nisy maneran-tany dia izao no azo ambara: ny isan’ny andro ao anatin’ny volana no misy faha-samihafana [satria ny fanisan’andro tamin’ny an’ny Jiosy ohatra dia nifototra be dia be tamin’ny volana (cycle lunaire), fa ny an’ny fanisan’andro Gregoriana kosa dia niankina tamin’ny masoandro (cycle solaire). Noho izany dia ny isan’ny andro ao anatin’ny volana iray no mety tsy hitovy, (28 andro ny an’ny Jiosy, fa 30 andro kosa ho an’ny Gregoriana)], fa ny isan’ny andro ao anatin’ny herinandro kosa dia mitovy tsara, izany hoe samy fito andro izany. Na dia nisy aza ny fanovana ny filaharany sy ny fiantsoana ireo karazam-bolana, ao anatin’ny taona iray ao amin’ny fanisan’andro Gregoriana (ilay ampiasaintsika amin’izao fotoana izao), dia hita sy tsapa fa mbola voatazona ao ihany ilay laharam-bolana voalaza ara-tsoratra masina. Handray ohatra vitsivitsy isika amin’izany: andeha ho asehontsika ara-tabilao ny mety ho fifandraisan’ny volana sy ny laharany avy, teo amin’ny volana Jiosy sy ny ankehitriny, na ny fanisan’andro Gregoriana.
Ny tsara ho marihina dia izao: na dia nanova io filaharam-bolana io aza ny Papa Gregoriana niaraka tamin’ny Amperora nisy tamin’izany fotoana izany, ka nanjary ny volana Janoary indray no nataony voaloham-bolana, fa tsy ilay volana Nissan na Abiba izay voatendrin’i Jehovah ho voaloham-bolana (izay mifanitsy amin’ny volana Mars), dia mbola hita taratra tao anatin’io fanisan’andro Gregoriana io ihany, ny filaharam-bolana voatendrin’i Jehovah. Ny ohatra ahitantsika an’izany izao, dia manomboka eo amin’ny volana « septembre », izay nalaina avy amin’ny teny hoe “sept”, na midika hoe fito. Raha ny filaharany ao amin’ny alimanaka gregoriana dia voalaza fa volana fahasivy io septembre io, nefa raha ny fototeny no jerena dia hita fa nalaina avy amin’ny isa “sept” io na fito, izany hoe volana fahafito io izany fa tsy fahasivy izany. Toy izany koa ny « octobre » izay manaraka ny septembre. Ny octobre dia niainga avy amin’ny isa na teny hoe “octave”, na “octo”, izay midika avy hatrany fa isa valo izany. Noho izany dia volana fahavalo izany io octobre io fa tsy volana fahafolo araka ny fahalalantsika azy an-davan’andro. Toy izany koa ny “novembre”, izay nalaina avy amin’ny teny hoe “nano” na “nine” amin’ny teny anglisy, na midika hoe sivy. Izany hoe ny novembre izany dia volana fahasivy fa tsy fahairaikambinifolo izany. Ary farany hanamporofointsika an’izany dia ny volana “décembre”, izay nalaina avy amin’ny teny hoe “déca”, izay midika hoe folo. Ka ny volana “décembre” izany dia volana fahafolo fa tsy faharoambinifolo izany.
Tompon’ny zavatra rehetra Jehovah ka tsy takona ao anatin’izay mety ho hevi-petsin’i Satana izany ny heriny sy ny fahalehibeazany, ary ny voninahiny.
1.1.1.1.1 Nahoana no nakorontana io fanisan’andro io?
Tsy tongatonga ho azy izany fanakoron-tanana ny filaharam-bolana tao anatin’ny taona izany, sy ny fipetraky ny andro tao anatin’ny herinandro, fa misy tanjona tian’ny mpanova ahatongavana ao, dia ny hahavery ny olona tsy hahafantatra intsony ny fipetraky ny daty marina ara-tsoratra masina. Na dia voatazona ho fito ihany aza ny isan’ny andro ao anatin’ny herinandro iray dia novainy kosa ny filaharany ka ny alatsinainy indray no lasa andro voalohany amin’ny herinandro tao amin’ny alimanaka gregoriana, ary ny alahady kosa no nolazainy fa andro fahafito. Tanteraka ilay tanjony, satria raha miteny ny soratra masina hoe ny andro fahafito dia tena fitsaharana, izay midika fa ny andro sabotsy io, dia lasa niova izany satria nanjary andro alahady indray ilay andro fahafito tao anatin’io tetiandro vaovao io, ka dia very ny maro tamin’ny fanajana ilay tena andro sabata, hany ka lasa betsaka no mitsahatra sy mivavaka amin’ny andro alahady. Izany rehetra izany anefa dia tsy maintsy nisy, mba ahatanteraka ilay faminaniana manao hoe « Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro. » Dan7:25
Mazava ho azy, fa dia maro tokoa no very tamin’izany famadihana ny tetiandro izany, ka lasa nandray famantarana hafa ankoatra ilay an-Andriamanitra.
1.1.1.1.2 Ny andro iray ara-baiboly
Andeha hiverenantsika ny tena fanisan’andro hita ao amin’ny baiboly: izay nilazan’i Jehovah fa henemana no nanaovany izao rehetra izao ary dia nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito.
Genesisy 1:2 - 5«2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano. 3 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava. 4 Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin 'Andria-manitra ny mazava sy ny maizina. 5 Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany. »
Mazava ny voasoratra, fa ny andro iray dia fitambaran’ny alina iray miampy andro mazava iray. Manomboka amin’ny hariva maty masoandro (amin’ny enina ora hariva amin’izao fotoana izao) ny fiandohan’ny andro iray, ary mifarana amin’io ora io ihany koa amin’ny andro ampitso. Tsy amin’ny misasak’alina izany ny fiandohan’ny ora iray, fa amin’ny enina ora hariva, raha ny baiboly no arahina. Midika izany fa nakorontana avokoa na ny fiandohan’ny andro iray, izay tokony ho ny hariva maty masoandro, ka hatramin’ny ampitso maty masoandro, na ny filaharan’ny andro ao anatin’ny herinandro, ary ny filaharan’ny volana ao anatin’ny taona iray.
Raha ny ara-tsoratra masina izany dia ny alahady no fiandohan’ny herinandro, ary ny andro fahafito dia ny Sabata na sabotsy. Io andro fahafito io no nodidian’i Jehovah ho tandremana sy natao hitsaharana ka hanompoana Azy, izay efa hitantsika fa didy fahefatra amin’ny didy folo. Noho izany raha hanaja ilay andro fahafito andro sabata izany ny olona iray, dia tokony hanomboka amin’ny zoma hariva maty masoandro izany no manomboka, ary mitsahatra amin’ny andro sabotsy maty masoandro ampitson’io.
1.1.1.1.3 Nahoana no lasa andro alahady no hivavahan’ny olona?
1.1.1.1.3.1 Ny tantaran’ny andro alahady
Efa taona maro talohan’ny nahatongavan’i Jesosy Kristy, no efa nisy ny fety maro nankalazain’ny jentilisa hivavahana, ilay antsoiny hoe “fêtes païennes”: toy ny Noël (les Saturnales), ny fetin’ny Ishtar (la fête d’ishtar) ary ny fanamasinana ny andron’ny masoandro (l’adoration lors du jour du soleil). Tamin’ny taonjato 3 – 4 taorian’ i Jesosy Kristy ary, rehefa nahery sy tsy hay tohaina ny fitsoky ny rivotry ny fivavahana Kristiana, dia nampifangaroan’ny mpitondra fivavahana sy ny mpitondra fanjakana ny fomban-drazana na ny fanompoan-tsampy sy ny fivavahana Kristiana. Ny andro alahady dia andro natokan’ny olona tamin’izany fotoana izany, ho andro hiankohofana amin’ny masoandro: mazava ny anaran’ny andro amin’ny teny anglisy “Sunday” ary “Sonntag” kosa amin’ny teny Alemana, izay samy azo adika tsara hoe “andron’ny masoandro”. Ny mpitondra fanjakana Romana sy ny mpitondra fivavahana dia ny Eglizy Katolika Romana, (izay toa nifangaro sy tsy niavaka intsony ny fitondram-panjakana sy ny fiangonana), nisy tamin’izany fotoana izany no tompon-kevitra nanova ny andro sabata ho andro alahady. Namoaka didim-panjakana mihitsy ny Amperora Romana Constantin, izay didy nivoaka tamin’ny taona 363 mba hanery ny olona tsy hanaraka intsony ny fanajana ny andro sabata tamin’izany, (concile de Laodicée, en 363, le décret officiel suivant a été proclamé : « Les Chrétiens ne doivent pas judaïser en se reposant le jour du Sabbat mais doivent travailler ce jour-là, se reposant plutôt le dimanche. S’il y en a qui judaïsent, alors qu’ils soient anathèmes » anathèmes = maudite ou hérétique) raha adika tsotsotra dia midika toy izao : « Ny Kristiana dia tsy mahazo manaraka intsony ny fomba jodaisma, noho izany dia tsy mahazo mitsahatra amin’ny andro sabotsy na sabata fa tsy maintsy miasa, fa afaka mitsahatra kosa amin’ny andro alahady. Raha mbola misy manaraka ny fomba jodaisma, dia ho voahozona na ho voaheloka fa isan’ny mpikomy izy. » Dia niharan’ny sazy enjana tokoa izay mbola nitazona ny sabata ho andro fitsaharana, eny nihatra hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza.
Satria nifangaro ny fitondram-panjakana sy ny fitondram-pivavahana dia novain’ny mpitondra fivavahana tamin’izany fotoan’andro izany ny andro hitsaharana, navadiny ho lasa alahady. Nosoloin’ny mpitondra fivavahana tao Roma hoe “Manajà ny andro alahady”, ilay didy nataon’i Jehovah tao amin’ny Didy folo manao hoe: Manajà ny andro Sabata, izay efa fantatsika tsara fa didy fahefatra ao amin’ny didy folo. Io lalàna izay nataon’izy ireo io dia nampidiriny ho lalàna na didy fahatelo ao amin’ny katesizy, ary dia notsoahiny tao ilay fanajana ny andro sabata na didy fahefatra. Dia novainy ho andro alahady ny sabata mba hampifangaro tsikelikely ny fivavahana Kristiana amin’ireo fety « païennes » (na fetin-tsampy nisy tany Eropa) sy ny fiankohofana amin-javatra hafa. Tsy dia mahagaga loatra io fanovana io fa tsy maintsy hiseho ho fanatanterahana ilay teny faminaniana voasoratra ao amin’ny Daniela 7:25 (efa hitantsika teo ambony)
1.1.1.1.3.2 Inona no vokatry ny fanajana andro hafa ankoatry ny Sabata?
Ambaran’i Jehovah ary fa famantarana ho Azy sy ny olona manompo Azy ny fanajana ireo andro Sabata. Misy fotoana manokana voatondrony isaky ny karazany avy ny fanajana ireo sabata nodidiany ho tandremana ireo. Rehefa manaja ireo sabata ireo izany ny olona dia mandray marika manokana ahafantarany fa tonga zanak’Andriamanitra. Noho izany raha tsy sabatan’ny Jehovah manaraka ny fotoany no tandremanao, fa manaraka fotoana hafa ankoatra izay voatendry, dia lasa mandray marika famantarana hafa izany ilay olona, na dia milaza ny tenany ho kristiana ihany aza, satria fotoana hafa ankoatra izay voatendry no hajainy, toy ny hoe: andro alahady no nasolony ny sabotsy andro fahafito, ny fety hafa toy ny Paska sy ny Pentekosta sns… tandremany ihany fa amin’ny fotoana hafa. Toa midika avy hatrany izany, fa andriamanitra hafa mihitsy no hivavahan’ny olona amin’ izany fanajany ny andro hafa izany. Noho izany dia misy famantarana roa lehibe izany eo, dia izao :
- Na ilay olona hanompo sy hanaiky an’i Jehovah, dia mandray ilay famantarana efa nomeny dia ny fanajana ireo andro Sabata ho fitsaharana araka ny fotoany avy;
- Na ilay olona hanompo sy hanaiky andriamanin-kafa, dia handray famantarana hafa ankoatra izay efa nomen’i Jehovah, dia ny fanajana andro hafa hitsaharana sy ho hamasinina toy ny Alahady, ny paska, ny pentekosta ny krismasy, ny fety hafa rehetra izay ankalazainy fa tsy amin’ny fotoana izay voatondron’i Jehovah.
Dia mazava tsara izany fa na Jehovah no ho tompoin’ilay olona na hafa ankoatra an’i Jehovah izay efa fantatsika.
1.1.1.1.4 Sabata ilay fifanekena mandrakizay
Anisan’ny fanekena nataon’i Jehovah tamin’ny olony, ny fanajana sy ny fitandremana ireo andro Sabata. Izany dia nataony ho famantarana sy fanekena mandrakizay ho an’izay olona mankato ny teniny. Izany hoe raha manaiky izany ianao fa Jehovah Andriamanitra tokoa no hivavahanao, Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo aminy, Ilay tsy niova omaly sy anio ary mandrakizay, dia tokony handeha ho azy ny fanajanao ireo andro Sabata ireo ary araka ny fotoany avy, fa tsy hitady andro hafa indray ianao izay hivavahana, satria nambarany mazava tsara mihitsy fa io no famantarana hoy Izy.
Eks 31:13 « Ary dia milaza amin'ny Zanak’isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. »; (Eks31:16-17).
Isaia 56:6 – 7 « 6 Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko. 7 Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra. »
Mazava ny voalazan’ny Soratra Masina eto, fa tsy natokana ho an’ny zanak’isiraely irery intsony izany ny fanajana sy fitandremana ireo sabata ireo, fa nomena ihany koa izay hafa firenena manaiky sy manompo ary milaza fa tia Azy Jehovah Andriamanitra.
Na hafa firenena aza isika fa tsy Zanak’isiraely ara-bakiteny, ka mino sy manaiky Azy Jehovah ho Andriamanitsika, izay manao sonia ny fanambarana etsy ambony, dia tsy maintsy mitandrina ireo Sabatany amin’ny fotoany avy, ary mitana sy manaja ny faneken’i Jehovah Andriamanitra.
Ka ny fanontaniana mahagaga ahy mpanoratra eto dia ny hoe: Rahoviana moa no tapitra ity fanambaran’i Jehovah Andriamanitra Mpahary ny lanitra sy ny tany ity hoe: ho fanekena mandrakizay ho Azy sy isika olombelona izay mino Azy ny fanajana sy fankalazana ireto andro Sabata ireto?
Tsy antsoina hoe mandrakizay ve ny fotoana iray tsy manam-pahatamperana, tsy misy fiafarany, tsy misy fetra, eny fa na dia any aorian’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny zanak’olombelona rehetra aza, dia tsy mbola izay no farany fa mbola misy fotoana hafa hatrany any aorian’izay.
Koa nahoana no toa tsy mbola foana akory ny tany sy ny lanitra, mbola tsy foana ny fotoana misy, mbola tsy niverina teny amin’ny rahon’ny lanitra Jesosy sy ny anjeliny marobe, dia efa marobe ireo mpino milaza ny tenany fa Kristiana ary milaza fa mino an’ilay Jehovah Andriamanitra, sy mino an’Ilay Jesosy Kristy no tsy manaja ny lalàna fototra izay ambaran’i Jehovah fa ho FANEKENA MANDRAKIZAY ho Azy sy izay rehetra mino Azy, dia ny tsy maintsy hanajana ireo Sabata izay famantarana eo Aminy sy isika olombelona izay manaja Azy?
Isaia 56:2 « 2 Sambatra ny zanak'olombelona izay manao izany, ary ny zanak'olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory. »
Te ho sambatra ve isika? Raha eny ny valiny, fa te ho sambatra isika, dia io ihany no fanalahidy hidirana ao anatin’izany fahasambarana izany, dia ny fanajana ireo sabatan’i Jehovah izany.
