Ilay Fanjakan'Andriamanitra

 

1         Manao ahoana ny Fanjakan’Andriamanitra?

Raha tena kristiana ny olona iray izany hoe tena mpanara-dia sy mandray an’i Jesosy ho modely dia tokony hahafantatra tsara izany fanjakan’Andriamanitra izany izy. Satria Jesosy dia tsy nitsahatra namerimberina tokoa ary nitory hatrany izany “Fanjakan’Andriamanitra” izany. Saika mivonkina amin’io ny asa fitoriana izay nataon’i Jesosy teto an-tany nandritra ny fandalovany teto.

Lioka 4:43 « Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy. »

Lioka 8:1 « Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka Azy. »

Lioka 9:2 « Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary. »

Lioka 9:11 « Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny. »

Lioka 9:60 « Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra. »

Izany hoe ny asa izay nampananovina an’i Jesosy teto an-tany izany dia ny hitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Eny fa na dia naniraka ny mpianatra aza izy, handeha hanao ny asa dia mbola izany ihany koa no nasainy notoriana, dia ny hitory sy hanambara ny mahakasika izany fanjakan’Andriamanitra izany sy hanasitrana ny marary. Io no asa lehibe izay nasain’ny Tompo ho tanterahin’ny mpianany, ka raha mbola mitondra anarana hoe kristiana ihany izany dia tsy maintsy mitory an’izany fanjakan’Andriamanitra izany.

Ny olana anefa ankehitriny dia tena vitsy dia vitsy tokoa no mahalala izany Fanjakan’Andriamanitra izany ary indrindra indrindra ny mitory izany, fa ny ankabeazan’ny olona aza dia lasa mitory sy mikatsaka fatratra ilay fanjakana eto an-tany fa adino tanteraka ilay fanjakan’Andriamanitra. Be ny milaza ankehitriny fa hoe : izaho nahazo faminaniana fa ho lasa filoham-pirenena hitondra amin’izao sy izao, tsy iray na roa no milaza izany fa maro. Izany hoe lasa ilay fanjakana eto an-tany izany no torian’izy ireo, sy mahamaika azy ireo fa  tsy ilay baiko nasain’i Jesosy ho atao anefa, dia ny hitory izany fanjakan’Andriamanitra izany.

Ka moa ve mahazo mitory, na mampianatra ny olona iray raha tsy efa nianatra sy mahay tsara izany izy?

Izany antony izany no mahatonga antsika hiverina hijery tsara izay antsoina hoe ny "Fanjakan’Andriamanitra" eto.

Ny filazantsara araka ny Lioka no anisan’ny miresaka betsaka indrindra izany fanjakan’Andriamanitra izany. Miverimberina miresaka izany ny apostoly Lioka ka miisa in 32 voasoratra izany teny izany ao anatin’io filazantsara izay nosoratany io. Averintsika tsara eto moa izay voasoratry ny apostoly Lioka raha nanomboka nanoratra io filazantsara izay nosoratany io izy : Lioka 1:1 – 4 «1 Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin'ny zavatra izay efa tanteraka* tamintsika tokoa[*Na: inoana tokoa amintsika] 2 araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory* ny teny hatramin'ny voalohany:[*Gr. mpanompo] 3 dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra*,[*Gr. mahery indrindra; teny fanajana ny lehibe izany] 4 mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao. » Izany hoe, tena manome toky tokoa izany ny Apostoly Lioka fa tena nofotorany tsara tokoa izay rehetra nosoratany, ary izany dia mba hahamafy orina tsara izay teny izay nampianariny. Mandray izay fampianarana nomeny ihany koa isika ka dia afaka matoky tsara tokoa fa fampianarana efa tena voadinika tsara mihitsy no arosony antsika.

Ahoana no hilazany izany fanjakan’Andriamanitra izany?

Lioka 6:20 « Ary Jesosy dia nanopy ny masony tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Sambatra ianareo malahelo, fa anareo ny fanjakan'Andriamanitra. »

Manambara Jesosy manao hoe : sambatra ianareo malahelo na mahantra fa anareo ny Fanjakan’Andriamanitra. Efa nilaza an’io amin’ny fomba ankolaka ihany Jesosy raha nitory teny Izy. Nambarany fa sarotra ho an’ny mpanan-karena ny hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Lioka 18:25 « Fa ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! » somary hafahafa tokoa izany fomba entin’i Jesosy manambara sy mitory teny izany. Ny mahalasa ny sain’ny maro anefa dia hoe : Jehovah dia mampanantena fitahiana sy harena be tokoa ho an’izay mitoky sy mino Azy, ary dia raha ny ohatra ao amin’ny soratra masina aza moa dia tena nanan-karena be tokoa ireo patriarka izay tena nino an’i Jehovah :

Handray ohatra vitsivitsy isika :

-         I Abrahama dia tena nanan-karembe tokoa : Genesisy 24:1 « [Ny nampakan'i Abrahama vady ho an'Isaka avy tany amin'ny tanin'ny havany] Ary Abrahama dia efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an'i Abrahama tamin'ny zavatra rehetra. » ; Genesisy 24:35 « Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman'osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky. »

-         I Isaka ihany koa Genesisy 26:12 – 14 «12 Dia namafy tamin'izany tany izany Isaka ka nahazo zato heny tamin'izay taona izay, satria efa notahin'i Jehovah izy. 13 Ary nanan-karena ralehilahy ka nandroso sy nitombo ambara-pahatongany ho mpanjatobe indrindra; 14 fa nanana fananana be izy, dia ondry aman'osy sy omby ary andevo maro; ka dia nialona azy ny Filistina. »

-         I Joba ihany koa : Joba 42:12 – 16 «12 Ary Jehovah nitahy ny niafaran'i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman'osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy. 13 Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy, 14 ka ny anaran'ny zokiny nataony hoe Jemima, ary ny anaran'ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran'ny faravavy Kerena-hapoka. 15 Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin'i Joba hita tany amin'ny tany rehetra, ary niara-nomen-drainy lova tamin'ny anadahiny izy. 16 Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian'izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin'ny zafin-dohaliny aza. »

-         I Davida mpanjaka ihany koa 1 Tantara 29:28 « Ary maty izy rehefa tratrantitra tsara sady lava andro ary be harena sy voninahitra*; ary Solomona zanany no nanjaka nandimby azy.[Heb. voky andro sy harena ary voninahitra] »

-         I Solomona mpanjaka ihany koa : 2 Tantara 1:11 – 12 «11 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain'ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao, 12 dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan'ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao. »

-         I Josafata mpanjaka ihany koa : 2 Tantara 17:5 « Koa dia nampitoerin'i Jehovah teo an-tànany ny fanjakana; ary ny Joda rehetra nitondra fanomezana ho an'i Josafata, ka dia nanana harena sy voninahitra be izy. »

Mbola marobe tokoa ny ohatra izay azo entina mahakasika an’izany. Jehovah dia mampanantena harena sy fitahiana be ho an’izay olona tena manao ny sitrapony. Eny fa na dia amin’izao fotoana izao aza dia mbola mitoetra izany fampanantenana izany. Malakia 3:10 – 12 «10 Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo. 11 Ary hasiako teny mafy ny valala* noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Heb. mpandany] 12 Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. »

1.1     Mifanohitra ve izany izay voalazan’i Jehovah sy Jesosy Kristy ?

Tsy mifanohitra velively ireo fa misy fomba sy hevitra izay tiany hampitaina amin’ny fanarahana sy ho fitiavana an’Andriamanitra ao.

Ny teboka voalohany tsara tsindriana aloha dia izao: tsy ny harena no ratsy satria raha izany dia ho tsy nanome izany mihitsy Jehovah, fa ny fomba nahazoana azy no nasiany fanavahana. Ny harena azo avy amin’ny marina dia hankasitrahany tokoa, indrindra ka tena manaraka ny sitrapon’Andriamanitra tokoa ny nazahoana azy (nanao fahafolon-karena, tsy namitaka na nisoloky olona, tsy nampiasa mizana tsy marina, tsy nangalatra, tsy namono olona, sns…)

Jeremia 17:11 « Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny rariny: Handao azy amin'ny an-tenatenan'androny izany*, ka ho adala no farany.[Na: Hilaozan'izany eo an-tenatenan'androny izy] »

Ohabolana 11:1 « Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany. »

Tsy hankasitrahan’i Jesosy mihitsy ireo ka tsy azo atao.

Ilay olona miraikipo amin’ny haren’ny tany ihany koa dia tsy ankasitrahan’i Jesosy. Tsy tokony hiraikipo amin’ny haren’ny tany.

Marka 10:17 – 23 « 17 Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 18 Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra. 19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-17). 20 Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely. 21 Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy. 22 Dia nanjombona tery ny tarehiny tamin'izany teny izany, ka niala tamin'alahelo izy, satria nanana harena be. 23 Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin'ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! »

Ny ilainy izany dia ny hifankatiavan’ny olona, ny hifampitsinjovan’ny olona, ka ny manana hanome ny malahelo, ary tsy hitady harena maloto, fa ho tia fahamarinana, tsy hametraka ny fo amin’ny haren’ny tany fa ametraka izany amin’ny fitiavana an’Andriamanitra.

Fa inona ary ny fihetsika ankasitrahan’i Jesosy amintsika?

Lioka 19:8 – 9 «8 Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin'ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an'ny malahelo; ary raha misy zavatr'olona nalaiko tamin'ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany. 9 Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin'ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak'i Abrahama koa. »

Io fihetsika izay nasehon’i Zakaiosy io no takiany ho hataontsika rehefa manana tokoa isika, rehefa voatahy isika.

Maninona no ambaran’i Jesosy fa «  Sambatra ianareo malahelo, fa anareo ny fanjakan'Andriamanitra. » Lioka 6:20. Ny zavatra tsapa aloha hatreto dia izao, rehefa sambatra na miadana ny olona dia tsy mahatsiaro na manadino an’Andriamanitra. Hita izany any amin’ireo firenena mandroso sy manan-karena, miha-manalavitra an’Andriamanitra ny olona, tsy mivavaka intsony fa mihantehatra amin’ny herin’ny tenany. Fa aty amin’ny firenena mahantra kosa dia lasa miha-mitodika amin’Andriamanitra ny fon’ny olona, mitady an’Andriamanitra ny olona, ary izany no mahatonga an’i Jesosy hilaza fa sambatra ny malahelo na ny mahantra fa anareo ny fanjakan’Andriamanitra. 

Lioka 12:29 – 32 «29 Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana*.[*Na: aza aingaingain'ny fanantenana foana] 30 Fa ny jentilisa amin'izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany. 31 Kanefa katsaho ny fanjakany* [*Na: (ny fanjakan'Andriamanitra)] ; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany 32 Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana. .[*Na: (ny fanjakan'Andriamanitra)]  »

Ny zavatra tena ilainy amintsika dia ny hikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra, fa rehefa hitantsika na manomboka azontsika tsara izany, dia hanaraka ho azy ny fitahiana rehetra, sy ny zavatra rehetra.

