Hafiriana marina ny asa famoronana ?

 

Hafiriana marina ny asa famoronana ?

Ahoana marina ny momba an’io andron’ny famoronana io ? moa ve dia tena 24 ora arabakiteny tokoa ve io ?

Ekena tokoa fa nilaza i Mosesy izay fantatsika fa nanoratra ny bokin’ny Genesisy, fa ny andro izay manaraka ilay enina andro famoronana dia tena ohatra velona amin’ny fanajana ny sabatan’i Jehovah. « Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito ; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. » (Eksodosy 20:11) dia lasa nihevitra ny maro fa tena 24 ora ara-bakiteny tokoa io fotoana io.

Moa ve tena manohana izany tsoa-kevitra na teny izany tokoa ny firafitry ny teny voasoratra ao amin’io Genesisy io ?



Ny valiny dia TSIA avy hatrany. Raha tena apetraka tsara ny dikan-teny Hebreo izay hilazana io andro io, dia mety hilaza, na midika ihany koa hoe fotoana lava fa tsy voafetra ho 24 ora izy io. Raha handray ohatra ny amin’izany isika dia izao no azo lazaina : raha namintina ny asa famoronana izay nataon’Andriamanitra tao anatin’ny enina andro i Mosesy, dia tsy nilaza isan’andro ho enina fa nilaza ny asa famoronana rehetra toy ny vita tao anatin’ny andro iray (vakio ny Genesisy 2 :4 – 25).

Ankoatra izany, nandritra ilay andro voalohany tamin’ny asa famoronana, «Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro ; ary ny maizina nataony hoe alina.» (Genesisy 1:5). Eto ilay teny hoe « andro » voaresaka eto io, dia tsy mamaritra hafa tsy ampahana fotoana ao anatin’ilay 24 ora ihany, ary noho izany dia tsy misy na dia teny iray aza ao anatin’ny soratra masina na ny Baiboly mandika, na manohitra fa ilay andro enina nanaovana ny asa famoronana dia andro nisy 24 ora.

Kanefa, ahoana marina ary ? hafiriana tokoa ary no nisian’io asa famoronana io ? ny Baiboly dia tsy namaritra mazava an’izany ; fa ny mifanohitra amin’izany no hilazany azy. Ilay fomba filaza ilay andro famoronana ao amin’ny Genesisy toko voalohany, sy ny faharoa dia mampiseho fa izany fotoana famoronana izany dia niseho nandritra ny fotoana maharitra.

Andeha ho jerentsika ireo fotoana enina nanaovana ny asa famoronana izany mba hanamporofontsika an’izany.

Ireo fotoana enina nanaovana ny asa famoronana

I Mosesy dia nanoratra an’io boky Genesisy io tamin’ny teny Hebreo, ary tamin’ny fomba fijerin’olombelona no nanoratany an’izany. Misy zavatra lehibe roa nasehony eo amin’io boky fiandohana io , kanefa mifameno izy roa ireo:

- Ny voalohany dia ilay faharian’ny tany sy ny lanitra talohan’ny niatombohan’ilay fotoana famoronana voalohany, na ilay andro voalohan’ny famoronana. Izany hoe nisy fotoana lavabe mihitsy izany teo efa nisian’ilay lanitra sy ny tany mialoha ilay andro voalohany niantombohan’ny asa famoronana

- Ny faharoa kosa dia ilay andro famoronana mihitsy, ilay vita tao anatin’ny enina andro izay efa fantatsika loatra.

Ilay andro tamin’ny asa famoronana izany amin’ny ankapobeny dia manalefaka ilay toa fifanoherana misy tamin’ny asa famoronana sy ilay andro tany aloha namoronana ny tany sy ny lanitra.

Ahoana angaha izany hoy isika ?

Rehefa tena halalinintsika sy jerentsika tsara izay voasoratra ao amin’io bokin’ny fiandohana io, dia mampiseho, fa io asa famoronana io dia nanomboka tamin’ny andro maromaro eo alohany, ary arahina andro marobe avy eto aoriny. Sarotsarotra kely ny manazava azy eto fa andeha isika haka ohatra kely dia ho azontsika ihany ny tiana ambara :