Hajao ireo Sabata, izay efa nambarany fa ho famantarana sy ho fanekena mandrakizay ho an’izay rehetra mino Azy. Aza ovaina ho andro hafa fa izay tena izy araka ny fotoany hajaina. Fa ny tsy fanajanao ireo andro Sabata ireo dia ahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra ka hamaliany antsika amin’ny fahatezerany lehibe:
Ezek 20:13; 18 – 20 «13 Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak’isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy. …18 Fa hoy Izaho tamin'ny zanany tany an-efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin'ny sampiny; 19 fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany. 20Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. »
Araka ny hitantsika tany ambony dia tsy voahavaka mihitsy ny teny milaza fahamaroana na “pluriel” amin’ny fiteny Malagasy fa mitovy ny maro “pluriel” sy ny singany na “singulier”, fa raha vao apetraka ny dikan-teny frantsay izay manavaka tokoa izany fahamaroana sy ny singany izany dia mazava be izay tiany resahina. Apetratsika eto ambany ny dikan-teny amin’ny fiteny frantsay an’io Ezekiela 20: 13; 18 – 20 io :
Ézéchiel 20:13 «13 Et la maison d'Israël se rebella contre moi dans le désert ; ils ne marchèrent pas dans mes statuts, et ils rejetèrent mes ordonnances, - par lesquels, s'il les pratique, un homme vivra ; et ils profanèrent extrêmement mes sabbats ; et je dis que je verserais sur eux ma fureur dans le désert, pour les consumer. »…
Ézéchiel 20:18 – 20 «18 Et je dis à leurs fils dans le désert : Ne marchez pas dans les statuts de vos pères, et ne gardez point leurs ordonnances, et ne vous rendez pas impurs par leurs idoles. 19 Je suis l'Éternel, votre Dieu ; marchez dans mes statuts, et gardez mes ordonnances et pratiquez-les ; 20 et sanctifiez mes sabbats, et qu'ils soient un signe entre moi et vous, afin que vous connaissiez que je suis l'Éternel, votre Dieu. »
Mazava tsara izany izay voasoratra eto fa tsy sabata tokana andro fahafito ihany no asainy tandremana fa misy maromaro, dia tsy inona izany fa ireo fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah rehetra izay miisa 8 valo, araka ny nahitantsika azy teo ambony, ary dia tsy maintsy hajaina amin’ny fotoany avy izany rehetra izany.
Eny amintsika taranaka aty aoriana efa navela hamaky sy handinika ny Baiboly, izay nomena fahalalana ka afaka mandinika; moa ve efa tonga tokoa ilay fotoana antsoina hoe mandrakizay, no toa tsinontsinoavintsika ny didiny izay lazainy sy ambarany fa ho fanekena mandrakizay ho Azy Jehovah Andriamanitra sy isika olombelona? Sa nanaraka be fahatany izay voalazan’ ireo sasany tany aloha fotsiny ihany isika, ka tsy te hanova intsony izay nataony, na dia hita aza fa tsy manaraka ilay didy tena izy izany? Eny mety ho izay tsy fanajantsika ny Sabatan’i Jehovah izay ihany koa, no antony mahatonga ny fiainatsika tsy lavorary, satria Izy Jehovah mihitsy no nanambara fa, tsy ho tonga any amin’ilay tany nampanantenainy mihitsy ny zanak’isiraely izay tany tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra, satria efa nanamavo ny fitsipiny izy ireo ary tsy nandeha araka ny didiny, fa nandoto ireo Sabatany isika. Anjarantsika no mamakafaka.
1.1.1.1.5 Hatramin’ny rahoviana ny fanajana ireo sabata?
Efa hitantsika teo aloha fa ho mandrakizay ny fanajana ny andro sabata, izany hoe hatramin’ny fotoana tsy manampahatamperana. Manomboka ety an-tany izany ny fanajana ny andro sabata, eny fa na dia hatrany amparany, any amin’ilay lanitra vaovao sy tany vaovao aza, dia mbola ambaran’ny Soratra Masina hatrany fa hisy ny fanajana ireo andro sabata ireo:
Isaia 66:22 - 23 «22 Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah , dia toy izany ny haharetan'ny taranakareo sy ny anaranareo. 23 Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah . »
Ésaïe 66:22 – 23 « 22 Car, comme les nouveaux cieux et la nouvelle terre que je fais, subsisteront devant moi, dit l'Éternel, ainsi subsisteront votre semence et votre nom. 23 Et il arrivera que, de nouvelle lune à nouvelle lune, et de sabbat en sabbat, toute chair viendra pour se prosterner devant moi, dit l'Éternel. »
Raha toa izany ka hatrany ampiandohana mihitsy Jehovah no efa nilaza sy nampahafantatra antsika ny tokony hanajana ireo andro Sabata. Eto ihany koa Izy dia mbola milaza fa any amin’ny lanitra vaovao sy tany vaovao izay efa nampanantenainy ny olombelona izay mankatoa ny teniny, sy manaraka ny didiny, izany hoe manao ny sitrapony izany, dia mbola hisy ihany koa ny fanajana ireo andro sabata ary araka ny fotoany avy. Dia midika izany fa tena tsy miova tokoa Jehovah fa izay efa noteneniny hatrany ampiandohana ihany no lazainy fa ho ataony any amparany. Ny eo antenantenany izany ahoana? Hisy hahasahy hilaza ve fa hoe: tany ampiandohana sy tany amparany izany, fa ny anay aloha eto antenantenany dia aleonay ihany manaja ny andro alahady, sy ireo fety hafa tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra fa rehefa tonga any amparany any ve tsy hanaja ireo sabata ihany?
Raha mbola manana tanjona ihany ianao ho tafiditra sy hanana anjara fitantanana miaraka aminy any amin’ilay tany vaovao sy lanitra vaovao izay efa nampanantenain’i Jehovah, dia hajao ny famantarana efa nomeny anao, mba tena handray ilay marika famantarana tena izy tokoa, ka tsy ho diso fanantenana rehefa tonga ilay fotoana fanavahana!! Hoy Jesosy Kristy Matio 7:21 – 23 «21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. 22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] 23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. »
1.1.2 Ny Sakafo
Ny toerana voalaza hoe mananjiana na manana ny hasiny rehetra na aiza toerana misy azy na aiza dia manana ny fadiny avokoa. Toa izany koa ny karazan’olona rehetra misy eto an-tany dia saika manana ny fadiny avokoa.
Ahoana ny fomba fisainana Malagasy mahakasika izany fady izany?
Ny FADY na FALY dia lalàna sy fitsipika tsy azo dikaina fa mahatonga loza efa voafaritra mialoha ny ankamaroany.
Fomba fiteny : « Izay mankahatra fady miantso loza ho an’ny tenany ».
-Azo aminavinaina ny fototra na ny faritra niaviana olona iray ny fahalalana ny fady arahiny. Ny olona tsy mihinana omby tsy misy tandroka dia mety avy any Alaotra izy.
Ny manodidina ny fahafatesana no ahitana ny tena hasarotry ny fady manoloana ny fandevenana, sy ny famadihana.
Misy fomba fitenenana hoe: «Ny biby no tsy manampady », na koa : «Ny olona tsy omby aman'ondry, fa ny olona manam-pady »
Manana ny fadiny araka izany ny olona na ny fianakaviana tsirairay, misy ny hoe fady mihinana fody, misy ny fady mihinana osy, misy ny fady mihinana kisoa, misy ny fady mamono sy mihinana railovy sy vorondreo. Ny vehivavy bevohoka fady tsy mihinana na manao am-paosy sakamalao, tsy mihinana amin’ny sotrobe, tsy mandika ladim-boatavo; Fa misy ihany koa anefa olona fady anatsipolitra sy tongolo lay gasy indrindra fa ireo olona naka ody varatra tamin’ireo mpanandro, misy koa ireo fady lambo, tongolo lay, osy, ary anisan’izany ireo mpitana ody gasy.
Izany rehetra izany no nisy dia noho ilay fanka-tahaka ataon’i Satana. Misy ny lalàna fototra momba ny sakafo izay napetrak’Ilay Nahary. Napetrany satria Izy no Nahary izao rehetra izao dia fantany izany ny mety sy ny tsy mety ka hahasoa ilay nohariany. Nametraka lalàna mahakasika ny sakafo Izy, ary izany lalàna izany dia tokony ho-tandremana mitovy amin’ny hitandremana ireo lalàna hafa voalaza teo ambony. Misy ary ireo didy sy fitsipika nomeny antsika mahakasika izay sakafo tokony ho fihinana sy ny tsy ho fihinana izany. Ireto avy ny mahakasika izany lalàna momba ny sakafo izany:
1.1.1.1 Ny amin’ny biby madio sy maloto
Levitikosy 11:1 – 30 ; na Deoteronomia 14 (Io no andalan-teny manontolo mitanisa ny biby madio sy maloto)
1.1.1.1.1 Ny biby madio,
1.1.1.1.1.1 Ny biby lehibe ka fihinana
Levitikosy 11:2 – 3 «2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin'ny biby rehetra ambonin'ny tany: 3 Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo. »
Deoteronomia 14:4 – 6 «4 Izao no biby izay ho fihinanareo: Ny omby sy ny ondry sy ny osy 5 sy ny diera, ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny pygarga, ny antilopa ary ny ropikapra: 6 izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika, no ho fihinanareo. »
Izao avy ireo biby voakasik’izany : Ny omby, ny osy, ny ondry, ny diera ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny pygarga, ny antilopa, ny ropikapra, ny zirafa.
1.1.1.1.1.1 Ny Hazandrano fihinana
1.1.1.1.1.1 Zava mandady izay manana elatra ka fihinana
Levitikosy 11:21 – 22 «21 nefa izao kosa no ho fihinanareo amin'ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin'ny faladiany hitsipihany eo amin'ny tany. 22 Amin'ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany. »
1.1.1.1.1.1 Ny vorona voalaza fa fihinana
Deoteronomia 14:11 « Ny vorona madio rehetra no ho fihinanareo. »
Akoho | Akanga | dindon |
pigeon | Paon | Faisan |
Caille | Domoina |
|
1.1.1.1.2 Ireo biby voalaza fa maloto na henan’ny fahavetavetana
1.1.1.1.2.1 Ireo biby lehibe voalaza fa maloto
Levitikosy 11:4 – 8 «4 Kanefa amin'izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy; 5 ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy; 6 ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy; 7 ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy. 8 Ny henan'ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny. »
Deoteronomia 14:7 - 8 «7 Nefa amin'izay mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva sy ny rà bitro ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, fa tsy mivaky kitro; maloto aminareo izy; 8 ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo. »
Rameva, hyraka, daman, lièvre na rabitro, Kisoa, totozy, voalavo, alika, sokatra, ny bera na ny ours, soavaly, apondra, liona, tigre, rajako,
1.1.1.1.1.1 Ny hazandrano tsy fihinana
Levitikosy 11:10 – 12 «10 fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, na amin'izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin'ny zava-manan'aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny; 11 eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny. 12 Izay rehetra tsy misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo. » Amalona, ny patsa, ny crevettes, ny foza na crabe, orita, ny calmare, ny soka-drano, ny voay, ny bibilava, ny sahona, ny thon, ny gogo, ny mahaloky.
1.1.1.1.1.1 Ny Vorona voarara ho tsy fihinana
Levitikosy 11:13 – 19 «13 Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin'ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay 14 ary ny papango sy ny voromahery, isan-karazany, 15 ary ny goaika rehetra, isan-karazany, 16 ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany, 17 ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe 18 ary ny ibisa sy ny sama ary ny voltora madinika 19 sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy. »
Mbola azo ampiana gana gisa dokotra, sarindokotra ihany koa io satria vorondriaka ireny.
1.1.1.1.1.1 Bibikely mandady tsy azo hoanina
Levitikosy 11:20 – 24 «20 Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo; 21 nefa izao kosa no ho fihinanareo amin'ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin'ny faladiany hitsipihany eo amin'ny tany. 22 Amin'ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany. 23 Fa ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo. 24 Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan'ny andro. »
Tsy azo hoanina ireto rehetra ireto.
Ho famintinana izany rehetra izany dia ireto natao an-tsary ireto ireo fanehoana vitsivitsy izany nofo fahavetavetana izany.
Raha fintinina ny resaka izay nataontsika teo dia izao no azo ambara:
«Ny biby no tsy manampady », na koa : «Ny olona tsy omby aman'ondry, fa ny olona manam-pady », izany hoe na ara-pinoana teo amin’ny Ntaolo Malagasy aza dia efa nanaiky fa tsy maintsy manana ny fadiny ny olona, fa raha toa izany ny olona iray milaza fa tsy manana fady dia noheverina ho ambany na mitovy amin’ny omby aman’ondry izy izany. Eto isika dia miresaka zava-panahy, ary mihevitra fa anisan’ireo resahina ho “zanak’Andriamanitra” isika, noho izany dia Jehovah izany no Ray, Izy no tompon’ny ankohonana, Izy araka izany no mametraka ny didiny sy ny lalàny izay hitondrany ny ankohonany. Izy no mametra izay zavatra ambarany fa fady ny ankohonany, ary tsy asiana ady hevitra izany fa efa nambarany hatrany ampiandohana.
Ny fihinanantsika ireo biby na sakafo voalaza fa tsy ho hanina ireo, dia mitarika voka-dratsy eo amin’ny fahasalamantsika, mety hahafaty ny nofontsika ihany koa aza, fa indrindra ahameloka sy ahavery ny fanahintsika, sy ahavery ny fahamasinantsika izany hoe ampifanalavitra antsika amin’ny fahasoavany ny fandikantsika izany lalàna izany. Izany hoe ny fiainam-panahintsika no ho faty amin’ny fihinanantsika ny biby maloto. Fa rehefa very ny fanahintsika dia simba ihany koa ny fiainantsika, satria very ilay fifandraisantsika aminy noho ilay efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra dia ny fahavetavetan’ny fanahintsika izany, ka lasa sasa-poana isika eo amin’ny fiainana andavanandro. Levitikosy 20:25 « Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin'ny biby, na amin'ny vorona, na amin’izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto. »
Mety tsy hahafaty ny fihinanana azy ireo, fa saingy kosa ny fahamasinantsika no ho very, ilay fanahintsika no voavetaveta. Raha tsorina dia izao: maha-vetaveta antsika ny fihinanana ireny, izany hoe ahazoantsika heloka, na koa mahadiso antsika. Raha tena hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra isika ary hikatsaka ny tena fahamasinantsika, dia ilaintsika ny manaja sy mankatoa ny didiny, na amin’ny inona na amin’ny inona.
Fa betsaka no tsy mahafantatra, na ao koa ireo minia tsy te hahafantatra ireo teny manambara izany ato amin’ny Baiboly, izay ekentsika fa teny avy amin’i Jehovah. Hambarany mazava tsara fa tena haringany mihitsy izay minia mihinana ireo izay voalazany fa zava-betaveta ireo, indrindra ilay hena lazaina fa matsiro:
Isaia 66:15 – 17 « 15 Fa, indro, Jehovah ho avy amin'ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, mba hanao famaliana amin'ny fahatezerany mirehitra, sy ny fitenenany mafy amin'ny lelafo. 16Fa ny afo sy ny sabany no ho entin’i Jehovah hifandahatra amin'ny nofo rehetra; Ary ho maro ny voaringan’i Jehovah. 17 Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, ka manaraka ny iray ao afovoany, ary MIHINANA NY HENAN-KISOA sy ny ZAVA-BETAVETA ary ny TOTOZY; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah . »
Isaia 65:2 – 6 «2 Namelatra ny tanako mandritra ny andro Aho tamin'ny firenena miodina, izay mandeha amin'ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany, 3dia firenena izay nahatezitra ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eo amin'ny tanimboly ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin'ny tanimanga,4 dia izay mipetraka any amin'ny fasana ary mitoetra mandritra ny alina ao am-pierena, sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron'ny hena fahavetavetana no ao amin'ny loviany, 5 izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro. 6 Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo* eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo »
Mampahatezitra an’i Jehovah ny fihinanana ireo izay kilasiany fa nofon’ny fahavetavetana ireo, ka tokony tsy hikasika an’izany akory izay tena kristiana. Efa fantatsika tsara ireo hena kilasiany ho nofo fahavetavetana ireo, ary dia eo amin’ireo andalan-teny roa ireo, dia tena teneniny mazava tsara mihitsy ny hoe: henan-kisoa, sy ny zava-betaveta ary ny totozy. Izany hoe mitovy izany ny mihinana henan-kisoa sy ny mihinana totozy, ary ny mihinana ireo hena fahavetavetana!! Raha ho an’ny olona mihinana henan-kisoa izany, dia tsy tokony ho olana ho azy ireo ihany koa ny mihinana totozy satria mitovy ireo.
Ny ho famaliny dia tsy ho voafetra, fa anjarantsika ny mandinika sy mamakafaka satria isika dia olombelona manana safidy, natao hisafidy, ka anjarantsika no misafidy. Ny fihinanana ireo dia sady hitondra fahavoazana ny amin’ny ara-nofo, no sady mahafaty ara-panahy, eny mahatonga ny tsy fahamasinana ka maharava ny fifandraisana amin’Andriamanitra.
Mahatonga ny fahavoazan’ny nofo ireo voalaza fa nofon’ny fahavetavetana ireo satria raha hijery ohatra vitsivitsy fotsiny isika dia hahita fa:
- Ny olona mihinana hena-kisoa dia mazana tsy mba afa-bela amin’ny aretina voavary na ny cysticercose, ny kankam-pisaka, ny fahatavezana be loatra ka lasa matavy ny rà na lasa betsaka ny “cholesterol”, na mikorontana ny kibo isaky ny avy misakafo satria tsy zaka ilay menaka be sns…
- Ny olona mihinana totozy na voalavo dia mazana no tratran’ny aretina pesta,
- Ny olona mihinana drakaka, na ireo trondro tsy misy kirany dia mazana no voan’ilay mangidihidy mafy toy ny tandimerina, satria misy ireo singa madinika tsy zakan’ny olombelona ao anatin’ireny hazandrano tsy misy kirany ireny.
