ANDRIAMANITRA MAHERY
Nahoana no resahina
hoe Mahery Andriamanitra ?
Jeremia 32:17 – 18 «17 Indrisy,
Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao
lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy
hainao. 18 Mamindra fo amin'ny arivo arivo Hianao ary
mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran'ny zanany mandimby azy dia
Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany, »
Ny tsara hanomboantsika ny fanadihadiana ny amin’ny hitenenana an'Andriamanitra hoe Mahery izany dia tsara angamba raha ho faritantsika kely ny dikan’ny teny hoe “Mahery”.
Ny hevitry ny teny hoe “Mahery”
Raha ny fototeny dia ny teny hoe “hery”. Ny teny hoe
Mahery izany dia midika hoe:
-
matanjaka, manana herim-po
-
mazoto na manao betsaka: efa mahery
mihinam-bary ity zaza ity
-
maharesy: nahery ny miaramilantsika
-
mafy:
mahery izany vary izany
-
mihoatra na
manatombo, ohatra: mahery arivo ariary ilay vola nomenao ahy teo.
Fa misy koa fitambaran-teny miaraka amin’io hoe mahery io
saingy manana ny dikany hafa mihitsy :
-
mahery am-bava :
enti-milaza olona mahery miteny sy milaza zavatra nefa ny zava-bitany kely tsy
toa inona
-
mahery an’ady: nahazo fandresena tamin’ny ady izay
natao
-
mahery an-trano: enti-milaza ireo lehilahy mpamono
vady sy mpampiaka-peo ao an-trano fa rehefa any ivelany dia tsy ahitan-teny;
-
mahery fo: enti-milaza ireo olona tsy mba mety kivy fa
mitozo hatrany amin’izay atao
-
mahery lanja: mihoatra ny havesarany;
-
mahery loha: sarotra
hifanarahana, madi-doha, sarotra hifampiraharahana;
-
mahery maso : enjam-pijery fatratra
-
mahery sata : mpanao jadona, mpizakazaka amin’ny tiany
sy ny sitraky ny fony;
-
mahery setra: mitratrevatreva sy henjam-pihetsika
amin’izay atao rehetra;
-
mahery vaika : mitovitovy amin’ny mahery setra ihany,
saingy mafimafy kokoa;
-
mahery vintana: ilazana izay olona manoto ray
aman-dreny na rahalahy na anabavy, izany hoe maty alohany avokoa ireo havany
ireo.
-
Mahery volo : henjam-bolo.
Ireo no hamaritana ny teny hoe mahery raha ny Rakibolana
Malagasy. Izany hoe, ny teny hoe “mahery” dia entina milaza hery, tanjaka,
zoto, fahefana, fitomboana.
Raha milaza izany isika fa hoe Andriamanitra Mahery
Jehovah, dia azo faritana hoe: Andriamanitra tompon’ny fahefana, tompon’ny
hery, tompon’ny zavatra rehetra Izy.
Tompon’ny fahefana satria dia Izy no voalaza fa namorona
izao rehetra izao, Izy no mandahatra ny zavatra rehetra, ary mbola Izy ihany
koa no mandahatra izay hiafaran’ny olona iray, na ho famindram-po ho an’ny
taranaka arivo mandimby, na ho ozona sy
fanasaziana ho an’ireo taranaka mandimby raha toa ka tsy manaraka ny sitrapony
ireo ray aman-dreny.
Lazaina ihany koa fa Izy no tompon’ny hery, satria dia
nasehony matetika izany heriny izay tsy misy toa azy izany. Anisan’izany ohatra
ny nitondrany ny Zanak’Isiraely nivoaka avy tany Egypta. Raha handray ohatra
iray isika dia ilay niampitana ny ranomasina mena, ka nampisarahany ho roa ny
ranomasina ary dia nandia tany maina ny zanak’isiraely. Raha rivotra ohatra no
fitaovana nampisarahany an’izany ranomasina izany ho roa, dia mba azontsika
antsaina ve hoe firy kilaometatra isan’ora izany ny herin’izany rivotra izany
ka nahavita nampisaraka ny ranomasina ho roa? Satria ny rivodoza tena mahery
aloha hatreto dia tsy nahavita nampisaraka ny ranomasina. Kanefa tena rivotra
ve no nampiasainy? Fa ny fantatra aloha dia hoe tsy maintsy nisy hery sy
fahefana lehibe nampiasaina teo matoa misaraka roa ny rano.
Deoteronomia 10:17 « Fa Jehovah
Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon'ny tompo,
Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan'olona, na
mandray kolikoly; »
Raha ny famaritana hafa izay omen’ny Soratra Masina ihany
koa dia entina hilazana ny maha mampahery Azy ny toerany izay Avo indrindra,
izany hoe tsy misy amboniny izany fa Izy no faratampony, Izy no Tompon’ny
tompo. Izany hoe tsy misy ary tsy hisy ireo izay lazaina hoe andriamanitra
mbola ambonin’i Jehovah. Izy no lazaina fa Andriamanitra lehibe indrindra,
Andriamanitra mahery, izany hoe tompon’ny hery sy fahefana, tompon’ny tanjaka,
zoto, ary fitomboana. Izy no Andriamanitra mahatahotra.
Nahoana Izy no ambara fa mahatahotra
Salamo 89:6 – 8 «6 Fa
iza any an-danitra no mitovy amin'i Jehovah? Ary iza amin'ny zanak'ireo
andriamanitra no manahaka an'i Jehovah, 7 Dia Andriamanitra
mahatahotra indrindra eo amin'ny fiangonan'ny olo-masiny Ary hajain'izay
rehetra manodidina Azy? 8 Jehovah, manodidina Anao ny
fahamarinanao. »
Izany hoe manana ny fahefana sy hery lehibe Jehovah, tsy
misy mihitsy ny mitovy aminy, na izay mitoetra any an-danitra na ireo
zanak’andriamanitra na ny ety ambany masoandro. Samy manaja Azy ny rehetra,
samy miankohoka eo anatrehany satria Izy no tompon’ny hery sy ny fahefana. Raha
miteny Izy fa hanome fankasitrahana na fitahiana ny olony dia ataony izany ary
taranaka 1000 mandimby no hisitraka izany; fa raha manozona kosa Izy na mibedy
dia taranaka 5 mifandimby no voaozona amin’izany. Izy no tompon’ny fahefana, ka
izay tahiny dia voatahy mandrakizay, fa izay ozoniny kosa dia ho very
hatramin’ny taranany 5 mifandimby.
Mahatahotra ihany koa Izy na dia any amin’ny toerana misy
Azy aza.
Ny seza fiandrianana any an-danitra
Ity seza fiandrianana resahina eto ity dia mazava ho azy
fa izay seza fiandrianan’Ilay Tsitoha dia Ilay Mpanjakan’ny
mpanjaka sy Tompon’ny tompo. Mahatahotra ny lohahevitra fahafakaintsika dia
hijery izany seza fiandrianana izany isika sy ny zavatra izay manodidina izany. Izay voasoratra sy hita ao anatin’ny Soratra Masina no
andeha ho fakafakaintsika ahitana izany. Ny andalan-teny tsara indrindra entina
hanombohana ny famakafakana dia izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy
na Fanambarana nosoratan’ny Apostoly Jaona fony izy nogadraina tao amin’ny nosy
Patmos. Rehefa tonga any amin'ny voninahiny I Kristy, Zanak’Andriamanitra velona, dia nasehoany an'i Jaona izany. Izy no nanoratra izay
rehetra hitany sy reny.
Apokalypsy 1:19 « Koa soraty
izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho
avy rahatrizay, »
Raha ny mahakasika ny seza fiandrianan’Andriamanitra ary,
araka ny nahitan’ny Apostoly Jaona azy dia toa izao manaraka izao no nahitany
azy:
Apokalypsy 4:2 – 11 «2 Ary
niaraka tamin'izay dia voatsindrin'ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana
nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin'ny seza
fiandrianana. 3 Ary ny tarehin'ilay nipetraka dia tahaka
ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin'emeralda no nanodidina ny seza
fiandrianana. 4 Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray
dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin'ireo seza
fiandrianana ireo dia nisy loholona* efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy
fitafiana fotsy sady nisatroka satro-boninahitra volamena. [* Gr.
presbytera] 5 Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana
nivoaka avy tamin'ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo
anoloan'ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton'Andriamanitra ireo. 6 Ary
teo anoloan'ny
-
-
Hitany tokoa izay
Tompon’io seza fiandrianana io mipetraka eo amboniny. Ny tarehin’Ilay mipetraka
eo ambony seza fiandrianana hoy izy dia toy ny lokona vato jaspy sy karneola,
raha adika amin’ny teny frantsay dia vato (Jaspe) sy (sardius) ilay izy. Izany
hoe miloko toy izay hita eo amin’ny sary, mena toa vonimboasary
-
Misy avana
mitarehin’emeralda na maintso izany manodidina ilay seza fiandrianana.
-
Misy loholona efatra
amby roa-polo izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana efatra amby
roa-polo. Ireo dia mipetraka ary samy miakanjo akanjo fotsy sady misatroka
satro-boninahitra volamena. (Izany rehetra izany dia samy tsy mbola tena
mampitahotra avokoa)
-
Misy helatra na
tselatra hoy isika, sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin’ny seza
fiandrianana. (manomboka any ny zavatra mampitahotra, satria iza moa no tsy
matahotra sy mitaintaina rehetra mitselatra sy mikotroka ny andro? Eto anefa
dia ambarany fa eo amin’ilay seza fiandrianana mihitsy no mivoaka izany feo sy
tselatra ary kotrokorana izany). Io fisehoany amin’ny tselatra sy kotrokorana
io dia efa fomba fanaon’i Jehovah rehefa hiseho Izy. Nahitana izany ohatra
tamin’ny andron’ny zanak’isiraely rehefa hanome ny didy folo Jehovah araka izao
soratra manaraka izao : Eksodosy 20:18 – 20 «18 Ary ny olona rehetra
nandre ny kotrokorana sy ny feon'ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny
tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany
ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny. 19 Dia
hoy izy tamin'i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay;
fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay. 20 Dia
hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha
toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan'ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba
tsy hanotanareo. » Mila vakiantsika ihany koa ny Eksodosy 19 : 15 –
25, izay tena ahitantsika tokoa fa tena mahatahotra ary tena lehibe izany
Jehovah izany ka zovy no tsy hihorohoro sy hatahotra raha mihaona aminy. Mila
mihomana isika.
-
Misy jiro fito
mirehatra ihany koa manoloana ny seza fiandrianana, dia ny Fanahy
fiton’Andriamanitra ireo.
-
Manoloana ny seza
fiandrianana ihany koa dia misy ranomasina fitaratra tahaka ny vato kristaly;
-
-
Dia toa izany koa ny
loholona efatra amby roa-polo, izay miankohoka sy mivavaka eo anolohan’Ilay
mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana dia Ilay velona mandrakizay
mandrakizay. Nomeny ny haja ambony indrindra Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza
fiandrianana, ka nesorin’izy ireo ny satroboninahitr’izy ireo tsirairay avy ary
natsipiny teo anoloan’ny seza fiandrianana, ary dia tsy mitsahatra izy ireo
miteny hoe : “Hianao, Tomponay sy
Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa
Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy
nahary azy.” Manamafy sy manaiky
izany ireo loholona efa amby roa-polo ireo fa Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza
fiandrianana no Mpamorona ny zava-drehetra, manaiky izy ireo fa io no Ilay
Tsitoha, ary manaiky izy ireo fa araka ny sitrapon’Ilay Tsitoha no nahariany ny
zavatra rehetra.
Raha lehibe sy mahatahotra ohatra izany ary io Jehovah
Andriamanitra io dia atao ahoana izany no tena fanatonana Azy, atao ahoana ny
fivavahana aminy? Mila fantarintsika anefa izay asiantsika ny tongotsika
fa sao diso làlana isika.
Ny fivavahana marina sy ny diso
Maro tokoa amin’izao fotoana izao ny olona milaza fa
kristiana izay tena mikatsaka marina, sy te hahafantatra ny hoe: inona no
tokony atao, inona no tsy tokony atao raha hivavaka amin’i Jehovah? Inona no
sitrany sy ny tsy sitrany? Ahoana izany hoe manome voninahitra an’i Jehovah
izany? Inona no tokony atao amin’izany? Aiza ny làlana marina?
Mizotra mankaiza ny diako?
Mifandrirotra ny samy milaza fa kristiana, samy milaza fa
ny anay no marina, ity ihany no fahamarinana, sns… tsy maninona izany fa dia
izao, havoakantsika eto fotsiny ireo izay hamaritana, sy handrefesana ny tena
fivavahana marina sy diso, dia anjarantsika amin’izay no mamantatra na marina
na diso ny làlana efa nizorantsika, mifanaraka amin’ny soratra masina ve sa
tsia. Rehefa haintsika izany dia anjarantsika ny hanaraka an’izany na tsia, tsy
misy teritery fa efa nomena safidy isika na tsy te hahalala isika satria tsy te
hanova intsony izay fivavahan-drazana efa eo, na hiverina amin’i Jehovah
amin’ny fahafenoana.