- Raha mbola tsy nanomboka akory ilay andro voalohany tamin’ny famoronana, dia efa niala na niainga avy amin’ny masoandro sahady ilay hazavana (izany hoe efa nisy sahady izany ny masoandro) fa saingy tsy tonga tety ambonin’ny tany mihitsy izany hazavana izany. Angamba noho  ny rahona be ve sa zavona  matevina? Sa noho ny vovoka be sy setroka ary lavenona nanidina teto ambonin’ny tany ? « Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony, » (Joba 38:9) Fa saingy rehefa tonga ilay andro voalohany tamin’ny famoronana dia nanomboka niala tsikelikely io zavatra nanakona io, ary dia tafiditra teto amin’ny atmosfera niainantsika ilay tara-pahazavana. Izany tranga izany dia mitovitovy amin’ireny rahona matevina ireny rehefa ho avy ireny ny orana, fa lasa maizina tampoka eo ny andro, na ihany koa rehefa misy doro-tanety goavana miseho dia maizina ny andro, na ihany koa rehefa misy tempète de sable

- Ny andro faharoan’ny famoronana indray kosa dia nitohy ilay fahadiovan’ny habakabaka, ary dia nihanisaraka tsara mihitsy ny ranomasina sy ny habakabaka.

- Ny andro fahefatra dia nitohy nihanazava ny habakabaka, ary dia hita niseho teny amin’ny habakabaka ny masoandro sy ny volana «14 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fahazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina ; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo. 15 Ary aoka ho fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin'ny tany ; dia nisy izany. 16 Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina sy ny kintana. » (Genesisy 1:14 - 16).

Raha fintinina amin’ny teny tsotra ilay izy dia izao : na tiantsika na tsy tiantsika dia tazana na niseho tsikelikely tety ambonin’ny tany ilay masoandro sy ny volana fa tsy avy hatrany dia napetraka teo toy ny takamoa, na ny « ampoule ». Izany hoe tany amin’ny andro voalohany dia « ‘ôr » no teny Hebreo nentina nilazana ny hazavana, ary izany dia midika ho hazavana amin’ny ankapobeny fotsiny ; fa rehefa tonga aty amin’ny andro fahefatra izy dia « ma’ôr » no teny hebreo nentina nilazana ny hazavana, izay midika fa ilay loharanom-pahazavana mihitsy no tiany hasongadina eto.

- Ny andro fahadimy kosa dia voalaza fa nohariana ny zava-mananaina manidina rehetra, na bibikely io, na vorona, sns… Ny zavatra voasoratra ao amin’ny Baiboly anefa dia tsy mandà na manohitra velively ny mety ho fitohizan’ilay famoronana any amin’ny andro manaraka. Ohatra hoe: any amin’ny andro fahenina izy rehefa avy namorona ny olombelona, dia milaza fa hoe: Genesisy 1:28 « Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy ; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany. » izany hoe fanombohana ihany izany no niseho eo amin’ireo andro famoronana voatendry ireo, fa ny azo antoka dia mbola nitohy tamin’ny andro manaraka ilay famoronana. Tsy midika mihitsy izany fa hoe niova ilay karazana nohariana ka ho lasa karazan-java-mananaina hafa ilay izy. Andriamanitra tsy namorona ny karazan-java-mananaina avy tamin’ny fiovana, fa nohariany araka ny karazany avy ny zava-maniry, na ny zava-mananaina rehetra misy (Genesisy 1 :11, 12, 20 – 25).

Ny fanadihadiana farany indrindra nataon’ireo manampahaizana ao anatin’izao taonjato farany izao, dia manamafy fa ny zava-mananaina rehetra na biby na zava-maniry dia nitombo araka ny karazany avy, fa tsy niova na ho namorona karazany hafa. Ary ny zavatra tena mahagaga dia ireo zava-mananaina rehetra noforonin’Andriamanitra ireo, dia tena efa voalahatra sy voarindrany araka ny toerana na ny tontolo misy azy avy. Izao koa anefa : ny Baiboly dia tsy mba nametra mihitsy hoe ireto karazany ireto dia tsy mahazo mandeha na makaria amin’ny toerana ohatra izao. Tsy miresaka an’izany mihitsy ny Baiboly, fa ny voalaza ao dia izao : «mitomboa ka mamenoa ny tany». Ny vokatry ny asa fikaroana marobe izay nataon’ireo manampahaizana dia mampiseho fa tena tsy misy, na kely dia kely, ny fiovana nisy teo amin’ireo zava-mananaina efa maty ka lasa karana, na « fossiles » izay niaina tany amin’ny taon-jato marobe tany aloha, kanefa mbola misy velona amin’izao fotoana izao.