Fanampin’izany dia izao, saika ireo biby rehetra voalaza fa tsy azo hanina ireo fa maloto, na izy ety an-tanety, na izy any an-dranomasina, dia saika biby mihinankinam-poana avokoa, na ireo mpanadio ny tontolo iainana. Mihinana maloto, mihinana fatim-biby, mihinana ireo organa maty rehetra, ka mety hivadika poizina amin’ny vatan’ny olombelona izany.
Dia mbola hisy indray hilaza fa hoe, natao ho an’ny zanak’isiraely fotsiny indray ireo didy sy fitsipika ireo:
Aty amin’ny testamenta vaovao dia milaza i Paoly Apostoly fa:
Gal 3:28 – 29 «28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. 29 Fa raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. »
Mazava ny voasoratra amin’io teny io, fa raha an’i Kristy isika, dia taranak’i Abrahama sy mpandova ny teny fikasana. Izay taranak’i Abrahama rehetra anefa dia tsy maintsy mitandrina ireo lalàna rehetra nadidian’i Jehovah ho tandremana sy ho hajaina, satria efa ankohonan’Andriamanitra isika, izany hoe zanaka fa tsy mba mpanompo intsony. I Abrahama anefa efa fantatsika fa tena mpankatoa sy tena tia an’i Jehovah tokoa, ka mino ve hianao fa i Abrahama dia nihinana ireo sakafo voarara sy voalaza fa zava-betaveta ireo? Ny valiny, dia tsy hisy fisalasalana akory hianao anambara fa “Tsia”, tsy nikasika izany akory izy. Ka raha taranany ary isika, tsy efa fadin-drazantsika ve izany ireo, koa nahoana no mbola dikaintsika ihany?
Efes 2:19 « Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, »
Eny fa na dia i Kristy aza dia efa nanambara fa tsy nisy, tsy misy, ary tsy hisy lalàna na dia ny kely indrindra aza ho foanana, fa ny hanamafy izany lalàna izany aza no nahatongavany.
Matio 5:17 – 20 « 17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. 18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera* iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra.19 Ary amin’izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra. 20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. »
Eto koa dia mahitsy tsara ny tenin’i Jesosy Kristy, izay milaza fa “Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.” Ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna mantsy dia fantatsika fa tena sarotiny mafy mihitsy ny amin’izany fitandremana ny didy sy ny lalàna rehetra nisy, toy ny fanajana ny andro sabata, sy ny fitandremana ireo sakafo voalaza fa maloto sy tsy azo hohanina (Levitikosy 11 sy Deo 14: 3-21). Dia tsaroantsika tsara fa na dia ny tsy fanasana tànana izay nataon’ny mpianatry Jesosy tamin’izany andro izany aza, raha handeha hisakafo izy ireo, dia efa nahasarotiny mafy mihitsy ireo Fariseo sy mpanora-dalàna ireo. Ny takian’i Jesosy anefa dia ny hoe mihoatra noho izany no angatahiny amintsika. Mampiheritreritra ihany izany, ary dia mampametra-mpanontaniana mihitsy hoe: ho vita ve izany sa ahoana? Isika rehetra no mandinika.
1.1.1.1.1 Ny amin’ny rà sy ny sabora
Na dia avy amin’ireo biby voalaza fa madio aza izy ireto, dia tsy azo atao ny mihinana azy, dia ny sabora sy rà:
Levitikosy 3:17 « Izao no ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby eny amin’izay rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo. »
Lev7:22-27«22 Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: 23 Mitenana amin'ny Zanak’isiraely hoe: Aza mihinana sabora akory ianareo, na ny an'ny omby, na ny an'ny ondry, na ny an'ny osy. 24 Ary ny saboran'ny biby izay maty ho azy sy ny saboran’izay noviraviraim-biby dia, dia azo atao amin'ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo. 25 Fa izay rehetra mihinana saboran'ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin'ny afo ho an’i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. 26 Ary aza mihinana rà eny amin’izay rehetra itoeranareo, na ny an'ny vorona, na ny an'ny biby fiompy. 27 Izay rehetra mihinana rà dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. »
Afaka misafidy tsara isika na hijanona tsy hihinana intsony an’izany dia hanaiky an’i Jehovah ho mpanapaka ny fiainanao, na mbola hanohy hihinana an’izany satria matsiro izany, dia handray ny famongorana avy amin’i Jehovah.
1.1.1.1.1.1 Inona no antsoina hoe sabora?
Levitikosy 3:14–16 «14 Ary avy aminy no hanaterany ny fanatiny atao amin'ny afo ho an’i Jehovah , dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy 15 ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany. 16 Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an’i Jehovah ny sabora rehetra. »
Ireo tavi-kena manodidina ny tsinainy sy ny fonon-taovany (crépine) no antsoina hoe sabora, fa tsy ny taviny amin’ny hena tsy akory.
1.1.1.2 Mivavaka sy mitandrina ny lalàny.
Hajao ny lalàny, izay efa nambarany fa ho famantarana sy ho fanekena mandrakizay ho an’izay rehetra mino Azy. Aza ovaina ho lalàna hafa na ravana fa izay tena izy hajaina. Ny tsy fanajanao ny lalàna misy sy ny fitsipika napetrany dia ahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra ka ahavery ny fifandraisantsika Aminy satria nitsangana ilay rindrina na efitra mampisaraka antsika aminy dia ny ota, ary ahatonga ny famaliany antsika amin’ny fahatezerany lehibe.
Fa tsy marina ny filazàna hoe: mahalala an’Andriamanitra isika ary manaja Azy, nefa tsy vonona ny anaraka ny lalàna izay napetrany, satria manelingelina ny filàntsika izany. Sady tsy te hanova na hamoy ny sakafo heverintsika fa matsiro sy mafilotra isika, dia ireo izay voakilasy ho biby maloto, (toy ny henan-kisoa, ny gisa, ny gana, ny dokotra, ny amalona, ny thon, ny langouste, ny crabe, ny alika, ny totozy, sns) no milaza sy manambara fa mankatoa sy matahotra Azy. Zavatra roa toa mifanohitra ireo ka anjarantsika indray no misafidy eto satria natao hisafidy isika.
Titosy 1:16 « Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona. »
Efa voasoratra ho an’izao vanimpotoana hiainantsika izao fa tsy te hahalala izany didy sy fitsipika izany ny olona, kanefa na inona ataony na inona, dia mba te ho tononina fotsiny izy hoe: tia ny Ray izy, na hoe Kristiana aho nefa tsy te ho fehezin’inon’inona izy: Isaia 4:1 « Ary amin’izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, ka afaho tondromaso. »
Midika izany fa ny lehilahy iray izay tazomin’ireo vehivavy ireo dia tsy iza fa i Jesosy Kristy, ary ny vehivavy fito dia midika fa ireo fiangonana maro izay mihezaka mitazona ny anarana hoe Kristiana. Tanteraka izany amin’izao fotoana izao satria maro tokoa ny kristiana no tafiditra ao anatin’izany hoe tsy mifidy intsony izay hohaniny, na tsy mitandrina intsony ny fitafiany, kanefa dia mangataka eny rehetra eny ny hiantsoana azy ireo hoe Kristiana, mba tsy ho menatra, ka mialoka ao anatin’izany anarana izany fotsiny.
Fa any amparany, rehefa any amin’ilay tany nampanantenainy dia ilay Jerosalema vaovao ilay tanàna mamirapiratra araka ny voalazan’ny boky Apokalypsy 21 dia hambarany fa anisan’ny zavatra hitsarana antsika amin’ny ahazoana miditra any, ny fanajana ireny lalàna napetrany ireny:
Apokalypsy 21:27 « Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany.»
Efa voajerintsika hatrany ampiandohana, fa Jehovah Andriamanitra dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Izy irery ihany no mendrika hajaina, sy hivavahana. Marina avokoa ny filazany, ary tsy misy fitaka na lany andro ny teny rehetra naloaky ny vavany. Noho izany dia tsy misy miova izay zavatra nambarany, hatramin’ny namoronany ny tany sy ny lanitra ka hatramin’izao ankehitriny izao.
« Tsarovinareo ny lalàn’i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin'ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika. » Malakia 3:22
Ny teny voasoratra eto dia nomen’ny mpaminany Malakia, izay nivelona fotoana fohy talohan’ny nihavian’i Jesosy Kristy, izany hoe efa nisy vanimpotoana ela izany teo namerimberenana, sy nilazany fa tsy miova izay zavatra nambarany na omaly na anio na ho mandrakizay. Eny fa na efa tonga aza Jesosy Kristy, dia tsy mba nitsipaka izay voalaza tany aloha Izy fa nanamafy izay rehetra voasoratra no nataony « Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo. » Jaona 5:45, satria i Mosesy no nomena ny didy sy ny lalàna ary ny fitsipika rehetra izay natao ho tandrematsika, ka na dia i Jesosy ary dia mankatoa sy mitandrina an’izany. Matio 5:17 - 19
1.1.1.3 Inona no atao raha hitandrina ny lalàn'Andriamanitra?
Ambarany ary fa:
- Ny didiny sy ny fitsipiny ihany no tokony arahina, fa tsy ampifangaroina amin’izay fomba-tany, sy ny fomban’ny mponina na fomban-drazana misy sy miaina any amin’ny toerana misy antsika tsirairay isika (Levitikosy 18:2 – 5); manamarina an’izany i Jesosy Kristy rehefa tonga tety ambonin’ny tany izay nilaza fa hoe Mat.15:7–9«7 Ry mpihatsara-velatsihy, marina ny naminanian’Isaia anareo hoe: 8 Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy. 9 Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). » Matio 15:13 « Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana. »
- Ampy tanteraka ny didiny sy ny lalàny, ary tsy tokony hampiana na analana (Deot 13:1)
- Natao hajaina sy ankatoavina ny didiny sy ny lalàny, mba hanajantsika sy hatahorantsika Azy. Tokony ho tandremana tsara sy henoina, ankatoavina, ary ampitaina amin’ny taranaka fara-mandimby izany. (Deot 6:1 – 9).
- Tokony ho tiavintsika amin’ny fo, ny saina, ny hery ary ny fanahy rehetra Jehovah Andriamanitra. Ary ho raiketina ao ampontsika ny didiny sy ny lalàny. (Deot 6:1 – 9).
- Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanintsika isika ary aoka ho fahamarinantsika ny fanarahana ny didiny. (Deot 6:16 – 17)
- Tokony hanaiky isika fa Jehovah irery ihany no Andriamanitra, Izy irery ihany no ivavahana. Raha manaraka ny didiny isika dia ho sambatra sy ho velona. Hotahiana mihoatra noho ny olona rehetra isika satria efa navahany. (Deot 7:9 – 15)
- Anisan’ny fanajana Azy ny fanaterana fanatitra mendrika ny voninahiny sy ny hajany (Malak 1:6 – 8).
1.1.1.4 Ireo lalàna hatrany ampiandohana
Sal 19:7–9 «7 Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina. 8 Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso. 9 Madio ny fahatahorana an’i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Jehovah, eny, mahitsy avokoa. »
Deoteronomia 6:16 – 17 « 16 Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa. 17 Tandremo tsara ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao. »
Maro tokoa ireo didy sy fitsipika izay nambaran’i Jehovah fa tsy maintsy hajaina, ary mbola mitoetra hatramin’izao vaninandro hiainantsika izao. Mbola mihatra tokoa satria sady mbola hajaintsika no tena hankatoavintsika, na mpivavaka isika na tsia. Ny tsy fanajantsika izany dia mampikorontana ny tontolon’ ny fiarahamonina misy sy iainantsika, ohatra hoe mikorontana io rehefa misy olona mangalatra, na mampirafy, na mandainga, na mamono olona, sns. Na dia izany aza dia misy ihany ireo lalàna izay toa niniana novolena, na novana mihitsy satria manelingelina ny filan’ny sasany, sy ny fahafahany; na ihany koa niniana novana tsotra izao noho ny fanarahana fampianarana diso, na koa noho ny familànan’i Satana ny marina izay voasoratra, ka tsy fantatsika ny tena marina sy ny tena heviny hatrany ampiandohana, ka hanarahantsika ny fampianarana izay nodisoina, ary mahavery ny fiainam-panahintsika. Ireo lalàna ireo dia manjary hadino sy tsy tsaroantsika ny fisiany nefa dia nambarany fa ho lalàna mandrakizay ka tsy maintsy hajaina. Izany lalàna mandrakizay izany dia tsy ho foana tsy akory na ho tsy manankery intsony, raha tsy efa tapitra ny tany sy ny lanitra. Ireny no napetrany, dia ho fampianarana (instructions), na toy ny tari-dalana (manuel d’utilisation) ho an’ny olombelona, satria ny olombelona dia toy ny masinina kely sarobidy, izay namboarin’i Tsitoha, dia napetrany io Soratra Masina io mba ho tari-dalana amin’ny fomba fampiasana ilay masinina kely sarobidy, mba tsy ho simba na ho faty ilay asa-tanany. Raha tsy harahina izany io tari-dalana io, dia hikorontana na simba na ho faty ilay fitaovana.
1.1.1.4.1 Lalàna momba ny fanambadiana
1.1.1.4.1.1 Ny karazana fanambadiana nisy teo amin’ny malagasy
Raha araka ny fanazavana izay nomen’i Régis Rajemisa Raolison izay mpikaroka ny tantara Malagasy, sy araka izay hita tao amin’ny lalàna Malagasy izay nisy tamin’izany vanimpotoana izany na ilay hoe lalàna dimy venty sy telonjato (Codes des 305 articles), dia voalaza fa ny vady natolotry ny lanitra no maharitra sy tsara indrindra. Izany dia didi- kifehy lehibe nataon’d’Ranavalona amin’ny maha mpanjaka kristiana azy. Araky ny fomba Malagasy fahiny dia azo atao tsara ny manana vady maromaro tamin’ny andron’ny ntaolo.
Fahiny dia tsy mba nisy lalàna napetraka hifehy ny fanambadiana fa izay hifanarahan’ny mpiaramonina no natao. Maro araka izany ireo karazana fanambadiana hita ka ireto avy ny santionan’ireo anarana hiantsoana ireo vady tamin’izany fotoana izany :
- Vady afaka: izany hoe vehivavy afaka tsy ho tonga vady raha toa ka tsy manaraka izay fepetra nifanarahan’izy sy ny lahy.
- Vady ahantona: izany hoe vehivavy noroahina fotsiny fa mbola tsy nisaorana, izay hoe mbola tsy nisarahana ara-dalana.
- Vady amboarina: enti-milaza zanak’olo-mpirahalahy na mpihavana akaiky ampifanambadiana, na tsy satriny aza, mba tsy hivoaka ny harena. Azo lazaina koa hoe “lova tsy mifindra”.
- Vady an’efitra, vady an-tsiraka: tokatrano na lehilahy mandrato any anindrana (ohatra: manao asa any amin’ny faritra ilay lehilahy dia maka vady an’efitra izy mandrapiveriny any amin’ny vadibeny)
- Vady be: vady voalohany amin’ireo vadin’ny lehilahy mampirafy
- Vady an-tery: lehilahy na vehivavy terena hanambady olona tsy sitrany
- Vady enti-mila: vady atao filan-tsy mahita fotsiny, izany hoe iaraha-mipetraka fotsiny mandra-pahita hafa
- Vady enti-doloha: vady alain’ny rahalahim-badiny ho vady raha maty ny vadiny
- Vady fady: olona tsy tokony hivady nefa nivady ihany, toy ny zanak’olo-mpirahavavy
- Vady fofo: vehivavy kasaina ho vady, io ilay hoe fofombady;
- Vady fotsinantsy: vady tsy miteraka na momba;
- Vady kely: ny vady farany amin’ireo vadin’ny lehilahy mampirafy
- Vady lohamandry: vehivavy efa lehibe angatahin’ny ray aman-drenina tovolahy amin’ny ray aman-dreniny
- Vady lova: vehivavy alain’ny rahalahim-badiny ho vady raha maty ny vadiny
- Vady masay: ilazana ny vady eo anelanelan’ny vady be sy ny vady kely, na firy na firy, ho an’ny lehilahy mampirafy;
- Vady mody: vady tsy atao malaza fa tsorina ny fampiakarana azy;
- Vadin’ny marolahy: vehivavy efa voalaza dieny mialoha fa ho vadin’ny rahalahim-badiny izy raha sendra maty hatrany koa izay manambady azy;
- Vady sengy: vehivavy alaina tovolahy tsy ho vady ary tsy nalaina teo amin’ny ray aman-dreny
- Vady tra-drafy: enti-milaza ny vady izay tratran’ny rafi-vaviny ao an-trano nefa tsy mbola voasoratra akory;
- Vady tsindrano: vehivavy alain’ny Andriamanjaka na ny zanak’andriana ho vady amin’ireo tsindranovavy na ny mpanompovaviny.