Izay famaritana hita sy misy ato anatin’ny Soratra Masina
ihany izany no entintsika hanazavana izany, satria Jehovah Andriamanitra
Tsitoha dia be voninahitra sy Tompon’ny tompo, Mpanjakan’ny mpanjaka ilay
mpanao ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy. Izy dia manana ny
fombany sy ny zavatra tokony ho tandremana sy ny fadiny raha hivavaka aminy sy
hanompo Azy.
Ireo fepetra ilain’i Jehovah ao amin’ny Fiangonan'Andriamanitra
Manaja ireo andro
Sabatan'i Jehovah amin’ny fotoany avy
Manana ny androny manokana Izy izay natokana hiankohofana
sy hivavahana aminy. Ary izay rehetra vonona ny hanompo Azy, dia didiany
hanamasina izany androny tokana izany mba ho famantarana eo aminy sy isika izay
manompo Azy, mba hanekentsika rehetra fa Izy no nahary izao tontolo izao sy
izay rehetra ao aminy tao anatin’ny henemana, ka nitsahatra Izy tamin’ny andro
fahafito, dia ilay andro nasainy sy voatokana hiankohofana aminy dia ny andro
SABATA izany.
Ezek.20:18–20«18 Fa hoy
Izaho tamin'ny zanany tany an-efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo
ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin'ny sampiny; 19
fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema
ny fitsipiko, ka araho izany. 20 Ary manamasina ny Sabatako, mba ho
famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo. »
Tsy hijanonantsika ela intsony izany fa efa
noresahintsika lavabe tany aloha.
Ny tsoan-kevitra voalohany raisintsika ato amin’ireo
fepetran’i Jehovah izany dia ny fanajana ireo andro Sabata araka ny fotoany
avy.
Miankohofa eo anatrehany
Tsy
mba fombam-pivavahana izay lazaina fa fanaon’olom-bitsy ihany io fiankohofana
io, na hambara ihany koa fa hadalana, na fomba fanao efa lany andro, fa tena
voalaza mazava araka ny Soratra Masina mihitsy. Ary tsy mba teny iray na roa no
nilazany izany fa tena marobe (farafahakeliny dia miverina in-188 io teny
miankohoka na miankohofa, na niankohoka teo anatrehan’i Jehovah io ao anatin’ny
Soratra Masina), ary na dia ireo loholona 24 izay mitoetra manoloana ny seza
fiandrianan’Andriamanitra aza araka ny nahitantsika azy vao eo ambony teo dia
manao izany fiankohofana izany ihany koa. Andeha ho fakafakaintsika kely
vetivety ny mahakasika izany fiankohofana izany.
Fa ahoana moa izany atao hoe miankohoka izany?
Ny
fiankohofana dia teny entina milaza, fa tsinontsinona hianao miankohoka,
mihoatra amin’izay zavatra hiankohofana. Io dia fihetsika entina mampilefitra
ny lohalika handohalika amin’ny tany, ary manondrika ny loha hihohoka amin’ny
tany, entina manambara fa ambony sy be voninahitra ilay hiankohofana, ary dia
mampitovy ny lohan’ny mpiankohoka amin’ny tany fitoeran-tongotr’ilay
hiankohofana. Midika ho fanetre-tena lehibe izany ity fiankohofana ity, satria
ny lohanao mihitsy, izay fantatrao fa mariky ny fahamasinanao, ny voninahitrao,
ny fiandriananao amin’ny maha-olona, no ampidininao hitovy toerana amin’ny
tany, eo anoloan’ny zavatra izay hiankohofanao. Izany no midika fa ekenao ho
masina sy lehibe, ho mpanjakanao, ho mpandidy sy mpanapaka amin’ny fiainanao
ary homenao voninahitra avo indrindra izay zavatra hiankohofanao. Ndeha ho jerentsika ny ampahan’ny teny milaza
ny tsy maintsy hanaovana izany manoloana ny tany fitoeran-tongotr’Andriamanitra
izany ato amin’ny Soratra Masina:
Eksodosy
34: 8 « Ary Mosesy
dia niondrika faingana tamin'ny tany ka niankohoka; »
Salamo
22:27-29 «27 Hahatsiaro
ka hiverina ho amin’i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo
anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa. 28 Fa an’i
Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy. 29 Hihinana
sy hiankohoka ny mpanefoefo* rehetra ambonin'ny tany, eo anatrehany no
hiondrehan’izay rehetra efa hidina any amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny
ainy.[Heb: matavy] »
Salamo
29:2 « Omeo an’i
Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan’i Jehovah amin'ny
fihaingoana masina. »
Isaia
27:13 ; 1 Korintiana 14:25 ;
Apokalypsy
14:7 « nanao
tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa
tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’izay nanao ny lanitra sy
ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. » ; Apokalypsy 15:4
Tsy misy
teny mitsipaka ireo, fa samy milaza izany avokoa na ny testamenta taloha na ny
testamenta vaovao. Fihetsika midika fa mankatoa azy isika, ary manaiky ny
fahamboniany. Midika ihany koa fanetren-tena ho antsika te hanantona sy hanompo
Azy; satria raha tena hanantona Azy isika dia tsy maintsy mibebaka sy miaiky
heloka, manaiky tanteraka fa mpanota, satria na dia izay heritreretintsika fa
marina aza dia mbola mety ho ota ihany eo anatrehan’Andriamanitra. Ka ny
fiaiken-keloka tena tokony atao dia ny fiankohofana eo anatrehany, izay midika
fanetre-tena, sy fanekena fa mpanota, ary tsy misy avonavompo ao anatintsika fa
mibaboka tokoa. Ny lohalikitsika dia tokony hilefitra ary ny lohantsika
hihohoka eo anatrehany, satria kely sy tsinontsinona isika eo anatrehany,
vovoka sy kankana. Izany dia tsy mba hanavahana hoe: izaho ambony ka tsy tokony
hanao izany, satria isika rehetra dia kely sy bitika avokoa manoloana Azy.
Samihafa
ny mandohalika sy ny miankohoka izany:
-
Ny mandohalika dia ny mijoro amin’ny
lohalika amin’ny tany;
-
-
Karazana fiankohofana
iray hafa ihany koa ity manaraka ity, izay tena mampiforitra tanteraka ny
vatana, ka ny loha no eo anelanelan’ny lohalika roa. 1 Mpanjaka
18:42 « Dia
niakatra hihinana sy hisotro Ahaba. Fa Elia kosa
niakatra ho eo an-tampon’i Karmela, dia niankohoka tamin'ny tany, ary ny lohany
nataony teo anelanelan'ny lohaliny »
-
Fa misy ihany koa
fiankohofana iray hafa dia ilay tena fibebahana tanteraka dia mifona sy
mibaboka amin’i Jehovah izy ireo noho ny ota izay nataony. Ny
fametrahana ny faritra anoloana rehetra matory amin’ny tany, mitsotra no fomba
fanaony amin’izany. Ezra 10:1 « Ary raha
mbola nivavaka sy
nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny
tranon'Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin'ny
Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin'ny ankizy madinika; fa nitomany mafy
dia mafy koa ny olona. » Nehemia 9:3 « Ary nitsangana teo
amin'ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn’i
Jehovah Andriamaniny tamin'ny ampahefatry ny andro; ary
tamin'ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan’i
Jehovah Andriamaniny izy. » Io fomba fiankohofana voalaza eto io koa izany, dia tena fanaon’ny
Zanak’Isiraely mihitsy, rehefa hifona sy angataka famelana amin’i Jehovah izy
ireo. Mitsotra sy miankohoka amin’ny tany izy, ary ny tavany, ny tratrany, ny
kibony dia mitsotra manatrika ny tany. Fanetre-tena
lehibe tokoa io, ary mariky ny fifonana sy fibaboana tanteraka.
Ireny fiankohofana rehetra ireny dia tsy fomba vaovao
tsy akory, fa efa voasoratra ao amin’ny soratra masina, ary efa fomba tranainy
mihitsy izay entina manome voninahitra sy manaja an’Ilay Jehovah Mpamorona ny
tany sy ny lanitra. Fomba efa nisy hatrany ampiandohana, fa noravan’ny
avonavom-pon’ny olona, sy ny fiheveran-tena ho zavatra manoloana Ilay Mpahary
azy. Fomba mbola misy hatrany an-danitra ihany koa (araka izay efa nahitantsika
ny fanaon’ireo loholona 24 manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra). Raha
efa fanao izany taloha ary mbola fanao izany any an-danitra, ahoana izany isika
amin’izao fotoana izao?
Ny tsoan-kevitra faharoa sintonintsika ato anatin’ireo
fepetran’i Jehovah izany dia ny hoe “Miankohofa
eo anatrehany”. Raha masina izany ny fiangonana hivavahanao, dia mahavita
ny miankohoka eo anatrehan’i Jehovah ireo mpino ao anatiny, mahavita manetry
tena, ary manome voninahitra an’i Jehovah. Izany dia tena ara-bakiteny mihitsy
fa tsy hoe atao ara-keviny, tenenina am-bava saingy ny vatana tsy manao izany
akory
Raha raisina ireo andalan-teny eo ambony ireo dia
manambara fa hoe: miankohofa eo anatrehany amin’ny “fihaingoana masina”. Misy ihany koa izany ny fihaingoana masina
Ny fihaingoana masina
Matoa
misy sy voateny io hoe fihaingoana masina io, dia midika izany fa misy ireo
fitafiana voatokana mba hanaovana rehefa mivavaka. Ny hoe mihaingo dia midika
avy hatrany fa fitafiana tsara sy miavaka na firavaka no resahiny amin’izany.
Ka ny hoe fitafiana masina izany dia fitafiana voatokana, tsy ireny fanao
andavan’andro ireny, fa miavaka mihitsy, eny fa na dia ny toerana na koveta
hanasana azy aza, dia tokony hiavaka, ny savony hanasana azy dia miavaka, mba
ho tena masina ho an’i Jehovah, hanomezam-boninahitra Azy izany fitafiana
izany. Ahoana ary ny hamaritany izany fitafiana masina izany
araka ny sokajiny avy ?
Ho an’ny vehivavy
1 Timoty 2:9 « Ary toy izany koa ny vehivavy,
hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny
fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa
perila, na fitafiana saro-bidy»
Raha
ny filazan’ny Apostoly Paoly azy eto dia tokony ho fitafiana mahamendrika sy
maontina, ary amin’ny fahononan-tena izany no tokony hanaovan’ny vehivavy raha
hivavaka.
Ahoana izany fitafiana mahamendrika sy maontina, ary
amin’ny fahononan-tena izany?
Deoteronomia 22:5a « Aoka ny vehivavy tsy hitafy
ny fitafian-dehilahy;... »
Izany hoe ny fitafiana mahamendrika ny vehivavy izany dia
izay fitafiana voatokana ho an’ny vehivavy ihany, fa tsy ho fitafian-dehilahy.
Ohatra raha ny pataloha na ny “short” eto amin’ny fiarahamonina misy antsika
dia efa natokana ho an’ny lehilahy, kanefa dia manjary lasa hanaovan’ny
vehivavy indray izany, ary dia ny sasany aza dia efa mila hampiseho ny
fitanjahany mihitsy. Toa tanteraka ho azy eto ilay hoe mitondra amin’ny
fankam-panahy. Na voatery hipataloha aza ny vehivavy dia tsy tokony hanao
pataloha mampiseho ny fitanjahany, tsy tokony ho tery loatra ka hita mifaritra ety ivelany avokoa
ny fitanjahana rehetra, ka mahatonga fankapanahy ho an’ny mpitazana.
Tsy izay rehetra hitantsika, dia mendrika ny hotafiana
avokoa, fa izay manome voninahitra an’Andriamanitra, sy izay tsy hitenen-dratsy
ny anarany masina. Izany hoe: fitafiana maontina, manafina ny fitanjahana
rehetra, tsy misy fijejojejoana, ary tsy misy mariky ny bibidia sy ny
forongony.
Hatrizay hatrizay dia efa nisy ireo fitafiana tafiditra
sy kilasin’ny olona fa hoe “sexy” na “fitafiana manaitra filàna”, hoy ilay
namako iray izay hoe: “fitafiana mila ady” na “fitafiana misetrasetra”. Eny
rehetra eny, na aiza na aiza toerana misy antsika ankehitriny, na eny an-dalambe,
na any an-trano fivoriana, na any ampiangonana, dia samy ahitana izany avokoa!
Mahamendrika antsika ary ve izany fitafiana izany?
Ireo karazana fitafiana ireo dia tsy ho tafiditra mihitsy
ao anatin’izany fitafiana masina izany, izany hoe tsy azo hanomezana
voninahitra an’i Jehovah izany karazana fitafiana manaitra filàna izany.
Saino kely anie e! Inona no antony anaovan’ny olona izany
fitafiana voalaza fa sexy izany?