 

Raha tsorina izany dia izao :

- Tsy mampianatra antsika mihitsy ny bokin’ny fiandohana na ny Genesisy fa hoe izao tontolo hiainantsika izao, (tafiditra ao anatin’izany ny tany sy ny lanitra, sy ireo zavaboahary rehetra ao anatiny) dia noforonina tao anatin’ny fotoana fohy. Ny mifanohitra amin’izany aza no izy, satria dia mifandrindra sy mifanaraka tanteraka amin’ireo vokam-pikaroana maro izay vao hita tsy ela avokoa izay voalaza ao amin’io boky fiandohana io

- Noho ny faharesen-dahatr’ireo manampahaizana sy ny foto-kevitra filozofika izay hijoroany, dia lasa tsy mino ny Baiboly intsony izy ireo, indrindra indrindra ilay voasoratra ao amin’ny Genesisy.

- Izao anefa no fanamarihana misy : nanoratra ny Genesisy i Mosesy ary nasehony fa nisy famoronana nandeha isan’ambaratongany izay niseho tao, ary izany dia niseho nandritra ny fotoana naharitra. Io bokin’ny fiandohana io dia efa nisy nosoratany tany amin’ny manodidina ny 3500 taona lasa tany ho any izany hoe (-1400 AV JC). Dia tena tsy nanaitra anao ve ny fahitana ireo filaharan’ny famoronana izay notanisain’ny mpamorona tao anatin’izany boky izany ? Avy taiza moa i Mosesy no nianatra?, na nanovo fahalalana avy taiza izy! no mahafantatra izany filaharan’ny famoronana izany, izay tena mifanaraka tsara mihitsy amin’ireo vokam-pikarohana avo lenta izay navoakan’ireo manam-pahaizana marobe izay mpandinika ny tany! Sa ve ireo manampahaizana ireo no naka tahaka izay voasoratra ato amin’ny Baiboly? Satria dia tena mifanaraka tsara tokoa izay voalazan’i Mosesy sy ireo manampahaizana. Raha izaho manokana aloha dia tsy manana valin-teny azo aroso hamaliana an’izany fanontaniana izany hafa tsy ny hoe: “Ilay Mahery indrindra, Ilay Tompon’ny

famoronana, Ilay Tsitoha izay Nahary ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy”, no nifampiresaka sy nampita tamin’i Mosesy izany fahalalana avo lenta sy efa lasa lavitra dia lavitra izany, ka voaporofon’ny siansa fa marina ny filaharan’ny asa famoronana. Ny fahatsapana izany rehetra izany no miverina manome lanja indray ny Baiboly na ny Soratra Masina, ary ahatsapan’ny tsirairay fa nisy tokoa ny Mpamorona.

Izao no voalazan’ny 2 Timoty 3:16 « Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresendahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, »

Io voasoratra an-tsary io ny asa famoronana hitan’ireo mpandinika sy manampahaizana nisy teto ambonin’ny tany. Io vokatry ny fikarohana io dia eken’ny be sy ny maro mpandalina ny siansa amin’izao taonjato misy antsika izao fa marina.

Raha araka ny ahitantsika azy amin’ny sary izao dia izao no azo ambara : noforonina aloha ny tany, dia avy eo vao nisy ny hazavana, avy eo dia mbola voasaron’ny rano ny tany ary dia mbola ny tany anaty rano ihany no nisy zava-mananaina voalohany, avy eo dia nisintona ny rano ka nanjary nisy tany, ary dia nisy ny zava-maniry nitsimoka teo amin’ny tany, dia avy eo dia nisy ny biby manidina ary farany dia ny zava-mananaina rehetra samy araka ny kazarany avy dia ireo biby lehibe, biby mampinono, biby mandady, sy ireo gidro maro isankarazany. Tsy mifanalavitra mihitsy amin’izay fanambarana nataon’i Mosesy izany, fa tena mifameno mihitsy aza. Raha aseho antsika atao tabilao izany dia izao no azo ambara :




Eny Jehovah tokoa no nanao sy nahary ny lanitra sy ny tany, sy izay rehetra ao aminy, ary asan’ny tanany izany rehetra izany, dia tao anatin’ny enina andro no namoronany izany tany izany.

 

Enina andro ve nahavitana an’izany?