Raha ireo no karazana vady nisy tamin’ny andron’ny Ntaolo Malagasy dia tsy mba toy izany no voalaza sy neken’ny Soratra masina.
1.1.1.4.1.2 Ny fifampitondran’ny mpivady
Anisan’ireo tari-dalana nomen’i Jehovah ny zanak’olombelona mba ho hajainy sy tandremany, ny didy mahakasika ny fifampitondran’ny mpivady, ary izany dia efa voasoritra mialoha mihitsy hatrany ampihandohana.
1.1.1.4.1.2.1 Ahoana ny namaritany izany?
Ny nanamboaran’i Jehovah ny mpivady dia tahaka izao manaraka izao. Ny taolan-tehezana avy tamin’ny lahy no nakàna namoronana ny vavy, noho izany dia nofo iray ihany izy roroa, ary izany no mahatonga ny mpivady ho hahay mifanaraka ao anatin’ny tokatranony. Gen.2:21–25 «21 Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony. 22 Ary ny taolan-tehezana izay nalain’i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. 23 Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. 24 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo. 25 Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy. »
Tsy tongatonga ho azy akory izany ny mpivady, fa tena efa voafaritra hatrany ampihandohana izay vady sahaza ny tsirairay. Raha tena mandinika tsara isika eny amin’ny tontolo iainantsika eny dia mahatsapa, fa tsy nivadivady foana ny olona roa, fa na misy hifandraisana eny amin’ny endrika na ny bikany, na ny toetrany. Izany hoe voahary roa tsy nifanalavitra loatra no tonga niaraka, ary dia tsy vitsy mihitsy aza moa ireo olona tonga mpivady no nilaza tamin’ny nifankahita voalohany fa hoe “toa tsy vaovao amiko mihitsy ianao fa ohatra ny olona efa hitako sy nifankahazatra be tamiko” nefa mety vao sambany no nifankahitan’ireo. Misy mpanoratra boky Malagasy iray izay mihitsy aza nanoratra boky iray nitondra ny lohanteny hoe “ Ilay Vohitry ny nofy” izay mitantara zavatra mitovy amin’io.
Tokony ho tsy azo heritreretina akory ny tsy fitiavan’ny olona iray ny vadiny, na amin’ny lafiny inona izany, na amin’ny lafiny inona satria nofo iray ihany no nihavian’izy roa. Kanefa ilay faharavana dia vokatry ny asan’i Satana eo amin’ny fiainan’ny olombelona.
«11 Kanefa ao amin'ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy 12 Fa toy ny nihavian'ny vehivavy avy tamin'ny lehilahy, dia toy izany koa no nihavian'ny lehilahy avy tamin'ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no ihavian'ny zavatra rehetra. »
1Korontiana 7:1–5«1 [Ny amin'ny fanambadiana] Ary ny amin’ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin'ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory. 2 Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy. 3 Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy 4 Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy. 5 Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin’izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan’i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo. »
Mazava ny fifampitondrana takian’ny Soratra Masina ho harahintsika amin’izany fifandraisan’ny mpivady izany: tsy misy afaka ny hanapa-tena na ny lahy na ny vavy, fa hipetraka ho fifanarahana mazava no hifampitondrana eo anivon’ny tokatrano. Tsy hisy ho tompon’ny tenany na ny lahy na ny vavy, fa izay sitraky ny vadiny avy amin’ny tenany no hataony. Ny hampahazava ny tena tiana hambara eto dia ny fandrarana ny tsy tokony hisarahan’ny mpivady fandriana, na dia amin’ny fotoana natokana hivavahana aza, noho ny fankam-panahy ataon’i Satana. Kely saina izay lehilahy mbola mitady olon-kafa hampirafesina amin’ny vadiny, dia toa izany koa kely saina sady vehivavy janga izay vehivavy mbola mitady lehilahy hafa akoatra ny vadiny (ho hitantsika any aoriana ireo)
Mpit.9:9–10«9 Miravoravoa amin'ny vady malalanao amin'ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao aty ambanin'ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin'ny andro iainanao sy amin'ny fisasarana izay isasaranao aty ambanin'ny masoandro. 10 Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita* izay alehanao. »
1.1.1.4.1.3 Ny tokony hifankatiavan’ny mpivady sy hitiavan’ny lehilahy ny vadiny
Eto dia oharin’i Paoly Apostoly amin’ny fitiavan’i Jesosy Kristy ny fiangonana no tokony itiavan’ny lehilahy ny vadiny. Efes.5:22–33«22 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. 23 Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena. 24 Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana* an’i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. 25 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana* ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, 26 mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny; 27 mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana** malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy.
28Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. 29 Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin'ny fiangonana*; 30 fa momba ny tenany isika.
31Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24). »
32 Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin’i Kristy sy ny fiangonana* aho. [* Gr. eklesia]
33 Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja [ Gr. hatahotra] ny lahy. »
Porofoiny fa nofo iray ihany izy roroa, ka toy ny itiavan’ny anankiray ny tenany no tokony itiavany ny vadiny ihany koa. Raha andraisantsika ohatra kely izany dia izao no azo hambara: raha toa ka mihinana sy mitsako ny iray dia tokony ihany koa ahatsiaro fa ilay ilam-panahiny, na ilay ila-nofony ve mba mihinana toa azy koa? Raha mividy fitafiana ho azy izy, moa ve mba mahatsiaro ilay ilany ihany koa? Etc.
Raha tsorina ary dia toy izao no azo hamaritana izany hoe mpivady izany: ny mpivady dia tena nofo iray mifaningotra, tena iray tokoa, ka ny maharary ny iray dia mankarary ihany koa ny ankilany, izany hoe vatana iray (nofo iray), miray saina, miray fanahy, miray aina. Vatana iray sy nofo iray satria efa nakambana ho iray izany mpivady izany, ka tsy azo sarahina mihitsy; miray saina satria tanjona iray no tokony ho tratrariny, dia izay hampahatsara ny tokatranony; miray fanahy satria ny lahy no lohan’ny vavy ka izy no mitarika ny ankohonany hatahotra an’Andriamanitra, sy hanompo Azy; miray aina satria tokony ho sakafo iray ihany no ho fihinany, izay ho fihinan’ny lahy no ho fihinan’ny vavy. Raha hanao zavatra iray mahakasika ny tokatranony ny mpivady dia tokony samy handray anjara miaraka izy roa, fa tsy hevitr’olon-tokana no hatao ao. Ary io fomba fiheverana ny mpivady io dia hita taratra amin’ny fomba fijerin’Andriamanitra, satria ambarany fa tena vatana iray ny mpivady. Azontsika isintonana tsoakevitra amin’izany ny voalazany ao amin’ny didy fahefatra ao amin’ny didy folo izay ahitana taratra ny fahasamihafan’ny olona ao anatin’ny ankohonana iray, fa ny mpivady tsy mba nozarainy na nosarahany ny filaza azy: Eks.20:8–11“8 Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. 9 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. 10 Fa Sabatan’i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. 11 Fa henemana no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian’i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.”
Voatanisany ao ary fa hoe aza manao raharaha akory ianao amin’ny andro sabata (midika fa nofo iray ny lahy sy ny vavy ka tononiny ho olona iray izany), fa sarahiny tsara kosa ny zanaka lahy na ny zanaka vavy, ny mpanampy ao an-trano na lahy na vavy, ny vahiny, ny biby fiompy etc. Ny mpivady dia toy ny olon-tokana no hilazany azy: nofo iray, fo iray, fanahy iray, saina iray, etc…. Ny Ntaolo Malagasy ihany koa dia mba nahamarika izany manao hoe: “ny fanambadiana toy ny lamban’akoho ka faty no hisarahana”, izany hoe tsy misy fisarahana azo heritreretina ao izany; sy ny hoe: “ny akoho mikotrika no lany dia teni-hieran’ny mpivady izany” izany hoe tsy misy fanam-pahankevitr’olon-tokana izany ao, fa tenieran’ny mpivady hatrany no hitondrana ny tokatrano.
1.1.1.4.1.4 Ny fanalahidin’ny tokatrano sambatra
Lehibe izany hafatra voalaza ao amin’io bokin’ny Efesiana 5:22 – 33 efa hitantsika teo ambony io izany, ary ny fanajana sy ny fitandroana an’izany hafatra izany dia hahazoantsika tokatrano sambatra manaraka ny sitrapon’Andriamanitra.
Inona no voalaza?
- Hambarany ary aloha fa ny vavy dia tokony hanaiky ny vadiny, toy ny faneken’ny fiangonana an’i Jesosy Kristy. Izany hoe na eken’ny sainao na tsy eken’ny sainao dia manaiky fotsiny ianao, satria tia anao io vadinao io ka tsy hanome na hanolotra zavatra ratsy ho anao. Toy izany ohatra ny fiangonana: na dia kamo sy malaina aza, na koa tsy manana fotoana loatra dia mbola lasa ihany manao ny raharaham-piangonana satria ho an’i Jesosy Kristy izany.
- Fa ny faharoa hambarany ihany koa dia izao: ho an’ny lehilahy indray izy ity, ny lehilahy hoy Izy dia didiana ho tia ny vadiny. Izany fitiavana izany dia sahala amin’ny nitiavan’i Jesosy Kristy ny fiangonana. Dia ahoana izany fitiavan’i Jesosy ny fiangonana izany? Maro ny ohatra azo raisina ao anaty baiboly fa roa ihany no ho raisintsika ao:
ü Ny voalohany dia ny namahanan’i Jesosy Kristy ny fiangonana izay nanaraka Azy Lioka 9:13 – 16 «13 Fa hoy Izy taminy: Omeonareo hanina izy. Ary hoy ireo: Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy handeha hividy hanina ho an’ireo olona rehetra ireo. 14 Fa tokony ho dimy arivo lahy izy. Ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Asaovy mipetraka an-tokony izy ka tokony ho dimam-polo avy. 15 Dia nataony izany, ka nampipetraka azy rehetra izy. 16 Ary rehefa noraisin’i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany* fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan'ny vahoaka.[*Na: nasiany] » Raha toy izany no nitiavan’i Jesosy ny fiangonana izay niaraka taminy tany an’efitra, dia mba tokony ho toy izany koa no hitiavan’ny lehilahy ny vadiny: Izany hoe mamelona sy miahy ny ankohonany, ary tsy mitarain-tana-miepaka. Azo ambara aza fa hoe mamorona ny tsy misy mihitsy mba ho an’ilay ankohonana.
ü Ny faharoa dia ny nanoloran’i Jesosy Kristy ny ainy hamonjena ny fiangonana: raha tsy nanolotra ny ainy ho fanavotana antsika Jesosy, dia ho tsy azo ny famonjena, ho mbola nanjakan’ny ota hatrany ny fiainantsika. Fa afaka amin’ny fahotana isika noho ny ràny izay nalatsany ho famonjena antsika. Eto koa izany dia mazava tsara, fa ny lehilahy koa izany dia tokony hahafoy ny ainy ho an’ny vadiny na ny ankohonany. Izany dia miseho eo amin’ny adidy isan’andro izay ataon’ny lahy eo amin’ny famelomana ny vadiny sy ny ankohonany. Ka na dia efa reraka sy sasatra aza izy, dia ataony ihany izany mba ho an’ny ankohonany.
1.1.1.4.1.5 Ilay fahavalon’ny tokatrano sambatra dia ny fahasarota-piaro.
Mila mitandrina ny fifankatiavany ny mpivady amin’ny alalan’ny fifanajana sy ny fifampiresahana, satria raha misy iray mampiseho toetra hafahafa mahatonga ny tsy fahatokiana, dia hiseho ho azy ny fahasarota-piaro (ohatra: mandeha mivoaka ny trano nefa tsy mifampiera, manao resaka amin’olona hafa amin’ny takotakona, na manafin-javatra amin’ny vadiny, etc…). Loza mitatao eo ambonin’ny tokatrano iray ny tsy fisian’ny fahatokiana misy eo amin’ny mpivady. Iza tokoa no tsy ho saro-piaro raha mahatsikaritra zavatra hafahafa mitranga eo amin’ny olon-tiany. Mazava fa raha mbola misy fitiavana mitoetra eo amin’ny olona iray dia hahasarotiny azy ilay olontiany Ohabolana 27:4 « Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan'ny fahasaro-piaro? »
Io dia tsy mba toetra vao noforonin’ny olombelona, fa efa voajanahary ao anatiny satria na Ilay Jehovah Mpamorona antsika aza dia efa nanambara, ary namerimberina matetika, fa Izy dia Andriamanitra saro-piaro, mamaly sy mamely ny rafilahiny, ary koa mamaly antsika olontiany izay mahasarotiny Azy, nefa mampirafy Azy amin’andriamani-kafa. Ary efa hitantsika fa tena mirehitra ny fahatezerany amin’izany, satria mamaly ny helotsika hatramin’ny taranaka efatra mandimbintsika Izy raha mampirafy azy isika.
Deoteronomia 6:13 – 15
Deoteronomia 5:7– 9 « 7 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. 8 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. 9 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy, »
Fa efa voasoratra fa mafy sy mirehitra ny fahasarota-piaro ka iza no mahajanona eo anoloany? Raha mbola azo atao dia tokony ho sorohina ny fahasarota-piaro, hapetraka tsara ny fifampitokisana, fifanajana, fifampiresahana ary ataovy ampy ho anao ny vadinao.
1.1.1.4.1.6 Ny fisaraham-panambadiana
Tsy mba ankasitrahan’Andriamanitra mihitsy ny fisaraham-panambadiana. Ambarany mihitsy fa tena fototry ny fijangajangana ny fisaraham-panambadiana, ary dia izany mihitsy aza no mahatonga Azy hanamafy ny tokony hifankatiavan’ny mpivady. Tsy zavatra tsotra akory izany hoe didiana hifankatia izany, izany hoe mpivady asaina mifankatia izany, fa tena mila finiavana sy faneken’ny saina sy ny fo mihitsy.
Izao mantsy, olona roa samy hafa izay notezaina tamin’ny fomba roa samy hafa izay mety ho tsy mitovy mihitsy, no ho tafaray hivady ary hanorina tokatrano iray. Samy hanana ny fombany izy roa ireo, ary mety ho samy hanana ny toetrany koa: ny iray mety ho sarontsarotiny amin’ny fahadiovana ohatra ary ny iray mety tsy dia mivaky loha loatra; ny iray mety ho sarotiny amin’ny sakafo hoanina, ohatra hoe tezitra raha vao misy akotry iray eo ambony lovia, indrindra moa raha mahatsako vato iray, dia angamba efa asa fotsiny, fa ny iray kosa mety mba tsotsotra tsy dia sarotiny loatra, sns…. Dia zavatra maro samy hafa ohatra an’izany no mety mitranga ao an-tokatrano, kanefa dia tsy maintsy haravona izany mba hahazoana fiarahamonina mirindra tsara. Tsy maintsy misy fifandeferana betsaka izany ao anatin’ny tokantrano iray, fa raha tsy izany dia manao fihavanam-bato ka tapaka tanteraka ny fifandraisana ka lasa tonga ilay fisarahana. Noho izany dia tsy maintsy mianatra mitia ny mpivady tsirairay avy, ka io kileman’ny ankilany io mihitsy no hezahinao ahitsy amim-pitiavana sy amim-paharetana aloha, kanefa dia tsy vita moramora na vetivety izany ka tsy tokony ho mora kivy, ary izany indrindra no ilana ny fandeferana, fa tsy handrirotra lava izay mety ho kileman’ny ankilany ka mety hahatonga ny fifandirana indray.
Maro no hilazany izany ato amin’ny soratra masina ka andeha hojerentsika:
1 Korontiana 7:10–11 « 10 Ary ny manam-bady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin'ny lahy ny vavy, 11 (nefa raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin'ny lahy); ary ny lahy aoka tsy hiala amin'ny vavy. »
1 Korontiana 7:27 « Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va ianao? Aza mitady vady. »
Matoa voasoratry Paoly Apostoly io andalan-teny io dia mazava tsara, fa sarotra izany manambady izany. Raha vao tsy entina ampitiavana izany, dia tonga ho azy ao an-tsaina ny hoe: toa voafehy be loatra aho ato ka lasa toy ny gadra sy zioga no manjary hiheverana ilay tokatrano, lasa toy ny enta-mavesatra. Ka raha sanatria ka izany no miseho dia manjary misy fakam-panahy mitsiry ho azy ao ampon’ny olona ka mahatonga azy hisaina zava-dratsy, te hisaraka, na lasa te hivoaka ao anatin’izany heveriny fa ziogany izany izy.
