Mifanohitra ve ny Siansa sy ny Soratra Masina?

 

Tena mifanohitra tokoa ve ny Siansa sy ny Soratra Masina?

Maro no mihevitra an’izany, fa tena tsy mifanaraka tokoa ny siansa sy ny soratra masina. Andeha ho hadihadiantsika ato fa tsy marina sy tsy mitombina izany fomba fijery sy fisainana izany, satria ny fifanoherana izay misy, dia lasa nitranga noho ny fomba fijery tsy dia nazava loatra teo amin’ny fandinihana ny soratra masina sy ny vokatry ny siansa. Moa ve marina zato isan-jato ireo mpandala ny siansa izay miezaka ny mitondra ireo vokam-pikarohany maro hanaporofoany fa efa an-tapitrisany taona ny tany, ary efa nisy zava-mananaina maro efa niaina teto an-tany tamin’izany fotoana izany, ka mandiso ny soratra masina sy ireo mpino kristiana izay mitana ilay foto-kevitra hoe: vitan’Andriamanitra tao anatin’ny enina andro avokoa ny zavatra rehetra (ka ny iray andro resahiny amin’izany dia 24 ora), ary izany asa famoronana izany hoy izy ireo dia niseho tamin’ny manodidina ny 10 000 taona lasa izay.
Raha toa ka toy izany tokoa ny fomba fijerin’ny kristiana dia tena ho voahozongozona tokoa ilay maha-fahamarinana ny Baiboly, satria efa voaporofo fa efa nisy aina niaina tokoa teto an-tany nandritra ny fotoana lavabe (efa mihoatra ny 4 000 000 000 taona lasa izay).Raha tena dinihantsika tsara anefa ny soratra masina dia tsy manohatra velively izany tsoankevitra izany mihitsy izy. Satria raha toa ka tsy mahay mandinika tsara izay voasoratra ao amin’ny Baiboly isika, dia ho arodan’ireo vokam-pikaroana maro isan-karazany izay hitan’ny siansa tato anatin’ny zato taona farany tokoa io Baiboly io. Kanefa rehefa tena fakafakaina tsara, sy tena alalinina tsara ny fomba fijery, dia tena hita sy tsapa fa tsy mifanohitra velively ny siansa sy ny soratra masina, fa vao mainka aza mifanohana sy mifanazava. Dia mitombina sy marina araka izany ny tenin’Andriamatoa Albert Einstein milaza fa : « ny siansa tsy misy finoana an’Andriamanitra dia mandringa, ary ny finoana an’Andriamanitra tsy misy siansa kosa dia fahajambana ». Andeha ho jerentsika sy ho fakafakaintsika mazava tsara izay ambaran’ny soratra masina.
1.1.1Ny « fiandohana » oviana izany no niseho ?
Tsotra nefa mafonja no hilazan’ny bokin’ny Genesisy an’izany fiandohana izany : «Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. » (Genesisy 1:1) Ny mpandinika ny soratra masina maro dia samy manaiky hatramin’izao fotoana hiainantsika izao, fa milaza asa hafa ankoatra ireo asa famoronana voalaza fa nataon’Andriamanitra tao anatin’ireo enina andro nanaovany ireo famoronana rehetra izay hitantsika fa manomboka eo amin’ny andininy fahatelo eo amin’io Genesisy toko volohany io teny voalohany hita eo io. Raha io teny fampidirana eo amin’ny (Genesisy 1:1)
« [Ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao] Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. » io no jerena sy dinihina tsara dia izao no azo tsoahina : tsy misy fotoana voalaza na voatondro io namoronana ny tany sy lanitra io, izany hoe: efa noforonina sy nisy nandritra ny fotoana ela tsy voafetra talohan’ny asa famoronana izany ny tany sy ny lanitra. Izay no mahatonga ireo manampahaizana mpandinika ny toetry ny tany (géologues) hilaza fa efa nisy 4 000 000 000 taona tany ho any no nisian’ny tany, ary vao mainka aza moa be lavitra noho izany no ambaran’ireo mpandinika ny habakabaka, ka hilazan’izy ireo fa efa nisy 15 000 000 000 taona no nisian’ny tany.
Ka moa ve izany filazana taona mielanelana be izany, no hilazantsika fa mifanohitra amin’izay voalazan’ny Baiboly ny voalazan’ny siansa ? TSIA, tsy azo handisoana ny Baiboly izany, fa avereno jerena tsara ny voalazan’ny Baiboly fa tsy milaza fotoana na taonan’ny lanitra sy ny tany mihitsy izy ao amin’io (Genesisy 1:1).
Andeha ho dinihintsika kely izay voalazan’ny boky fiandohana na Genesisy 1 : 1-2.
1.1.1.1         Ny hevitry ny Genesisy 1 : 1 – 2
Genesisy 1:1 – 2 «1 [Ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao] Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana ; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano. »
Izany hoe ny andininy voalohany dia mitantara zava-niseho tamin’ny namoronan’Andriamanitra ny zava-drehetra.