Antsoina hoe “sexy” na koa raha adika amin’ny teny gasy
dia hoe “manaitra filàna” ny fitafiana iray, rehefa manara-batana mampiseho ny
tenan’ilay olona manontolo manao azy, na ihany koa mampiseho ny fitanjahan’ny
tenany mihitsy na amin’ny ampahany kely na betsaka, indrindra any amin’ny
faritra mahamenatra indrindra. Ny tanjony amin’izany dia ny hisarihana ny
mason’ny olona hifantoka, sy hijery azy, eny hanaitra sy hahasarika ny
filan’izay lalovany sy ireo izay mitazana azy mihitsy aza. Tsy vitsy no manao
izany, fa saika ny ankamaroan’ny olona eny an-dalambe dia saika manao izany
avokoa, eny fa na dia handeha ho any an-trano fivavahana sasany aza dia saika
ahitana an’izany. Fa raha apetraka ny fanontaniana hoe: inona ny finoana
harahin’ireny olona ireny? Dia ho tsy misy fisalasalana akory ny maro, mety ho
ny 95% mihitsy no hilaza fa kristiana izy ireo, vitsy tena vitsy ny hilaza fa
hoe mizolmana izy ireo, ary farany vitsy ihany koa no hilaza fa hoe tsy mpino
mihitsy izy ireo. Dia gaga ihany ny tena manoloana an’izany rehetra izany, hoe
nahoana no dia ny kristiana indray no tena maro an’isa manao izany fitafiana
manaitra filàna izany? Moa ve tena azo atao izany, na tsy mba voarara?. Dia
misy sahy mamaly sy milaza aza moa, fa tsy mijery ny ivelany Andriamanitra, fa
mijery ny fo sy ny fanahy!! Mahagaga izany, satria raha nampianatra nivavaka
Jesosy Kristy dia nilaza mazava hoe: Lioka 11:4 « Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka
aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy.
*Ampio hoe: [fa manafaha anay amin'ny ratsy]. » Ilay lehibe
harahintsika aza milaza fa hoe: aza mitondra anay amin’ny fakam-panahy, kanefa
isika indray no mampiditra ireo anadahy amin’ny fakam-panahy!! Iza izany no
harahintsika? Jesosy ve sa Satana?
Ny tanjontsika anefa, indrindra fa ho an’ny tena
Kristiana, dia ny manao ny asa fitoriana sy manitatra ny
fanjakan’Andriamanitra, ary izany dia atao eo amin’ny fiainantsika isan’andro.
Noho izany dia toy ny olona mamita iraka isika, na ihany koa manao ny asa
fitoriana eny rehetra eny, amin’ny fiainantsika andavan’andro, na amin’ny
fihetsika izay ataotsika, na amin’ny fiarahamonina, na amin’ny fomba fiteny, na
ihany koa amin’ny fomba fitafy, sns… Dia mazava ary fa izay hinoantsika sy izay
toriantsika no sary hasehon’ny fitafiana tafiantsika isan’andro:
-
Raha manao fitafiana
mendrika sy maontina isika amin’ny andro iainantsika rehetra, dia mazava ho
azy, fa manome voninahitra an’ilay Jehovah Andriamanitra Tsitoha isika, ary dia
Izy no toriantsika eo amin’ny fiainantsika, ary ny Fanahiny no ao anatintsika.
Io dia anisan’ny fanehoantsika fa matahotra Azy isika eo amin’ny tontolontsika,
ka manaja Azy amin’ny zavatra rehetra. Asa fitoriana vita ho azy izany.
-
Raha toa kosa isika ka manao fitafiana
manaitra filàna, na sexy, na ireny fitafiana misy soratra manindraindra an’i
Satana na sary (dragona, bibilava, bibidia, …), dia misy hafatra na zavatra
tiantsika ampitaina ao. Iza anefa no manosika na mibaiko antsika hanao izany?
Anjaratsika no mamaly izany fanontaniana izany, hoe iza no mibaiko ny olona ho
azon’ny fakam-panahy, na hamporisika azy hiroso amin’ny fakam-panahy sy ny
herisetra.
Hisy
hilaza angamba hoe: izaho tsy miheritreritra an’izany, fa fomba fitafiko
fotsiny ihany io, sady tsy mitady ny hampanota olona aho! Mety ho marina izany,
saingy tsy afa-miala isika satria hoy Jesosy raha nampianatra izy «27 Efa, renareo fa voalaza
hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14). 28 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery
vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. » Matio 5:27 – 28;
Dia
mba azontsika antsaina ary ve, fa raha mivoaka ny trano ny vehivavy iray, ka
manao fitafiana manaitra filàna, dia mba firy ny lehilahy nolalovany no
tafaroboka sahady ao anatin’izany fijangajangana taminy tao am-pony izany,
satria nitsiriritra na naniry azy? Ho tsy manana fahadisoana ao anatin’izany
ary ve ilay vehivavy izay nitarika olona marobe ho amin’izany fijangajangana
izany? Ary farany, iraka avy amin’iza ilay vehivavy, nahatonga izany
faka-panahy be dia be ho an’ny mpiara-belona aminy izany? Dia anjaratsika no
mandinika sy misaintsaina ao anatin’izany, hanatanteraka ny sitrapon’
Andriamanitra ary ve isika, sa hanatanteraka iraka hafa izay avy amin’i devoly
Satana?
Ny
miankanjo fitafiana misy mariky ny bibidia moa dia efa voasoratra fa tsy ahazo
famindram-po mihitsy « ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay
mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo
anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. »
Apokalypsy 14:11; « …; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana
ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny. » Apokalypsy 16:2; Apokalypsy 19:20. Tandremo ary ny fitafiantsika fa sao dia
mahavoafitaka antsika ny fanaovana izany. Fanteno tsara izay mendrika sy
maontina tokony hisalorana, satria sao dia efa vay ratsy sahady mahazo antsika
ireo zava-misy miseho amin’ny fiainantsika, vokatry ny fanaovantsika izany
fitafiana tsy mendrika izany?
Ny mahakasika ny volo ihany kosa dia izao:
1Korontiana 11:15 « Fa raha lava volo kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy
izany ... » Tsara sy maha
mendrika ny vehivavy izany ny fananany volo lava ka tokony ho hajainy izany.
Tsy amin’ny firandranana anefa fa amin’ny fahamaontinana.
Ho an’ny lehilahy
Saika
mitovy amin’io voalaza eo ambony io ihany koa ny an’ny lehilahy, Deoteronomia 22:5b « Aoka ny lehilahy tsy hitafy ny
fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah Andriamanitrao izay
rehetra manao izany. »
Tsy
hisy lehilahy hanao ny fitafiam-badiny na ny an’ny anabaviny mihitsy izany, fa
tena fahavetavetana eo imason’i Jehovah izany;
Ny
fanampiny izay tokony hanaovan’ny lehilahy dia ny fanaovana kalisaoana fohy,
ary raha mety dia amin’ny lokony fotsy, izay hanarona ny fitanjahany, izany hoe
manarona ny valahana ka hatramin’ny feny.
Eks.28:42 «42 Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny
fitanjahany; hatramin'ny valahany ka hatramin'ny feny no hisy azy. »
Ny
amin’ny volo ihany koa dia manana ny tokony hanaovana azy ny hetimbolon’ny
lehilahy:
Ezek.44:20 « Tsy
hanaratra ny lohany izy, nefa kosa tsy hanao lava volo, fa hataony tsara
hety. »
Tsy
mahatsara ny lehilahy izany ny manao loha solabe, nokakasana, na ihany koa ireo
lavavolo be na rasta, sns…, fa tokony ho tsara hety ny lehilahy kanefa tsy
hanety ny sisim-bolon-dohany izy. Izany hoe rehefa mihety izany ny lehilahy dia
tsy ho kakasany amin’ny hareza ny sisim-bolon-dohany.
Levitikosy19:27 «Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao.»
Dia hitantsika tokoa amin’izao vanim-potoana hiainantsika
izao, fa dia miteraka aretina ratsy tokoa izany fanaratana ny sisim-bolon-doha
izany, satria dia maro ny aretin-dratsy izay tonga amin’ny vatan’ny olombelona
vokatr’izany, toy ny aretina SIDA ny Hepatite B sns…
Ny tsoa-kevitra azo raisina izany dia izao:
-
Hanao fitafiana mendrika sy maontina ary amin’ny
fahononan-tena ny vehivavy, tsy hiravaka volamena na vatosoa, tsy
hirandram-bolo na hanapa-bolo fa hitoetra hitondra ny volony lava.
- Ny lehilahy kosa dia tsy hanao fitafiam-behivavy, fa hanao fitafiana
mendrika sy maontina, hanao kalisaona fotsy hanarona ny feny hatramin’ny
valahiny, tsy hanaratra ny lohany na ny sisim-bolon-dohany, na hanao lava volo,
fa hanapaka tsara ny volony hanao tsara hety.
- Raha ny eto amintsika izany dia tsy tokony hipataloha ny vehivavy,
satria efa neken’ny fiarahamonina fa ho fitafin’ny lehilahy ny fanaovana
pataloha; ary tsy tokony hikavina sy tsy hanao zipo ny lehilahy, satria efa
natokana ho an’ny vehivavy izany.
Tsy mikiraro ao ampiangonana
Eks.3:5
« Ary hoy Izy: Aza manakaiky ety; esory ny
kapanao amin'ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io. »
Josoa 5:15 « Dia hoy Ilay Komandin'ny
miaramilan’i Jehovah tamin’i Josoa: Esory amin'ny
tongotrao ny kapanao; fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon’i
Josoa izany. »
Raha
ao ampiangonana izany ny olona iray, ka mbola manaiky ihany koa fa toerana
masina izany fiangonana izany, satria toerana izay natao manokana hihaonana
amin’i Jehovah Andriamanitra, ka hanome voninahitra Azy, dia tokony hanaisotra
ny kapany na ny kirarony izy ao amin’izany toerana izany, satria masina izany
toerana izany.
Ny
tsoa-kevitra azo raisina izany dia izao: tsy hikiraro na hanao kapa ny
kristiana raha ho ao amin’ny trano fivavahana masina izy, satria tany masina io
toerana io.
Fisaronan-dohan’ny vehivavy rehefa
mivavaka
1 Korontiana 11:2 – 10 «2 [Ny amin'ny tokony
hisaronan'ny vehivavy loha ao am-piangonana] Ary midera anareo aho, satria
mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny
fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo. 3 Ary
tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy
kosa no lohan'ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy. 4 Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka
misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany. 5 Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka
tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra
izy. 6 Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia
aoka hohetezana izy; fa raha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na ny
hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy. 7 Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy
voninahitr'Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny
lehilahy. 8 Fa tsy ny vehivavy no nihavian'ny lehilahy; fa
ny lehilahy no nihavian'ny vehivavy. 9 Fa tsy ny lehilahy
no natao ho an'ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an'ny lehilahy. 10 Izany
no mahamety ny vehivavy hisaron-doha* noho ny amin'ny anjely. »
Eto
ny apostoly Paoly dia mamerina amintsika ilay andalan-tohatra mamehy ny
filaharan’ny tontolo, dia izao: Jehovah no lohan’i Jesosy Kristy, avy eo dia i
Jesosy Kristy indray no lohan’ny lehilahy, avy eo dia ny lehihahy no lohan’ny
vehivavy. Ampahatsiahiviny ary eto, fa tokony ary tsy maintsy misaron-doha ny
vehivavy raha ao ampiangonana na mivavaka na maminany izy. Ary ny lehilahy kosa
dia tsy tokony hisaron-doha mihitsy raha mivavaka na maminany, fa
mahafa-boninahitra ny lohany izany. Ka iza ary ny lohan’ny lehilahy? Efa
hitantsika teo aloha fa Jesosy Kristy no lohan’ny lehilahy, ary Jehovah no
lohan’i Jesosy Kristy, izany hoe raha afa-boninahitra izany ny lohan’ny
lehilahy raha mivavaka misaron-doha izy, dia midika izany fa manala voninahitra
an’i Jesosy Kristy izany izy. Lasa manala-baraka an’i Jesosy Kristy izany ny
lehilahy raha misaron-doha rehefa mivavaka. Dia toy izany koa ny vehivavy, raha
toa ka tsy misaron-doha ny vehivavy iray raha mivavaka, na maminany, dia
mahafa-boninahitra ny lohany izany, izany hoe: afa-boninahitra izany ny lahy.
Ka raha afa-boninahitra ny vadiny dia midika fa afa-boninahitra ihany koa izany
ny lohan’io vadiny io, dia tsy iza fa i Jesosy Kristy izany, ka raha
afa-boninahitra Jesosy Kristy dia afa-boninahitra koa izany ny lohany dia tsy
iza izany fa Jehovah Andriamanitra. Dia mazava izany fa tsy tokony ho azo atao
mihitsy izany ny hoe vehivavy mivavaka ka tsy hisaron-doha, na hoe lehilahy
mivavaka ka hisaron-doha.
Ny
tsoa-kevitra azo raisina manaraka izany dia izao: Ny fiangonana masina izany
dia ahitana fa misaron-doha ny vehivavy ao ampiangonana, ary hanao lava volo
satria hivavaka sy mety haminany izy ireo ao, ary ny lehilahy kosa dia tsy mba
hisaron-doha na hisatroka, ary tsy manao solabe na manaratra ny lohany na ny
sisimbolon-dohany, fa hanao tsara hety.