Romana7:1–3 «1 Tsy fantatrareo, va, ry rahalahy (fa miteny amin’izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy? 2 Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalàn'ny lahy izy. 3 Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin’izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza. »
1 Korontiana 7:39 – 40
Tsy misy endrika fisarahana azo ekena mihitsy izany ao anatin’ny tokatrano hafa tsy ny fijangajangan’ny vavy ihany Matio 5:32 « Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga. ». Rehefa vita ny soram-panambadiana dia efa mitoetra ho vadin’ilay lehilahy avy hatrany ilay vehivavy, misy lalàna mamatotra an’izany ao, ary fehezin’izany lalàna izany ho an’ny lahy ny vavy raha mbola velona ny lahy. Tsy afaka manambady olon-kafa intsony izy raha tsy hoe angaha maty ilay vadiny. Fa rehefa maty kosa ilay vadiny dia afaka tamin’izay mety ho lalàna mamatotra azy izy, ka afaka manam-bady olon-kafa. Hebreo 13:4 « Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra. » Tandremo ny hasin’ny fanambadiana fa tsy mba hataon’Andriamanitra ho vita mora foana raha manosihosy ny hasin’izany fanambadiana izany.
Malakia2:13–16«13 Ary faharoan’izany, dia izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran’i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin'ny tananareo Izy. 14 Nefa hoy ianareo: Nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin'ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy. 15 Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany? Fa inona andrefa no notadiavin’ilay anankiray? Taranaka araka an'Andriamanitra*. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany. 16 Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah , Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah , Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo. »
1.1.1.4.1.7 Ny fijangajangana
Voararan’Andriamanitra ary tena halany tokoa ny fijangajangana. Hambaratsika eto sahady ary fa olona tsy ampy saina na koa hoe kely saina izay manao izany, dia ireo mpijangajanga amin’ny vehivavy, indrindra fa ireo mpaka vadin’olona (Ohabolana 6:32 – 35; Ohabolana7:6 - 24).Eto dia tena ambaran’ny soratra masina mihitsy, fa izay te hanimba tena no manao izany, izay te ho faty, ary izay te ho very any amin’ny fiainan-tsi-hita. Tsy maintsy hisy valiny izany, ary ho mafy ny valiny dia kapoka, fahafaham-baraka, tondro-molotra, ary fahasarotam-piaro mirehitra ataon’ny tompom-bady,
Ohabolana6:32 – 33 «32 Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany. 33 Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin'ny tondro-molotra. ».
Fa vao mainka ho mafy sady tsy hisy indra-fo ny ho famaliny ny olona mampirafy ny mpianaka. Ho levona any amin’ny fiainan-tsi-hita no hiafarany, izany hoe tsy ahazo famontsoran-keloka mihitsy.
Levitikosy20:10 « Ary ny lehilahy mijangajanga amin'ny vadin'olona, dia izay mijangajanga amin'ny vadin'ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy. »
Levitikosy20:14 « Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin'ny afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo. »
1.1.1.4.1.8 Ny amin’ireo mbola tsy manam-bady
Tsy mahadiso na mahameloka ny tsy fananam-bady, raha mitandrina ny fiainam-panahiny izy, ka tsy mandoto tena amin’ny fampanaranam-po ny vatany. Vao mainka aza izany, maha-masina ny tenany sy ny fanahiny; kanefa tsy diso ihany koa anefa ireo izay manam-bady raha mitandrina izay nandidian’ny Tompo azy izy.
Ny tsy mbola manam-bady dia izao no hilazan’ny soratra masina azy:
- Na hanam-bady izy na tsia dia tsy misy fahotana ho azy izany, fa izay manam-bady kosa anefa dia tsy maintsy hiaritra fahoriana amin’ny nofo izy.
- Ny vehivavy tsy manam-bady dia hitandrina ny fanahiny, ka hanamasina ny tenany ho an’ny Tompo
- Ny vehivavy manam-bady kosa anefa dia tsy maintsy miahy ny ankohonany mba hahafaly ny tokatranony.
1 Korontiana 7:28 « Nefa na dia hanam-bady aza ianao, dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanam-bady aza ny virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin'ny nofo ireny; fa izaho miantra anareo. »
1 Korontiana 7:34–35 «34 Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manam-bady mitandrina ny an'ny Tompo, mba ho samy masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy. 35 Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo, fa tsy haningotra anareo amin'ny tadivavarana, fa mba hanaovanareo izay miendrika sy hitoeranareo tsara amin'ny Tompo, ka tsy hivezivezen'ny sainareo. »
1.1.1.4.2 Ny amin’ireo maty vady
Voalaza ary fa tsara kokoa ny vehivavy maty vady raha mitoetra irery izy, nefa dia ambara ihany koa fa tsy voafehin’ny lalàna namatotra azy tamin’ny lahy intsony izy, ka afaka manam-bady indray.
1 Korontiana 7:39 – 40 «39 Ny vavy voafehin'ny lalàna, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin'ny Tompo ihany. 40 Nefa raha araka ny hevitro, sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany; ary ataoko fa izaho koa manana ny Fanahin'Andriamanitra. »
1.1.1.4.3 Ny amin’ireo mpino manam-bady tsy mpino
1 Korontiana 7:12 – 17 «12 Fa amin'ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy. 13 Ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mino, ka mety mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hialany izy. 14 Fa ny lahy tsy mino dia efa masina ao amin'ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masina ao amin'ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha izany, dia masina izy. 15 Fa raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin’izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin'ny fihavanana. 16 Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia? 17 Kanefa aoka ny olona rehetra samy handeha araka izay anjarany nomen'ny Tompo azy sy araka ny niantsoan'Andriamanitra azy avy. Ary izany no andidiako ao amin'ny fiangonana rehetra. »
1.1.1.4.4 Ny tsy tokony hifanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy
Io fanambadian’ny lahy samy lahy, na vavy samy vavy io, dia tsy ankasitrahan’Andriamanitra mihitsy ary tena voarara tanteraka. Io no fototry ny fandringanana nihatra tamin’ny tanàna Sodoma sy Gomoro, raha naniry ny hiray tamin’ireo lehilahy roa nivahiny tao amin’i Lota ny lehilahy rehetra tao Sodoma sy Gomoro (Genesisy 19).
Raha ny ho famalin’Andriamanitra azy dia ny hoe: hatao maty tokoa izany olona izany. Misy ny hoe maty ara-nofo izany hoe: ara-bakiteny mihitsy fa misy ihany koa ny hoe maty ara-panahy, izany hoe ilay lasa any amin’ny fiainan-tsi-hita, izany hoe tsy hahazo famontsoran’keloka mihitsy izany ilay olona. Misy ihany koa famalin’Andriamanitra izany toetra mamoafady sy fanao vetaveta izany, araka izay hitantsika ao amin’ny Romana 1: 22 – 32. Voalaza ary fa rehefa mandoka tena sy manao azy ho hendry ny olona ka tsy miantehitra amin’Andriamanitra intsony fa manao azy ho tampi-pahalalana, dia miroso manao andriamanitra tsy izy. Izany no handefasan’Andriamanitra azy ho amin’ny filan’ny nofony isan-karazany, sy ho amin’ny fahalotoany ka maha-afa-boninahitra azy. Izany filan-dratsy handefasan’Andriamanitra azy izany dia tsy inona akory fa ireto manaraka ireto:
- Ny vehivavy dia lasa tia manao firaisana amin’ny taova tsy tokony hanaovana izany;
- Ny lehilahy ihany koa lasa manadino ny firaisana amin’ny vehivavy fa lasa mitady filàna amin’ny samy lehilahy. Nefa dia ambaran’ny soratra masina fa tena maha-menatra indrindra izany.
Rehefa miditra manao an’izany ny olona dia natolotr’Andriamanitra azy ireto toetra manaraka izay feno tsi-fahamarinana rehetra ireto, ho famaliany azy:
· Tsy maintsy hisy valiny mitranga eo amin’ny tenan’ilay olona manao izany (mety ho aretina, mety ho kilema ara-batana, sns…);
· Toloran’Andriamanitra fisainana tsy maha-mendrika izy ka hanao izay zavatra ratsy indrindra tsy tokony hatao, araka ireto manaraka ireto:
Ø Ny tsy fahamarinana rehetra; Ø ny faharatsiana; Ø ny fieremana na Ø fanompoan-tsampy; Ø ny lolompo; Ø ny fialonana; Ø ny vonoan’olona; Ø ny fifandirana; Ø ny fitaka; Ø ny otri-po, na valifaty; Ø ny mpifosafosa sy mpibitsibitsika; | Ø mankahala an’Andriamanitra, Ø mpampahory; Ø mpiavonavona; Ø mpandoka tena; Ø mpamoron-tsain-dratsy; Ø tsy manoa ray sy reny; Ø tsy manam-pahalalana; Ø tsy mitana fanekena; Ø tsy manam-pitiavana; Ø tsy miantra; Ø mpanendrikendrika;
|
Raha sanatria ka hita sy tsapa fa mibahana sy mahazo laka eo amin’ny fiainana na eo amin’ny fiainan’ny namantsika ireo toetra rehetra voalaza sy voatanisa eo ambony ireo dia mba jereo ihany ny antony mety hahatonga izany fa sao dia io voasoratra etsy ambony io!!
Rom.1:22–32 «22 Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, 23 koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka. 24 Ary izany no nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy; 25 ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.
26 Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony; 27 ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany. 28 Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao, 29 ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo, feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po, 30 mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra*[* Na: mpankahala an'Andriamanitra], mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, 31 tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra; 32 dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa. »
Levitikosy18:22 « Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. »
Levitikosy20:13 « Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny lehilahy, tahaka ny fandry amin'ny vehivavy, dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hatao maty tokoa izy; ny ràny dia ho aminy ihany. »
1.1.1.4.5 Ny amin’ny vehivavy mararin’ny fadimbolana
Tsy azo atao ary tsy tokony atao ny mandry na manao firaisana amin’ny vehivavy mararin’ny fadim-bolana. Na ara-tsoratra masina na ara-tsiantifika dia samy mandà an’izany avokoa. Raha ara-tsoratra masina dia ambarany fa mampisokatra ny fandehan’ny rà izany, ka hahafaty ilay vehivavy. Raha ara-tsiantifika kosa dia manamora ny fiparitahan’ny otrik’aretina ny fanaovana an’izany, ary tena manimba tanteraka an’ilay vehivavy izany, eny na ilay lehilahy aza dia hahazo aretina mora foana amin’izany.
Levitikosy18:19; Levitikosy20:18 « Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vehivavy izay mararin'ny fadim-bolany, dia nampisokatra ny fandehanan'ny ràny izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan'ny ràny, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy roroa. »
1.1.1.4.6 Ny tsy hanambadiana havana akaiky.
Zavatra tena raràn’ny soratra masina mihitsy ny hoe hifanambadian’ny mpihavana akaiky izany. Iza avy ireo faritan’ny soratra masina fa havana akaiky izay lazainy fa tsy azo vadiana na hanaovana firaisana?
Ambarany ary fa:
- Izay efa nadrian’ny rain’ilay olona dia efa havany akaiky, satria midika fa reniny izany vehivavy izany, na dia tsy niteraka azy aza. Mitovy laharana amin’ny renikely izany olona izany; Levitikosy 18:7
- Izay anabavy rehetra, izany hoe na zanaky ny rainy, na dia samy hafa reny aza. Eny fa na dia zanak’ilay raikely tany ivelan’ny tokatranon’izy sy ny reninao aza. Dia toy izany koa na zanaky ny reniny, na dia samy hafa ray aza, eny fa na dia zanany tany ivelan’ny tokatranon’izy sy ny rainao aza izany. Levitikosy 18:9
- Izay zafikelinao vavy rehetra, na zanaky ny zanakao lahy na zanaky ny zanakao vavy, satria samy efa taranakao avokoa izy ireo; Levitikosy 18:11
- Izay anabavin-drainao, satria mitovy ny ràny sy ny rainao; Levitikosy 18:12
- Toy izany koa ireo rahavavin-dreninao, satria havan’ny reninao akaiky izy ireo; Levitikosy 18:13
- Izay vadin’ny rahalahin-drainao, Levitikosy 18:14
- Izay vinantonao na vavy na lahy; Levitikosy 18: 15
- Izay vadin’ny rahalahinao, na izay vadin’ny rahavavinao; Levitikosy 18:16
- Izay zanaky ny vadinao vavy, na zanaka vavin’izay zanany lahy na zanany vavy. Izany hoe zafikelin’ny vadinao na dia tsy zanakao mivantana aza izany zanany izany; Levitikosy 18:17
- Izay rahavavin’ny vadinao raha mbola velona ny vadinao; Levitikosy 18:18
- Izay vadin’ny namanao; Levitikosy 18:20
Ny azo hamintinana azy dia izao ihany, tokony ho ampy ho an’ny tsirairay ny vadiny fa tsy hitady hafa hanamparany ny filàny. Dia samy hitandrina ny tsirairay ny amin’izany rehetra izany.
Levitikosy18:6 – 20 «6 Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho. no Jehovah . 7 Aza mandry amin’izay nandrian'ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy. 8 Aza mandry amin'ny renikelinao; fa nandrian'ny rainao izy. 9 Aza mandry amin'ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy. 10 Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin'ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian’izy roa. 11 Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy. 12 Aza mandry amin'ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy. 13 Aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy. 14 Aza mandry amin’izay nandrian'ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin'ny rahalahin-drainao izy. 15 Aza mandry amin'ny vinantovavinao; fa vadin'ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy. 16 Aza mandry amin'ny vadin-drahalahinao; fa nandrian'ny rahalahinao izy. 17 Aza mandry amin'ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin'ny zananilahy, na ny zanakavavin'ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany. 18 Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin'ny rahavaviny izay mbola velona. ; 20 Ary aza mandry amin'ny vadin'ny namanao, handoto ny tenanao aminy. »
Levitikosy 20:11 – 12; Levitikosy 20:14; Levitikosy 20:17; Levitikosy 20:19 – 21 «19 Ary aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao, na amin'ny anabavin-drainao; fa mandry amin'ny havany akaiky izay manao izany ka ho meloka. 20 Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny vadin'ny rahalahin-drainy, dia efa nandry tamin’izay nandrian'ny rahalahin-drainy izy ho meloka izy roroa ka ho faty momba. 21 Ary raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany; nandry tamin’izay nandrian'ny rahalahiny izy, ka ho momba izy roroa. »
1.1.1.4.7 Ny tsy tokony handriana amin’ny biby, na fampifanambadiana biby samy hafa karazana
Raha tena manaiky ilay mpamorona azy ny zanak’olombelona dia hahatsapa avy hatrany fa nataon’Andriamanitra miavaka mihitsy ny namoronany ny olona. Tsy mba teny toy ny namoronana ny zava-boahary hafa rehetra no nanaovany azy, fa novolavolain’ny tanany mihitsy ary nomeny fofonaina avy amin’ny vavany vao nisy ny olombelona. Na teo ampisafidianana izay ho vadin’i Adama tao amin’ny saha Edena aza dia, efa nasehon’Andriamanitra taminy avokoa ny biby rehetra fa tsy nisy sahaza an’i Adama izay rehetra hitany tao, fa tsy maintsy nanaovana vady sahaza ho azy izy. Ka ny namoronana izany vadiny izany, izay nantsoina koa hoe vehivavy dia niainga avy amin’ny taolan-tehezana avy amin’i Adama no nakan’Andriamanitra namoronana azy.
Raha fintinana izay voambara dia izao, efa hatrany ampiandohana no efa nomena vady sahaza ho azy ny olona. Olona mitovy aminy ihany no nomena ho vadiny fa tsy biby, noho izany dia azo hambara fa fady indrindra ny manambady biby, satria manamavo an’ilay Mpamorona izany fihetsika izany. Tsiroaroa ihany koa no namoronana ny biby, ary araka ny karazany avy, izany hoe lahy sy vavy, ary mpivady.
Genesisy 1:26–28 «26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. 27 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. 28 Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany. »
Genesisy 2:7 – 8 «7 Ary vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. 8 Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. »
Genesisy 2:18 – 25 «18 Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19 Ary tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan'aina rehetra, dia izany no anarany. 20 Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin'ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy. 21 Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony. 22 Ary ny taolan-tehezana izay nalain’i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. 23 Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. 24 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo. 25 Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy. »
Levitikosy 18:23 « Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany. »
Levitikosy 20:15 – 16 «15 Ary raha misy lehilahy mandry amin'ny biby, dia hatao maty tokoa izy; ary ilay biby dia hovonoinareo koa. 16 Ary raha misy vehivavy manatona handry amin'ny biby, dia, hovonoina izy sy ny biby; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany. »
Levitikosy 19:19 « Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin'ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin'ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho. »
1.2 Natokana ho an’ny Zanak’Isiraely fotsiny ve ny fanajana ny didy sy ny fitsipik’Andriamanitra
Averintsika indray mandeha ity teny ity mba tena hazava tsara ny resaka, ary koa mba hialantsika amin’ireo hevi-diso izay milaza fa hoe: natao ho an’ny zanak’isiraely fotsiny ihany ny didy sy ny lalàna rehetra, fa tsy ho antsika ihany koa.