 

1.2     Ahoana no hanoharan’i Jesosy izany fanjakan’Andriamanitra izany?

Lioka 13:18 – 19 «18 Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan'Andriamanitra? ary inona no hanoharako azy? 19 Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain'olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga hazo; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin'ny rantsany. »

Io fanoharana io dia midika fa ilay fanjakan’Andriamanitra izany dia kely dia kely sahala amin’ny voan-tsinapy any ampiandohana, (izany dia voa tena kely tokoa) kanefa rehefa atsipy any an-tany lonaka mety haniriany dia tonga hazo lehibe ka na ny voro-manidina aza dia afaka hitoetra ao. Ho tonga hazo lehibe sy tsara izany ilay voa kely dia kely teo, ka lasa hitoeran’ny vorona. Izany hoe ilay voa kely dia kely entina hitoriana ilay Fanjakan’Andriamanitra izany dia ho tonga hazo lehibe, ka ho maro ny avy lavitra no ho tonga mba hitoetra sy hialokaloka ao anatin’izany hazo lehibe ny fanjakan’Andriamanitra izany. Tsy tokony ho mora kivy izany ny mpamafy ka hilaza manao hoe dia izahay vitsikely ireto ve? Izahay toa tsinontsinona ireto ve? Ity voa kely izay afafiko ity ve dia ho lasa toa inona akory? Fa ireny hoy Jesosy no ho lasa hazo lehibe ka ialokalofan’ny voromanidina.

Ahoana ihany koa ny fanoharana hafa izay napetrany momba izany fanjakan’Andriamanitra izany?

Lioka 13:20 – 21 «20 Ary hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan' Andriamanitra? 21 Tahaka ny masirasira izy, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony* tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra.[*Gr. nafeniny] » Ity fanoharana faharoa ity dia nentiny ambarana fa mitovy amin’ny masirasira na “lévure” izay fanao amin’ny koba, na mofo izany fanjakan’Andriamanitra izany, ka mihitatra tsikelikely mandra-paha vonto masirasira ny koba rehetra. Na dia kely aza izany no hiandohan’izany fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra izany dia hihitatra tsikelikely izany ka hahazo ny olona rehetra.

Izany hoe mila toriana sy afafy izany fanjakan’Andriamanitra izany mba ho tonga hazo lehibe, na ihany koa hahazo ny koba rehefa. Ny anjarantsika dia ny mitory izany filazantsara ny fanjakan’Andriamanitra izany, fotsiny fa ny vokany dia miankina amin’ny tsirairay avy satria efa nambara tamintsika rehetra fa tsy mba nanery olona mihitsy Jehovah hanaraka Azy fa navelany hanana safidy malalaka tsara ny tsirairay avy.

Lioka 8:10 « Dia hoy Izy: Hianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9). [*Gr. nomena] »

 

Lioka 8:4 – 8 «4 Ary nisy vahoaka betsaka niangona, ka nanatona Azy ny olona avy tamin'ny isan-tanàna, dia nanao fanoharana hoe Izy:

 5 Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voa; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana ka voahitsakitsaka, ary dia lanin'ny voro-manidina.

 6 Ary ny sasany dia voafafy teny ambonin'ny vatolampy; ary raha vao naniry izy, dia nalazo; satria tsy nisy mandomando.

 7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo niara-naniry taminy, dia nangeja azy.

 8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. »

Lioka 8:11 – 17 «11 Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. 12 Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena.

 13 Ireo teny ambonin'ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin'izay andro isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra izy.

 14 Ireo teny amin'ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan'ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa.

 15 Fa ireo teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin'ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin'ny faharetana.

 16 Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na nametraka azy ao ambanin'ny farafara; fa ataony eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava. 17 Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho. »

Voalaza eto fa na dia afafy aza ny voa, (ilay tenin’Andriamanitra izay mitory ny fanjakan’Andriamanitra) dia tsy voatery hamoa satria miakina betsaka amin’ny tany namafazana azy (dia ilay toe-po sy fanahin’ny olona) no hiafaran’ilay voa nafafy :

-         Ny sasany voafafy teny amoron-dalana ka voahitsaky ny mpandalo sy lanin’ny voro-manidina. Ny fanazavana izay entin’i Jesosy ny amin’izany dia hoe : raha torina ny teny dia ren’ny olona ihany, nefa avy ny devoly ka manaisotra izany ao am-pony, fandrao izy hino hoy Jesosy ka ho vonjena. Amin’ny fomba rehetra no hanesoran’ny devoly izany teny izany ao am-pon’ny olona : toy ny hoe , iza koa no hihaino izany fa ny fotoana hiasana aza ity efa tsy ampy ko mbola handany andro eo koa ve? Na koa hoe : rehefa mino an’i Jesosy fotsiny dia efa ampy fa tsy ampiana izany fahamasinana sy fahamarinana izany koa ny fiainana e!, na koa hoe : samy zava-boaharin’Andriamanitra daholo ny biby rehetra misy eto ka noho izany dia tsara avokoa, ary efa nodiovina izany ka madio avokoa, na koa hoe natokana ho an’ny olona efa lehibe, efa nahavita fiainana izany vavaka sy tenin’Andriamanitra izany fa zahay tanora aleo aloha hirevy, fa sao ho menatra ireo namanay zahay. sns….

-         Misy indray ireo voafafy teny ambony vatolampy, ny hanazavany azy dia hoe rehefa nandre ny teny izy ireo dia faly sy finaritra, hoe izany tokoa ilay fahamarinana, saingy tsy latsa-paka ilay izy ka vao tonga ny fakam-panahy dia efa tsy namana intsony izy. Ary maro tokoa ny ohatra izany.

-         Ireo izay voafafy teny amin’ny tsilo indray dia ireo olona izay nandre ny teny ary nino izany saingy voafehin’ny harena sy ny filan’izao fiainana izao sy ny fahafinaretana ao aminy ka tsy tafaorina. Ny tsilo izany dia toa izao: te hanaraka ny fahamarinana ilay olona saingy ny fidiram-bolany dia mety misy mizana tsy marina, mety mandray kolikoly, mety misy fanambakana ny namana, kanefa raha vao mandray ilay fahamarinana izy dia ho tapaka daholo ilay fidiram-bola ka mahatonga azy hihemotra fa tsy mahafoy ny hatsaran’izao tontolo izao. Eo koa ohatra ny fahafinaretan’izao tontolo izao, voarainy ny teny soa mahafaly ny fanjakan’Andriamanitra fa saingy tsy foiny ny fanao vetaveta rehetra izay efa fanaony.

-         Ireo izay voafafy teny amin’ny tany tsara kosa, dia ireo izay nandre ny teny amin’ny fony, tena nampiova azy tanteraka ny teny, ka na dia voagejan-javatra maro aza izy dia nahafoy izany (ohatra hoe voafatotry ny fisotroana sy fifohana, na ny fihariana tsy mendrika kanefa dia nahafoy izany rehetra izany rehefa nandray ny teny), mitazona ny teny amin’ny fahamarinana sy amin’ny faharetana, ka rehefa matotra tsara dia mamoa, ary dia mamafy indray avy eo. Ity sokajy ity no ilay tena mahagaga sy mahatalanjona ny olona tokoa, satria rehefa nahita ilay fiovana be izay hita tao amin’ilay namana iray izy, ohatra hoe ny nahitana azy taloha dia ilay olona mpigafy, mpifoka, sy mpigoka, na koa hoe ilay mpivaro-tena, sy ilay mpanao kolikoly, na ilay mpangalatra be nefa rehefa nandray ny teny dia tena niova tanteraka ilay olona, nanjary nalemy fanahy, tsy nisotro, tsy nifoka, tsy nigafigafy intsony. Nandeha tamin’ny fahamarinana tateraka, na ny firesany sy ny fiteniny, ny fitafiny aza dia niova tanteraka. Izay ilay hoe tonga amin’ny fibebahana tena izy.

-         Ny fibebahana tena izy dia midika fa

Ø niaiky ny fahotana natao ary manaiky marina fa tsy hamerina an’izany intsony;

Ø miova famindra, izany hoe tsy mandeha manaraka ilay filan-dratsy taloha intsony, fa miova lalana tanteraka.

Ø miova bika izany hoe raha mpanao volo rasta ilay lehilahy taloha, ny fitafy misaritaka be, tsy mahavoatra tena, dia manjary lasa manao tsara hety, manamboatra fitafy, ary mikoja ny tenany izy.

1.3     Iza no ho tompon’ny fanjakan’Andriamanitra?

Lioka 18:16 « Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra. »

Raha io hilazan’i Jesosy azy io dia midika fa izay olona rehetra ka manana ny toetry ny zaza no ho tompon’izany fanjakan’Andriamanitra izany.

Andeha ary aloha ho jerentsika na ho fantarintsika ny toetry ny zaza mba hahazoantsika ny tiany ambara.

1.3.1 Ny toetry ny zaza?

·     Antsoina hoe zaza ireo olombelona vao teraka ka hatramin’ny faha 5 taona.

·     Ankizy izy rehefa 5 ka hatramin’ny faha 14 taona,

·     Zatovo na adolantsento hoy ny fiteny ankehitriny rehefa 14 taona ka hatramin’ny faha 18 raha ara-panjakana fa hatramin’ny faha 21 taona raha fahamatorana no jerena

·     Tanora ny olona iray eo anelanelan’ny taona 18 na 21 ka hatramin’ny faha 40 na 50 taona

·     Lehibe izy rehefa mahazo 50 taona no mihoatra.

Ny toetr’ireo olombelona voakilasy ao anatin’io sokajin-taona hoe zaza io izany no ho jerentsika manokana, satria ny toetran’izy ireo no voalazan’i Jesosy Kristy fa tokony hananan’ny olona mba hahazoana izany fanjakan’Andriamanitra izany.

1-   Na miady aza dia vetivety dia miombona, tsy mitana alahelo. Anisan’ny toetra iray hananan’ny zaza io famelan-keloka io, kanefa vitsy tokoa no manana izany ny olon-dehibe. Ny zaza na sendra miady aza dia vetivety tsy ampy antsasaka ora akory dia efa miombona miara-milalao indray. Izany no mahatonga an’i Jesosy hametraka mazava tsara fa mila mifamela heloka ny rehetra. Matio 5:23 – 25 «23 Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, 24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao. 25 Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao. »Matio 18:21 – 22 «21 Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va? 22 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo*.[*Na: fito-polo impito] » Ilay toetratsika tsy te hifamela heloka io mihitsy no tiany ovana ao anatintsika. Tsy mila avonavom-po izy fa mila ny olona rehetra hahay hifamela. Tsy hoe namela heloka indray mandeha na im-pito dia ampy ka hilaza hoe “izaho kosa efa namela ny elokao vao teo, na hoe efa im-piry aho izaho no efa namela ny helokao androany, dia mbola ataonao ihany ve?”. Midika fa tsy te hamela heloka intsoy ny olona rehefa namela heloka indray mandeha na indroa. Tsy izany no ilainy sy takiany amintsika fa ao anatin’ny indray andro dia mety hatrany mifamela heloka na dia mahatratra im-pito in-pitopolo, izany hoe (7 x 70 = 490) isan’andro aza izany. Ny dikany dia hoe tsy hisy olona mahaisa izay famelan-keloka efa vitany tamin’ireo rahalahiny, fa ny tokony hatao izany dia ny hamelantsika heloka ny olona hatrany ary tsy mandreraka antsika izany. Tsy afaka ny hanatitra fanatitra ny olona iray raha tsy nahavita namela heloka ny rahalahiny izy. Izany toetra izany anefa dia tsy mba hianarana fa toetra voa-janahary ao anatin’ny zaza. Raha nisy nikapoka azy na nahatezitra azy ohatra tamin’izy nilalao, dia tsy miandry hoe rahampitso izy vao hilalao miaraka amin’iny fa tsy ampy ora iray akory dia efa indreo fa miaraka indray. Izany no toetra ilain’izay te handova ny fanjakan’Andriamanitra.