Ny fiderana
Salamo 149:1 – 9 «1 [Haleloia ho an'i
Jehovah, Izay aherezan'ny olony] Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an'i
Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona
masina. 2 Aoka ny Isiraely hifaly amin'ny Mpanao
azy; Aoka ho finaritra amin'ny Mpanjakany ny zanak'i Ziona. 3 Aoka
hidera ny anarany amin'ny dihy izy sy hankalaza Azy amin'ny ampongatapaka sy ny
lokanga. 4 Fa sitrak'i Jehovah ny olony; Ravahany
famonjena ny mpandefitra. 5 Aoka ny olona masina hifaly
amin'ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy. 6 Aoka hisy fanandratana an'Andriamanitra eo
am-bavany sy sabatra roa lela eny an-tànany, 7 Hamaliany
ny Jentilisa sy hamaizany ny firenena maro, 8 Hamatorany
ireo mpanjakany amin'ny gadra, sy ny olo-malazany amin'ny gadra vy. 9 Mba
hanaovany ny fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masina rehetra Izany.
Haleloia. »
Inona
no zavatra takian’i Jehovah ataon’ny fiangonan’ny olona masina ?
-
Takiany ary ny hihirana fihiram-baovao ho
an’i Jehovah, izany hoe tokony hisy mpamorona hira vaovao hatrany izany ho
entina midera an’i Jehovah.
-
Ny fiangonan’ny olona
masina izany dia tokony hidera Azy mandrakariva
-
Raha manaiky tokoa
ilay fiangonana fa Jehovah no mpanao izao rehetra izao dia tokony hifaly
mandrakariva sy hiravoravo amin’i Jehovah izy ireo. Ahoana izany hoe hifaly sy
hiravoravo amin’i Jehovah izany? Izany dia tsy tononina fotsiny am-bava fa atao
amin’ny fihetsika mihitsy. Mila mihira, mila mandihy, ary izany dia arahina
zava-maneno maro isan-karazany. Ny mahagaga anefa dia izany no zavatra takian’i
Jehovah ho ataon’ny fiangonan’ny olona masina, nefa dia ny mifanohitra
amin’izany no hita amin’ny ankamaroan’ny fiangonana misy: tsy mahazo manao hira
mihetsiketsika, fa mampiseho tsy fahamasinana hono izany. Tsy mahazo mandihy sy
mitehaka ihany koa hono fa mahavery ny fahamasinana, sns… dia gaga ny tena hoe
fa Andriamanitra iza moa izany no arahin’ireto olona ireto izay mandrara ny
mpino ao aminy tsy hiravoravo amin’i Jehovah?
Jehovah irery ihany no mendrika ho deraina, satria:
-
Mpamindra-fo Izy ary mandrakizay ny famindram-pony;
-
Masina loatra ny
anarany, ary mahafinaritra ny miaraka aminy;
-
Mendrika ankalazaina ny anarany;
-
Izy irery ihany no misandratra ambony, ary
Azy irery ihany ny voninahitra;
-
Izy irery ihany no nanao asa lehibe (dia
ny asa famoronana ny tany sy ny lanitra sy izay rehetra eo aminy);
Miderà
an’i Jehovah amin’ireo zava-maneno rehetra araka ny vanim-potoana misy toa ny:
-
Fitsofana anjomara;
-
Valiha;
-
Lokanga;
-
Amponga; aponga maroanaka
-
Zava-maneno tendrena;
-
Sodina;
-
Mozika na kipantsona
maneno, eny kipantsona tsara feo;
Tiany ny midera Azy, ary tiany ny mankalaza ny anarany
Masina.
Misy maro ny karazan-kira: ao ny hira fisaorana, ao ny
fifonana, ao ny hira fiderana dia hira fanadratana ny voninahiny. Fa ny
resahintsika eto dia ny hira fiderana. Ny hira fiderana mantsy dia ilay hira
maredona, maneho ny maha ambony sy mampiseho ny voninahitr’Andriamanitra,
manandratra Azy amin’ny toerana avo indrindra.
Izany hira fiderana izany dia redonina miaraka amin’ireo zava-maneno
maro efa voatonona teo aloha ireo, ary arahina tehaka sy hoby, ary dihy.
Salamo 150:2 – 5 «2 Midera Azy noho ny asany lehibe;
Miderà Azy araka ny haben'ny voninahiny. 3 Miderà Azy amin'ny
fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga. 4
Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin'ny zava-maneno
tendrena sy ny sodina. 5 Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno;
Miderà Azy amin'ny kipantsona tsara feo. »
1 Tantara 16:8; 1 Tantara 16:34; Salamo 30:4; Salamo 118:29; Salamo 135:3;
Salamo 148:13 sns
Manana ny heriny sy zava-miafina afeniny tokoa ny hira sy
ny mozika henointsika. Tena miasa mahery eo amin’ny fiainan’ny olona mihitsy
izany hira izany. Ohatra:
Hira fihainon’izao tontolo izao: tsy mifidy hira henoina izy ireo, fa mety avokoa izay mandeha rehetra, na
tonony na ny feony. Mazàna dia tena mahafaly ny olona ny hira mampiseho
fitanjatanjahana, na mandihy manao fihetsika « érotique » na manaitra ny
filàna, na misy tonony miteniteny foana tsy mifanaraka amin’ny
sitrapon’Andriamanitra. Ny olona tena mankafia an’io karazan-kira io dia tena
tsy mahazaka mihaino ireo hira fiderana maro isan-karazany, ary dia mazàna aza
mandositra an’izany mihitsy, satria misy fanahy roa tsy mitovy sy mifanohitra
ao.
-
Raha toa ka ireny
hira malahelohelo lava ireny no henoin’ilay olona sy ankafiziny, dia hita
taratra eo amin’ny fiainany tokoa izany, fa lasa olona malahelohelo lava,
kizintina sy mora tezitra, ary mazana aza toa mirona amin’ny famoizam-po,
fisotroan-toaka sy mandray zava-maha-domelina sy famononan-tena izany olona
izany.
-
Raha toa kosa ka hira
manaitaitra, feno dihy sy tonon-kira tsy maontina, no fihainony, dia mazana no olona tia
manampatra ny filan’ny nofony ny mpihaino azy amin’ny fisotroan-toaka sy
mandray zava-maha-domelina, mijangajanga;
-
Raha toa ka hira
mavesatra, feno herisetra no henoin’ilay olona dia mazana ihany koa no olona
tia setrasetra, mpiteny zavatra mavesatra, sarotsarotra hiaraha-monina ny
mpihaino azy ireny.
Maro ny hira henonao isan’andro, saingy vitsy ny mahasoa
anao, satria na izy ireny manetsika ny filàna, eo amin’ny dihy sy ny fihetsika
na amin’ny tonony ao anatintsika fotsiny, ka mamporisika amin’ny ratsy, toy ny
hoe tsy mampaninona ny mampirafy, na hoe soa ny manandroa, na hoe tsy
mampaninona ny mifangala-bady sns…; na ihany koa manindraindra olona ho toy ny
andriamanitra kely, ka izany no omena ny fitiavana manontolo; na ihany koa
mampiroboka olona ho any amin’ny famoizam-po tanteraka; na ihany koa, misy
hafatra miafina avy amin’ilay ratsy!!
Hira tokony henoin’ny Kristiana: misy ny hira manome voninahitra sy natao hiderana an’i Jehovah , ary
mitaiza sy mikolokolo ny fiainam-panahin’ny Kristiana. Izay karazan-kira
henoinao no hamolavola ny toetranao, sy handrindra ny fiainanao. Raha tena
hiova ho Kristiana manaraka ny fepetra tsara, izany hoe miaina sy mivelona
amin’ny fitokiana an’i Jesosy Kristy ary tena matahotra an’Andriamanitra isika,
dia fanteno tsara izay hira henoin’ny sofina sy hirain’ny vava, ary avoakan’ny
fo sy fanahy.
Fenoy ny fiderana an’i Jehovah ny fiainanao, dia ho
tsapanao fa hitoetra ao an-tranonao Izy, ary ho namanao akaiky, ho tena zanany
tokoa ianao ka ifankazatra aminy mandrakariva. Mila misafidy ary isika ny
amin’izay hira ho henointsika, na ho hiraintsika.
Misy hery sy fahefana hanapotika ny ratsy na ny fahavalo
ny fiderana an’Andriamanitra, ka noho izany dia tsy azo atao kitoatoa. Ny
ohatra ahitantsika an’izany dia izao (vakio ny II Tantara 20). Rehefa tonga
hanafika ny taranaky Joda ny taranak’i Amona sy Moaba, ary Seira dia
raikitahotra indrindra i Josafata izay mpanjaka teo amin’ny Joda, ka nitaraina
mafy tamin’Andriamanitra izy. Dia toy izao no namalian’ Andriamanitra azy
tamin’izany:
2 Tantara 20:14 – 18 «14 Ary Jahaziela, zanak'i Zakaria, zanak'i
Benaia, zanak'i Jeiela, zanak'i Matania, Levita amin'ny taranak'i Asafa, dia
voatsindrin'ny Fanahin'i Jehovah teo amin'ny fiangonana 15 ka
nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary
ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah aminareo: Aza matahotra
na mivadi-po ny amin'ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa
an'Andriamanitra. 16 Rahampitso dia midìna hiady aminy
ianareo; fa, indreo, hiakatra amin'ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo hahita
azy eo amin'ny faran'ny lohasahan-driaka tandrifin'ny efitr'i Jeroela. 17
Tsy ianareo anefa no hiady amin'ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny
hamonjen'i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po,
fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo. 18 Dia
niankohoka tamin'ny tany Josafata; ary ny Joda sy ny mponina rehetra tany
Jerosalema niankohoka teo anatrehan'i Jehovah koa ka nivavaka. »
Rehefa nandre sy nahazo izany teny izany i Josafata dia
afaka ny tahony satria nahatoky sy nino izy ka ny niankohoka sy nivavaka ary
nanome voninahitra an’i Jehovah no nataony sisa. Raha izany no niseho, dia
inona no tohin’ny tantara?
2 Tantara 20:20 – 24 «20 Ary nifoha maraina koa izy, dia
niainga nankany an-efitr'i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo
Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto
Jerosalema: Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo;
minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo. 21 Ary rehefa
niara-nihevitra tamin'ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an'i Jehovah hidera
amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady,
ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny
famindram-pony. 22 Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera
ireo, dia nasian'i Jehovah otrika hamely ny taranak'i Amona sy Moaba sy ny avy
any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo. 23 Dia
nitsangana ny taranak'i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra
Seira ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seira,
dia nifandringana kosa izy samy izy ihany. 24 Ary nony
tonga teo amin'ilay fitazanana any an-efitra ny Joda, dia nijery ireo olona
betsaka ireo izy, koa, indreo, nisy faty niampatrampatra tamin'ny tany, fa tsy
nisy afa-nandositra. »
Manana ny heriny sy ny fiasany tokoa araka izany ny hira
fiderana, ary ao anatin’izany hira fiderana izany no hiasan’i Jehovah
hanapotehina sy handravana ny fahavalontsika. Mametraka otrika amin’ireo
fahavalontsika (fahantrana, aretina, olana, famatorana maro isan-karazany)
Jehovah rehefa mihira fiderana isika. Ary noho io herin’ny hira fiderana izay
manapotika ny asan’ny ratsy (dia devoly sy Satana) io, no tsy ahazakan’ny maro
izay hitoeran’izany fanahy maloto izany mihaino ireo hira fiderana ireo, satria
mbola ilay ratsy no mibaiko ny fiainany ka mikitikitika ny toerany ny fiainoana
an’izany.
Ny fiangonan’ny olona masina ihany koa dia didiany
handihy sy hitehaka ary hihoby Azy rehefa manao ny hira fiderana Azy. Ny
ankamaroan’ny fiangonana anefa dia mandrara izany fandihizana sy fitehafana ary
fihobina izany raha midera izy ireo ao ampiangonana. Ambaran’izy ireo fa tsy
fahamaontinana sy tsy fahamasinana ny fanaovana izany raha mivavaka. Hevitra
diso ihany izany satria na ny mpanjaka Davida aza dia voasoratra matetika ao
amin’ny Soratra Masina fa nitsinjaka sy nandihy nanomezany voninahitra an’i
Jehovah izany.
2 Samoela 6:5 « Ary Davida sy
ny taranak'Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah tamin'ny
karazan'ny zava-maneno rehetra natao tamin'ny hazo kypreso, dia tamin'ny
lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny
kipantsona. »
2 Samoela 6:14 « Ary Davida
nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan'i Jehovah sady nisalotra efoda rongony
fotsy. »
1 Tantara 13:8 « Ary Davida sy
ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan'Andriamanitra
tamin'ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona
ary ny trompetra. »
Ny tsoa-kevitra azo raisina manaraka izany dia izao: ny
fiangonan’ny olona masina izany dia mahavita midera an’ilay Jehovah mpahary ny
lanitra sy ny tany, amin’ny zava-maneno rehetra, amin’ny dihy sy tehaka ary
hoby.