Gal 3:28 – 29 «28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. 29 Fa raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. »
Mazava ny voasoratra amin’io teny io, fa raha an’i Kristy ary isika, dia taranak’i Abrahama sy mpandova ny teny fikasana. Izay taranak’i Abrahama rehetra anefa dia tsy maintsy mitandrina ireo lalàna rehetra nadidian’i Jehovah ho tandremana sy ho hajaina, satria efa ankohonan’ Andriamanitra isika, ary io no fepetra hitiavan’ilay loham-pianakaviana hitondrany ny ankohonany. Ary efa hitantsika hatrany ampiandohana fa i Abrahama no anisan’ny olombelona tena mpakatoa an’i Jehovah indrindra.
1Jao.5:1–3«1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak' Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. 2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny. 3 Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. »
1Jao.2:4–8 «4 Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. 5 Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra* izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. 6 Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. 7 Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin'ny voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo. 8 Ary koa, didy vaovao no soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria miala ny maizina, ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny. »
Raha io fanambaran’ny Apostoly Jaona io ary, dia mazava tsara mihitsy ny tiany hambara, satria hoy izy hoe: raha mino ianao fa i Jesosy no Kristy dia efa azo hambara sahady izany fa hoe zanak’Andriamanitra ianao izany, izany hoe Kristiana ianao izany. Ka raha kristiana izany ianao, izany hoe tia an’i Jesosy Kristy, dia tsy maintsy ho tia an’i Jehovah Andriamanitra izay nahary ny tany sy lanitra, izay nahatonga ho nofo an’i Jesosy Kristy izay teniny. Jaona 14:15 « Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. » Kanefa hoy ny Apostoly Jaona hoe ny fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra dia midika ho fanajana ny didiny, ary dia tsipihiny mazava tsara mihitsy aza fa hoe izany fitiavana ny didiny izany dia tsy mavesatra, na atsiarovan’ilay olona ho voageja na voafehy, fa tonga fiainana izany. Dia mbola tohizany hatrany izany fanambarany izany hoe: raha misy olona milaza ny tenany fa ho kristiana izany, (izany hoe milaza fa tia an’i Jesosy Kristy izy), kanefa tsy tia ny Rainy dia Jehovah Andriamanitra izany, dia mpandainga izany olona izany. Efa hitantsika teo aloha fa ny fitiavana an’ilay Jehovah Andriamanitra Ray Tsitoha, dia ny fitandremana ny didiny, ary tsy mba mampitaraina izany didiny izany, ka ho lazaina fa hoe mavesatra. Noho izany dia izao, raha milaza ny tenany ho kristiana izany ny olona iray, ka milaza fa tena tia an’i Jesosy Kristy, izany hoe koa tia an’ilay Jehovah Andriamanitra ihany koa, dia tokony hitandrina ny didy sy ny lalàna izy, ary dia ho tena mpanaradia na tena mandray ho modely izay rehetra nataon’i Jesosy teto an-tany amin’ny maha fahamarinana Azy. Ary dia hamafisin’ny Apostoly Jaona mihitsy fa tsy mba didy vaovao izany tokony ho tandremana izany, fa DIDY ELA. Izany hoe izay didy efa nomena an’i Mosesy ihany no mbola ho tandremana io. Ka raha didy efa nisy hatry ny ela ary no natao ho tandremana, moa ve tsy io ihany izany no didy izay nasain’i Jehovah ho tandreman’ny Zanak’Isiraely tamin’izany fotoana izany?. Tsy natao ho an’ny Zanak’Isiraely fotsiny izany ny didy sy ny lalàna nisy hatrizay, fa ho an’izay rehetra misora-tena rehetra fa Kristiana ihany koa. I Jaona no apostoly farany izay nanoratra ato amin’ny testamenta vaovao, nanoratra ny bokin’ny Apokalypsy na Fanambarana, izay azo ambara ihany koa fa famintinana ny baiboly iray manontolo. Fa alohan’ny nanoratany sy nazahoany ny faminaniana ny hanoratana ny boky Fanambarana dia nanoratra io Epistily telo io ny Apostoly Jaona. Io izany no azo lazaina fa fiandohan’ny famintinana izay nataony, ary ho fijoroana vavolombelona ny amin’ny fanalahidin’ny fiainana mandrakizay.
1Jaona 1:1–2«1 [Ny firaisan'ny Kristiana amin'Andriamanitra, ary ny vavolombelona mampiseho sy mahamarina izany] Izay hatramin'ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain'ny tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana 2 (fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin'ny Ray ka efa naseho taminay), - »
Ary dia izany rehetra izany no manaporofo, fa tsy mba mifanohitra mihitsy ny Soratra Masina, na ihany koa hisy hahasahy hilaza fa misy tsy tanteraka ny tenin’i Jehovah, na sanatria hilaza mihitsy aza hoe diso ny zavatra tenenin’i Jehovah!. Satria mantsy izao no mahatonga ahy hilaza an’izany: nilaza Jehovah ao amin’ny bokin’ny Malakia 3:22 manao hoe « Tsarovinareo ny lalàn'i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin'ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika. » Io bokin’i Malakia io no boky farany ao amin’ny testamenta taloha, ary azo ambara fa io no famintinana ny boky rehetra ao amin’ny testamenta taloha. Manambara mazava mihitsy eto izany Jehovah, fa aoka ho tsarovan’izay rehetra mankatoa sy tia Azy, ny didiny sy ny fitsipiny rehetra izay nomeny an’i Mosesy tamin’izany andro izany. Nilaza an’io Jehovah, fa mbola nohamafisin’i Jesosy Kristy izay Teniny tonga nofo ihany koa izany teny izany: Jaona 5:45 « Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo. »
Lazaina fa i Mosesy no mpiampanga antsika, satria i Mosesy no nomena ny didy sy ny lalàna ary ny fitsipika rehetra izay natao ho hajaina, ka ny tsy fankatoavana an’izany dia mahatonga azy hiampanga antsika.
Nanambara an’izany ny mpaminany Malakia tamin’izany fotoan’androny izany, izay nampita ny hafatra avy amin’i Jehovah, nilaza fa hoe: “tsarovinareo ny lalàn’i Mosesy mpanompoko”; izany hoe tsy azo hadinoina izany io lalàna io fa tsy maintsy mbola mitoetra eo hatrany. Eto koa Jesosy Kristy izay heverin’ny olona sasany fa ilay famonjena mitokana, izany hoe heverin’izy ireo fa efa tsy izy intsony izany Jehovah izany fa efa vitan’i Jesosy Kristy irery ny famonjena, kanefa dia tsy izany mihitsy no nampianariny fa izao: Jaona 5:43 « Izaho dia avy amin'ny anaran'ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny tenany, dia horaisinareo ihany izy. » Ny Jesosy Kristy tena Izy izany dia izay avy amin’ny anaran’ny Rainy dia Jehovah izany, ka izay no tsy ahafahan’izany anarana roa izany misaraka mihitsy, izay hilazan’ny apostoly Jaona azy hoe raha tia an’i Jesosy ny olona iray dia tsy maintsy tia ny Rainy ihany koa. Etsy ankilan’izany dia misy koa olona izay tena mandray sy manompo Jesosy hafa mihitsy (io ilay ambaran’i Jesosy hoe jesosy hafa izay tonga amin’ny anaran’ny tenany, fa tsy avy amin’ny anaran’ny Rainy). Betsaka tokoa ny olona manaraka izany, satria raha mivavaka aza ireo olona ireo dia tsy mahatonona indraimbava akory ny anaran’ilay Mpahary, fa tonga dia mihonona fotsiny amin’ny hoe Jesosy ô! hatramin’ny farany; ary faharoa, tsy tia ny Rain’i Jesosy izany olona izany satria tsy te hanaja sy hankatoa ny didiny sy ny fitsipiny intsony, fa te hametraka fomba vaovao, dia izay lazainy fa hoe ambany fahasoavana, ka tsy fehezin’izay lalàna intsony. Ho azy ireo dia efa maty na tsy manakery eo aminy intsony hatramin’ny fotoana nahaterahan’ilay heveriny ho mpamonjy azy ireo izany Jehovah izany, ka izay no antony hivavahany manontolo amin’ilay jesosiny, izay tonga avy amin’ny anaran’ny tenany manokana. Izay no manamarina ilay teny efa hitantsika teny ambony milaza manao hoe : Isaia 4:1 « Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso » ny mahamaika ny rehetra izany dia ny hiantsoana azy ireo fotsiny hoe Kristiana fa raha izay fitiavana an’Andriamanitra izay midika hoe fankatoavana ny didiny dia tsy ao anatiny akory. Io ihany koa no manamarina izay nambaran’i Jesosy Kristy milaza manao hoe :
Lioka 21:8 « Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy. » Mampitandrina Jesosy eto milaza fa ho maro no ho avy hilaza fa izy ireo no Kristy, kanefa hoy Izy, aza manaraka azy. Noho izany dia tena ilaintsika ny mamantatra Ilay tena Izy izay mifanaraka amin’ny Soratra Masina.
1.3 Iza ary Jesosy Kristy
Mba hampahazava ny tiana ambara dia andeha ho jerentsika kely vetivety ny hoe “iza i Jesosy Kristy?”
1.3.1 Jesosy Kristy ilay Teny tonga nofo
Jao.1:1–5«1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin' Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 2 Izy dia tao amin' Andriamanitra tamin'ny voalohany. 3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. 4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. 5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*.»
Jao.1:12–14 «12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, 13 dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak' Andriamanitra. 14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. »
Jesosy Kristy dia tsy iza fa Ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo, izany hoe:
- Ilay Tenin’Andriamanitra nahariana ny tany sy ny lanitra;
- Ilay Tenin’Andriamanitra nampitany ny fahamarinany sy ny faha-lehibeazany ary ny voninahitr’Andriamanitra;
- Ilay Tenin’Andriamanitra nanomezany antsika ny didy sy ny lalàny ary ny fitsipiny,
- Ilay tsy noraisin’ny maizina fa noraisin’ny mazava;
- Raha fintinina dia izao: satria Jesosy Kristy dia Tenin’Andriamanitra notafiana nofo, ka nalefa nonina tamintsika, noho izany dia Jesosy Kristy ihany izany ireo voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna fahiny ireo, sy ny voalazan’ny mpaminany rehetra, ary ny bokin’ny Salamo, raha mbola eketsika ihany fa Tenin’Andriamanitra ireo teny famoronana izao rehetra izao, na ireo teny fikasana rehetra, na ireo didy sy lalàna, na ireo teny faminaniana,…
Raha ny voasoratra eo amin’ny Jaona 1:14 ary no jerentsika izay manao hoe “Lahitokana avy tamin'ny Ray Jesosy Kristy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana” Izy, dia izao no azo ambara: matoa lazaina fa feno fahamarinana Izy, dia mazava fa tsy maintsy misy lalàna ahafahana mandrefy Azy ao izany.
Ny teny hoe fahamarinana araka ny efa nahitantsika azy teo ambony dia midika, fa toetra na fanao iray izay norefesina tamin’ny lalàna na didy na fitsipika izay efa voapetraka mialoha, ka eken’ny be sy ny maro fa marina sy tsy mifanohitra amin’izay nandrefesana azy. Ny lalàna, na didy na fitsipika misy izay itsarana an’i Jesosy Kristy izany, dia tsy niova fa izay nomen’ny Tenin’Andriamanitra ihany, dia izay nomen’Andriamanitra an’i Mosesy. Ireo didy sy lalàna ary fitsipika nomena an’i Mosesy ireo no nandrefesana sy nanamarinana an’i Jesosy Kristy. Satria tenin’ Andriamanitra ireo didy sy lalàna ary fitsipika izay nomena an’i Mosesy ireo, dia midika izany fa Izy Jesosy Kristy mihitsy no lalàna. Ireo ihany koa no mbola andrefesana antsika satria izany lalàna izany dia tsy niova omaly sy anio ary mandrakizay. «45 Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo. 46 Fa raha mba nino an’i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy. »Jaona 5:45 – 46.
Tsindriantsika kely ity teny ity manao hoe “Fa raha mba nino an’i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy”. Milaza mazava mihitsy eto Jesosy Kristy manao hoe: “nanoratra nilaza Azy Jesosy Kristy i Mosesy”. Raha ny fantatsika anefa dia ireo didy sy lalàna ary fitsipiky Jehovah no teo amin’i Mosesy, ary nomeny azy, izay nosoratan’ Andriamanitra tamin’ny vato fisaka roa izany. Midika izany fa raha miteny Jesosy Kristy eto manao hoe nanoratra nilaza Ahy i Mosesy, dia mitovy amin’ny hoe i Jesosy Kristy mihitsy no io Didy sy Lalàna ary Fitsipika izay voasoratra eo io, satria Tenin’Andriamanitra izany. Ka raha mbola eketsika fa Tenin’Andriamanitra ireo nomena an’i Mosesy ireo, dia manaiky koa izany isika fa Jesosy Kristy io voasoratra tamin’ny vato fisaka roa io, dia ny didy folo izany.
Maridrefy ianao sa ahoana? Aza mampianatra zavatra diso fa tsy miova ny lalàna. Mbola i Jesosy Kristy ihany no Tenin’Andriamanitra, ary tsy miova Izy omaly sy anio ary mandrakizay.
JESOSY KRISTY = Tenin’Andriamanitra tonga nofo = DIDY sy LALÀNA ary FITSIPIKA
(Andramo soloina an’ireo hoe Tenin’Andriamanitra tonga nofo na didy sy lalàna ny anaran’i Jesosy Kristy raha mamaky baiboly ianao, fa hiamazàva aminao ny tiana ambara)
Dia mbola azontsika hamaliana hatrany ilay fanontaniana ihany koa hoe: “iza marina Jesosy Kristy”, ilay tena dikan’ny anarany hitantsika ao amin’ny Baiboly: Jesosy = Jehovah no mpamonjy = Amintsika Andriamanitra « ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. [*Jesosy = Jehovah no Mpamonjy] » Mat.1:21« Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. » Mat.1:23; Izany hoe avy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy dia niara-nonina tamintsika Andriamanitra sy ny teniny, tety amintsika Andriamanitra. Izay no nahatonga an’i Jesosy hilaza manao hoe: Jaona 14:9 « Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? » Noho izany dia tsy mifanohitra velively izany ny baiboly, na ambara fa efa levona na rava ny lalàna tokony hajaina sy harahina rehefa natao sorona sy nohombohona Jesosy. Fa mazava ny voasoratra ao amin’ny boky Fanambarana izay nampitain’i Jesosy ny hafatra ho an’izay ho voavonjy rehetra, fa sabatra roa lela no mivoaka ao am-bavany, dia ny Tenin-Andriamanitra: testamenta taloha sy testamenta vaovao ireo, tsy misy nofoanana ary tsy miova. « …; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny. » Apokalypsy 1:16
Mbola hisy hisalasala amintsika mahakasika izany fanadihadiana izany, ka hanao hoe: ahoana koa no ahamarina an’izany, fa Jesosy Kristy anie ka tsy nisy raha tsy tamin’ny fotoana niterahan’i Maria Azy e?
Tsy hijanona ela loatra amin’izany lohahevitra izany isika, fa tsara kokoa raha mba mijery ilay boky faharoa mitondra ny lohateny hoe “Iza moa Jesosy Kristy?”. (Io boky io no miresaka manontolo, ny momba an’i Jesosy Kristy, manomboka hatramin’ny nahaterahany, ka hatramin’ny fahafatesany sy ny nilevenany ary ny nitsanganany tamin’ny maty. Izany dia arahina fanadihadiana miorina manontolo amin’ny Soratra Masina.) Na dia izany aza dia apetratsika manaraka eto ihany ireto teny ireto, mba hanamporofoantsika fa efa nisy hatrizay elabe talohan’ny namoronana ny tany sy ny lanitra i Jesosy Kristy, Izy no ilay teny nampiasaina ho namoronana izao rehetra izao, Izy ihany koa no ilay Mpita-marika teo anilan’ny Ray tamin’ny asa famoronana rehetra izay nataony, Izy no ilay ISIKA teo anilan’ny Ray raha namorona ny olombelona Izy. Tsy madainga ary tsy misy fitaka izay nambaran’i Jesosy, dia toy izao no fanambarana izay nataony:
Jaona 8:51 – 57 «51 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay. 52 Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay. 53 Moa Hianao va lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? sady efa maty koa ny mpaminany; manao Anao ho iza moa Hianao? 54 Jesosy namaly hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazako; ny Raiko, Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy. 55 Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho no mahalala Azy; ary raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba mpandainga tahaka anareo koa Aho; nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny teniny. 56 Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly. 57 Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an’i Abrahama va? 58 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho. 59 Dia naka vato hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan'ny tempoly*. [*Ampio hoe: ary namaky teo afovoan'ny olona ka lasa] »
Sahiran-tsaina ny olona niresaka sy nanatrika an’i Jesosy Kristy tamin’izany fotoana izany, raha nilazany fa hoe ravoravo i Abrahama nahita ny androny, izay midika fa hoe efa velona tamin’izany fotoana nisian’i Abrahama izany i Jesosy, kanefa dia taonjato maro tokoa no elanelana nisy teo amin’izany vanimpotoana roa izany. Tsy azon’ny sain’olombelona vinavinaina akory izany toe-javatra izany, eny fa na dia amin’izao vanimpotoana hiainantsika izao aza, dia mbola misy olona milaza ihany fa toa miteniteny foana i Jesosy Kristy!! Kanefa dia izany tokoa no marina.