2-   Mora anarina na ahitsy  na dia maditra sy manao ny tsy mety aza ny zaza, dia tsy mba sarotra ahitsy izy na anarina, fa rehefa tenenina izy hoe tsy mety ny zavatra ataony dia manaiky izy. Fa ny lehibe kosa dia efa lasa mafy hatoka, sarotra anarina. Na dia efa voateny matetika aza ny lehibe dia mbola mamerina hatrany ny zavatra handrarana azy izy.                                                                                                                                                                                                                  

3-   Tia mizara : io toetra tia mizara io ihany koa dia toetra iray izay ananan’ny ankizy. Raha nahazo kilalao izy ohatra dia entiny hiaraha-milalao amin’ny namany iny, na ahoana ny tombam-bidiny na ohatrinona. Toa izany koa ny sakafo na ody ambavafo izay omena azy, dia zarainy hatrany amin’ny namany izany. Izany anefa dia toetra voa-janahary anatin’ny olombelona izay tian’ny Tompo ho voatazontsika hatrany. Hoy Jesosy Kristy tamin’ilay lehilahy manan-karena iray izay nangataka taminy izay tokony hataony mba hahazoany ny fanjakan’Andriamanitra:  Marka 10:21 « Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy. » Ny toetra fahatelo ananan’ny zaza izay tokony hananantsika lehibe ihany koa izany dia ny fahaizana mizara ho an’ny hafa.

4-   Tia ray aman-dreny: tena tia ny ray aman-dreniny ny zaza eny fa na dia mikapoka azy sy masiaka aminy aza ny ray aman-dreniny dia tian’ny zaza hatrany izy ireo. Mitsiky sy feno hafaliana izy rehefa tonga ny ray aman-dreniny, ary misy mihitsy aza moa hira fanaon’ny zaza rehefa tonga avy niasa na i dada na i mama manao hoe “iny eo i dada o, mitondra mofo ô”. Na voakapoky ny ray aman-dreniny aza izy noho ny ditra izay nataony dia tiany foana mihoatra noho ny hafa izany Ray aman-dreniny izany. Mitovy amin’izany ny baiko avy amin’i Jehovah : Deotoronomia 5:16 « Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao. » . Matoa napetraky Jehovah ho lalàna izany fanajana ny Ray aman-dreny izany dia maro tokoa izany ny zanaka no tsy manaja izany Ray aman-dreny izany, eny fa na dia ireo ankizy sy zatovo aza dia efa manomboka maniratsira sy tsy manaja intsony ny Ray aman-dreny, indrindra moa ka rehefa manomboka mahita fianarana kely na mahazo fahalalana kely. Ohabolana 15:20 « Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny. » Ny zanaka adala izany dia manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny, satria mahafabaraka azy ireo izany. Ohabolana 17:25 « Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy sady fahoriana mangidy amin'ny reniny niteraka azy. » ny toetra manaraka izay ananan’ny zanaka izany dia ilay fitiavana sy fanajana ny ray aman-dreny.

5-   Tsy manahy na inona na inona : tsy fantatry ny zaza izany tsy fisiana izany fa ny fantany dia misy hatrany eo, mahatoky tanteraka ny Ray aman-dreny izy fa ireo no hiahy sy hanomelona hanome sakafo sy hampitafy azy. Tsy miantehitra amin’ny heriny ny zaza fa miantehitra amin’ny fitiavany ray sy reniny azy; tiany ny Ray aman-dreny dia izay ihany ny azy. Filipiana 4:6 « Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. » Dia tahaka izany mihitsy no toetry ny zaza, tsy misy fanahiana, tsy misy fahatahorana, fa rehefa misy zavatra tadiaviny dia mangataka amin’ny ray sy reniny izy. Izany koa no toetra izay ampianariny antsika anio : Matio 6:31 – 33 «33 Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? 32 Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. 33 Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » Eksodosy 14:14 « Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina. »

6-   Tsy manan-tahotra: tena toetra mampiavaka manokana ny zaza mihitsy io, tsy matahotra na dia mety ahitana loza mety hiantra amin’ny aina aza ilay izy: Isaia 11:8 « Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky* ny menarana. [Na: voamason'] » tena tsy manan-tahotra ny zaza, kanefa amin’ny zavatra ataony mitovitovy amin’io dia mahatsapa hatrany ny olona lehibe miaraka aminy fa ohatra ny misy tanana miaro ilay zaza ka tsy mba hiaran’ny loza. Firifiry akory ny zaza izay manatsofoka ny tanany amin’ireny lavaka mpitondra herinaratra ao an-trano ireny, nefa tsy maninona akory raha oharina amin’ny loza izay mety hiseho? Izany toetra tsy manan-tahotra sy tsy be fanahiana izany dia ao amin’ny zaza, ary izany ihany koa no takian’ny Tompo hananan’ny olona te hiditra ao amin’izany fanjakan’Andriamanitra izany.

7-   Madio am-po : tsy mba mitana lolom-po ny zaza, fa be fandeferana sy tsy mitana alahelo. Matio 5:8 « Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, »

8-   Tokam-po ny zaza : tsy afaka mitia olona maro ny zaza fa izay fianakaviny na ankohonany ihany no tena tiany, izay mifankazatra aminy matetika. Raha misy vehivavy roa asaina mijoro eo anoloany, ny iray reniny ary ny iray kosa vehivavy hafa mihitsy ka asaina isafidy iray amin’izy roa ilay zaza dia ho tsy misy fisalasalana mihitsy izy hisafidy ny reniny. Dia toa izany koa no tokony ho toetran’ny Kristiana, matoa isika voalaza fa hoe Kristiana dia efa nanaiky fa Jesosy no Kristy, izany hoe efa tonga zanak’Andriamanitra izany isika satria naterany. Ka raha mijoro eo anoloantsika ilay Mpahary izay antsoina ihany koa hoe Ray sy ilay devoly satana izay mpamitaka sy mpitarika amin’ny ratsy sy ny rendrarendran’izao tontolo izao, ka raha tonga toy ny zaza toa isika dia ho tsy hisalasala hisafidy ny Ray. Ny dikan’ilay safidy hoe tia ny Ray isika dia midika hoe manaja sy mitandrina ny didy sy ny lalàna izay napetrany. 1 Jaona 2:15 « Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. » 1 Jaona 2:3 « Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. » Raha misafidy ny Ray izany isika dia tokony hitandrina ny didiny tokoa, hifady an’i Satana sy ny filan’izao tontolo izao. Anisan’ny toetry ny zaza ihany koa izany maha-tokam-po azy izany.

9-   Tsy mahay mandainga : fa izay hitan’ny masony na henon’ny sofiny dia ambarany avokoa. Toetra tena mampiavaka manokana ny zaza mihitsy izany tsy mahay mandainga izany. Eo ambavany mandrakariva ny marina, ary dia toetra ohatra izany ihany koa no takiany ho amintsika. Izany no toetra iray izay tena takian’i Jehovah ho tsy maintsy hananan’ny olona te  hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra Salamo 120:2 « Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin'ny molotra mandainga, Eny, amin'ny lela mamitaka » ny Mpanjaka Davida dia mitalaho mafy tamin’Andriamanitra mihitsy mba tsy hanana molotra mandainga sy lela mamitaka, satria fantany tsara fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny fanaovana izany. Ohabolana 12:22 « Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany. » Anisany lazaina fa zaza mandainga sy maditra ihany koa ny olona izay tsy manaraka na mihaino ireo lalàn’i Jehovah Isaia 30:9 « Fa firenena maditra izy, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn'i Jehovah, »

10-                     Tsy manendrikendrika: Mitovitovy amin’izay voalaza eo ambony izy ity, satria ny zaza dia tsy mahay mandainga, tsy mba mahay manendrikendrika koa izy, ary tsy mahay manao izay hahafa-baraka ny namany izy Salamo 15:3 « [Ny toetry ny olona izay mahazo monina ao amin'Andriamanitra] Tsy manendrikendrika amin'ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany, » Eksodosy 20:16 « Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. » anisan’ny toetra tena mampiavaka manokana ny zaza mihitsy izany toetra izany, ka tian’i Jesosy hananan’izay te hiditra na hoonina ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra

11-                     Mikarokaroka sy mametra-panontaniana hatrany, mazoto mianatra, mazoto mandini-javatra: ny zaza mandritra ny fahazazany dia saika fianarana hatrany no mameno ny fiainany, mianatra ny manodidina azy, mianatra manavaka ny ankohonana misy azy, ny reniny sy ny rainy, ny zokiny, sns… mianatra mifandray amin’ny tontolony, mianatra manavaka ny tsara sy ny ratsy, mianatra misakafo,  mianatra mitsangan-drery mba tsy hianjera, mianatra mandady, mamindra, miteny, milalao, mandini-javatra, sns… Lasa manitikitika ny fisainany daholo ny zavatra hitan’ny masony : fa maninona angaha iry zavatra iry no eo no mipetraka?, maninona no lava ny sofin’io biby io?, sns… kanefa dia izany mihitsy no didian’ny soratra masina ho ataon’ny lehibe. Didiany isika handinika sy hamakafaka ny tontolo manodidina antsika indrindra indrindra ny soratra masina ohatra. Jeremia 2:31 « Ry taranaka, dinihonareo ny tenin'i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an'ny Isiraely va Aho, na tany maizim-pito*? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany aminao intsony?[Na: tany misy aizim-pito avy amin'i Jehovah] » hatrany amin’ny testamenta taloha ka hatramin’izao dia asainy mandinika ny tenin’Andriamanitra isika. Mila mianatra sy mamakafaka tsara. Jaona 5:39 « Dinihonareo* ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. [*Na: Diniho] » Mila mianatra hatrany ny olona fa tsy mijanona fotsiny amin’izao, mila mandinika, mila mametra-panontaniana hatrany (ahoana tokoa no voalaza amin’ny trangan-javatra ohatra izao? Inona tokoa ny marina? ahoana ny voasoratra?, sns….) Izany koa dia anisan’ny didy napetraky ny Tompo nomeny izay tena mitondra ny anarana hoe Kristiana, Matio 28:19 « koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manaova batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ». Ny dikan’izany hoe ataovy mpianatro ny firenena rehetra izany dia izao, matoa aloha ianao afaka mampianatra dia tsy maintsy efa nianatra tsara talohan’izany. Ny olona mahay ihany no afaka mampianatra, ary ny olona vonona ny hanana ny toetry ny zaza no tia karokaroka, tia mianatra ary mety ho eo amin’ny toeran’ny mpianatra. Nefa izao no tsarovy, raha tsy tonga eo amin’ny toeran’io mpianatra io ny olona iray dia tsy afaka ny handalo ilay dingam-pamonjena iray dia ny fibebahana sy ny fanaovana batisa azy izany, ary avy eo dia ho tonga mpampianatra ihany koa mba hamoa be eo amin’ilay famafazana ilay voa kely ho tonga hazo lehibe ka hialokalofan’ny voro-manidina ny sampany.

Raha fintinina izany dia izay manana ireo toetry ny zaza ireo eo amin’ny fiainany no hanana sy ho tafiditra ao amin’ilay fanjakan’Andriamanitra. Mila mandinika tsara izay ataon’ny zaza isika izany, ary mianatra izany mba ho fiainantsika amin’ny andavan’androntsika izany satria an’ny toa azy ireny ny fannjakan’Andriamanitra. Raha ny hitantsika teo ambony dia miisa 10 na 11 ireo toetran’ny zaza izay tsy maintsy hananan’ny lehibe raha te hahazo ny fanajakan’Andriamanitra izy. Marihina fa raha vao manomboka lasa hoe ankizy ny zaza dia efa very ny iray ampaha-telon’ireo toetra izay nananany fony mbola ankizy izy, ary mihena hatrany izany rehefa tonga zatovo, tanora ary lehibe izy ireo. Ny hiverenana amin’izany toetran’ny zaza izany no angatahin’i Jesosy amintsika mba hahazoana izany fanjakan’Andriamanitra izany.