Koa satria Andriamanitra dia tonga lafatra sady tsy manaonao foana, fa misy toniany sy antony daholo izay ataony, dia andeha aloha ho jerentsika ny mahakasika momba io voalaza fa asa famoronana nataony voalohany io. Vakiantsika ny Isaia 45 : 18 alohan’ny handinihana ny Genesisy 1 :2.
Isaia 45:18 – 19 « 18 Fa izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy ; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana) : Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa. 19 Tsy tao amin'ny mangingina, dia tao amin'ny fitoera-maizina amin'ny tany no nitenenako ; Izaho tsy niantso ny taranak’i Jakoba hitady Ahy foana ; Izaho Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.»
Izao anefa no voalaza ao amin’ny : Genesisy 1:2 « Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana ; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano. »
Raha dinihina anefa ny teny Hebreo fototra izay nampiasaina tao amin’io Genesisy 1:2 io dia ny teny manao hoe: « tohu » no nampiasaina, ary nadikan’ireo mpandika teny nataony hoe: « tsy misy endrika » no hevitr’izany teny izany, kanefa manana hevitra hafa ihany koa izany teny izany ka azo adika manao hoe: « korontana, hay, na foana ; zava-poana, tsinontsinona, fanary ». Ny teny Hebreo hoe « bohu » izay nandikana ny hoe « foana » kosa, dia azo adika hoe « faharavana tanteraka ».
Izany hoe: io andininy faharoa io izany dia mety azo nadika hoe Genesisy 1:2 « Ary ny tany dia nikorontana hay sy foana, sady rava tanteraka ; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano. » Ireo indrindra anefa no nolazain’ny Baiboly fa tsy nataon’Andriamanitra araka ny efa novakiantsika tao amin’ny Isaia 45:18 «Fa izao no lazain’i Jehovah , Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy ; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana) : Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa. » ary nohamafisiny izany teny izany ao amin’ny Joba 38 : 4 – 7 ary anambarany fa tsara avokoa ny zavatra rehetra izay voaforona tany am-boalohany, ary niara- nihira sy nihoraky ny hafaliana ny kintan’ny maraina sy ny zanak’Andriamanitra (anjely)
Joba 38:4 – 7 «4  Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao. 5 Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? 6 Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony, 7 Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra? »
Voalaza ihany koa tany amin’ny boky nosoratan’i Paoly Apostoly fa «Andriamanitra dia tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana » I Korintiana 14 : 33a
Noho izany ny azo tsoahina izany dia izao : misy fandikan-teny tsy mety izany miseho eto fa tokony ho izao no izy : « ary ny tany dia tonga tsy nisy endrika, zava-poana sy faharavana tanteraka ».
Isaia 14:12 – 14 «12 Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina ; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena13 Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako ; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra ; fivoriana any amparany avaratra aho ; 14 Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra ; »
Izany hoe nisy olona na zava-mananaina iray izay nazera na nalatsaka avy tany an-danitra ho ety amin’ny tany izany teo. Ilay voalaza fa fitarik’andro, zanaky ny maraina, ary mpandripaka firenena no ilay voakapa hianjera amin’ny tany rehefa nitsiriritra ny toeran’ny Avo Indrindra, ary te hitoetra ambonin’Andriamanitra izy.
Apokalypsy 12:7 – 9 «7  Ary nisy ady tany an-danitra : Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona ; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady, 8  nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. 9  Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao ; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. »
Raha toa izany ka ho fehezintsika ny zavatra niseho dia izao
Isaia 14:14 – 17 «14 Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra ; 15 Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ho any ampara-vodilavaka ianao.[Hebreo   Sheola] 16 Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana 17 Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody? »
Ny dika miafina na ny “code secret” ny teny hoe anjely dia fantantsika fa kintana no hilazan’ny baiboly an’izany. Izao no hilazan’ny boky Fanambarana an’izany Apokalypsy 1:20 « dia ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny fiangonana* fito : ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana* fito. [* Gr. eklesia] » ny kintana izany dia midika ho anjely, fa mety ho anjely tsara izany ary mety ho anjely ratsy ihany koa. Izany dia arakaraky ny fisehoan-javatra asehon’ny lahatsoratra no hamaritana na tsara na ratsy ilay anjely. Ohatra Apokalypsy 9:1 « [Ny nitsofana ny trompetra fahadimy, sy ny nahatongavan'ny loza voalohany] Ary ny anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa, indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin'ny tany ; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa. »
Apokalypsy 12:9 « Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao ; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. »
Ny fikomian’i Satana tokoa mantsy no nahatonga ny tany ho rava sy tsy nisy endrika, ary lasa sahala amin’ny efitra raha ny filazan’ny soratra masina efa hitantsika teo.