1.3.1.1 Ka ahoana ary, moa ve tena milaza izany hafaliana hita teny amin’i Abrahama nahita an’i Jesosy izany tokoa ny Soratra Masina? Sa azo lazaina ho mirediredy Jesosy raha niteny an’izany?
Genesisy 14:18 – 20 «18 Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. 19 Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; 20 Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra. » Eto dia mitantara ny hafalian’i Abrama izay tonga avy niady ny Soratra Masina ka faly tokoa rehefa tonga nitsena azy ny Mpanjakan’i Salema dia i Melkizedeka izany. Ho mariky ny hafaliany dia nanolotra ny ampahafolon’izay zavatra azony rehetra i Abrama.
1.3.1.2 Fa iza moa i Melkizedeka?
Nahoana no nomeny ny ampahafolon’ny zavatra azony rehetra io mpanjaka io?
Hebreo 7:1 – 4 «1 [Fampitahana an'i Kristy sy Melkizedeka] Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy, 2 sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana; 3 tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva. 4 Ary hevero ny halehiben'io lehilahy io -, izay nomen'i Abrahama patriarka ny ampahafolon'izay tsara tamin'ny zavatra nobaboina. »
Io Melkizedeka io izany dia :
- Mpisoron’Andriamanitra Avo indrindra;
- Mpanjakan’ny fahamarinana;
- Mpanjakan’ny fiadanana;
- Tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan’andro, na faran’ny fiainana,
- Natao tahaka ny Zanak’Andriamanitra
- Izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.
- Nomen’i Abrahama ny ampahafolony tamin’izay zavatra azony rehetra.
Raha izany no namaritan’ny Soratra Masina an’io Melkizedeka io dia mazava tsara ihany koa izany fa mitovy amin’izay namaritana an’i Jesosy Kristy ihany koa izany famaritana izany. Samy mpisoron’Andriamanitra avo indrindra Izy; samy mpanjakan’ny fahamarinana sy ny fiadanana ihany koa; samy natao tahaka ny Zanak’Andriamanitra, samy mitoetra ho mpisorona mandrakariva, ary samy omena ny ampahafolon’ny zavatra rehetra. Eny fa na dia mbola tsy nivoaka aza ny lalàna momba ny fahafolon-karena tamin’ny andron’i Abrahama, dia azo ambara fa fantany sy tsapany fa tokony omena an’i Jehovah ny fahafolon’ny zavatra rehetra, ary dia nomeny an’i Melkizedeka izany.
Hebreo 7:17 « Fa Izy (Jesosy Kristy) dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4). » Izany hoe tena Jesosy tokoa io Melkizedeka io raha tamin’ny andron’i Abrahama, ary dia nahita Azy tokoa Abrahama ka dia faly indrindra tamin’izany fotoana izany.
Io hafalian’i Abrahama io no tantarain’i Jesosy Kristy ny olona eto ka dia gaga ny olona ary tena sarotra ho an’ny olona tokoa ny hino an’izany zavatra izany. Eny fa na dia amin’izao fotoana hamakiana izao boky izao ihany aza dia maro no handray izany ho zava-baovao, ary tsy dia be mpiresaka izany resaka izany.
1.3.1.3 Ahoana no hanaporofona fa efa nisy hatrizay hatrizay Jesosy Kristy?
Araho ny faminaniana ilazan’ny mpanoratra ny boky Ohabolana izany:
Ohabolana 8:22 – 36 « 22 Jehovah nahary* ahy ho fiandohan'ny alehany, ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha [Na: nahazo] 23 Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany. 24 Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be, 25 fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho, 26 fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin’izao rehetra izao. 27 Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy, 28 raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina, 29 raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany, 30 dia mpità-marika* teo anilany aho sady ravoravo isan'andro isan'andro ka nilalao mandrakariva teo anatrehany; [Na: notezaina] 31 Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona. 32 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako; 33 Minoa anatra, ka hendre, fa aza mandà. 34 Sambatra izay olona mihaino ahy ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako. 35 Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana sady mahazo sitraka amin’i Jehovah ; 36 Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana. »
Mbola hamafisin’ny Apostoly Paoly izany fanambarana izany tamin’izy nandalo tany Kolosia:
Kol.1:15–20«15 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’ izao zavatra ary rehetra izao; 16 fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana*, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; 17 ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra. 18 Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana*; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. 19 Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra, 20 sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny ety ambonin'ny tany, na ny any an-danitra. »
Tsy dia misy ady hevitra betsaka tokony hatao eo fa dia mazava tsara ny ambaran’ny Soratra Masina, na tany amin’ny testamenta taloha na ny vaovao. Voasoratra mazava fa Jesosy Kristy no nohariana voalohany indrindra, Izy ihany koa no nahariana izao rehetra izao, satria tenin’ Andriamanitra no nahariana izao rehetra izao. Azo lazaina fa vavolombelona nanatrimaso izany asa famoronana rehetra izany izany Jesosy Kristy, vavolombelona ihany koa tamin’ireo didy sy lalàna izay efa nomena, izay midika fa tsy misy miafina aminy ary hainy tsara izay rehetra efa vita sy niseho rehetra na inona na inona.
Eto anefa ilay Jesosy Kristy izay avy amin’ny anaran’ny Ray izany hoe ilay Teny tonga nofo, dia manambara sy manamafy, fa tsy tonga hanova ny didy sy ny lalàna Izy, fa tonga kosa hanatanteraka (Matio 5:17 – 20), ary tsy vitan’izany ihany koa fa amafisiny, fa i Mosesy no mpiampanga any amparany. Ary dia mbola nohamafisin’ny Apostoly Jaona aza izany tamin’ny fanambarany efa hitantsika teo aloha (1Jao.5:1–3; 1Jao.2:4–8) fa raha tia an’i Jesosy Kristy isika satria Kristiana dia tsy maintsy tia izay niteraka Azy, dia tsy iza fa Jehovah Andriamanitra izany, ary ny fitiavana an’izany Rainy izany dia ny fankatoavana sy fanajana ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny.
1.3.2 Isika ary ve manaiky fa Kristiana?
Raha eny ny valiny, dia tsotra ny dikan’izany, dia izao ihany: mino isika fa Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra velona Tonga nofo, ary Izy no Kristy, Izy no Ilay Mesia, ary dia mitoetra sy sahy manambara isika fa tia Azy. Ka raha tia Azy isika, dia midika fa lasa zanak’Andriamanitra izany isika, izany hoe lasa ankohonan’Andriamanitra, ka dia zanaka no toerana misy antsika ao anatin’io ankohonana io, ary Jehovah Andriamanitra no Rain’izany ankohonana izany. Ny Ray no mametraka ny lalàna sy fepetra ary fitsipika rehetra izay tiany hitondrany ny ankohonany, Izy no miahy sy miaro ary mitsimbina izany ankohonany izany. Raha te ho anisan’ny zanaka hendry sy manoa ny Ray ary isika, dia mazava fa tsy maintsy manaja ny fitsipika rehetra apetraky ny Raim-pianakaviana. Raha hendry ny zanaka dia ho faly ny rainy, ka dia tsy mba ho mafy tànana izy hanome izay irin’ny zanany, eny na izay tsy noheritreretin’ny zanany aza dia arosony ho azy, satria faly izy fa hendry ny zanany. Amin’izay fotoana izay, raha sanatria ka mivaona tsy manaraka ny fepetra sy ny fitsipika ny zanaka, dia ho tezitra ny raim-pianakaviana, ary dia hilatsaka ny sazy na ny famaizana, ary ho mafy ny fiatraikan’izany sazy izany amin’ny zanaka. Hoy ny bokin’ny Ohabolana hoe: Ohabolana 13:24; Ohabolana 23:13 « Aza tsy manafay zanaka, fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza*; [Na: Fa tsy ho faty izy, raha asianao ny hazo] »; dia hoy koa ny Ntaolo Malagasy: “ny zanaka tiana tsy hitsitsiana tsoran-kazo”, sy ny hoe “ny ana-dray aman-dreny toy ny tsipak’ombalahy, ka raha mahavoa mahafaty, fa raha tsy mahavoa kosa mahafanina”.
Raha maditra izany ny zanaka, izany hoe: tsy manaraka ny fitsipika apetraky ny raim-pianakaviana, na raha toa ka ny zanaka indray no mametraka lalàna ho arahin’izany ankohonana izany fa tsy ny rainy, dia mazava fa hikorontana sy hisavorovoro ny ankohonana, ka tsy maintsy hilatsaka ny famaizana.
Anjarantsika ary no mametraka ny toerana misy antsika, na ho toy ny zanaka hendry sy manoa dia hahafaly ny Ray, na tsia.
Raha manaiky ary isika fa hoe Kristiana, dia midika izany fa mino sy mahatoky isika fa Kristy dia Zanak’Andriamanitra, mino ihany koa fa Kristy dia maty hamonjy antsika, ary ny ràny izay nalatsany no famonjena antsika, manaiky ihany koa fa ho mpanaradia an’i Kristy; mametraka azy ho modely eo amin’ny fiainantsika, ka hanaja sy hankatoa izay ambarany mba ho tena mpianany tokoa, ka izay notorian’i Jesosy no ho toriantsika koa, izay nampianariny no ho ampianarintsika ihany koa. Ary farany dia manaiky ihany koa fa Jesosy Kristy dia Tenin’Andriamanitra tonga nofo, noho izany dia manaiky isika fa marina sy feno fahamasinana Izy, (izany hoe tsy nanota, ka izany hoe tsy manota izany dia midika fa nankatoa sy nitandrina ny didy sy ny lalàna ary ny fitsipika rehetra izay napetraky ny Rainy). Ka raha Kristiana ary isika dia tsy maintsy manao an’i Jesosy Kristy ho modely, izany hoe: handeha amin’ny fahamarinana izay nodiavin’i Kristy, izay midika hoe fanajàna ireo didy sy lalàna ary fitsipika, rehetra izay napetraky ny Ray, ary ambarany fa tsy maintsy tandremana sy tsaroana mandrakariva, ary mitoetra ho mandrakizay.
Tsy misy miova izay nambaran’i Jehovah hatrizay hatrizay satria i Jesosy Kristy no teniny tonga nofo araka ny efa nahitantsika Azy teo ambony.
Andeha ary ho hasiantsika fanadihadiana kely ny mahakasika izany lalàna izay nambara fa nomen’i Jesosy Kristy izany. Moa ve tena mifanipaka amin’izay voalaza rehetra tany aloha, sa mba mifameno ihany?
1.3.2.1 Nanambara lalàna hafa ve Jesosy?
Mba manasa antsika aho hamaky ireto toko sy andininy manaraka ireto any anaty Baiboly alohan’ny hanarahana ity fanadihadinaa ity satria dia lava loatra raha ho soratana ato anaty boky:
Matio 5:17 – 48; Matio 6:1 – 34; Matio 7:1 – 29
Raha fintinina izay voambara tao dia izao:
- Voalohany: tsy tonga handrava ny lalàna Jesosy Kristy fa hana-tanteraka, hambarany fa tsy hisy lalàna ho foana akory na dia kely aza mandra-pahatanterak’izy rehetra.
- Ny faharoa: tsy misy manana fahefana hanampy na hanaisotra izay rehetra voasoratra ao amin’ny didy sy lalàna ary fitsipika na iza na iza,
- Ny fahatelo: raha tsy mihoatra noho ny an’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ny fahamarinantsika dia tsy hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy isika.
- Ny fahefatra : dia fanamafisany ny lalàna efa nisy:
· Ny hoe aza mamono olona dia tsy tokony hijanona amin’izany intsony fa nampiany hoe aza tezitra amin’ny rahalahinao, aza manompa azy, na mitahiry alahelo aminy, fa raha manao izany ianao dia mandehana faingana aloha mangataka famelana, sy mihavana aminy vao manantona manao fanatitra. Ny dikan’ny “Fanatitra” mantsy dia fangataham-pamelana amin’Andriamanitra noho ny heloka efa vita, nefa raha mbola mitahiry alahelo na fahatezerana amin’ny rahalahitsika izany isika dia tsy hahazo famelan-keloka mihitsy.
· Taloha ny hoe mijangajanga dia izay rehetra maka vadin’olona, na mampirafy, fa rehefa tonga kosa Jesosy dia nambarany fa izay rehetra mijery vehivavy, ka maniry ny handry amin’izany vehivavy izany na dia ao ampony aza, any an’eritreriny, dia efa mijangajanga sahady. Tsotra ny didy, mila mitandrina izay rehetra jeren’ny maso isika, satria ny maso no varavarana hidiran’ny heloka eo amitsika;
· Ao anatin’izany fijangajangana izany ihany, dia voalaza tamin’ny testameta taloha fa izay rehetra misao-bady dia aoka ny lahy hanome taratasy fisaoram-bady ny vavy, fa Jesosy kosa manambara fa na iza na iza misao-bady afa-tsy noho ny fijangajangan’ny vavy ihany, dia mampijangajanga ny vavy izy, ary tsy ny vavy ihany no mijanga amin’izay fotoana izay, fa ny lehilahy mampakatra azy ho vady aorian’izany fisarahana izany;
· Voalaza ihany koa fa raha hianiana ny olona iray dia atao amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitra, fa Jesosy Kristy kosa manambara fa tokony hisy fahamatorana eo amin’ny olona. Tsy hisy handeha amin’ny fisalasalana, fa ho mazava sy mahitsy ny lalan-kizorany, ka hahafantatra ny mety sy ny tsy mety, fa tsy hisy ho tafajanona eo anelanelany (ny valiteny homena dia ny eny na tsia).
- Ny fahadimy dia ny nampianarany antsika ny fitondra-tena mendrika ho tahafina na arahina:
· Jesosy nampianatra antsika hahay handefitra, tsy hamaly ratsy ny ratsy, tsy ho be monomonona na tabataba, ho tia ny fahavalotsika, tsy hisehoseho amin’ny asa soa ataontsika, tsy hanao vavaka ho fisehosehoana na atao lavabe, hanao fifadian-kanina tsy ampiseho-sehoana, tsy hihary ny haren’ny tany ka hanankina ny fotsika amin’ izany harena izany, hitandrina izay jeren’ny masotsika, fa ny maso no taratry ny fotsika; tsy hanam-panahiana ny amin’ny ampitso dia ny amin’izay hohanina sy izay hotafiana.
· fa nisy teny nanao hoe maso solon’ny maso ary nify solon’ny nify, Jesosy kosa mampianatra hoe raha misy mamely ny takolakao havia dia omeo azy koa ny havanana,
· nisy koa teny milaza hoe tiava ny namanao, ary mankahalà ny fahavalonao, fa izy kosa manambara hoe: tiava ny fahavalonareo, ary aoka samy hivavaka ho an’ny fahavalony, satria izany no toetry ny zanak’Andriamanitra.
· Raha manao fiantrana isika dia aoka tsy entina ho fisehosehoana na haseho hiariary ho hitan’ny vahoaka be ho filan-dera handeha hiseho télé, fa hanao izany kosa mangingina, ka tsy hitady ny sitraka ety an-tany, fa hikatsaka ny valim-pitia avy any an-danitra.
· Raha mivavaka dia atao amin’ny mangingina, tsy hanao teny maro, fa atao araka ny drafitra nampianarin’i Jesosy araka izay hita ao amin’ny Matio 6: 9 – 13; Lioka 11: 2 – 4
· Tokony hifady hanina isika, ka raha manao izany dia tsy azo entina amim-pireharehana, fa aoka aza tsy ho fantatry ny olona akory fa mifady isika.
· Ny haren’ny tany dia be fahavalo, mora simba sy mety ho rava, mety ho lo, mety ho very, ka raha izany no anankinantsika ny fotsika dia ho sasatra sy ho reraka foana isika. Ambarany fa tsy misy afaka hanompo tompo roa, fa amin’izany, ny iray ho halany satria lavitra ny fony ary ny iray ho tiany kokoa satria akaikin’ny fony.