1.3.2 Ahoana moa no hahafantarantsika fa efa akaiky antsika tokoa izany fanjakan’Andriamanitra izany?

Rehefa tena tafaverina amin’izany toetra 10 ananan’ny zaza izany tokoa isika, ka tena hiainantsika izany toetran’ny zaza izany, dia azo ambara fa efa akaiky izany Fanjakan’Andriamanitra izany tokoa isika. Inona no famantarana hanaraka antsika ka hahafantarantsika fa efa mandeha amin’ny lalana tokony ho izy tokoa isika?

Lioka 10:9 « Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra. »

Lioka 11:20 « Fa raha ny rantsan-tànan'Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra. »

Ny voalohany dia hoe hamoaka demonia izy. Tsy hisy fanahy ratsy hahasahy hanatrika anao, ary ho roahinao izany dia handositra.

Ny faharoa dia hoe hanasitrana ny marary, ary na inona na inona aretina izay angatahinao fanasitranana amin’ny anaran’i Jesosy Kristy dia ho sitrana. Io fanasitranana ny aretina io tokoa no asa izay asain’ny Tompo tanterahina miaraka amin’ilay hoe fitoriana ny filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy tokony hisalasala araka izany ny mpitory teny hanao izany asa fanasitranana izany isaky ny mitory izany filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izany izy, satria baiko miaraka tsara no nilazan’i Jesosy an’izany, toa izany koa ny fandroahana ny devoly amin’ny alalan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.

 

Ahoana no fihavian’izany fanjakan’Andriamanitra izany?

Lioka 17:20 « Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny fanjakan'Andriamanitra. »

1.4     Inona avy ny zavatra miseho alohan’ny hisehoan’izany Fanjakan’Andriamanitra izany?

1.4.1 Ilay fanjakana arivo taona

1.4.1.1                 Hodiovina aloha ny tany mialoha ny hatongavan’i Jesosy Kristy

Apokalypsy 19:11 – 21 «11 [Ny amin'ilay nitaingina soavaly fotsy sy ny miaramilany, izay naharesy ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka] Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany. 12 Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany. 13 Ary miakanjo akanjo voafafy rà* Izy; ary ny anarany antsoina hoe Ny Tenin'Andriamanitra. 14 Ary ny antokon'ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio. 15 Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha. 16 Ary manana anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO. 

17 Ary hitako fa, indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin'ny masoandro, ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao tamin'ny voro-manidina rehetra teo afovoan'ny habakabaka hoe: Avia, ka miangòna ho amin'ny fanasana lehiben'Andriamanitra, 18 mba hihinananareo ny nofon'ny mpanjaka sy ny nofon'ny mpifehy arivo sy ny nofon'ny mahery sy ny nofon'ny soavaly mbamin'izay mitaingina azy ary ny nofon'ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe. 

19 Ary hitako ilay bibi-dia sy ny mpanjakan'ny tany mbamin'ny miaramilany tafangona mba hiady amin'ilay mitaingina ny soavaly sy amin'ny miaramilany. 20 Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. 

21 Ary ny olona sisa dia matin'ny sabatra mivoaka avy amin'ny vavan'ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony.” 

 

Izany hoe rehefa rava izany ilay tanàna Babylona lehibe (izay voalaza ao amin’ny Apokalypsy toko faha 18. Io filazana io dia manambara fa hisy fahoriana lehibe hiseho eto an-tany, izany dia miaraka amin’ny ady lehibe) izay vao miseho ity fisokafan’ny lanitra voaresaka eto ity sy ny fidinan’Ilay mitaingina ny sovaly fotsy arahin’ireo miaramilany marobe, izay samy mitaingina soavaly fotsy avokoa.

1.4.1.2                 Iza io lazaina fa mitaingina soavaly fotsy voalaza eto io?

Io Ilay antsoina hoe “Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany”.

1.4.1.2.1                  Iza io Mahatoky sy Marina io?

Asan'ny Apostoly 3:14 « Fa ianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo; »

Raha ny filazana izay voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly io dia nisy safidy izay voalaza fa  nataon’ny olona tao tamin’izany fotoana izany, dia ny safidy teo amin’ny olona iray izay nambara fa Masina sy Marina, kanefa dia naleon’ny olona tamin’izany mpamono olona no nalefa ho azy ireo. Izany tantara izany dia mampahatsiahy ilay safidy lehibe nataon’ny Jiosy raha nanameloka an’i Jesosy ho hombohina tamin’ny hazo fijaliana izy ireo. Naleon’ny olona nisafidy handefa an’i Barabasy mpamono olona toa izay handefa an’i Jesosy Ilay Masina sy Marina.

1 Jaona 2:1 « Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava* ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; [* Gr. parakleto; izahao Jao. xiv. 16] »  Fa  eto dia mahitsihitsy kokoa ny fanambaran’ny Apostoly Jaona fa manana mpisolovava eo amin’ny Ray isika dia tsy iza izany fa i Jesosy Kristy Ilay Marina.

Hatreto izany aloha dia Jesosy no ambara fa Mahatoky sy Marina, Izy ilay fahamarinana.

Ahoana ihany koa no hilazany Ilay mitaingina io soavaly fotsy io?

Voalaza ihany koa fa ny mason’izany mitaingina ny soavaly fotsy izany dia lelafo. Ka iza ary no manana maso toy ny lelafo izany? Izao no hilazan’ny Apostoly Jaona izany ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy:

Apokalypsy 1:9 «9 [Ny fisehoan'ny voninahitr'i Kristy] Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin'ny fahoriana ary amin'ny fanjakana sy ny faharetana ao amin'i Jesosy, dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy. »

Apokalypsy 1:12 – 18 «12 Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito; 13 ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona* niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany.[Na: toa zanak'olona] 14 Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo; 15 ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be. 16 Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny. 17 Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany, 18 dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. [* Gr. Hades] »

Izany hoe rehefa tafatsangana tamin’ny maty Jesosy Kristy, ka mitoetra any amin’ny voninahiny, dia toa izao no endrika nahitan’ny Apostoly Jaona Azy tamin’ny fahitana :

-         Eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito hoy izy dia misy Anankiray tahaka ny Zanak’olona, izany hoe manana endrika ohatra ny olona izany Ilay mitoetra teo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito. Ahoana no hilazana fa ohatra na mitovy na sahala amin’ny Zanak’olona Ilay mitoetra eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito?

-         Sahala amin’ny Zanak’olona Izy satria miakanjo akanjo lava hatrany an-tongony Izy sady misy fisikinam-bolamena teo an-tratrany.

-         Manana loha Izy, fa ny volony dia fotsy tahaka ny volon’ondry fotsy, ary tahaka ny ora-panala. Izany hoe entina hilazana izany fa tena fotsy tokoa ny volony. Azo heritreretina tsara fa misy hevitra tiana ambara amin’izany volo fotsy izany. Joba 12:12 « Ao amin'ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana. » Ohabolana 20:29 « Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy. » Izany hoe toa milaza izany fa olona feno fahendrena sy fahalalana, ary tena anti-panahy izany io voalaza fa Zanak’olona eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito io.

-         Manana maso ihany koa Izy, fa ny hilazany azy eto dia hoe tahaka ny lelafo izany masony izany. Mahery izany maso toy ny lelafo izany;

-         Ny tongony dia sahala amin’ny varahina mamirapiratra;

-         Ary ny feony dia toy ny firohondrohon’ny rano be, izany hoe midoboka sy maneno mafy sahala ireny onja midoboka ireny izany.

-         Nitana kintana fito Izy teny an-tanany ankavanana;

-         Nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka teo am-bavany ;

-         Ny tarehiny dia mamirapiratra toy ny masoandro amin’ny heriny, izany hoe tsy hay jerena mihitsy izany fa avy dia jambena na mety ho torana mihitsy na mety ho jamba tanteraka ny olona iray raha toa ka mijery masoandro amin’ny heriny izany. Mazava ho azy fa raha zavatra ohatra izany no jeren’ny maso dia ho lavo sy mianjera amin’ny tany tokoa izay mahita izany fisehoana izany. Ny ohatra izay entintsika manohana izany dia izay nanjo an’i Saoly rehefa nanejika fatratra ireo mpianatry Jesosy izy, i Saoly izay niova ho Paoly Apostoly taty aoriana. Asan'ny Apostoly 22:6 – 8 «6 Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an'i Damaskosy, tamin'ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy; 7 dia lavo tamin'ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? 8 Ary izaho namaly hoe: Iza moa Hianao, Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, Izay enjehinao. ». Efa any amin’ny voninahiny izany i Jesosy tamin’io fotoana izay nanenjehan’i Saoly ny mpianany io, dia mazava ho azy fa ilay endrika izay nahitan’ny Apostoly Jaona Azy voalazantsika eo ambony io no nahitan’i Saoly Azy. Voalazany eo fa na dia antoandro be aza ny andro, izany hoe misy masoandro mazava be amin’ny heriny mihitsy, dia mbola misy hazavana hafa izay mbola mamirapiratra kokoa noho ny herin’ny masoandro izany niseho teo anoloany ka nahajamba azy sy nampianjera azy ho lavo tamin’ny tany.

Toa izany ny endriky Jesosy any amin’ny voninahiny. Ka raha miresaka izany isika eto manao hoe tahaka ny lelafo ny mason’Ilay mitaingina ny soavaly fotsy io dia midika izany fa Jesosy izany io mitaingina soavaly fotsy io.

Voalaza ihany koa fa misy diadema maro eo amin’ny lohan’Ilay mitaingina soavaly fotsy. Ny azo andikana izany dia Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo rehetra io mitaingina ny soavaly fotsy io.

Manana anarana voasoratra ihany koa Izy, ka tsy misy mahalala izany anarana izany afa-tsy Izy ihany. Na dia marobe aza izany ny anarana izay hiantsoan’ny olona Azy dia mbola misy anarany izay tsy fantatry ny be sy ny maro akory fa Izy tompon’anarana ihany no mahalala izany. Tsy marina araka izany ny hanambaran’ny mpivavaka sasany na antokom-pivavahana sasany fa rehefa tsy ho “Yeshoua” no hiantsoana Azy dia diso. Satria eto fotsiny izao, ankoatra ilay anarany voasoratra izay tsy misy mahalala hafa tsy ny tenany irery ihany, dia misy anarana hafa voasoratra ihany koa eo izay efa hahalalantsika Azy rahateo dia ny hoe : “Ny Tenin’Andriamanitra”. Voaporofo izany eto fa marina ilay fanadihadiana izay efa hitantsika tany aloha. Ankoatra an’izay dia mbola misy anarany hafa ihany koa voalaza fa voasoratra eo amin’ny feny sy ny lambany manao hoe : “MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO”. Raha vao izay anarana izay no voatonona dia mazava tsara ary tsy misy ady hevitra intsony izany fa Jesosy Kristy no voalaza fa mitaingina io soavaly fotsy io.   

Hanao inona hidina ety ambonin’ny tany Ilay mitaingina ny soavaly fotsy sy ny miaramilany rehetra?

Hanapaka ny olona sisa tsy maty noho ilay faharavan’i Babylona lehibe, sy vokatr’ilay ady sy fahoriana lehibe izay hiseho any amparany, araka izay efa voasoratra manao hoe : Matio 24:21 – 22 «21 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. 22 Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. ».  Ny dikany izany dia mbola hisy nofo ho vonjena ihany eo. Ary matoa Jesosy midina miaraka amin’ny miaramilany marobe ary voalaza fa hanapaka azy amin’ny tehim-by, dia mazava tsara izany fa tsy amin’ny maty akory no hanapahany, fa amin’izay velona, amin’ireo izay sisa tsy maty noho ilay fahoriana be. Amin’ireo Izy no hanapaka, na hanjaka, kanefa na amin’ireo sisa mbola velona aza dia mbola hisy ho voaringana noho ilay sabatra roa lela maranitra izay mivoaka amin’ny vavany, anisan’izany ireo mpanjakany sy ny mpitari-tafika sy ny lehilahy maheriny isan’ambaratongany; ary tsy vitan’izany fa misy olona maro ihany koa dia ireo izay mpanaraka azy ireo izay mbola ho voaringana.