Mandihy sy mitehaka ao ampiangonana
Afaka
mandihy sy mitehaka ny mpino Kristiana raha ao ampiangonana izy, ary dia tokony
na tsy maintsy ataony aza izany, satria matoa izy mihoby sy mandihy dia manaiky
sy manome voninahitra an’ilay Nahary izy izany. Marihina tsara anefa fa ny dihy
azo atao ao, dia dihy manome voninahitra an’Andriamanitra, fa tsy dihy
mampiseho fitanjahana, na dihy manaitra filàna. Araka izany dia dihy
mifanentana tsara amin’ny tononkira no atao, mba tena ampiseho fa vokatry ny
fonao sy ny sainao manontolo izay hira ataonao ao. Ohatra hoe: raha miteny ny
tononkira fa hoe “asandratsika ny Tompo”, dia tokony ho fihetsika mampiseho
tanana miha-miakatra manandratra ny voninahitry ny Tompo izany no atao, raha
milaza ny tononkira hoe falifaly sy mitsikitsiky isika eo ampiderana azy, dia
tokony ho fihetsika feno fifaliana sy tsikitsiky izany no ataon’ireo mpino, fa
tsy hoe mijaridina, sy montitra be; raha milaza ny tononkira fa hoe tokony
miondrika manome voninahitra azy isika, dia tokony ho manondrika ny lohantsika
ihany koa isika izany, manome voninahitra azy, sns… Ara-tsoratra masina tsara
izany, ary dia tena ilain’ny vatana sy ny sain’ny olombelona tokoa, satria
amin’izay fotoana dia tsy fahazarana fotsiny ihany no ihirana fa tena misy
fifantohana tokoa ao ka mahatsara ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra
izany. Ka raha tsy manao izany ary ilay fiangonana misy ireo Kristiana, dia
tokony ho aiza izy ireo no andeha handihy? Dia tsy mahagaga raha hanontaniana
ireo olona mpanenjika boîte de nuit mandeha mandihy isan-kerinandro, hoe aiza
izy ireo no mivavaka? Ny valiny dia hoe: ny 80% (olona valopolo amin’ny zato)
n’ireo olona mpandeha any ireo dia saika kristiana mpino amin’ireo fiangonana
tsy mandihy ao ampiangonana. Any anefa dia sady mandeha ny fisotroana
zava-mahamamo sy ny fidoroana, (na sigara na zava-mahadomelina), dia tafiditra
ho azy ny fijangajangana maro samihafa, sy ny heloka maro.
Salamo 47:1 « Mitehafa
tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an'Andriamanitra. »
Afaka mitehaka sy mihoby ho an’i Jehovah ihany koa ny
mpino Kristiana, ary dia tokony atao izany, satria rehefa misy inona mitranga
moa no itehafana ny olona iray? . Rehefa mahatsapa ny mpitazana fa nahavita
zavatra tsara, na nivoaka ho mpandresy, na tafita tamin’ny zavatra natao ilay
olona nojerena dia mitehaka ho azy ireo mpitazana ireo. Marim-pankasitrahana sy
fanomezam-boninahitra omena an’ilay olona hitehafana izany. Ka eto dia Jehovah
irery no omem-boninahitra, ary dia mendrika ho Azy tokoa izany, noho izany dia
fanao ary tsy misy mahadiso azy mihitsy, raha mitehaka manome voninahitra ho
an’i Jehovah ny fiangonan’ny olona masina.
Dia toy izany koa ny horakoram-pifaliana, natao
anomezam-boninahitra an’i Jehovah. Samy efa fanao hatrizay izany ka azo atao
tsara ny manohy izany. Fa ny mpandresy ihany no afaka mihorakoraka, ka raha
mahatsiaro ianao fa mpandresy dia tsy tokony hisy fisalasalana akory anao
izany.
Ezra 3:13 «13 ka
dia tsy fantatry ny olona izay fifaliana na izay fitomaniana noho izany
horakoraka be izany, fa nihoby mafy ny olona, ka re lavitra ny
horakoraka. »
Isaia 13:4 « Injany! ny
horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an'ny vahoaka be*! Dia ny
fitabataban'ny fanjakan'ny firenena efa tafatambatra! Jehovah , Tompon'ny maro,
no manomana miaramila hiady »
Isaia 66:6 « Injany!
horakoraka any an-tanàna, ary feo ao amin'ny tempoly, Dia feon’i Jehovah izay
mamaly ny ataon'ny fahavalony. »
Ny tsoa-kevitra azo raisina manaraka izany dia izao: ny
fiangonan’ny olona masina dia mahavita midera an’ilay Jehovah mpahary ny
lanitra sy ny tany, amin’ny hira sy ny zava-maneno rehetra, amin’ny dihy sy ny
tehaka, ary amin’ny horakoram-pifaliana satria mpandresy.
Misaotra Azy
Tena
marobe tokoa ny teny ilazany izany ato amin’ny Baiboly (miverina in 155 izany
ny teny hoe misaora, fisaorana, isaorana). Tokony isaotra Azy isika na amin’ny
lafiny tsara na amin’ny lafiny ratsy, na inona na inona ny tranga miseho eo
amin’ny fiainantsika, na amin’ny ratsy izany na amin’ny tsara, fa ampahany
vitsivitsy ihany no ho raisintsika amin’izany:
Salamo 66:8 « Misaora an'Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo
fiderana Azy, »
Salamo 100:4 « Midira eo amin'ny vavahadiny amin'ny fisaorana, ary eo an-kianjany
amin'ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany, »
2 Samoela 22:47 « Velona Jehovah ; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie
Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy, »
1 Petera 1:3 « Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay
niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana
velona tamin'ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin'ny maty, »
Tsy mba fombam-pivavahana tsotra fotsiny ihany izany, na
sanatria ihany koa lazaina fa rendrarendram-pivavahana ny fisaorana, fa tena
tsy maintsy atao, ho fankasitrahana Azy. Isika mantsy dia mila mahay
mankasitraka Azy amin’izay zavatra rehetra izay miseho sy hiainantsika
isan’andro.
Nefa maro ireo milaza fa Kristiana sy milaza ho mino an’i
Jehovah Andriamanitra no tsy mahavita misaotra Azy amin’ny zavatra rehetra
miseho amin’ny fiainany, eny na dia ny sakafo azony isan’andro aza, dia tsy
vitany ny mankasitra ny Tompo tamin’ny nazahoany izany; indrindra moa ny vavaka
fisaorana raha avy nisakafo ny tsirairay. Aza adinoina fa tsy noho ny herinao
na ny fahaizanao no nahazoanao io sakafo miroso eo anoloanao io, fa noho ny
famindrampony sy ny fahasoavany mirotsaka isan’andro eo amin’ny fiainanao.
Ohatra iray izay sakafo izay, fa tokony isaorana azy
ihany koa ny nanomezany antsika tontolo andro vaovao isan’andro, ka midika
izany fa raha vao misokatra ny masonao isa-maraina, ka mahatsiaro ianao fa
mbola velon’aina dia tokony iankohoka anome voninahitra Azy, isaotra Azy noho
ny famindrampony, fa nomeny tombon’andro iray indray isika, ary tsy
vitan’izany, fa hametraka indray ny tontolontsika ho tantanany amin’ny tontolo
andro, satria dia sandry mahery no hitantanany antsika raha manaiky ho
tantanany isika. Dia toy izany koa rehefa vita ny tontolo andronao, dia tsy
tokony andeha hatory mihitsy ianao raha tsy efa nahavita nisaotra sy niankohoka
teo anatrehany noho ny famindrampony sy ny fitahiany anao nandritra ny tontolo
andro, na inona no niseho na ho inona dia hisaory hatrany Izy.
Izay ny lafiny iray tokony isaorantsika Azy isan’andro,
fa ny faharoa izay tena zavatra lehibe indrindra tokony isaorana Azy ihany koa
dia izao:
« Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny
fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny
fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. » Filipiana 4:6
Izany hoe raha hangataka zavatra amin’ny Ray izany isika,
dia tokony andalo ireo ambaratonga telo ireo, dia ny vavaka, ny fifonana, ary
ny fisaorana
1 ny vavaka: ny vavaka no mariky ny firaisana am-po amin’ilay angatahana sy ny
mpangataka. Matoa mivavaka amin’i Jehovah izany ny olona iray dia efa manaiky
aloha fa Jehovah no Tompo sy Mpanjakany, Izy no Andriamaniny, ary ny manaraka
dia hoe nivavaka taminy, tamin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana ilay olona «23 Fa avy ny andro*, sady
tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy
sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.
[*Gr. ora] 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka
aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » Jaona
4:23 – 24, izany hoe mila manamasin-tena ny olona iray raha hivavaka
amin’ny fanahy izany (mifady ny ratsy na amin’ny fihinana (Levitikosy 20:25; Ezek 4:14) na amin’ny fitafy na ny
toe-po sy saina), ary manaraka ny fahamarinana izany hoe manaraka ny didy sy ny
fitsipika maro isan-karazany izay efa napetrany hitantanany ny ankohonany.
2 ny fifonana: Mipoitra in 65 io teny io hoe “mifona aminao” io ao amin’ny testamenta
taloha raha hangataka zavatra ny olona iray. Ary ny Mpaminany Elisa aza moa dia
saika io hatrany no voambolana fampiasany raha hangata-javatra
amin’Andriamanitra izy 1Mpanjaka.17:21 « Dia niampatra intelo tamin'ny zaza izy sady nitaraina tamin’i
Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao
aho, aoka hody aminy indray ny ain’ity zaza ity. »; 2Mpanjaka.6:17« Ary Elisa nivavaka
hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny
masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ilay zatovo; ary
dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo
manodidina an’i Elisa. »
Ny fifonana amin’Andriamanitra izany dia midika ho
fibebahana aminy, izany hoe manaiky ny hiova tanteraka, na ara-toe-tsaina na
ara-pihetsika, na ara-pomba fanao, tsy hiverina intsony hanao izay
fahadisoantsika. Manaiky ihany koa fa marina sy mahitsy Jehovah, fa isika kosa
no mpanao meloka, ka dia mifona eo anatrehany.
3 ny fisaorana. Mahay misaotra, ary dia mariky ny finoana sahady fa Tompon’ny zavatra
rehetra ilay angatahinao zavatra, matoa efa misaotra sahady ianao raha
mangata-javatra. Misaotra ianao satria, efa mahatoky amin’ny fo manontolo, tsy
misy fiambahambana fa efa nomeny anao izay irin’ny fonao.
Ny tsoa-kevitra azo raisina manaraka izany dia izao: ny
fiangonan’ny olona masina dia mahavita misaotra Azy amin’ny fony rehetra, ary
amin’ny zavatra rehetra, na inona miseho na ho inona.
Tsy mampianatra ny
vehivavy ao ampiangonana
1Korontiana 14:33–36 «33 Fa
Andriamanitra tsy tompon'ny fikotronana, fa tompon'ny fiadanana. Araka ny fanaon'ny fiangonan*'ny olona masina rehetra, 34 dia
aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana*; fa tsy avela hiteny izy, fa
aoka hanoa tsara araka ny lazain'ny lalàna koa. 35 Ary
raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any
an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana* ny vehivavy. 36 Avy
aminareo va no nihavian'ny tenin'Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no
nahatongavany? »
1 Timoty 2:8 – 14 «8 Koa
tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masina, tsy amin'ny
fahatezerana na amin'ny fifandirana. 9 Ary toy izany koa
ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy
ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa*,
na fitafiana saro-bidy, [* Gr. perila] 10 fa amin'ny asa
tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra. 11 Aoka
ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara. 12 Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny
lehilahy, fa hangina ihany. 13 Fa Adama no natao
voalohany, vao Eva. 14 Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny
vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota. »
Eto i Paoly Apostoly dia mampahatsiahy antsika fa izao
zavatra resahiny izao dia efa fanaon’ireo antsoina hoe fiangonan’ny olona
masina; izany hoe izay fiangonan’ny olona masina izany dia tsy manao sy tsy
ahitana an’izany vehivavy mampianatra lehilahy izany raha mivavaka, fa izay tsy
fiangonan’ny olona masina kosa dia tsy manaraka an’izay, izany hoe ahitana
vehivavy mampianatra lehilahy (mitory teny), na mitarika vavaka, sy mitondra
fiangonana mihitsy aza ao ampiangonana. Dia anjarantsika hatrany ny mamakafaka
sy mandinika tsara, na ao anatin’ireo ny fiangonana misy antsika, na tsia. Fa
amin’izao vanim-potoana hiainantsika izao, dia efa lasa toa mahazatra ny maro
ny maheno na mahita fiangonana maro izay tarihin’ny mpitandrina vehivavy, na
mampandray anjara mavitrika ny vehivavy ao ampiangonana hitari-bavaka, na
hamaky teny, na hitory ny tenin’Andriamanitra mihitsy aza (Ramatoa vadin’ny
mpitandrina, Ramatoa mpitandrina, reverend, pasitera, masera, sns…). Efa
voalazan’ny Soratra Masina mazava tsara anefa, fa tsy mba tompon’ny fikotranana
Andriamanitra, fa tompon’ny fiadanana. Toa midika izany fa hoe: mikotrana sy
tsy milamina ve izany ny fiangonana ahitana ireo vehivavy mitory teny sy
mivavaka, na mampianatra ny lehilahy ao ampiangonana ireny?? Anjarantsika ny
mandinika sy mamakafaka. Fa raha ny ara-tsoratra masina aloha dia natao
hitabataba tokoa ny vehivavy: ohatra iray ity: Asan’ny Apostoly 13:50 « Fa ny
Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja
izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana
tamin’i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin'ny taniny. »
Midika izany fa raha hanenjika ny Apostoly Paoly sy Barnabasy izany ny
Jiosy dia ireo vehivavy mpivavaka
mihitsy no notairiny aloha, dia ireo no nitarika ny tabataba, dia tonga ny
fanenjehana azy roalahy.
