Misy ve Andriamanitra?

  

1       Misy ve Jehovah Andriamanitra?

Isaia 45:15« Marina tokoa fa Hianao dia Andriamanitra miafina, ry Andriamanitry ny Isiraely sady Mpamonjy ô. »

Sal 14:1 –2 “(…). Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara. 2 Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.” 

Voalohany: Raha ireo andalan-teny ireo no jerena, dia azo tsorina avy hatrany fa misy Jehovah Andriamanitra na dia miafina sy tsy hita maso aza. Avo toerana Izy kanefa mijery sy mahita ny ambany kosa, miondrika mijery antsika Izy, ka mitady raha mbola misy olona mino sy mankatoa Azy, ary tena manaraka ny sitrapony. Raha manaraka ny sitrapony ny olona iray dia lasa mitoetra ho Mpamonjy Izy, lasa aro sy ampinga ho an’izay tia azy Izy.



Na dia mbola tamin’ny fotoana tsy nahatongavan’ny fivavahana kristiana teto Madagasikara aza, dia efa nahatsapa sy nahafantatra izany ny Ntaolo Malagasy, fa misy io Andriamanitra io, ary dia fantany ihany koa fa dia avo fipetraka izany Andriamanitra izany, nefa mahita ny miafina indrindra. Tsy tongatonga ho azy araka izany ilay ohabolana manao hoe: Aza ny lohasaha mangina no jerena, fa Andriamanitra an-tapon’ny loha. Noho izany dia natahotra ny hanao ratsy ny Ntaolo taloha, noho ny fahatsapany izany toeran’Andriamanitra izany, sy ny fahafantarany fa mahita ny miafina indrindra Andriamanitra, ary dia lasa namolavola ny kolon-tsaina sy nametraka soa-toavina lehibe tokoa izany teo anivon’ny fiaraha-monina tamin’izany fotoana izany. Niainga avy amin’io no nivoahan’ilay fitenenana manao hoe: na tain’omby mivadika aza tsy misy maka, satria natahotra ilay Andriamanitra mijery an-tapon’ny loha izy ireo, na dia tany amin’ny toerana takona sy mangina aza ka tsy misy mpahita.

Dia tsy mifanalavitra amin’izany ny voalazan’i Jesosy Kristy ao amin’ny Soratra Masina izay milaza hoe: Lio 12:2 – 3 «2 Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. 3 Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano. » Tsy mifanalavitra mihitsy izany ny kolon-tsaina Malagasy sy ny kolon-tsaina Kristiana, ary dia izany no hahatsapana fa tena tia vavaka sy mpivavaka ny Malagasy.

Faharoa: Jao 4:22 – 24 « 22 Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy  ny famonjena. 23 Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. »

Misy olona mivavaka izany eto izay voalazan’ny Soratra Masina,  mpivavaka kanefa na dia izay Andriamanitra izay hivavahany aza dia tsy fantany akory. Ka mba hialana amin’izany dia mila mamantatra tsara mihitsy isika ny momba izay Andriamanitra hivavahantsika izany, mba ho tena mazava tsara mihitsy ny lalan-kizorana rehetra, tsy misy miolakolaka na hafenim-penina fa aleo hiariary, satria moa izany ihany koa no iray amin’ireo fanalahidy lehibe roa izay mamoha ny varavaran’ny fiainana mandrakizay.

Tsara ho tsipihina mazava tsara, dieny mbola aty am-piandohana, fa efa voalaza sahady fa Jehovah Andriamanitra dia Fanahy no sady Fahamarinana, ary izay mivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana, ary Izy Jehovah Andriamanitra kosa dia mitady izay mivavaka aminy araka ny Fanahy sy ny Fahamarinana. Ho jerentsika any aoriana ny mahakasika an’izany hoe mivavaka amin’ny Fanahy sy Fahamarinana izany, fa andeha aloha isika hanaporofo izany fisian’Andriamanitra izany?