1.4.1.3                 Iza ireo haringanana alohan’ny hidirana amin’ny fanjakana arivo taona

Apokalypsy 19: 17-21 “ 17 Ary hitako fa, indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin'ny masoandro, ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao tamin'ny voro-manidina rehetra teo afovoan'ny habakabaka hoe: Avia, ka miangòna ho amin'ny fanasana lehiben'Andriamanitra, 18 mba hihinananareo ny nofon'ny mpanjaka sy ny nofon'ny mpifehy arivo sy ny nofon'ny mahery sy ny nofon'ny soavaly mbamin'izay mitaingina azy ary ny nofon'ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe. 

19 Ary hitako ilay bibi-dia sy ny mpanjakan'ny tany mbamin'ny miaramilany tafangona mba hiady amin'ilay mitaingina ny soavaly sy amin'ny miaramilany. 20 Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. 

21 Ary ny olona sisa dia matin'ny sabatra mivoaka avy amin'ny vavan'ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony.” 

Averintsika eto fa ilay bibidia sy ny mpaminany sandoka, sy ireo mpanjakan’ny tany, sy ireo mpitari-tafika na mpifehy arivo, sy ireo miaramila mahery sy ireo vahoaka izay mpomba azy ireo, na andevo na tsy andevo na kely na lehibe fa mpomba azy ireo fotsiny, satria nandray ny mariky ny bibidia ho eny aminy, izy ireo no haringana. Ho haringana izy ireo satria raha nahita ny fihavian’Ilay mitaingina soavaly fotsy sy ny miaramilany marobe izay manaraka Azy midina eto an-tany izy ireo dia mitsangana sy vonona ny hiady ary hanohitra ny fidinan’Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sy ny miaramilany, ka izay no mahatonga fandringanana azy ireo. Marobe tokoa ireo vahoaka izay ho voaringana amin’izany dia ireo izay voafitaky ny mpaminany sandoka ka nandray ny mariky ny bibi-dia sady niankohoka teo anoloan’ny sariny. Ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka ihany kosa dia ho atsipy velona any amin’ny farihy afo sy solifara.

1.4.1.3.1                  Iza no antsoina hoe bibi-dia?

Ireo mpanjakan’ny tany no antsoina hoe bibi-dia, izy io dia manana fahefana mifehy ny fahefana ara-politika, mifehy ny tany, ary manana fahefana ara-pinoana ihany koa. Raha ny voalazan’ny mpandinika dia antikristy ihany koa izy io.

1.4.1.3.2                  Ahoana izany hoe antikristy izany?   

 Ny hoe antikristy dia :

-         voalohany dia ireo izay mitsangana hanohitra an’Ilay tena Kristy marina voalazan’ny soratra masina, dia Ilay maty tamin’ny antsasaky ny herinandro, nilevina hatelon’alina sy hatelon’andro tao anatin’ny tany, ary nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra any an-danitra ka nitoetra eo an-kavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha, mbola ho avy indray hitsara ny velona sy ny maty. Tsy mino izany ny antikristy, n amino izany amin’ny ampahany ihany.

-         Faharoa, misy koa ireo antikristy izay tsy mino ihany koa fa tonga nofo izany Jesosy Kristy izany. 1 Jaona 4:2 – 3 «2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra; 3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy. » 2 Jaona 7 « Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy. » Izany hoe misy ary maro tokoa ny olona izay tsy mino fa efa tonga nofo Jesosy, ireny dia ambarnay fa antikristy ihany koa.

-         Ny faha telo dia hoe : ireo olona izay mandà ny Ray sy ny Zanaka na mandà an’i Jehovah tsy ho Ilay Mpamorona sy mandà ny asan’ny Zanaka, ireny ihany koa dia kilasiany ho antikristy. 1 Jaona 2:18 – 19 «18 Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny* antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. [* Na: ilay] 19 Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra. » famantarana ny andro farany izany ny fisian’ny antikristy. Tsy avy lavitra izy ireo hoy izy fa tao anatin’ireo antsoina hoe Kristiana ihany izy ireo no nivoaka fa nivoaka lasa nanohitra nitondra fampianarana hafa. Inona izany fampianarana hafa nentiny izany? 2 Tesaloniana 2:7 – 8 «7 Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna. kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany*. [* Na: kanefa ao ihany ilay misakana mandra-panaisotra azy] 8 Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo* amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany; [* Na:(holevonin'ny Tompo)] » Raha tsorina izany ny resaka dia fampianarana izay mitarika ny olona tsy hankatoa ny lalàna intsony no entin’izy ireo, fampianarana izay milaza fa efa ambany fahasoavana fa tsy ambany lalàna intsony, voahozona izay mitandrina ny lalàna. Dia efa hitantsika ny fanazavana ilay voalaza fa mpikomy amin’i Jehovah sy ny Mesiany izay voasoratra ao amin’ny Salamo 2: 1 – 4. Ireo antikristy izany dia mihezaka mafy mihitsy ny hirosoan’ny olona ao amin’izany tsi-fankatoavan-dalana izany, ary dia voaporofo tokoa fa kristiana ihany izy ireo no mivadika manjary mitondra fampianarana hafahafa.  2 Tesaloniana 2:3 « Aza mety hofitahin'olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, ».

1.4.1.3.3                  Iza ireo olona efa nandray ny mariky ny bibi-dia?

Raha miainga avy amin’io famaritana napetraka eo io isika, dia mazava tsara ny lalan-kizorana fa ireo izay mandray ny fampianaran’ny bibi-dia no ireo nandray ny mariky ny bibi-dia ihany koa. Izany hoe ireo izay nifikitra amin’ny fampianaran’ny tsi-fankatoavan-dalana izany. Nandray ny mariky ny bibi-dia satria raha nilaza sy nametraka ny didy sy ny fitsipiny Jehovah sy ny Mesiany, dia izy ireo kosa mandà sy mamorona lalàna hafa ho azy. Ohatra vitsy no entintsika manamarina izany :

-         Ny fanajana ireo sabatany amin’ny fotoany avy : nametraka ny fitsipiny Jehovah sy ny Mesiany fa famantarana eo aminy sy ny olony ny fanajana ireo sabatany amin’ny fotoany avy (izany dia fanadihadiana efa hitantsika lavabe tany ambony), ireo antikristy kosa dia mampianatra fa mety ny manaja andro hafa hivavahana, ary dia maro tokoa no voafitany ao anatin’izany, voatarika hivavaka amin’ny andro alahady ny maro, hajainy amin’ny ampahany ihany ireo fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, fa saingy tsy amin’ny fotoany, ary misy aza tsy ataony mihitsy. Misy koa ny fety na fotoam-pivavahana izay ry zareo mihitsy no namorona azy kanefa dia marobe tokoa ny olona manaraka izany, toy ny fanajana ny NOEL, (No = tsy misy, El = Andriamanitra).

-         Eo ihany koa ny fanavahana ny madio sy ny maloto : ampidirin’izy ireo ao antsain’ny maro fa efa nodiovina avokoa ny zavatra rehetra, ka azo hoanina. Jehovah sy ny Mesiany anefa dia nametra fa hoe Aza mametaveta ny fanahinareo amin’ny nofon’ny fahavetavetana fa aoka ho masina ho Ahy ianareo. Tsy mitazona ilay fahamasinana izany izy ireo fa entiny ho vetavetaina avokoa ny fanahin’ny olona maro.

-         Ny fanaovana ny Batisa : raha nametraka ny Mesia fa hoe ampianaro aloha ny olona dia rehefa mahay izy ka mino, ary mibebaka amin’ny fahotany dia ataovy batisa amin’ny anaran’Ilay Jehovah sy Jesosy Kristy ary ny Fanahy masina, izany hoe olon-dehibe no mahafeno ireo fepetra ireo, kanefa ireo antikristy dia mampianatra  fa ny zazakely no entina atao batisa ary tsy amin’ny ranobe fa atao amin’ny fafy rano. Ny zaza anefa dia efa nampianarin’i Jesosy fa entina tsofin-drano fa tsy atao batisa velively.

-         Tsy mino an’ilay Jesosy Kristy maty tamin’ny antsasaky ny herinandro ihany koa izy ireo, tsy mino fa nitoetra telo alina sy telo andro tao anatin’ny tany Izy, ary tsy mino fa nitsangana tamin’ny andro sabata Jesosy. Mampianatra ny olona maro ireo antikristy fa maty zoma ny Tompo, ary tsy nahafeno fepetra izay famantarana napetraky ny Tompo, fa nitoetra 2 alina sy 1 andro tao am-pasana ary nitsangana ny andro alahady maraina be.

Maro ny ohatra azo entina amin’izany tsi-fanarahan-dalana izay entin’ireo antikristy ireo mametraka ny marika eny aminy amin’ny olona, ary dia marobe tokoa no voafitany. Ireo mpaminany sandoka no entiny miaraka aminy mamitaka ny firenena maro amin’izany.

Ireo bibi-dia sy ny mpaminany sandoka izany amin’izay fotoana hidinan’Ilay mitaingina soavaly fotsy arahin’ny miaramilany no ho atsipy velona any amin’ny farihy mirehitra afo. Ho levona any izany ireo rehefa tonga izany fotoana izany. Ary ny olona sisa kosa, izay nanaraka ny fampianarany sy nandray ny mariky ny bibi-dia kosa dia matin’ny sabatra mivoaka amin’ny vavan’Ilay mitaingina ny soavaly, ary ny vorona rehetra izay efa nantsoin’ilay anjely kosa dia mihinana ny nofon’izy ireo.

 


1.4.1.3.4                  Iza ireo olona ho tandremana amin’ny tehim-by?

Tsy ny olona rehetra ambonin’ny tany araka izany no voaringana sy ho lanin’ny voro-manidina ny nofony, fa mbola hisy ho tafajanona eo. Ka na dia amin’ireo izay sisa tafajanona ireo aza dia mbola hisy ho voataonan’i Satana hatrany hanaraka azy. Averina hatrany fa Ilay masina izay mitaingina ny soavaly dia hoavy hanjaka amin’ny firenena rehetra amin’ny tehim-by, ka tsy olona maty akory no hanjakany fa ny olona velona. Apokalypsy 19 : “15 Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by;” Iza ireo ho tandremany amin’ny tehim-by ireo? Salamo 2:7 – 9 «7 "Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany. 8 Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao. 9 Hotorotoroinao amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy." » izany hoe ny Jentilisa sy ny faran’ny tany izany no ho torotoroina amin’ny tehim-by. Manamafy izany izay voalaza ao amin’ny Apokalypsy 2:26 – 27 «26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; 27 ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. ». Izay maharesy hoy Izy ka mitandrina ny asany, izany hoe mitazona sy mandray ilay tombo-kasen’Andriamanitra, ary manao ny asany : mitory ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra, izay asa nataon’i Jesosy Kristy tety ambonin’ny tany. Raha tsorina tsara kokoa ny resaka dia hoe izay mijoro ho tena kristiana tena Izy (araka ny fanadihadiana izay efa nataontsika tany ambony), no homeny fahefana amin’ny jentilisa, ka hitandrina azy ireo amin’ny tehim-by. Dia mazava tsara izany fa hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy ka hitandrina ny jentilisa amin’ny tehim-by izay olona mpandresy.

