Miaina amin'ny Fitiavana

  Miaina amin'ny Fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana

Hampanjakao ao anatintsika ny fitiavana hahafantatra ny Ray sy Jesosy Kristy, dia hanakaiky antsika ny fiainana mandrakizay, na ny fitoerana ao amin’ilay Fanjakan’Andriamanitra. 

« Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. » Jaona 17:3 

Famintinina : Antsoina hoe mahafantatra ny RAY ny olona iray rehefa manomboka mahafantatra ny didiny sy ny lalàna ary ny fitsipiny izy.

  1 Jaona 2:3 – 4 «3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. 4 Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. 5 Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra* izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. [* Na: ny fitiavan'Andriamanitra] »

Noho izany dia mila mianatra isika, mila mahafantatra izay tena voasoratra marina, ary mivonona hanova sy hanitsy izay rehetra efa fanao tany aloha kanefa tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Manana safidy malalaka isika eo anoloantsika, tsy an-tery akory, ary eo an-tanantsika ny ho avintsika ary arakaraky ny safidintsika izany.

Rehefa avy nianatra kosa ka mahay dia ho antsika ilay baiko nomen’i Jesosy milaza hoe « Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary. » Lioka 9:2

Tadidio hatrany anefa fa tsy mora ny fanarahana an’i Kristy satria efa nilaza Izy fa ho halan’ny olona rehetra izay manaraka Azy noho ny anarany. Izany hoe, maro no mitsangana ho tsy naman’ireo izay manaraka an'i Jesosy Kristy, ka ho hialany tokoa. Kanefa  mijoroa hatrany mba handresy hatramin’ny farany. Izay maharesy no handova ny Fanjakan’Andriamanitra.

2 Timoty 2:12 « raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika; »

Mampahery antsika rehetra amin’ny anaran’i Jesosy Kristy mba hanana faharetana, haharitra amin’ny ady izay hatrehina, ka hijoro ho mpandresy hatrany. Ny teny farany izay omena antsika ety ampamaranana dia ity tso-drano izay nomena ny fiangonana ity manao hoe:

 1 Mpanjaka 8:55 – 61 «55 Ary nitsangana izy ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, tamin'ny feo mahery hoe: 56 Isaorana anie Jehovah, izay nanome fitsaharana ho an'ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin'izay teny soa rehetra nampilazainy an'i Mosesy mpanompony. 57 Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy, 58 mba hampanatoniny Azy ny fontsika handehanantsika amin'ny lalany rehetra sy hitandremantsika ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika. 59 Ary aoka izany teny nifonako teto anatrehan'i Jehovah izany ho ao amin'i Jehovah Andriamanitsika andro aman'alina, mba hanomezany rariny ho ahy mpanompony sy ny Isiraely olony araka izay tandrifiny ho azy isan'andro, 60 mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy. 61 Ary aoka ho marina amin'i Jehovah Andriamanitsika anie ny fonareo, handehananareo amin'ny didiny sy hitandremanareo ny lalàny, tahaka ny amin'izao anio izao. »

Isika rehetra kosa samy hanao ampinoana hiteny hoe  Amen!