Ny tsoa-kevitra azo raisina manaraka izany dia izao: ny
fiangonan’ny olona masina dia tsy ahitana vehivavy hampianatra na hitory teny
na hitari-bavaka ao ampiangonana, raha mbola misy lehilahy mivavaka ao.
Ny fahadiovan’ny
mpisorona na ny mpitondra fivavahana
Isaia 52:11«Mialà, mialà
ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova,
ianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah”
Mila madio sy miomana tsara izany ny mpisorona sy ny
mpitarika rehetra. Mila mifady ny ratsy izy ireny satria fanak’i Jehovah
no entiny sy toriany. Inona ireo fanaky Jehovah izay toriany sy entiny izany?
Dia tsy inona izany fa raha ny voatahiry ao amin’ny tabernakelin’i Jehovah dia
ny vatofisaky ny fanekena na ny didy folo, ny tehin’i Arona izay nitsimoka, ary
ny lovia volamena izay nisy ny mana. Izany rehetra izany dia efa samy
voazavantsika tsara avokoa tany ambony. Ilaina ihany koa izany ny mpisorona mba
hanaraka sy hankatoa ny didy sy fitsipiky Jehovah .
Malakia 2:1–2 «1 [Ny
tsi-fahamarinan'ny mpisorona, sy ny namalian' Andriamanitra azy] Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy
izao: 2 Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome
voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako
hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko
sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo. » (vakio Malakia 2:3-9)
Mila mitandrina izany isika ny amin’ireny mpisorona na
ny mpitondra fivavahana izay harahintsika ireny, mila mandinika tsara isika na
manaraka ny didy sy fitsipiky Jehovah ireny mpisorona ireny na tsia, na mandray
sy mampianatra amin’ny hitsiny ny didin’i Jehovah izy ireny na tsia. Fa raha
hitanao fa tsy manaraka ny didy sy fitsipiky Jehovah izany mpisorona arahinao
izany, ary misy mihitsy aza moa efa milaza sy mampianatra fa efa foana ny didy
sy fitsipika napetraky Jehovah dia aza mandray izay tsodranony akory, satria
efa voaozona sahady izany tsodrano izay alefany izany, ka sao dia miampita any
aminao indray izany ozona izany.
Ny tsoa-kevitra azo raisina manaraka izany dia izao:
ny fiangonan’ny olona masina dia manana mpisorona na mpitondra fivavahana
matahotra an’i Jehovah, ary mandeha manaraka ny fahamarinany. (mankatoa ny didy
sy ny fitsipiny)
Ny fanajana ny fihinana
Efa
hitantsika hatrany ampiandohana ny tsy maintsy hanajana ny fihinana. Misy ny
sakafo efa voakilasy fa ho fahavetavetana (mahavetaveta ny fanahy), ary
maharava ny fahamasinantsika, sy mampahaloto ny fanahintsika ny fihinanana
an’izany. Isika dia miezaka ny mivavaka amin’Andriamanitra Ray, kanefa efa
hitantsika tany aloha, fa izay rehetra mivavaka Aminy dia tsy maintsy mivavaka
Aminy amin’ny Fanahy sy ny fahamarinana (Jao
4:23–24). Mila manadio ny fanahintsika izany isika raha toa ka tena
hivavaka Aminy. Ka anisan’ny fanadiovana ny fanahy ny fitandremana izay zavatra
hiditra ao am-bava : Levitikosy
20:25 – 26 «25 Ary
avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny
fanahinareo amin'ny biby, na amin'ny
vorona, na amin’izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany, izay navahako ka
nolazaiko taminareo fa maloto. 26 Ary aoka ho masina ho
Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah ; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa ianareo mba ho
Ahy. » (vakio ihany koa ny Ezek 4, indrindra ny andininy faha 12)
Tsy
asiana ady hevitra be io fa efa voasoratra, ka na isika hanaraka an’izany na
tsia, fa izao fotsiny: ny olona mahavita mifady an’ireo dia mazava ho azy, fa
misy fahatahorana an’Andriamanitra ao anatiny, efa midika sahady izany fa
vonona handà ny ratsy izany olona izany, ka mahavita manamasina ny tenany, ary
manaiky izay ambaran’i Jehovah. Ny mahagaga ihany koa dia izao: raha misy olona
iray mandeha any amin’ireny mpanao ody ireny, ka asain’ilay olona mpanao ody
(mpimasy na mpanandro, na ireny lazaina fa mpanao fahatsarana ireny, sns…) hoe:
izao no fady raha manao ity ody ity, tsy mihinana akoho ohatra, na koa hoe fady
hena-kisoa, na koa hoe fady tongolo gasy, na koa tsy mahazo miasa na manomboka
angady amin’ny andro talata na alakamisy, na ihany koa hoe tsy mahazo mandevina
amin’ny andro talata na alakamisy raha sanatria misy fandevenana, dia toa tsy
misy adi-hevitra be fa avy dia manaiky tsy ampisalasalana avokoa ilay olona
izay mampiasa an’izany, eny fa na dia ireo voalaza fa kristiana aza ka mbola
mandeha amin’izany làlana izany. Fa rehefa Jehovah Ilay lohan’ny ankohonana,
Ilay lazaina fa hoe Ray no miteny sy mametraka amin’ny zanany (ireo izay te
hantsoina fotsiny hoe zanak’Andriamanitra izahay), izay lalàna efa napetrany
hatrany ampiandohana hoe izao no tsy azonareo hohanina na atao, dia avy hatrany
ny olona (izay mametraka ny tenany fa zanak’Andriamanitra) dia mandika sy miady
hevitra fa hoe: tsy marina izany teny voalazan’i Jehovah izany, ary dia mitady
toko sy andininy marobe hanoherana an’izany. Dia aleo hapetraka amin’izany fa anjarantsika no misafidy ao anatin’izany.
Ny tsoa-kevitra azo raisina manaraka izany dia izao: ny
fiangonan’ny olona masina dia mihezaka ny manamasina ny fanahiny ho tsy
voaloto, na amin’ny fanao na amin’ny fihinana, satria mivavaka amin’ny fanahy
sy ny fahamarinana izy
Ny fifadian-kanina
Joela1:14« Manamasina andro fifadian-kanina,
miantsoa fivoriana masina, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin'ny tany
ho ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin’i Jehovah
. »
Joela2:12« Koa na dia
ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra ary
amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. »
Misy
fiantsoana fifadian-kanina ao izany, ary tsy ifanerena izany fa antsitra-po,
kanefa dia tokony hahay hankato ny mpitarika azy ny fiangonana raha toa ka misy
antony fantatry ny mpitarika fa ilàna izany fifadian-kanin’ny mpivavaka ao
aminy izany.
Ahoana izany hoe mifady hanina izany?
Antsoina
hoe hanina izay rehetra mitondra hery hiditra ao ambava, ohatra hoe rano, (rano
mangatsiaka, na mafana, na ranom-boankazo, sns…) na sakafo, (mofo, vary,
katsaka, mangahazo, karaoty, ovy, anana, hena, trondro, atody, sns…), ny
zavatra hafa mitondra hery, toy ny vatomamy, ny biscuit, sns….
Tsy
mba sakafo kosa ny rora, na rarakivin’ilay mpifady hanina, satria tsy misy
mihitsy olona hilaza fa hoe andeha hisakafo, dia ny rorany no hosotroiny. Ka
isika eto dia miresaka fifadian-kanina, izay midika fa hoe tsy misakafo, sy tsy
misotro rano mihitsy izany, mandritra ilay fotoana efa ifanarahana na
voatendry. Mandritra io fotoana io izany dia sady tsy misotro ireo mpifady no
tsy mihinana, fa miezaka kosa ny mivavaka, sy mitalaho amin’Andriamanitra,
mifona sy mivalo aminy, ary mitoetra ao anatin’ny Soratra Masina tanteraka,
mifady ny endriky ny faharatsiana tanteraka.
Isaia 58:6–7 «6 Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha
ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny
ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? 7 Moa
tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory
manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona
amin'ny namanao* ianao?»
Ny
fifadiana an-kasitrahan’i Jehovah izany dia izao:
Misy zavatra tsy tokony atao:
-
Tsy manao izay tianao atao amin’ny andro fifadiana,
ohatra hoe mbola mijery film; mbola mijery fampisehoana, mbola manao firaisana
ara-nofo, sns…
-
Tsy azo atao ny mampahory na mampijaly ny mpiasa na ny
mpanampy izay miasa ao aminao;
-
Tsy azo atao ny miady sy ny mifanditra mandritra ny
fifadian-kanina, ka hanisy ratsy olona.
Ny zavatra tokony atao indray dia izao, mba ahatonga
ny fifadiana izay ataontsika ho ankasitrahan’i Jehovah :
-
Dia ny hamahana ny famatoran'ny faharatsiana, sy izay
endriky ny fahazaran-dratsy rehetra mbola mamatotra, toy ny hoe mbola
voafatotry ny paraky na sigara na toaka na rongony, dia eo amin’io
fifadian-kanina io no hamahana na hanajanonana izany rehetra izany;
-
Hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina
ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra. Inona izany zioga mbola
mamatotra izany? Ny zioga dia izay rehetra mbola mangeja anao, ka toa tsy
hahafahanao mitraka mihitsy eo amin’ny fiainanao, (ohatra : fitenenan-dratsy,
filokana, fijangajangana, fanompoan-tsampy, fiavonavonana, fankahalana olona,
sns…). Eo amin’io fotoana fifadian-kanina io izany no
hanapatapahina sy hanariana ireo fahazaran-dratsy rehetra ireo.
-
Moa tsy ny hizara ny
mofonao ho an'ny noana va? Eto dia mazava tsara fa raha mifady isika dia tokony
omena ny hafa izany izay anjara sakafo tokony ho anao amin’iny fotoana iny; fa
misy ihany koa ireo noana ara-panahy, ka tokony ho vokisana amin’io fotoana io,
satria fantatsika tsara fa tsy ny mofo ihany no hiveloman’ny olona fa ny teny
rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra Lio 4:4 « Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona (Deo. 8. 3). »,
ary efa fantatsika tsara fa Jesosy Kristy dia Tenin’ Andriamanitra tonga nofo,
kanefa « Hoy Jesosy taminy: Izaho no
mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba
hangetaheta intsony. » Jao 6:35
« Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana
ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny
nofoko ho fiainan’izao tontolo izao. » Jao 6:51. Izany hoe raha hizara ny mofonao ho
an’ny noana ianao izany, dia midika fa tokony hizara ihany koa ny
tenin’Andriamanitra ho an’ireo izay noana ara-panahy.
-
sy ny hampiantrano ny
ory manjenjena, efa hitantsika io tany amin’ilay hoe mahaiza mampian-trano vahiny,
-
ary mba hanafianao
izay hitanao mitanjaka, tokony hizara fitafiana ho an’ny tsy manana ihany koa
izany isika, fa indrindra mizara ilay fitafian’i Jesosy Kristy, ka mampitafy
azy ireo ny fitafiana tena Izy. Vakio ny Efesiana 6:10-19 (Jereo ny boky Iza
moa Jesosy Kristy?)
-
ka tsy hihirim-belona
amin'ny namanao ianao. Mila mahay mizara ho an’ny hafa izany isika, ao
anatin’ny fifadiana, ka hamonjy ny namana rehetra mila an’izany. Efa nandray ny
famonjena isika ka mila mba mizara izany koa ho an’ny namantsika, satria efa ao
amin’ny mazava dia mila mizara ny fanilo ho an’ireo mbola ao amin’ny haizina.
Midika ho fanetren-tena io, midika ho fanekenao
hanapotika ny nofo, fa hampanjaka kosa ny fiainam-panahy, midika ihany koa
fanomezam-boninahitra lehibe an’i Jehovah Andriamanitra, mety ho midika ho
fifonana ihany koa ny amin’ny ratsy rehetra efa vita, na mety midika ho
fitalahoana sy fanagatahan-javatra amin’Andriamanitra izany. Raha fehezina
izany dia midika ho fandravana ilay ota na ilay faharatsiana rehetra izay
efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra izany fifadian-kanina izany.
Ny tsoa-kevitra azo raisina manaraka izany dia izao: Ny
fiangonan’ny olona masina izany, dia miantso fifadian-kanina ho an’ny mpino ao
aminy.
Ny fanatitra sy ny ampahafolon-karena
Raha ny hita ao amin’ny soratra masina dia voalaza fa misy karazana
fanatitra maro voasoratra ao. Zavatra tsy maintsy hatao ny fanatitra, ary dia
Jehovah mihitsy no efa nilaza an’izany, ka tokony tsy hatao tsinontsinona izany
fanatitra izany. Izao no hilazany momba izany fanatitra izany ao amin’ny
bokin’ny Malakia, izay efa hitantsika fa boky farany ao amin’ny testamenta
taloha, ka averintsika ihany fa boky iray miendrika famintinana izay rehetra
voalaza tany aloha, ary mampiditra antsika ho any amin’ny testamenta vaovao.