1.4.1.3.5                  Rahoviana no hiseho izany?

Rehefa tonga io fotoana izay voalaza fa hidinan’Ilay mitaingina soavaly fotsy izay manana maso toy ny lelafo io sy misy sabatra maranitra roa lela mivoaka eo amin’ny vavany, ka harahin’ny miaramilany marobe izay mitaingina soavaly fotsy ihany koa, izy ireo dia midina eny amin’ny rahon’ny lanitra ka ny maso rehetra ahita izany avokoa.

 

1.4.1.3.6                  Nofatorana sy nogadraina Satana mialoha ny Fanjakana arivo taona

Apokalypsy 20:1 – 3 «1 [Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona] Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; 2 dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona, 3 dia nanipy azy ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona;  ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. »

Eto ny Apostoly Jaona dia mitantara ny fahitana izay hitany, mitantara izy fa nisy anjely nidina avy tany an-danitra, ka nisambotra ilay dragona dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana. Nofatorana Satana, ka natsipy tany anaty lavaka tsy hita noanoa, ary nasiana gadra lehibe teny an-tanany, avy eo dia nohidin’ilay anjely ny lavaka ka nasiany tombo-kase avy eo amboniny. Ny antony izay hanidina an’i Satana raha ny voalaza eto dia ny mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona. Matoa izany izy milaza fa nohidina Satana mba tsy hamitahany firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona, dia midika izany fa mbola misy olona eto an-tany, any amin’ireo firenena maro, ary ny mponina any amin’ireo firenena maro ireo no ilay hanjakan’Ilay mitaingina soavaly fotsy sy ny mpanara-dia Azy, sy izay olona voalazany fa mpandresy ka mitandrina ny asany dia ireo izay nahatazona ilay tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny sy ny tanany havanana.

1.4.1.3.7                  Inona izany ny zavatra misy sy atao eto an-tany amin’izany fanjakana arivo taona izay tsy maintsy hisy eto izany?

Ny efa hitantsika eo aloha dia hoe misy fanjakana mijoro eto dia ilay fanjakana arivo taona :

Matoa misy fanjakana mijoro dia midika izany fa misy mpanjaka izay mitondra, misy mpiara-mitantana amin’ny mpitondra na ny Mpanjaka, ary farany dia misy vahoaka entina.

1.4.1.3.7.1     Iza no Mpanjaka izay hitantana izany fanjakana arivo taona izany?

Apokalypsy 19:15 a « Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; » izany hoe izay mitaingina ilay soavaly fotsy ka manana sabatra maranitra mivoaka amin’ny vavany izany no hanapaka ny firenena rehetra. Io dia tsy Iza raha araka ny fanadihadiana efa vitantsika teo ambony fa Jesosy Kristy izay mitoetra any amin’ny voninahiny ihany no manana io famantarana na ilay sabatra maranitra izay mivoaka amin’ny vavany io. Izy no ho Mpanjaka izay hanapaka sy hanorotoro ny jentilisa amin’ny tehim-by. Io dia efa nisy faminanina izay nentin’i Daniela tamin’ny fotoan’androny, faminaniana izay hitany tamin’ny alalan’ny nofin’ny mpanjaka Nebokadnezara.

Daniela 2:31 – 45 «31 Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy,  ary ny tarehiny dia nahatahotra. 32 Ny lohan'izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina, 33 ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga. 34 Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin'ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy. 35 Dia niara-torotoro* ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin'ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.[Na: torotoro tamin'ny indray mamely monja] 36 Izany no nofy, ary holazainay eto anatrehan'ny mpanjaka koa ny heviny. 37 Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan'ny mpanjaka sady nomen'Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra, 38 ka ny zanak'olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan'izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany. 39 Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin'ny tany rehetra. 40 Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin'ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy. 41 Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan'ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao. 42 Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy. 43 Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo amin'ny tanimanga. 44 Ary amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon- kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay. 45 Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana tamin'ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin'Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin'ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho tò ny heviny. » Raha ity faminaniana izay voasoratra eto ity dia milaza fifandimbiasam-pitondrana, na fifandimbiasam-panjakana, izay nisy hatrizay. Ambarany fa ny fitondrana izay nisy tany aloha dia miendrika volamena hatrany, izay midika fa fiainana sarobidy, mahatsiriritra, mamirapiratra, feno fiadanana, sy fahasambarana. Rehefa rava izany fanjakana mahatsiriritra izany dia misolo fitondrana ambany karazana kokoa noho ny teo izay mandimby azy, dia volafotsy indray. Dia hatrany hatrany, rehefa rava ny teo aloha dia misolo fitondrana ambany karazana hatrany ilay izy, volamena dia lasa volafotsy dia lasa varahina, dia lasa vy, ary farany dia lasa vy miharo tanimanga. Io farany io izany dia tena fitondrana tena malemy tokoa satria tanimanga no miharo vy, izay zavatra tsy mety hiaraka tokoa izany. Fa rehefa mby tonga amin’izay fotoana izay ilay fitondram-panjakana na ny firenena rehetra dia hisy vato nendahina tamin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahin-tanana, hilatsaka hanorotoro izany firenena rehetra  izany, ka na inona na inona lanjany, na volamena na volafotsy, na varahina na vy na vy miaro tanimanga dia ho montsana sy torotoro avokoa rehefa milatsaka izany vato izany, ary tsy misy mijanona eo fa montsana daholo, hafa tsy ilay vato izay lasa tendrombohitra lehibe hameno ny tany.

Inona no famantarana fa efa hitranga na hiseho izany filatsahan’ilay vato tsy nendahan-tanana izany? Hiseho izany rehefa toa ka mihezaka mitambatra ny zanak’olombelona nefa tsy mety tafa-tambatra izy ireo. Ohatra hoe amin’izao fotoana izao, dia misy ny fikambanana iraisam-pirenena maro isan-karazany nefa tsy mety tena tonga ao amin’ilay tanjona tena tiany hahatongavana ilay izy fa toa vao mainka aza mampisaraka.

-         Ao ohatra ny firenena mikambana na ny “Nation unie”, ny tanjona dia ny hoe tsy hisian’ny ady sy korontana fa rafitra iray no hifehy izao tontolo izao, kanefa dia maro no efa tsy te hijanona ao anatin’izany fikambanana izany satria mahatsiaro ho voahilika sy tsy mahazo avara-patana.

-         Ao koa ohatra ny OMS (Organisation Mondial de la Santé), na ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana, izay napetraka mba handrindra sy hitandro ny fahasalaman’ny mponina rehetra eto an-tany, kanefa dia maro koa ankehitriny ireo firenena no lasa tsy mitovy hevitra satria mahatsapa fa toa lasa miaro ny tombotsoan’ireo fikambanana vitsivitsy na firenena vitsivitsy ilay OMS ka tsy te hijanona ao intsony ny maro.

-         Fa misy koa firenena vitsivitsy izay mifanakaiky sy mitovitovy fomba fijery no mivondrona anaty fikambanana iray toa ny “Union Européen”, na fikambanan’ny firenena eropeana, misy ny firenena te hiditra ao saingy lavin’ny efa ao anatiny, fa misy koa ny ao anatiny no mivoaka tsy te hijanona ao (ohatra ny firenena anglisy dia nivoaka tsy nijanona tao anatin’izany fikambanana izany). Ny aty Afrika dia misy ny SADEC, izay mitovy amin’io Union Européen io ihany koa ny zavatra misy, sns…

Maro araka izany ireo fikambanana izay miorina mba hiharoan’ny taranak’olombelona, saingy tsy mateza na tsy tanteraka ny fitambarany satria izay ilay vy sy tanimanga izay mitambatra ka tsy mety mifangaro fa malemy hatrany. Rehefa miseho izany hoy ny mpaminany Daniela dia ho avy Andriamanitra hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay, ka izay fanjakana rehetra misy eo dia ho ravany avokoa.

Io no manambara fa ho avy Jesosy ka Izy no hanorina ilay fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay. Izy no ho Mpanjaka hitantana izany fanjakana izany.

Raha Jesosy izany no Mpanjaka, ary dia izany tokoa Izy satria efa izay mihitsy ilay anarana voasoratra eo amin’ny feny sy ny lambany araka ny voasoratra ao amin’ny Apokalypsy manao hoe Apokalypsy 19 : 16 “16 Ary manana anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO.” 

Raha Izy no Mpanjaka dia iza ireo mpiara-manjaka aminy?

1.4.1.3.7.2     Iza ireo mpiara-miasa amin’Ilay Mpanjaka?

2 Timoty 2:11 – 12 «11 Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; 12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika; »

Ny apostoly Paoly dia nilaza fa raha miara-maty aminy isika, izany hoe raha vao miresaka an’izany dia efa resaka Batisa no ao an-tsaina, satria raha miara-maty amin’i Jesosy isika, maty ireo fahotana teo aloha, maty ny maha izy anao teo aloha, fa miara-belona aminy kosa ho olom-baovao, tena nandray an’i Kristy tokoa, dia lazainy fa isika no hiara-manjaka aminy. Ambarany fa mila miaritra izay olona te hiara-manjaka amin’i Jesosy izany. Mila miaritra satria tsy lalana mora izany fa éty sy sarotra, maro mpanejika, izao no hilazan’i Jesosy izany : Matio 7:13 « Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. »

Matio 24:9 « Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako. »

Marka 13:13 « Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. »  Misy fankahalana sy fanavahana, ary mety miafara amin’ny famonoana mihitsy aza izany ny fanarahana sy fandraisana ny anaran’i Jesosy handidy sy hanapaka eo amin’ny fiainantsika.

Hamafisin’ny apostoly Jaona izany teny izany rehefa nanoratra ny bokin’ny apokalypsy izy :

Apokalypsy 20:4 – 6 «4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahan-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. 5 Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. 6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. »

Voalaza  eto fa misy seza fiandrianana maro izany hitan’ny apostoly Jaona ary misy mipetraka eo amboniny. Matoa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana dia olona mpitondra izany, mpiara-mitantana amin’i Jesosy.

1.4.2 Iza ireo olona izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana maro ireo?

Ireo ilay voalazantsika teo ambony fa olona niaritra, ireo olona miara-maty aminy, sy niara-belona taminy koa. Ireo ilay olona niaritra ka nitondra fahoriana noho ny anaran’i Jesosy. Ny hilazan’ny Apostoly Jaona azy eto dia hoe : ireo ilay notapahan-doha noho ny filazana an’i Jesosy. Tsy izay ihany anefa ny olona voalaza eto fa hipetraka eo amin’io seza fiandrianana maro io fa ireo izay nandray ny tombo-kasen’Andriamanitra, ary nandà ny tombo-kasen’ny devoly, tsy niankohoka teo anoloan’ny bibi-dia na teo anoloan’ny sariny, ary tsy nandray ny marika ho eo amin’ny handriny na eo amin’ny tànany. Ady isan’andro izany no hataon’izay olona te hanaradia an’i Kristy. Ady satria tsy mora ny manaraka izany.

-         Ady ny mampitoetra sy mino fa Jesosy no Kristy, ary ny finoana izany moa no mampitoetra antsika fa hoe zanak’Andriamanitra isika. Ary mbola ady ao anatin’izany ny finoana fa Jesosy no Ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo.

-         Ady no hanekena fa Jesosy no Ilay Zanak’ondry natao sorona nalatsa-drà farany hamonjena antsika, ary izany Ràn’ny Zanak’ondry izany no famelana ny helotsika;

-         Ady no ahafahatsika manavaka ny madio sy ny maloto, ary isan’andro dia miseho hatrany izany ady izany mba hampitoetra ilay fahamasinana takian’i Jehovah ho amintsika zanany;

-         Ady no mampitoetra antsika hijanona ao anatin’ny fahamarinana, satria efa haintsika tsara fa izay mitandrina ny lalàna no lazaina fa tia an’Andriamanitra, ary isaina ho fahamarinany izany. Ary rehefa mahatandrina izany fahamarinana izany dia lasa manokan-tena ho tonga ho masina.

