Finoana roa samy hafa

  Amin’izao vaninandro hiainantsika izao, asa na noho ny fandrosoana efa tena lasa lavitra, ka hiheveran’ny olombelona fa tena any amin’ ny fanamperan’ny fahaizana izy na ahoana, fa dia tsy vitsy no mihevitra fa rediredy, sy hevitra manidintsidina ny fisian’ilay Jehovah Andriamanitra izay nanao ny tany sy ny lanitra. Dia maro no tsy te hahalala ny fisiany fa dia mihezaka ny mitady fanazavana izay tranga rehetra misy, ka hanamarinany ny fomba fijeriny. Ao no mihevitra fa ny fiforonan’ny tany sy ny lanitra dia tsy avy amin’izany Jehovah izany, fa vokatry ny fiovaovan’ny zava-boahary teto an-tany, ka hametrahan’izy ireo ohatra, fa ny zava-mananaina teto an-tany dia niainga avy tamin’ny razambe iray ary dia niovaova ka nivadika ho gidro na rajako,ary dia nifarana ho olombelona.



Ny mahagaga sy mahazendana ny amin’io fomba fijery iray io anefa dia izao, rehefa tonga ho olombelona ve izany ny gidro dia ho nijanona teo ilay fiovana niseho ? tsy tokony ho mbola niova zavatra hafa indray ve izany  ny olombelona, ka raha toa ka hoe ilay gidro nanjoko sy kely handrina kely iny, no nivadika ho afaka nijoro tsara sy niha-nandroso ny handriny, ary nivelatra ny atidohany ka tonga olombelona, dia tsy tokony ho efa niova ho be tapikandrina be ve izany ny olombelona, ary mety ho efa nisy zavatra hafa mihitsy efa niseho teo ? dia anjarantsika ny miheritreritra an’io. Fa ny azo antoka dia izao : nisy Mpamorona na Mpahary tao ary araka ny karazany avy no nahariany izany zava-boahary izany. Anisan’izany ny olombelona izay nataony ho asa-tanany farany tamin’ny andro fahenina, ka noho izany dia tsy hisy intsony izany ny mety ho fiovan’izany olombelona izany ho zava-boahary hafa indray, satria nohariany ho tahaka ny endrik’Ilay Mpahary isika.

Andeha hiarahantsika mijery sy hoporofointsika araka ny Baiboly fa misy Jehovah Andriamanitra ary Izy no Mpamorona izao tontolo izao, Azy izao rehetra izao, ary dia Izy no mbola Mpanjakan’izao rehetra izao. Izy no Mpamorona, ary Izy koa no efa nanambara izay rehetra hiseho hamaranany ny fisian’izao rehetra izao. Dia nametraka ny fepetrany sy ny lalànany Izy hatrany ampiandohana, ary mbola ho hajain’izay rehetra mino Azy hatramin’izao fotoana hiainantsika izao, raha toa ka tena te-hanaraka ny sitrapony, ary dia Izy no homba sy hitahy ireo izay tena mahatoky Azy.

Ny azo ekena sy misy dia izao, misy hery roa mifanohitra na mifanandrina eto amin’izao tontolo hiainantsika izao :

Ho an’ny mpandalina ny siansa dia mino fa rehefa nisy ny tendro miiba na (pôle négatif) dia tsy maintsy ho nisy ny tendro nifanohitra tamin’izany dia ny tendro miabo, na (pôle positif)

Amin’ny fiainantsika andavanandro kosa dia rehefa nisy ny vehivavy, dia ho tsy maintsy ho nisy ny lehilahy ; rehefa nisy ny lanitra dia ho tsy maintsy nisy ny tany, ary farany raha misy ny herin’ny maizina izay avy amin’ny devoly sy Satana ankilany, dia ho nisy ny herin’ny mazava na ny avy amin’ ilay Mpahary sy Mpamorona izao rehetra izao dia Jehovah Andriamanitra Ray andaniny. Noho izany dia misy ady miseho hatrany isan’andro eo amin’ny fiainantsika, misy fifandroritana miseho ao. Ny iray misarika antsika hanao ny ratsy, eny fa na dia manana fikasana hanao ny zavatra tsara aza isika dia mbola misy sy miseho hatrany izany, satria tsy sitraky ny ratsy ny andehanantsika amin’ny làlan’ny fahamarinana na ny fanarahana ny sitrapon’i Jehovah Andriamanitra. Ny hery faharoa dia ilay hery manainga antsika hanao ny tsara sy ny soa eo amin’ny fiainantsika mba handeha hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra isika ka ho velona.

Ahoana no ahazoantsika manamporofo, fa misy ireo hery roa ireo?