Malakia 3:6 – 12 «6 Fa Izaho Jehovah dia tsy miova,
ary ianareo, ry taranak’i Jakoba, dia tsy fongana. 7 Hatramin'ny
andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina
azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah ,
Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay? 8 Handroba
an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo? Nefa hoy
ianareo: Amin’inona moa no androbanay Anao? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra*.
[Hebreo
fanatitra asandratra] 9 Voaozona amin'ny
ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena
izao. 10 Entonareo ny
fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao
an-tranoko, ary izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah , Tompon'ny maro,
raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana
manana amby ampy ho anareo. 11 Ary hasiako teny mafy ny
valala* noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka
dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah , Tompon'ny maro.
[Hebreo mpandany] 12 Ary
ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra
ianareo, hoy Jehovah , Tompon'ny maro. »
Tena mafy sy enjana tokoa ny tenin’i Jehovah eto, fa toy ny mandroba
an’Andriamanitra isika raha tsy manao fanatitra sy ampahafolon-karena. Tena
ozoniny mihitsy ny olona izay tsy mitondra izany fanatitra sy
ampahafolon-karena izany, ka dia ravarava sy tsy mandeha amin’ny tokony ho izy
ny fiainany. Eto anefa Jehovah dia mametraka fanamby na fanomezan-toky na
fifanekena na teny fikasana mihitsy ho an’ny olona, fa raha manao izany
fahafolon-karena sy fanatitra izany tokoa ny olona dia hosokafany ny
varavaran’ny lanitra ho an’izany olona mahatoky izany, ka handrotsahany
fitahiana be manana amby ampy ho an’izany olona izany. Ary tsy vitan’izany koa
fa mbola nampiany hoe handrara ireo valala izay fositra mpanimba ny fiharian’ny
olona mahatoky amin’ny fahafolon-karena sy ny fanatitra izany Izy, mba tsy
hanimba izay fihariany intsony, ka ho hataon’ny firenena rehetra hoe sambatra
izany olona izany, ary ho tany mahafinaritra no homen’i Jehovah azy.
Inona izany valala izany? Mety ho valala ara-bakiteny izany, fa mety ihany
koa mpangalatra, na mpisoloky, na mpisompatra sns, izany hoe ireo devoly sy
Satana mpanimba ny fihariantsika.
Deo 16:16b « Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy
mitondra fanatitra eo anatrehan’i Jehovah ; »
Mila mitondra fanatitra eo anatrehan’i Jehovah izany ny olona, izany hoe
rehefa handeha hivavaka izany ianao, ka ho any an-tranon’i Jehovah dia tsy
maintsy mitondra fanatitra, satria andeha hifanatrika sy hiseho eo aminy.
Mila fanomanana izany fanatitra izany, fa tsy hoe rehefa tena handeha
hivavaka ianao vao hitady an’izany, satria lasa fanatitra misy kilema izany
raha tsy voaomana. Mila manao fanatitra marina sy ankasitrahana isika araka ny
fitahiana izay nomena antsika: «3 Ary
rehefa afaka elaela, dia nitondran’i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho
an’i Jehovah ; 4 fa nitondran’i Abela kosa ny
voalohan-terak'ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an’i Abela
mbamin'ny fanatiny; » Genesisy 4:3
– 4
Izany hoe izay tsara sy lafatra izany no tokony ho entina ho an’i Jehovah,
dia midika izany fa mila omanina izany: ho antsika amin’izao fotoana izao dia
tokony ho vola tsy miforiporitra, fa tsy izay hita ao ampaosy fotsiny no atao
fanatitra, fa zavatra efa nomanina mialoha. Tsy ho fahazarana hoe roanjato sy
ariary zato fotsiny no atao, fa arakaraky ny fitahiana na ny fahotana izay
vitanao, ka ahatonga anao hanavao indray ny firaisanao amin’Andriamanitra. « Aza vonoina hatao fanatitra ho an’i
Jehovah Andriamanitrao izay misy kilema maharatsy azy, na omby na ondry na osy,
fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah Andriamanitrao ny manao izany. ». Deoteronomia 17:1. Tsy ho vola
rovitra na miforiporitra izany no fanatitra entinao fa vola madio tsara azo
tamin’ny fomba madio, izay no maha tsy misy kilema izany fanatitra izany. Ho
fanatitra matavy tsara ihany koa, araka izay fitahiana azonao, fa tsy hionona
amin’ny roanjato sy dimanjato, na dia nahazo fitahiana be aman-tapitrisany aza
ianao. Malakia 1:14 « Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin'ny
ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an'ny
Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny anarako dia
mahatahotra any amin'ny jentilisa. »
Misy karazany maro izany fanatitra izany tany ampiandohana:
1.
Misy ny Fanatitra ho an’i Jehovah fotsiny ihany Eks 25:2; Eks 25:3
2.
Misy ny fanatitra sitra-po ho an’i Jehovah Eks 35:29
3.
Misy ny fanatitra hohanina (Vakio Levitikosy 2
rehetra)Levitikosy 2:14
4.
Misy ny fanatitra dorana Genesisy 8:20 ; Genesisy 22:2
5.
Misy ny fanatitra aidina Genesisy 35:14
6.
Misy ny Fanati-pahamarinana Sal 4:5
7.
Misy ny Fanati-pihavanana Eks 20:24
8.
Misy ny fanatitra ahevaheva Eks 29:26; Eks
29:27
9.
Misy ny
fanatitra asandratra Eks 29:28
10.
Misy ny fanatitra noho ny ota Eks 29:14
Misy karazany folo ary izany ny
fanatitra tamin’izany andro izany, ary dia efa hitantsika tany ambony, fa
nanambara Izy fa aoka tsy hisy hiseho eo anatrehany tsy mitondra fanatitra.
Midika izany fa tsy maintsy hatao ny fitondrana fanatitra raha handeha hiseho
eo anatrehan’i Jehovah ny olona iray. Tamin’izany fotoana izany dia ireo biby
madio no entina atao fanatitra, toy ny zanak’ondry na zanak’osy, na zanak’omby,
na domoina, fa amin’izao fotoana izao kosa, dia efa foana sy tapitra tamin’ny
fotoana nanolorana an’i Jesosy Kristy ho sorona alatsa-drà farany teo ambony
hazo fijaliana ireo fanatitra biby hatao sorona ireo. Tsy misy intsony izany ny
fanatitra alatsa-drà fa efa nosoloina vola sy fanatitra velona dia ny fontsika
sy ny tenatsika izany. Nefa mbola tazonina ihany ilay teny hoe: aoka tsy hisy
hisehoseho foana eo anatrehako tsy mitondra fanatitra. Ary isika dia ho tonga
eo anatrehany hitondra fanatitra ho Azy araka izay fitahiany antsika.
Daniela 9:26 – 27 «26Ary
rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy
hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny
fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia
hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra] 27Ary hanorina
fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra
alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro»
Ny tsiambaratelon’ny fiainana sambatra
Eto
amin’ity fahafolon-karena ity sy amin’ilay fanatitra ahevaheva hitantsika teo
ambony dia misy tsiambaratelo goavana azo hamahana ny olana ara-piharian’ny
tsirairay. Izany anefa dia miankina tanteraka amin’ny finoana sy fankatoavana
an’ilay Jehovah Ray Mahery.
Fanatitra ahevaheva
Hatombotsika amin’ilay fanatitra ahevaheva ny
fanadihadiana: raisintsika izay voasoratra ao amin’ny Levitikosy
Levitikosy 23:10 – 11 «10 Mitenena
amin'ny Zanak’isiraely hoe: Rehefa tonga any amin'ny tany izay omeko anareo
ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrà
amboara iray amin'ny voaloham-bokatrareo ho any amin'ny mpisorona
ianareo; 11 ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan’i
Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin'ny ampitson'ny Sabata no
hanevahevan'ny mpisorona azy. »
Eto Izy dia milaza fa aoka hitondra amboara iray amin’izay
voaloham-bokatra azontsika isika, rehefa any amin’ny tany nampanantenainy. Amin’izao
vanimpotoana hiainantsika izao, dia izao no azo tsoahina: isika tsy manana tany
nampanantenainy, fa ny voaloham-bokatritsika no hakana azy io; ny tiany hambara
izany eto dia ny amin’izay karama raisintsika voalohany no hakana izany. Tsy
miteny izy hoe, izay vokatrao manontolo no omeo Ahy, fa ny ambarany dia hoe
manolora amboara iray: izany hoe santionany amin’izay azonao homena Azy.
Levitikosy 23:12 « Ary amin’izay andro
hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak'ondrilahy tsy misy kilema izay iray
taona ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah . »
Tamin’izany fotoana izany dia mazava ny nambarany fa ondry lahy iray
taona no miaraka hatolotra amin’io fanatitra haevaheva io, fa noho ny
vanimpotoana misy antsika amin’izao fotoana izao, dia efa natsahatra avokoa ny
fanatitra alatsa-drà, sy ny fanatitra hafa rehetra tamin’ny andro nanombohana
an’i Jesosy Kristy teo ambony hazo fijaliana (efa hitantsika tetsy ambony). Ny
Fanatitra ara-bakiteny no natsahatra fa ny votoatin-kevitra fonosiny kosa dia
tsara ho tazonina. Ity fanatitra ahevaheva ity mantsy dia midika ho fisaorana
sy fankasitrahana ny soa azontsika sy vao noraisintsika taminy; midika ihany
koa fankatoavana sy fanekena fa avy taminy avokoa izay noraisintsika. Ary mbola
misy ny olona amin’izao fotoana hiainantsika izao no mbola manao ny
raki-pisaorana rehefa nandray fahasoavana tamin’ny Tompo izy; ao ny mbola manao
ny raki-boady rehefa nangata-javatra tamin’ny Ray izy ka tanteraka izany. Ny
votoatin-kevitr’ireo fomba roa ireo dia mitovitovy amin’izay handrasany
amintsika rehefa nomeny fitahiana isika.
Ny fahafolon-karena
Efa hitantsika teny ambony ny fanazavana fa baiko avy tamin’i Jehovah no
hanatanterahana ny fahafolon-karena mba ahazoana fitahiana, na ny marimarina
kokoa dia ny mba hanokafan’Andriamanitra ny varavaran’ny lanitra ary
handrotsahany ny fitahiany eo amin’ny fiainantsika.
Ahoana ny fomba fanaovana izany ampahafolon-karena izany?
Ny fahafolon-karena izany dia tsy inona fa izay vola rehetra niditra
taminao na ohatrinona na ohatrinona no hakana ny ampahafolony, ary atokana ho
an’i Jehovah izany ampahafolony izany: ohatra: raha nahazo vola 10 000 ariary
izany ianao androany dia akanao 1000 ariary izany vola izany ho
ampahafolon-karena ho an’i Jehovah . Raha nahazo 100 000 000 ariary izany
ianao androany dia hakanao ampahafolony izany, izay dia midika fa hoe
10 000 000 ariary izany ny ampahafolon-karena homenao an’i Jehovah .
Levitikosy 23:14 « Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso,
mandra-pahatongan'ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an'Andriamanitrareo;
ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny
amin’izay fonenanareo rehetra. »
Raha ny voalaza eto dia izao: tsy tokony azo akana
ohanina izay vokatra rehetra niakatra raha tsy efa nanaterana fanatitra sy
ampahafolon-karena ho an’Andriamanitra izany. Ary dia ambarany izany fa dia
lalàna mandrakizay ho Azy sy ho antsika hatramin’ny taranatsika mandrakizay
izany. Raha izany ny teny nilazany izany dia azo ambara mazava izany, fa mbola
mihatra amintsika hatramin’izao vaninandro misy izao izany fomba izany, satria
ny fitenenany hoe “ho lalàna mandrakizay ho anareo izany”, dia midika fa
mitoetra foana izany mandrampaha-tapitr’izao tontolo izao. Io izany dia midika
fa tsy misy olona tokony ho afaka hihinana ny karamany raha tsy efa nanomezany
ilay fanatitra sy ampahafolon-karena ho an’i Jehovah izany. Raha hitarina kely
dia izao: tsy tokony ho azo hatao izany ny mitrosa mba ho sakafo, satria efa
mihinana ilay tokony ho vokatrao alohan’ny fotoana sahady ianao raha mitrosa.
Raha nahavita ilay fisaorana Azy isika tamin’ny
fahasoavana izay nomeny antsika, izay mitovy amin’ilay fanatitra haevaheva, ary
ampiharahina amin’ilay ampahafolon-karena dia ho hitantsika miharihary tokoa fa
miasa Jehovah, ho fantantsika fa Andriamanitra velona sy mahagaga no
hinoantsika, ary ho hita soritra mivantana amin’ny fiainantsika andavanandro
tokoa, fa tena ho sokafany ny varavaran’ny lanitra, ary tena ho arovany ny
fihariantsika, ary isika dia ho ataon’ny olona rehetra hoe sambatra.
Ny tsoa-kevitra azo raisina manaraka izany dia izao: Ny
fiangonan’ny olona masina izany, dia manentana ny olona ao aminy hanao sy
hanaja izany fanatitra sy fahafolon-karena tena marina izany.