-         Ady ihany koa no hatrehantsika raha hamora ny fontsika isika, hanala ilay fo vatontsika fa hanova azy ho fo nofo. Sarotra tokoa sy ady lehibe ny hanatanterahana izany.

-         Ady ihany koa no hanekentsika satria ho toherin’ny olona maro isika amin’ny finoana fa maty tamin’ny antsasaky ny herinandro Jesosy Kristy ary nitoetra teo andro sy telo alina tao anatin’ny tany izy.

-         Mbola ady ihany koa ny hanekentsika hiroso amin’ny ranon’ny Batisa ka hiara-maty amin’ilay Jesosy Kristy maty tamin’ny antsasaky ny herinandro isika, hamono ny otantsika sy ny tsy fahamarinantsika rehetra, hiara-halevina aminy hatelon’andro sy hatelon’alina ihany koa izany otantsika izany, ary hiara-mitsangana aminy ho olom-baovao amin’ny andro fahatelo.

-         Ary farany kanefa tena ady lehibe tokoa ny fitandremana sy fanajana ireo sabatan’i Jehovah amin’ny fotoany avy. Sarotra io satria lavin’ny maro ary ny fitandremana izany dia tena ady lehibe tokoa satria na ny fotoana izay hitandremana azy aza dia mety ho any anaty andro fiasana ka mety tsy hahazo fotoana hahafahana mitandrina izany akory ny tsirairay.

Tsy azon’ny olona ilay planin’ny famonjena sy ny fanjakan’Andriamanitra ka izay no mahatonga azy ho ady. Ady ny fihatrehana izany ka mahatonga azy milaza hoe Apokalypsy 2:26 « Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; ».

Raha fintinina izany dia Jesosy no Mpanjaka, Izay maharesy kosa ka mitandrina ny asany no hipetraka eo amin’ireo seza fiandrianana maro ka hanana fahefana hitsara ny jentilisa.

Ny vahoaka entina kosa dia ireo jentilisa izay vahoaka mbola velona amin’izany fotoana izany. Mandritra ny arivo taona io fanjakana mijoro io, fa rehefa tapitra indray ny arivo taona dia inona no hiseho?

1.4.3 Ny aorian’ny fanjakana arivo taona

1.4.3.1                 Novahana Satana  dia mitady hamitaka indray

Apokalypsy 20:7 – 10 «7 Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany 8 ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona azy ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany. 9 Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin'ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo* nidina avy tany an-danitra ka nandany azy. [* Na: (afo avy amin'Andriamanitra)] 10 Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo. »

Rehefa tapitra izany ny fe-potoana 1000 taona izay nanidiana an’i Satana dia novahana indray izy, ary rehefa nivoaka izy dia nitohy namitaka ny olona rehetra indray. Ary tsy vitsy no voafitaka fa marobe tokoa, ary tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany. Na dia efa niara-niaina tamin’i Jesosy sy ireo olo-mboafidy marobe sy nampianarina nandritra ny 1000 taona be izao aza izany ny olona dia mbola misy tsy manaiky izay fampianarana marina sy tena izy ihany. Efa Jesosy no nidina teto an-tany amin’izany fotoana izany dia mbola misy hatrany no tsy mino, fa vao mivoaka satana dia efa voatarika hikomy sy tsy hanaiky an’i Jesosy izy ireo. Voalaza mihitsy aza moa eto fa voatarika hanafika sy nanodidina ny tobin’ny olona masina izy ireo, kanefa tamin’izay indrindra no nisy afo avy amin’Andriamanitra nidina avy tany an-danitra ka nandany azy ireo.

 Misy teboka vitsivitsy izay tsara ho marihintsika kely ao anatin’ireo :

1.     Ny voalohany dia ny hoe : na dia efa nidina tety an-tany aza Jesosy sy ny miaramilany marobe, ka efa nantsagana hiara-manjaka aminy ireo olom-boafidy, dia tsy nanery ny olona ho tsy maintsy hanaraka ny fampianarana tena izy Izy, fa navelany hisafidy ny olona. Eto izao isika dia mahita fa mbola misy olona marobe toy ny isan’ny fasika amin’ny ranomasina mbola tsy manaiky ny fahamarinana ihany na dia efa Jesosy aza no tonga miaraka amin’ireo olony masina. Ny lesona azo tsoahina izany dia hoe tsy manery ny olona ho tsy maintsy hankatoa azy Jesosy fa manome safidy malalaka Izy.

2.     Ny faharoa dia ny hoe : nisy toerana iray izay nitobiany izany toy ny lapa iray ny olona masina sy ny mpanjaka dia Jesosy Kristy. Io no nantsoina hoe tobin’ny olona masina na tanàna malala. Tsy mbola io ilay paradisa na Ilay fanjakan’Andriamanitra, fa mbola tsy tonga. Io toby io no nokasain’i Satana sy ny mpanaraka azy ho tafiana.

3.     Ny fahatelo dia hoe: Jehovah dia tsy mbola nidina tety an-tany tamin’io fotoana io fa mbola any an-danitra. Avy any Izy no nandatsaka ilay afo nandevonana ireo olona marobe izay voafitaky satana ka nandeha hanafika ny tanàna malala.

4.     Eo amin’io fotoana io vao natsipy ho any amin’ny farihy afo sy solifara Satana sy ilay mpaminany sandoka ka hampijaliana andro aman’alina mandrakizay mandrakizay. Izany hoe eo izany vao tsy hisy hitsangana hamitaka ny olona intsony.

1.5     Ahoana ny mahakasika Ilay Fanjakan’ Andriamanitra torin’i Jesosy ?

Maro tokoa no mampianatra zavatra hafa ankoatra izay voalazan’ny Soratra Masina mahakasika io Fanjakan’Andriamanitra io, sy ny manodidina azy. Ary dia misy fanontaniana maro tokoa no mivoaka ao anatin’izany resaka izany toy ny hoe :

-         Aiza ny toerana misy azy?

-         Inona no atao any rehefa tonga izany?

-         Iza no mahazo mankany? Sns…

1.5.1 Aiza marina no mitoetra izany fanjakan’Andriamanitra izany?

Maro ary samy manana ny filazany avy ny olona indrindra ireo mpitondra sy mpitarika fivavahana ny amin’izany toerana misy izany fanjakan’Andriamanitra izany. Misy hevitra maromaro entin’ny olona hanamarinany ny toerana misy izany fanjakan’Andriamanitra izany:

1.5.1.1                 Any an-danitra ve ny fanjakan’Andriamanitra?

-         Misy milaza fa any an-danitra izany fanjakan’Andriamanitra izany ary antsoina hoe “Paradisa”. Ny mahatonga azy ireo hihevitra an’izany dia ilay teny voasoratra manao hoe : Lioka 23:43 « Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. ». Izany hoe raha ity vakiteny eto ity izany no raisina dia ny androtr’io niresahana’i Jesosy io tamin’ilay Jiolahy niara-nifantsika taminy teo amin’ny hazo fijaliana no hihaonan’izy ireo any amin’ny Paradisa. Dia ahoana ary? Moa ve mandainga Jesosy sa miteniteny foana noho ny ratra be loatra nahazo Azy? Ny valiny azo omena avy hatrany dia hoe TSIA, tsy mba mandainga Jesosy na sanatria miteniteny foana, fa misy dikanteny tsy mety izay tsy mandeha araka ny tokony ho izy nampiasain’ny mpandika teny teo amin’io andalan-teny io. Aiza aloha no lazaina fa Paradisa, na ilay Fanjakan’Andriamanitra? Ny paradisa dia heverina fa any amin’izay toerana hisy an’i Jesosy, toerana feno fahasambarana izany ary hinoana fa izany no hitoeran’ilay Fanjakan’Andriamanitra. Maro tokoa no mihevitra araka izany fa hoe any an-danitra izany toerana izany, ary misy ny mampianatra ny mpino ao aminy fa any amparany na aorian’ny fahafatesana dia hiakatra any an-danitra ny olona ka hitoetra any amin’izany Paradisa izany izy raha nanao ny tsara nandritra ny fahavelomany. Hanao inona any? misy ny mino fa hoe haka aina na hanao vakansy any an-danitra arivo taona rehefa tonga izany fotoana izany ; ao koa no mino fa ny fanjakan’Andriamanitra na ny Paradisa dia any an-danitra no hisy azy ary ho aringana ny ratsy fanahy, fa hamerina ny olona ho lavorary. Tena izany tokoa ve no izy? Nilaza isika teo ambony fa misy fandikan-teny tsy mifanaraka amin’ny teny fototra tena izy no nandikan’ny mpandika teny azy tany aloha. Ahoana ary no tokony ho izy? Raha andray ohatra izay voasoratra ao amin’ny Baiboly antsoina hoe : “Ny soratra Masina Fandikan-tenin’ny Tontolo vaovao” isika, io dia baiboly fampiasan’ny “Fikambanana vavolombelon’i Jehovah” dia izao no handikan-dry zareo azy io, izay manakaiky kokoa ny dikan-teny marina. (Marihina aloha fa raha te hahazo sy hahatsapa ny tena hevitra marina na ny mifanakaiky indrindra amin’ny tena izy isika, raha mandinika ny soratra masina, dia tsy azo atao ny manakanton-trano, na manana avonavom-po hoe tsy mila ny hevitry ny hafa na vokam-pikarohana vitan’ny hafa, fa tsy maintsy misokatra. Izany no mahatonga antsika mandray hatramin’ny dikanteny vahiny, eny mandray ny Baiboly hafa na dikanteny katolika na dikanteny vavolom-belon’i Jehovah. Mahatsara antsika ny misokatra saingy mba fidiana ihany koa izay ho raisina fa sao vao mainka manao dikanteny mivilana ka vao mainka mandiso zavatra.) Izao ary no fomba fanoratany io andalan-teny io Lioka 23 : 43 “Dia hoy Jesosy taminy. “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao”” Tena samihafa tokoa ary tena mifanohitra ny zavatra ambaran’ireo soratra masina roa ireo raha ampitahaina. Misy fandikan-teny tsy mifanaraka loatra izany ao. Raha ampitahaintsika amin’ny alalan’ny tabilao ireo teny roa ireo dia izao no azo ambara :

Lioka 23:43 « Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. ».

Lioka 23 : 43 “Dia hoy Jesosy taminy. “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao””

Raha ity dikanteny ity no jerena dia milaza avy hatrany fa vao maty eo Jesosy sy ilay jiolahy nifantsika teo anilany dia hihaona avy hatrany any amin’ny Paradisa izy ireo ny androtr’iny ihany !!. Tena izany ve no izy?

Misy teboka vitsivitsy tsara ho jerentsika ireto :

1 Diso ny soratra masina raha izany no dikanteny tena marina, satria Jesosy tsy avy dia niakatra tany an-danitra fa raha araka ny famantarana izay nomeny antsika, dia tsy maintsy mijanona hatelon’alina sy hatelon’andro ao ankibon’ny fasana Izy taorian’ny nahafatesany. Matio 12 : 38 – 40  Tsy avy dia niakatra ny androtr’iny namonoana Azy iny izany Izy fa mbola nijanona teto an-tany.

Rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy taorian’ny nilevenany telo alina sy telo andro tao ampasana, dia nifanena tamin’ny mpianany.

Ahoana no hanamarinana izany?