- Mbola famoronana nataon’Andriamanitra eto no resaka, ka noho izany dia ny indray andro amin’Andriamanitra izany, no resahina . « Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo : ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. »2 Petera 3:8. Izany hoe raha miresaka izany Izy eto, amin’ny maha Andriamanitra Azy, fa hoe enina andro no nanamboarany ny lanitra sy ny tany, dia midika avy hatrany izany fa, 6000 taona izy io raha ara-baiboly,

Genesisy 1:1 – 3 « 1 [Ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao] Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana ; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano. 3 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava ; dia nisy mazava. »

Teny no fitaovana nampiasain’Andriamanitra, raha namorona izao rehetra izao Izy. Izany teny izany dia hanehoany ny fahefana lehibe ananany, satria Izy no Mpamorona izao tontolo izao ; tsotra no nilazany izany, ary araka izay nitiavany Azy no nanaovany azy :

Ø   Misia mazava, dia nisy mazava. Andro voalohany izany. Jereo (Genesisy 1 : 3)

Ø   Misia habakabaka, dia nisy ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny rano ambonin'ny habakabaka ; dia nisy izany. Ary Izy nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany. Jereo (Gen1:6 - 8)

Ø   Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka hiangona ny rano eny ambanin'ny lanitra ho eo amin'ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina ; dia nisy izany. Ny maina nataony hoe tany ; ary ny rano tafangona nataony hoe ranomasina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin'ny tany ; dia nisy izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina, andro fahatelo izany. Jereo (Genesisy 1:9 - 13)

Ø   Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fahazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina ; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo. (masoandro sy ny volana ary ny kintana no tiany ho lazaina eto) Ary aoka ho fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin'ny tany ; dia nisy izany. Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina sy ny kintana. Ary Andriamanitra nametraka azy teny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin'ny tany, sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. Andro fahefatra izany. Jereo (Genesisy 1:14 - 19)

Ø   Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan'aina ; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra. Ary Izy nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manan'aina mihetsiketsika rehetra, izay efa betsaka ao amin'ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voro-manidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary Izy nitso-drano azy hoe: Maroa anaka sy mihabetsaha ary mamenoa ny rano ao amin'ny ranomasina ; ary aoka ny vorona hihamaro eny ambonin'ny tany. Andro fahadimy izany. Jereo (Genesisy 1:19 - 23)

Ø   Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan'aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy ; dia nisy izany.

Ø  Fa rehefa tonga teo amin’ilay famoronana lehibe sy fara-tampony Izy, dia tsy teny tamin’ny alalan’ny “TENY” irery intsony no nanaovany izany fa nampiasa ny tanany Izy, ary izany no mahatonga io famoronana io ho niavaka sy tena lehibe.  Ary Izy nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. Ary Izy nahary ny olona ho lahy sy vavy tahaka ny endriny, avy amin’ny fotaka novolavolainy sy nasiany fofonaina avy amin’ny vavany no nahariany azy. Ary Izy nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy ; ary manjakà amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany. Andro faha enina izay. Jereo (Genesisy 1:24 – 28)

Ø   Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy. (Genesisy 2:1) Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony ; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony. (Genesisy 2:2) Mazava tsara izany ny teny voasoratra eto, ary tokony ho tsapatsika ny halehiben’ny fahefana sy ny hery, ary ny voninahitry Jehovah. Ireo no voasoratra hatrany ampiandohana, eny mbola talohan’izay mety ho adi-hevitra niseho rehetra dia efa nipetraka mialoha, izay fisehoan’ny asa famoronana izay. Lehibe sady mahatalanjona izany, satria na ho inona fahaizantsika olombelona na inona, dia tsy hahavita na dia ny singa faran’izay kely indrindra tamin’ireo zava-boaharin’Andriamanitra ireo isika.

 

Ø  Mandroso ny siansa ankehitriny, ary tsy misy tsy miaiky an’izany ny olombelona rehetra, indrindra fa tato anatin’ny taonjato faha 20 sy faha 21 ity. Kanefa ny fanontaniana apetrako dia izao hoe: moa ve efa afaka namorona zava-manan’aina mitokana ho azy ny manampahaizana iray, ka tsy miainga amin’ireo zava-boahary efa noforonin’Andriamanitra? Ohatra hoe: hazo fihinamboa iray, na koa biby iray, sns...  Ka ireo dia misy aina ao anatiny, afaka mitombo, afaka manaranaka, afaka manome vokatra (voankazo sns…)!! Ny valiny dia ny hoe tsy misy!! Tsy misy na dia mihezaka mafy mikaroka an’izany aza ny olombelona ; fa ny hany vitany hatreto dia ny famoronana miainga amin’ny sela efa misy toy ny “clônage” izany. Noho izany dia marina hatrany ary mitoetra mandrakizay ny hoe: Mpamorona ny zavatra rehetra Jehovah, Izy no tompon’ny fahefana rehetra, ary mbola Izy ihany koa no mandidy ny zavatra rehetra. Ka na ho inona na ho inona ny fahaizan’ny zanak’olombelona dia tsy ho tonga amin’izany asa famoronana hitovy amin’ny vitan’Andriamanitra izany mihitsy isika olombelona.