· Ny maso tokoa dia azo hitarafana ny toe-pon’ny olona iray: arakaraky ny fomba fijery no azo hitarafana ny fon’ny olona iray:
Ø Raha mivandravandra ny olona dia azo hambara fa ratsy ny fony na tezitra izy,
Ø Toy izany koa: raha toa ka mangarika ny olona iray, dia midika izany fa feno fankahalana ny fony
Ø Raha ohatra kosa izy hita ho miramirana ny masony malefaka fijery, dia mazava fa mampiseho fitiavana izy izay
· Tsy tokony ho lany andro sy ho sasatra foana mikatsaka izay ho hanina sy izay ho sotroina ary ny ho tafiana isika, fa aoka fotsiny ihany hatoky an’Andriamanitra, hikatsaka ny fahamarinany sy ny fanjakany, fa hainy ny manome antsika izay sahaza antsika. Izany no hampiavaka ny Kristiana mino sy matahotra an’Andriamanitra amin’ny jentilisa, ny jentilisa izay fatra-pitady izany zavatry ny tany izany;
· Tsy mahatsara antsika ny fifampitsikerana, ka ho lany andro hifampitsara sy hanamarin-tena, fa aoka ho samy hahay handinin-tena aloha, vao hijery ny hafa.
· Aza atao ho tsinontsinona ny fahamasinantsika fa aoka ho arovana sy ho tandremana tsy ho voaviraviran’i Satana ny fanahitsika.
· Mahaiza mangataka, ary mazotoa mangataka amin’ny Ray, fa Izy tsy hanome zava-dratsy ho an’ny zanany. Ny fangatahana mantsy dia midika fahatokiana an’ilay angatahana, ka raha toa ka tsy mahatoky akory ianao hoe io olona angatahiko io ve dia hanana an’izany? dia tsy tokony hangataka akory izany ianao. Fa raha toa kosa ianao ka mino fa manana ny ampy ilay angatahanao, dia tsy hisalasala akory ianao hanagataka aminy. Ka matoa isika mazoto mangataka amin’ny Ray izany, dia efa mino sy manaiky sahady fa Tompon’ny zavatra rehetra Izy, anisan’ny fanomezam-boninahitra Azy izany, ary ho azontsika izay irin’ny fotsika.
· Izay tsy tiantsika atao amintsika dia aoka ihany koa tsy hataontsika amin’olona, fa izay tiantsika ataon’ny olona amintsika no aoka ihany koa ataontsika amin’ny olona.
· Ety sy sarotra ny làlana mizotra ho any amin’ny fahamarinana, kanefa izany no tokony ho safidintsika, fa migodana sy tsy misy lalàna sy didy ary fitsipika mifehy kosa ny làlana mizotra ho amin’ny fahaverezana, azo atao daholo ny zava-drehetra. Dia anjaratsika no misafidy, na ny làlana ety sy sarotra (izany hoe manaraka ireo fepetra maro isan-karazany) nefa mitondra ho any amin’ny fiainana, na ny làlana malalaka sy migodana kosa (tsy misy lalàna tsy misy voarara) izay mandeha ho any amin’ny fahaverezana.
· Tandremo ireo mpitarika antsika, mahaiza mamantatra azy ireo tsara, sao dia amboadia mitafy fitafian’ondry fotsiny ihany izy ireo? satria mitarika ny olona tsy hankatoa ny lalàna sy ny didy voalaza; mamilana ny teny voambara, ary mitarika ny olona hivoana amin’ny làlana tokony harahiny. Tena mila mitandrina tokoa isika ny amin’ireo mpitondra na mpampianatra na mpitarika antsika (ara-pivavahana) ireo satria, tsy avelan’ Andriamanitra handehandeha ho azy izany ny tsy fanarahana ny teniny, fa tsy maintsy ho valiany tokoa. (vakio ny Malakia 2:1 – 9). Mangata-tsodrano amin’ireo mpitarika ireo isika, nefa izy ireo aza tsy mankatoa ny sitrapon’Andriamanitra, ka dia efa hozoniny sahady izay tsodrano ataon’ireo, dieny mbola eny ampiandohana. Noho izany dia manaraka ilay olona tsofiny rano ihany koa izany izay ozona izay.
· Mazava ny fanambaran’i Jesosy Kristy, fa tsy izay rehetra manambara Azy Jesosy fa Tompony sy Mpamonjy ny fiainany no hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa IZAY REHETRA MANAO NY SITRAPON’I JEHOVAH ANDRIAMANITRA no hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ambarany fa na dia efa nahavita fahagagana maro tamin’ny anarany (Jesosy Kristy) aza izany olona izany, dia mbola ambarany ihany fa tsy fantany, satria tsy nanao sy tsy nankatoa ny sitrapon’Andriamanitra, ary mbola lazainy ihany koa fa mpanao meloka. Mpanao meloka tokoa satria ny sitrapon’ny Ray mihitsy no tsy arahiny izany hoe ny didy sy ny lalàna ary ny fitsipika.
Ø Ny amin’io mihitsy no tena tiana hisintonana ny saintsika mpamaky, satria maro tokoa ny mpitarika fivavahana mitarika ny olona hivily tsy hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra. Ohatra iray no ho raisintsika: Jakoba 2:10 “Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin’izy rehetra”. Ny didy folo no tiany ambara eto, raha ny voalaza eto dia mazava tsara, fa na dia marina amin’ny lalàna hafa rehetra aza ny olona iray (ohatra: Mino an’ilay Jehovah Andriamanitra isika, tsy mamono olona, tsy mangalatra, tsy mandainga, tsy mangala-badin’olona, sns) nefa manao sarin-javatra voasikotra ary mivavaka na mangatam-pitahiana amin’izany (ohatra ireo lazaina fa sary masina rehetra), na ihany koa voatandrinao daholo ny lalàna nefa tsy manaja ireo andro sabata amin’ny fotoany avy isika (izay didy fahefatra), dia mbola meloka amin’izy rehetra ihany isika. Anisan’ny sitrapon’Andriamanitra izany, ka raha tsy manaja an’izany isika dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy, na dia mahavita fahagagana maro, sy asa lehibe hafa amin’ny anarany aza isika. Izay mahatandrina an’izany dia mahatanteraka ny teniny: Matio 7:24; 26 – 27”24 Koa amin’izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy. 26 Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika. 27 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.”
Ø Ny faharoa tiana hisintonana ny saintsika ihany koa dia izao: ny fahadisoan’ny mpitari-pivavahana sasany izay milaza fa efa foana avokoa ny didy rehetra, rehefa natao sorona teo ambony hazo fijaliana Jesosy Kristy. Eto dia ambara fa Ilay Jesosy Kristy mihitsy ve no tsy azon’ izy ireo sa fitiavana hamilana ny soratra masina fotsiny ihany no ataony? Izay no antony tsy maintsy nijeretsika an’ilay loahevitra teny ambony hoe: iza i Jesosy Kristy? na dia tena fanadihadiana tsy lasa lalina loatra aza no natao teo. Ambaratsika ary, fa raha foana ireo tenin’Andriamanitra tany aloha ireo, izany hoe ny testameta taloha izany, dia azo heritreretina ary ve ny hoe Jesosy Kristy mihitsy no foana satria Izy dia tenin’ Andriamanitra tonga nofo? Ka raha mbola eketsika ihany ary fa mbola Tenin’ Andriamanitra ihany ireo voasoratra ao amin’ny testameta taloha ireo, izay mitahiry ireo sitrapon’Andriamanitra, dia midika izany, fa ireo ihany koa no manambara an’i Jesosy Kristy.
Ø Ny fahatelo dia tsy nitory zavatra hafa ankoatra ny filazantsara ny fanjakan’Andriamanitra Jesosy Kristy teto an-tany. Ary dia saika izany hatrany no novohiziny rehefa mitory teny Izy. Lioka 4:43 « Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy. » Ny ankamaroan’ny mpitarika anefa dia tsy miresaka izany filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra izany mihitsy fa misy aza dia tena zavatra hafa mihitsy no vohiziny, toa ny hoe: fanjakan’ny nofo na izy mpitarika mihitsy indray no ho mpanjaka eto an-tany.
Jakoba 2:8 – 13 «8 Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra* ianareo, araka ny Soratra Masina hoe: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" (Levitikosy 29.18), dia manao tsara ianareo. 9 Fa raha mizaha tavan'olona kosa ianareo, dia manota ka helohin'ny lalàna ho mpanota. 10 Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin’izy rehetra. 11 Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao. 12 Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana. 13 Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana. »
Marka 12:28 – 34 «28 Dia nanatona an’i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin'ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin’izy rehetra? 29 Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; 30 koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deo. 6. 4, 5). 31 Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Levitikosy 19. 18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo. 32 Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy. 33 Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany. 34 Ary raha hitan’i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra ianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony. »
Matio 22:36 – 40
Tsy misy didy mifanohitra ny voalaza tao amin’ny testamenta taloha sy ny vaovao. Raha sahy milaza ary isika fa sarotra sy tsy ho tanteraka mihitsy izay voalaza fahiny, dia sahy milaza ary ve isika ankehitriny fa mora ny fanarahana ny lalàna nohamafisin’i Jesosy? Dia averiko eto indray fa tenin’Andriamanitra tonga nofo Jesosy Kristy, ny lalàna ihany koa tenin’ Andriamanitra, noho izany Jesosy Kristy izany dia lalàna ihany koa. Dia izay no manamarina ny teniny (Izy Jesosy mihitsy) mba hazahoantsika azy tsara fa tsy misy nofoanana akory ny lalàna na dia tendron-tsoratra iray aza, satria velona mandrakizay Jesosy.
Ny ho famaliny dia tsy ho voafetra, fa anjarantsika ny mandinika sy mamakafaka satria, isika dia olombelona manana safidy, natao hisafidy, ka anjarantsika no misafidy. Ny tsy fanajana ireo dia sady ahatonga ozona eo amin’ny fiainantsika, ary mety hahafaty ara-nofo, fa indrindra, mahafaty ara-panahy, eny mahatonga ny tsy fahamasinana ka maharava ny fifandraisana amin’Andriamanitra.
Mino an’i Jehovah ho Mpamorona izao tontolo izao ve ianao? Hajao ny sitrapony, izay efa nambarany fa ho famantarana sy ho fanekena mandrakizay ho an’izay rehetra mino Azy. Aza ovaina ho lalàna hafa na ravana fa izay tena izy hajaina. Ny tsy fanajanao ny didy sy ny lalàna ary ny fitsipika napetrany, dia ahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra, ka ahavery ny fifandraisantsika Aminy, satria tafatsangana vokatr’izany ilay efitra mampisaraka antsika Aminy dia ny OTA izany. Ary izany ota izany no amaliany antsika amin’ny fahatezerany lehibe.
Fa tsy marina ny filazàna hoe: mahalala an’Andriamanitra isika ary manaja Azy, nefa tsy vonona ny anaraka ny lalàna izay napetrany, satria manelingelina ny filàntsika izany. Sady tsy te hanova ny fomba fanao, na ny fitafy, na ny toetra, na hamoy ny sakafo heverintsika fa matsiro sy mafilotra isika, dia ireo izay nokilasiany ho anisan’ireo biby maloto, no milaza sy manambara fa mankatoa sy matahotra Azy. Zavatra roa mifanohitra ireo, ka anjarantsika no misafidy eto satria natao hisafidy isika.
Titosy 1:16 « Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona. »
Fa any amparany, rehefa any amin’ilay tany nampanantenainy, dia ilay Jerosalema vaovao ilay tanàna mamirapiratra araka ny voalazan’ny boky Apokalypsy 21, dia ambarany fa anisan’ny zavatra hitsarana antsika amin’ny ahazoana miditra any, ny fanajana ireny lalàna napetrany ireny:
Apokalypsy 21:27« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. »
Jesosy Kristy dia voalaza fa Tompon’ny Sabata, nanaja ireo andro Sabata satria nateraka tamin’ny lalàna ary nanaja sy notaizana tamin’ny lalàna, izany hoe feno ny fahamarinana tanteraka, ka tsy tonga handrava ny lalàna fa hanatanteraka izany: Matio 5:17 – 20
1.3.3 Mandinika ny Soratra Masina
Jaona 5:39 – 47 «39 Dinihinareo* ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. 40 Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana. 41 Tsy mandray laza avy amin'olona 42 Fa fantatro ianareo, fa tsy misy fitiavana an'Andriamanitra ao am-ponareo. 43 Izaho dia avy amin'ny anaran'ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny tenany, dia horaisinareo ihany izy. 44 Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin'ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo? 45 Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo. 46 Fa raha mba nino an’i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy. 47 Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko? »
Raha araka io voasoratra eo ambony io, dia mazava tsara ny fanambaran’i Jesosy Kristy eto manao hoe “Dinihinareo* ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy”. Mila mandinika ny Soratra Masina isika, izany hoe: tsy mamaky fe mamaky fotsiny, fa manadihady, mamakafaka, satria ao anatin’izany Soratra Masina izany no ahazoana ny fiainana mandrakizay, io ihany koa no manambara an’i Jesosy Kristy. Averintsika ihany izany fa anisan’ny fahazoana izany fiainana mandrakizay izany, dia ny fahafantarana an’i Jesosy Kristy, (jereo ny fanadihadiana efa nataontsika). Ny fahafantarana Azy dia miainga amin’ny fandinihina sy famakafakana ny Soratra Masina, satria Izy no Ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo, ka nonina tety amintsika. Noho izany dia tsy afa-misaraka amin’ny fahafantarana ny Tenin’ Andriamanitra mihitsy ny finoana sy ny fitiavana an’i Jesosy Kristy. Izy dia avy amin’ny anaran’ny Rainy izay any an-danitra: izany hoe efa hitantsika teo ambony fa ny anarany hoe Jesosy dia midika hoe Jehovah no Mpamonjy] ( Matio 1:21), sy ny hoe Imanoela dia midika hoe Amintsika Andriamanitra (Isa. 7. 14). Tsy afa-misaraka noho izany ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny finoana na fitiavana an’i Jesosy Kristy, satria dia averintsika ihany fa i Jesosy Kristy no ilay Tenin’i Jehovah tonga nofo, ary izay tenin’ny Rainy no mamaritra Azy.
Ahoana no hanamporofoana an’izany?
Tsy haka zavatra lavitra isika hanamporofoana an’izany, fa izay fomba fivavaka nampianarin’i Jesosy ny mpianany no hakantsika lesona amin’izany:
Lioka 11:2 «2 Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe:
Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao**. [** Ampio hoe: (Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra)]» (hatreo ihany no hitondratsika ny fanazavana)
Izany hoe Jesosy Kristy izany rehefa nampianatra hivavaka, dia tsy mba nanao mihitsy hoe: amin’ny anarako ihany no tokony hivavahanareo, fa ny nampianariny dia ny hoe: raha hivavaka ianareo dia atombohy amin’ny anaran’ny Ray izay any an-danitra aloha izany, amin’ny anaran’i Jehovah no hanombohana izany. Satria ny olona dia madi-po sy lasa mivaona amin’ny tokony ho izy dia lasa nampifangaro, ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo, sy ny Ray izay any an-danitra; misy ny tsy te hahalala intsony Ilay Jehovah Mpamorona, ka raha mivavaka aza izy ireo, dia tsy mahatonona intsony ny anaran’i Jehovah, fa lasa mijanona tanteraka amin’ny anaran’i Jesosy, ary dia izany no mahatonga ny maro hihevitra fa efa tsy izy intsony izay tenin’i Jehovah fahiny izay voasoratra tao amin’ny testamenta taloha izany, fa efa foana noho ny amin’i Jesosy Kristy, satria tsy fantany akory hoe: iza ilay Jesosy hivavahany?. Izany no manamarina ilay teniny manao hoe: Jaona 5:43” Izaho dia avy amin'ny anaran'ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny tenany, dia horaisinareo ihany izy.”
Lasa ilay Jesosy tonga amin’ny anaran’ny tenany izany no hivavahan’ny olona, fa tsy ilay Jesosy Kristy izay tonga avy amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitra; ka tsy mahagaga raha toa ka hilaza ireo olona ireo fa efa foana sy tsy misy intsony ny lalàna, satria efa tsy ilay avy amin’ny anaran’i Jehovah intsony no hivavahany.
Lioka 21:8 « Ary hoy Jesosy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy. »
Haverintsika kely ilay voasoratry ny Apostoly Jaona efa hitantsika tany ambony: 1Jao.5:1–3«1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. 2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny. 3 Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. »
Tsy ho ampiantsika intsony ny fanazavana an’io teny io fa dia mazava tsara angamba. Andeha ho tohizantsika ilay fanazavana ny teny teo ambony:
Jaona 5:45 “Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo. 46 Fa raha mba nino an’i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy. 47 Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko? »
Tsy tokony ho azo ekena izany ny filazana fa hoe, efa vita tamin’ny nanombohana Azy teo ambony hazo fijaliana ny fanajana sy fankatoavana ny didy sy fitsipika rehetra, satria dia nambarany mazava tsara fa tsy mba Izy tenany (vatana, nofo) no hiampanga, na hanameloka antsika eo anoloan’ny Ray (Jehovah ), fa i Mosesy hoy Izy no hiampanga antsika