Eo amin’ny fiainantsika andavanandro dia mizara roa ny hery itokian’ny olombelona hametrahany sy hanankinany ny fiainany:

  • -       Ny voalohany dia ny mitoky amin’ilay ratsy, mangatam-pitahiana sy manompo sampy amin’ny endrika maro samihafa. Ary rehefa manaraka ny fombafomba maro isan-karazany atao any dia toa mahazo fitahiana tokoa: ao ny mahazo volabe, na harena be, ao ny mahazo fitondrana, ao ny mahazo hery ahafahany mamosavy, avy eo manasitrana, sns. Kanefa izany dia tsy maharitra fa mandalo ihany. Iray toerana amin’io ihany koa, ireo izay milaza fa mitoky amin’ny heriny sy ny tanjany ary ny fahaizany, ka tsy miraharaha izay Andriamanitra any fa vitany amin’izao ny fiainany.

 

  • -       Ny faharoa kosa dia ny fametraham-pitokisana tanteraka amin’ilay Jehovah Mpamorona izao rehetra izao: Izy koa mba manana ny zavatra takiany sy angatahiny, mba ho hajaintsika sy ankatoavintsika amin’ny fiainantsika isan’andro, ahazoantsika an’ilay firaisana betsaka amin’ Andriamanitra. Izany hoe raha tsorina izany dia ho tena lasa ankohonany mihitsy isika, raha tena mitoky aminy, ka manjary Izy no hiahy sy hiady ho antsika fa isika kosa hangina, ary dia handray ny fitahiana sy fiarovana avy Aminy.

Hery roa tsy afa-miaraka ireo, fa na ilay olona manankina ny fiainana manontolo ho eo an-tanan’i Jehovah dia manao ny sitrapony, ary mankahala ny ratsy; na  manaraka an’ilay ratsy, dia devoly sy Satana izany, dia mankahala ny fiarahana amin’i Jehovah Andriamanitra, na ihany koa mampirafy, izany hoe: mitoetra eo anelanelany, ka sady milaza fa manompo an’i Jehovah no manao ny sitrapon’i Satana.

Ny tena mahatonga ny maro hiheritreritra amin’izao fotoana hiainantsika izao fa hoe: tsy misy intsony izany Jehovah Andriamanitra izany, dia noho ny fahatsapany fa na dia miezaka ny mivavaka sy manantona an’Andriamanitra aza izy ireo, dia toa aina very maina fotsiny ihany, satria toa tsy mba mahita izay valim-bavaka mihitsy. Toy ny miresaka amin’ny zavatra tsy misy ny tsirairay. Eo ihany koa ny fahitana, fa toa ireo olona tsy mpino na ireo izay tsy mba mivaky loha amin’izany fivavahana izany indray, no hita sy tsapa fa toa mahazo ireo fitahiana izay mba handrandrain’ireo izay mihezaka ny mivavaka, hany ka lasa kivy ny rehetra.

 

Ahoana ary? Inona no atao?

Jaona 17:3 « Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. »

Samy mitady sy mikatsaka izany fiainana mandrakizay izany avokoa ny tsirairay izay mivavaka na inona ny finoana misy azy, na inona (kristiana ve sa mizolmana, sa mivavaka amin’ny sampy, sns). Voalaza mazava tsara izany eto, fa misy fanalahidy roa lehibe ny famahana ny varavaran’izany fahazoana ny fiainana mandrakizay izany. Ny fanalahidy voalohany dia ny fahafantarana an’Ilay Jehovah Andriamanitra tokana sady marina, ary ny fanalahidy faharoa kosa dia ny fahafantarana an’i Jesosy Kristy izay zanany. Ka eto amin’ny fanadihadiana rehetra atao ato anatin’ity boky ity izany dia ho hezahintsika ho fantarina ato io Jehovah Andriamanitra io, sy ny fahamarinany, mba hahazoantsika sahady ny fanalahidy voalohany amin’izany fiainana mandrakizay izany; ny fanalahidy faharoa kosa dia ho hitantsika ao amin’ilay boky faharoa izay mitondra ny lohateny hoe “Iza moa i Jesosy Kristy?” 

Noho izany antony rehetra izany, no nampirisika ahy hanoratra ity boky ity, mba hitondrana izay fanazavana rehetra azo ho entina, manoloana ny tena fahafantarana ilay Jehovah Andriamanitra tokana sady marina, sy ny mba hanokafana ny fomba fijerintsika handray ilay fanalahidy voalohany ho amin’ny fiainana mandrakizay izany.

Ho fantarintsika eto ny momba ireto:

  •           JEHOVAH : Misy ve sa tsy misy izany ; Inona no asany?
  •           RAY : Nahoana Izy no antsoina hoe Ray?
  •      MAHERY : Nahoana no antsoina hoe Mahery Izy? Inona no andrefesana ny heriny?