Matokia an'i Jehovah
Miaro sy
miambina izay rehetra mahatoky Azy Jehovah, ary mampitoby ny anjeliny marobe
manodidina an’izay matoky Azy
Sal 4:8 « Handry
amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’izay, satria Hianao, Jehovah
ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy. »
Sal 34:7 « Ny
Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy. »
Sal 91:11 « Fa Izy
handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao eny amin’izay rehetra halehanao. »
Daniela
6:23 « Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny
vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo
anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho. »
Asan'ny Apostoly 12:11
Isaia 46:4 « Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary
mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo.
Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy
hanafaka. »
Ny tsoa-kevitra azo raisina manaraka izany dia izao: Ny fiangonan’ny olona
masina izany, dia matoky tsy ampisalasalana fa miaro sy mitsimbina ny fiainany
Jehovah, ka dia matoky sy tsy manan-tahotra izy.
Tsy manao sarinjavatra voasikotra na sarin-javatra anidina
Isaia 53:3 « Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny
fahoriana*.[Hebreo lehilahy be
fanaintainana sady fantatry ny faharariana], Ary tahaka izay tsy tian'ny
olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika »
Amin’izao fotoana izao dia maro tokoa ny sary hitantsika eny rehetra eny,
izay lazaina fa maneho ny sarin’ilay Zanak’Andriamanitra. Ireny anefa dia tsy
hananantsika porofo ny fahamarinany, satria tsy olo-malaza izy fa nokilasiana
ho tsinontsinona tamin’izany fotoana izany, ka dia tsy nisy niraharaha hoe
hanao sary hosodoko azy ka hitahiry izany.
Raha ho ahy manokana dia heveriko fa diso ireny sary ireny satria tsy
mifanaraka amin’ny Soratra Masina ilay izy:
Levitikosy 19:27 «Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny
vaokanao.» Raha izany no jerentsika tsara
dia efa azo hitsarana sahady ireny karazana sary izay alefa miparitaka eny
rehetra eny ireny izany ity voasoratra ity. Ka ny azo antoka dia izao, tsara
hety ny Tompo fa tsy mba olona lava volo sahala amin’izay fahitantsika eny
amin’ireny sary ireny.
Mazava izany ny voasoratra eto fa ireo Nazirita dia tsy azo kasihin-kareza
na tapahina izany ny volony fa hijanona ho lava, tsy hihinana izay zavatra vita
amin’ny voaloboka izy, na voany lena na maina, na ny ranony, ankoatra izay dia
tsy hiditra am-paty izy.
Jesosy Kristy anefa dia efa fantatsika fa nihinana ny vokatry ny voaloboka
Izy (Lio 22:15), nikasika ny maty Izy, eny nampitsangana olona tamin’ny maty
aza Izy, na dia i Lazarosy izay efa tao ampasana aza dia mbola natsangany
indray. Noho izany dia tsy Nazirita Jesosy fa Mpisorona, ary
tsy mpisorona tety an-tany fa Mpisorona be any an-danitra Izy. Ka raha
mpisorona Izy dia ho tsara hety, ka aza dia manaiky ho fitahina amin’izany
isika fa hoe lava volo Jesosy, fa aoka ho mpankatoa ny teny isika.
Apok.13:14 – 16 «14 Ary mamitaka izay monina ambonin'ny tany izy
amin'ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason'ny bibi-dia, sady milaza
amin’izay monina ambonin'ny tany koa mba hanao sary ho an'ny bibi-dia, izay
voan'ny sabatra, nefa velona ihany. 15 Ary navela hanisy
aina ny sarin'ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibi-dia, ary hampamono
izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibi-dia. 16 Ary
ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo,
na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany
ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa, »
Raha ny voasoratra anefa raha tena hanaraka ny Soratra Masina isika dia
tsy azo atao mihitsy ireny, satria efa nambarany hatrizay fa mahameloka antsika
ny fanaovana izany fiankohofana sy fivavahana amin’ny sary izany, na voasikotra
io na tsia:
Habakoka 2:18 – 20 «18 Mahasoa
inona ny sarin-javatra voasokitra, no misokitra azy ny mpanao azy? Na ny
sarin-javatra an-idina sy ny mpampianatra lainga, no matoky azy izay namorona
azy tamin'ny nanaovany sampy moana? 19 Lozan’izay manao
amin'ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin'ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra
va ireo? He! Voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, nefa tsy misy
fanahy akory ao anatiny. 20 Jehovah dia ao amin'ny tempoliny
masina; Manginà eo anatrehany, ry tany rehetra! »
Apokalypsy 20:4 «4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka
teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin’izay
notapahin-doha noho ny filazana an’i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay
rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy
nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona
izy ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona.»
Noho izany raha hivavaka ihany dia aleo miankohoka sy mitoky avy hatrany
amin’i Jehovah Andriamanitra Ilay Mpamorona sy Mpahary izao tontolo izao, toy
izay mbola hitady mpanelanelana izay tsy mahasoa akory fa vao mainka mahameloka
antsika.
Ny tenin’Andriamanitra manontolo no mila hiainana raha te ho afaka tokoa ny
olona. Andriamanitra dia tsy mba manana marimaritra iraisana fa efa voalazany
fa, rehefa eny dia eny fa rehefa tsia dia tsia. Rehefa io no didy voalaza dia
tsy azo hovana.
Deoteronomia 4:15 – 20 «15 Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika
akory ianareo tamin'ny andro izay nitenenan’i Jehovah taminareo tao amin'ny afo
tany Horeba;16 fandrao manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra
voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia
sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,17 na sarim-biby izay ety
ambonin'ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin'ny
habakabaka,18 na sarim-biby mandady na mikisaka amin'ny tany, na
sarin-kazandrano izay ao amin'ny rano ambanin'ny tany.19 Ary
andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana
ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin'ny lanitra, dia ho voataona ianao
hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon’i Jehovah Andriamanitrao
ho anjaran'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra.20 Fa ianareo no
nalain’i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin'ny memy fandrendreham-by (dia
avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin’izao anio izao. »
Mazava izany ny voasoratra eto fa ny sary voasikotra rehetra ka natao
hangataham-pitahiana dia tsy azo atao avokoa.
Inona ihany koa ny karazana sarin-javatra voasikotra mety ho hita eo
amin’ny fiainantsika isan’andro sy ny ao anatin’ny tokantrano iray, ka
lasa mitarika ny fisainan’ny olona
hivily hankafia ny zavatra ratsy rehetra?
- Ny fitafiana misy sary manindraindra olona na mariky ny bibidia, sary tsy
maontina, sary mampatahotra, izay mitovy amin’ny fiankohofana eo anatrehan’ny
ratsy satria fanindrahindrana an’i Satana ireny.
- Film ratsy rehetra (na feno herisetra, na mampianatra hangalatra, na
mandefa ireo hafatr’i Satana rehetra, ireo horonan-tsary mampiseho
fahavetavetana, na toetra tsy mendrika na tsy maontina rehetra, horonantsary
mampiseho asan’ny Satana, horonantsary mampitahotra sns…)
- Hira tsy manome voninahitra an’Andriamanitra, sy mampiseho dihy
mampihetsika na mandranitra ny filan’ny nofo, ary koa mampiseho fitanjahana.
- Ny karazan-kaingo, mirandrambolo, firavaka volamena
1 Petera 3:3« Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo
sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; »
-
Ny fijejojejoana
1 Petera
4:3 « Fa ampy
izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana
tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny
fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy
izay fady indrindra; »
2 Petera
2:18 « Fa mandoka
fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan'ny nofo, dia ny fijejojejoana, no
entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny
fahadisoana intsony*;»
(Joda 4, Marka 7:22, Mat. 9. 3, Romana
13:13, II Korintiana 12:21, Galatiana 5:19,
Deo 22:5)
Ny
tsoa-kevitra azo raisina manaraka dia izao: Ny fiangonan’ny olona masina izany,
dia mandefa ny fivavahany mivantana
mankany amin’ny Ray ary atao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy irery ihany izany,
fa tsy mila mpanelanelana hafa, ary tsy manisy sy mampiranty sarin-javatra
hiankohofana ao am-piangonana.
Tsy hanisy tombo-kavatsa na
« tatouage » amin’ny tenantsika
Ny
tsoa-kevitra azo raisina manaraka dia izao: Ny fiangonan’ny olona masina izany,
dia manentana ny mpino ao aminy hanala ireny tombokavatsa ireny amin’ny vatany.
Eo ihany koa ny fanalana ny sarisary rehetra ao amin’ny fiangonana satria
endriky ny tombokavatsa ao anatin’ny tempoly ihany koa izany.
Famintinana ny antsoina hoe fiangonan’ny olona masina
Misy maromaro ireo fepetra izay efa hitantsika teo aloha
raha hamaritra izany antsoina hoe fiangonan’ny olona masina izany isika .
Ny fiangonan’ny olona masina izany dia:
-
Manaja sy mitandrina
ireo andro Sabatan’i Jehovah amin’ny fotoany avy hivavahana aminy;
-
Mahavita miankohoka
eo anatrehany ary manetry tena, sy
manome voninahitra an’i Jehovah;
-
Manantona an’i
Jehovah amin’ny fihaingoana masina ; Mahavita manaja ny fitafiany :
·
Hanao fitafiana
mendrika sy maontina ary amin’ny fahononan-tena ny vehivavy, tsy hiravaka volamena
na vatosoa, tsy hirandram-bolo na hanapa-bolo fa hitoetra hitondra ny volony
lava.
·
Ny lehilahy kosa dia
tsy hanao fitafiam-behivavy, fa hanao fitafiana mendrika sy maontina, hanao
kalisaona fotsy hanarona ny feny hatramin’ny valahiny, tsy hanaratra ny lohany
na ny sisim-bolon-dohany, na hanao lava volo, fa hanapaka tsara ny volony hanao
tsara hety.
·
Raha ny eto amintsika
izany dia tsy tokony hipataloha ny vehivavy, satria efa neken’ny fiarahamonina
fa ho fitafin’ny lehilahy ny fanaovana pataloha; ary tsy tokony hikavina sy tsy
hanao zipo ny lehilahy, satria efa natokana ho an’ny vehivavy izany.
- Tsy hikiraro ny kristiana raha ao am-piangonana izy, satria tany masina io
toerana io, ao no ihaonany amin’i Jehovah;
- Misaron-doha ny vehivavy ao ampiangonana satria hivavaka sy mety haminany
izy ireo ao, ary ny lehilahy kosa dia tsy mba hisaron-doha na hisatroka;
- Midera an’ilay Jehovah mpahary ny lanitra sy ny tany, amin’ny hira sy ny
zava-maneno rehetra, amin’ny dihy sy ny tehaka, ary amin’ny horakoram-pifaliana
satria mpandresy;
- Mahavita misaotra Azy amin’ny fony rehetra, ary amin’ny zavatra rehetra, na
inona na inona miseho;
- Tsy ahitana vehivavy hampianatra na hitory teny na hitari-bavaka ao
ampiangonana, raha misy lehilahy mivavaka ao;
-
Manana mpisorona na
mpitondra fivavahana matahotra an’i Jehovah, ary mandeha amin’ny fahamarinany. (mankatoa
ny didy sy ny fitsipiny);
-
Mihezaka ny manamasina ny fanahiny tsy
voaloto, na amin’ny fanao na amin’ny fihinana, satria hivavaka amin’ny fanahy
sy ny fahamarinana izy
- Tokony ary tsy maintsy miantso fifadian-kanina ho an’ny mpino ao aminy;
- Manentana ny olona ao aminy hanao sy hanaja izany fanatitra sy
fahafolon-karena tena marina izany, mba tsy handroba an’i Jehovah;
- Matoky tsy ampisalasalana fa miaro sy mitsimbina ny fiainany Jehovah, ka
dia mino sy tsy manan-tahotra izy;
- Mandefa ny fivavahany mivantana mankany amin’ny Ray, ary atao amin’ny
anaran’i Jesosy Kristy irery ihany izany, fa tsy mila mpanelanelana, ary tsy
mitady sarin-javatra hiankohofana;
- Manentana sy manampy ny mpino ao aminy hanala ireny tombokavatsa ireny
amin’ny vatany.
Ireo no fepetra na ny maridrefy entina mandrefy ny
fiangonan’ny olona masina, ka ny fanontaniana mipetraka dia hoe efa tena ao
anatin’izany maridrefy izany tokoa ve ny fiangonana misy anao? Raha eny ny
valiny dia tohizo izany fa izay ilay maridrefy takiany, fa raha tsia kosa dia
anjaranao no misafidy izay lalana hizoranao. Raha tanteratsika kosa izany
fepetran’ny fiangonan’ny olona masina rehetra izany dia izao no ambarany: «8 Fa raha izany, dia hiposaka
tahaka ny fahazavan'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny
fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr’i Jehovah
ho vodi-lalanao 9Ary amin’izany dia hiantso ianao, ary Jehovah
hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha
esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan'ny fanondro sy ny
fitenenan-dratsy, 10 Ary afoinao ho an'ny noana izay
hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin'ny maizina ny
fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana; 11 Ary
Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin'ny
tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha
vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety
ritra. 12 Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela,
ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe
mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany. 13 Raha
miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin'ny
androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin’i
Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy* ary tsy mandeha
amin'ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana, 14 dia
hiravoravo amin’i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny
tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan’i Jakoba rainao; Fa ny vavan’i Jehovah
no efa niteny. » Isaia 58:8 – 14