Raha nazera tety an-tany ary izany i Satana sy ny ampahatelon’ny anjely izay nikomy niaraka taminy, dia efa hitantsika teo ambony fa rava ny tany, lasa efitra na ngazana, dia toy ny miteny koa izany fa nanjary tsy nisy endrika ilay tany sady foana, Genesisy 1:2 « Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana ; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano. ».
Dia andeha ho jerentsika ny porofo ara-tsiatifika izay nilazany ny faharinganan’ireo zava-mananaina voalohany nisy teto an-tany, dia ireo dinozora marobe araka ny karazany avy sns…, satria dia tena voaporofo tokoa fa tena nisy teto an-tany izany rehetra izany.
Vao tsy ela akory izay fa vao tamin’ny 07/03/2016 lasa teo, dia namoaka lahatsoratra ny mpanao gazety iray antsoina hoe Laurent Sacco (Izy dia mpanoratra ao amin’ilay gazety malaza iray antsoina hoe “FUTURA Sciences”). Nanaitra ny maro ny filazany fa tany amin’ny manodidina ny 65 tapitrisa taona lasa tany ho any, dia nisy kintana na ireo antsoin’ny manampahaizana hoe “astéroïde” na “comète” nianjera teto an-tany. Izany fianjerana izany dia nitranga tany Yucatàn any Mexique. Nambarany fa teo amin’ny faritra izay nianjeran’izany kintana izany dia namorona lavaka lehibe iray, toa ireny vavan’ny volcano ireny, izay nantsoina hoe “Chicxulub” no anaran’izany toerana izany. Hamafisin’izy ireto fa vokatr’izany fianjeran’ny kintana izany no nahafongotra tanteraka ireo karazam-biby efa nisy tamin’izany fotoana izany, toa ireo dinozora maro isan-karazany.
Raha araka ny fanadihadiana sy ny tombantombana izay nataon-dry zareo ireto dia voalaza fa manodidina ny 10 km ny savaivon’ilay kintana lehibe indrindra nilatsaka teto, ary narahina tain-kitana kely marobe izany. Ny fiantraikan’ny fianjeran’izany kintana izany teto an-tany, dia mitovy amin’ny
fipoahana baomba atomika miisa 1 000 000. Tsy mahagaga hoy ry zareo mpandinika ireto raha ripaka sy foana tao anatin’ny indray mipi-maso avokoa ny zava-mananaina nisy tamin’izany fotoana izany.
 
Raha ny vokatr’izany fianjerana izany tokoa ary dia nanjary lasa tsy nisy endrika ny tany, rava tanteraka, tsy nisy zava-mananaina velona intsony, fa tonga foana nanjary maizina. Maizina satria raha ny fanazavana ara-tsiantifika azo omena dia izao : rehefa mipoaka ny baomba atomika iray dia misy hafananabe izay vokarin’izany (ny baomba atomika iray dia manome hafanana be hatramin’ny 300 000°C raha manodidina ny toerana nianjerany (17 metatra) fa raha 50 metatra miala ny ivony kosa dia manodidina ny 9 ka hatramin’ny 11000°C ny hafanana) izany rehetra izany no ampitomboina 1 000 000, ny fianjeran’izany kintana lehibe izany ihany koa dia azo antoka fa nahatonga horohorontany mafy, tsounami, rivotra mahamay mifofofofo mafy mandoro izay mifanena aminy, dia azontsika an-tsaina ny zava-miseho. May avokoa ny tontolo rehetra, ary dia feno setroka sy vovoka ary lavenona manidina ny habakabaka rehetra, ka tonga maizina sy tsy hifankahitana mihitsy, tsy azo hiainana, sady tsy tanteraky ny taratry ny masoandro ka lasa mangatsiaka be ary ny vokatr’izany dia tsy hisy nofo hahatanty an’izany fa ringana avokoa.
Fa raha ara-tsoratra masina kosa dia izao : latsaka tety an-tany Satana sy ny ampahatelon’ny anjely izay nihodina niaraka taminy, noho izany dia midika fa tonga ety an-tany izany ny haizina. Genesisy 1:2 « Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana ; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano. ». dia tanteraka ny voasoratry Mosesy eo amin’io Genesisy toko voalohany andininy faharoa io fa rava ny tany, tsy nisy endrika, foana avokoa izay zavatra nisy rehetra, ary feno haizina ny tany noho ireo lavenona sy vovoka marobe nanidina teo amin’ny habakabaka.
Izay fisehoan-javatra izay izany no niseho teo anelanelan’io andininy roa voalohany ao amin’io soratra masina io (Genesisy 1: 1 – 2).
Rehefa tapitra sy tontosa izay andininy faharoa izay, vao tonga eo amin’ny fitantarana sy fanazavana ny andininy fahatelo sy ny manaraka ao amin’ny Genesisy ny mpanoratra tamin’ilay asa famoronana voasoratra amin’ny andininy manaraka ireo Andriamanitra.