Jaona 20:16 – 20 «16 Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô. 17 Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo. 18 Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy. 19 Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo. 20 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo. » Mazava tsara izany izay voasoratra eto fa na efa avy nilevina telo alina sy telo andro tao anatin’ny tany aza Jesosy ka efa nitsangana tamin’ny maty dia mbola tsy niakatra nankany amin’ny Ray Izy, na ry Maria Magdalena aza dia tsy mbola navelany nikasika Azy satria mazava ny fanambarany fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray Izy. Io izany aloha dia efa ampy handisoana ilay dikateny milaza fa Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. Satria Jesosy aza ny faha efatra andro taorian’ny nahafatesany mbola milaza fa tsy mbola tany amin’ny Ray. Izay misy ny Ray no misy ny Paradisa.

2 ny teboka manaraka dia izao : tsy misy olona na dia iray aza ka afaka naka tombony na tonga mialoha ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra fa tsy mbola hisy izany raha tsy efa mby eo ihany koa isika. Hebreo 11:39 – 40  «19 Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana, 40 fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika. » Milaza mazava ny soratra masina eto fa na ireo Patriarka izay efa tsara laza sy ankasitrahan’Andriamanitra aza toa an’dry, Abrahama, ry Isaka ry Jakoba, ry Mosesy, ry Noa, ry Davida sy ny sisa dia mbola tsy nandray ilay teny fikasana. Ny teny fikasana dia ilay hoe hiara-manjaka aminy ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, na hoe hitoetra ao amin’ny paradisa. Tsy atao tanterakaireo hoy izy raha tsy efa eo ihany koa isika. Ny dikan’izany dia izao: tsy nisy nahazo tombony ny olombelona rehetra niaina teto ambonin’ny tany, tsy nisy tafiditra mialoha any amin’izany fanjakan’Andriamanitra izany, fa miaraka miditra any avokoa ny rehetra rehefa tonga ny fotoana.

Io dia sahala amin’ilay fanoharana nataon’i Jesosy momba ireo mpiasa ho any an-tanim-boaloboka. (Matio 20: 1- 16 vakio etsy ambany). 

Eto izany dia ambarantsika fa tsy mitombona ilay dikanteny voalaza eto io, satria tsy nisy olombelona efa nahazo tombony izany ka efa tafiditra  sahady any amin’izany fanjakan’Andriamanitra izany, fa tsy maintsy miaraka avokoa ny rehetra.

Raha eto indray isika no mijery dia fanamafisan-teny fotsiny ihany no nilazan’i Jesosy ny teny hoe ANIO eo. Tsy mametra ny fotoana izay mety hihaonan’Izy ireo any amin’ny Paradisa mihitsy Izy, saingy nampanantena fotsiny fa rehefa tonga izay fotoana izay dia hiaraka aminy any amin’ny Paradisa ity jiolahy nahazo famindram-po ity. Tsy ny andro izay nahafatesany io no hihaonan’izy ireo any amin’ny paradisa, fa manamafy fotsiny Izy fa hihaona any izy ireo rehefa tonga izay fotoana izay.

Ity dikateny ity izany no azo raisina kokoa satria ity teny eto ity no mametraka fotoana marina kokoa sy mahitsy kokoa.

Ary raha ny hevitry ny teny amin’ny teny hebreo dia tena izay tokoa no hevitry ny teny.

Matio 20:1 – 16 «1 Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. 2 Ary rehefa nifanekeny tamin'ny mpiasa fa ho denaria isan'andro ny karamany, dia nasainy nankany amin'ny tanim-boalobony ireny. 3 Ary nivoaka tamin'ny ora fahatelo izy, dia nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena, 4 ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo hankany amin'ny tanim-boaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny. 5 Ary nivoaka tamin'ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa. 6 Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro? 7 Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin'ny tanim-boaloboka. 8 Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon'ny tanim-boaloboka tamin'ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany: atombohy amin'ireo taoriana ka vao hatramin'ireo voalohany. 

9 Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy. 10 Fa rehefa tonga ireo voalohany, dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony. 11 Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin'ny tompon-trano ka nanao hoe: 12 Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro. 13 Fa izy namaly ka nanao tamin'ny anankiray amin'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko? 14 Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa. 15 Tsy mahazo manao izay tiako amin'ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho? 16 Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany. »

Milaza ny fanoharana eto fa na efa niasa tany amin’ny vanim-potoana tany aloha ny olona iray, na izao vao manomboka manao ny asa, dia tsy miova ny fotoana handraisana ny anjara karama fa mitovy avokoa, ary tsy miova ihany koa ny habetsahan’ny karama fa mitovy avokoa. Samy miandry ilay fotoana hizarana ny karama na ny hidirana any amin’ilay fanjakan’Andriamanitra izany ny rehetra hatramin’izao fotoana izao, tsy mbola nisy nahazo tombony, tsy mbola nisy tafiditra mialoha ao, fa tsy maintsy miaraka avokoa rehefa tonga ny fotoana. Ny toerana hisy izany fanjakan’Andriamanitra izany dia ho jerentsika amin’ny fanadihadiana eny ambany

1.5.1.2                 Ao anatintsika ve ny fanjakan’Andriamanitra?

Misy indray ny antokon’olona hafa izay milaza fa hoe efa ao anatintsika ny fanjakan’Andriamanitra raha vao mino an’i Jesosy ny olona iray. Dia izay tokoa ve no marina ? ny nisintonana izany hevitra izany indray dia araka izay hita voasoratra manaraka eto ity : Lioka 17:20 – 21 «20 Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny fanjakan'Andriamanitra. 21 Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo*.[*Na: efa eo aminareo] »  izay indray ny foto-kevitra vohizin’ny ankolafy iray. Raha jerentsika tsara anefa ny olona miresaka amin’i Jesosy Kristy eto dia tsy iza fa ny Fariseo sy ny vahoaka betsaka nihaino azy, ka moa ve ny Fariseo,  sy ireo vahoaka ireo dia efa manana toe-po sy fanahy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra araka izay nampianarin’i Jesosy Kristy, na ihany koa hoe: efa nandray an’i Jesosy Kristy tokoa ve izy ireo ka mahatonga azy hilaza hoe efa ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra?

1.5.1.2.1                  Ahoana no hilazan’i Jesosy ireo Fariseo sy Mpanora-dalana tamin’izany fotoana izany?

Ø Matio 23:13 – 15 «13 Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra*.[*Ampio hoe:] 14 (Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon'ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.) 15 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza. »

Ø Matio 23:23 « Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina* ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.[*Anaran-java-maniry ireo] »

Ø Matio 23:25 « Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana. »

Ø Matio 23:27 « Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny fahalotoana rehetra. »

Ø Matio 23:29 « Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan'ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan'ny olona marina, »

Raha ny voasoratra voalohany eo dia milaza fa arindrin’ny Fariseo sy mpanora-dalana eo anoloan’ny olona ny varavaran’ny fanjakan’Andriamanitra, ka ry zareo tsy mety miditra ao nefa koa ny olona tsy avelany handroso hiditra ao. Dia mazava tsara aloha izany fa sady tsy ao anatin’ny Fariseo sy mpanora-dalana ny fanjakan’Andriamanitra, no tsy ao anatin’ny olona ihany koa, fa aty ivelany. 

Misy vavahady miditra ao, ary misy fepetra ny fidirana ao. Noho izany dia tsy mitombina loatra ny fiheverana fa efa ao anatin’ny olona ny fanjakan’Andriamanitra. Ny mahatonga ny fiheverana ho diso, na ny fandraisan’ny olona  izany teny izany ho diso dia noho ilay dikan-teny nandikan’ny mpanoratra tamin’ny teny Malagasy azy no tsy nety dia lasa nivaona ny hevitry ny teny: amin’ny teny frantsay dia izao no handikany izany teny izany :

Luc 17:20 - 21 «20 Or, étant interrogé par les pharisiens quand viendrait le royaume de Dieu, il leur répondit et dit : Le royaume de Dieu ne vient pas de manière à attirer l'attention ; 21 et on ne dira pas : Voici, il est ici ; ou, voilà, il est là. Car voici, le royaume de Dieu est au milieu de vous 

Raha io voasoratra amin’ny teny frantsay io no raisina dia milaza toerana io hoe « ny fanjakan’Andriamanitra dia eto afovoanareo », izany hoe raha teo ampiresahana ry zareo dia azo sary an-tsaina fa nataony teo afovoany Jesosy Kristy satria nampianatra olona maro Izy fa tsy ny Fariseo ihany ary dia nitoetra teo afovoan’ny olona Izy izany. Ny tenany no nolazainy hoe fanjakan’Andriamanitra teo, ny tenany no nitoetra teo afovoan’ireo Fariseo sy ny vahoaka maro nihaino Azy, fa tsy nilaza izay tao anatin’ny Fariseo Izy tsy akory.

1.5.1.3                 Fa ahoana kosa no tokony ho izy ? aiza marina ny fanjakan’Andriamanitra ?

Matio 6:9 – 10 «9 Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. 10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. » Io teny io dia efa haintsika tsara fa tafiditra ao amin’ilay vavaka nampianarin’i Jesosy ny mpianany fony Izy tety an-tany. Raha ny eo amin’ny andininy faha 10 dia miresaka Izy zavatra antenaina na faminaniana izay tsy maintsy hiseho, dia ny ahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra, ka hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ety an-tany tahaka izay hanaovana izany any an-danitra. Izany hoe hidina eto an-tany izany ilay fanjakan’Andriamanitra.

Ahoana koa izany? Hafahafa koa izany? misy teny hafa ary ve mety azo hanamarinana izany voalaza ao amin’ny Soratra Masina?

Apokalypsy 21:2 « Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. » Ilay Jerosalema vaovao io izany no nampidinina avy tany an-danitra avy tamin’Andriamanitra, izany hoe: io Jerosalema vaovao io izany no ilay fanjakan’Andriamanitra ho tonga ety an-tany ka hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, ary tahaka ny fanaovana izany sitrapon’Andriamanitra izany any an-danitra no hanaovana izany ety an-tany ihany koa.

 

1.5.1.4                 Misy famantarana ve ny fihavian’izany eto an-tany?

Apokalypsy 1:7 « Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena. » Ny tiany hambara eto dia izao, miharihary fa tsy mba miafina, ary natao ho hitan’ny rehetra fa tsy natokana ho an’olom-bitsy ny fihavian’ny Tompo izay fiandohan’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra ho ety an-tany. Rehefa mety ho maso hoy Izy dia ahita izany fihavian’ny Tompo izany avokoa. Izany moa dia efa nambarany hatramin’izy mbola teto an-tany ka nilazany hoe hisy Kristy sandoka ka na ny olom-boafidy aza dia ho voafitany:

Matio 24:23 – 24 «23 Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, ety Kristy, na: Indro, ary ; aza mino ianareo. 24 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. »

Matio 24:26 – 27 «26 Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino. 27 Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona. » Tena hiseho miharihary mihitsy izany ny fisehon’i Jesosy amin’ny fiverenany.

Matio 24:29 – 31 «29 Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina. 30 Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy. 31 Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany* efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.[*Gr. rivotra] » Izany hoe hisy fahoriana be izany mialoha ny andro fiverenany, io ilay voalaza fa hoe handravana an’i Babylona lehibe (Apokalypsy 18) ka mandritra izany fahoriana be izany dia lasa ho maizina ny masoandro, ny volana ihany koa dia tsy hazava, ary ny kintana hoy izy dia hiraraka avy any an-danitra. Rehefa miseho izany rehetra izany dia izay vao hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, izany hoe ho hitan’ny olona rehetra izany fihaviany izany, na aiza toerana misy anao na aiza dia ahita izany avokoa. Araka ny efa hitantsika teo aloha tamin’ny fanadihadiana ny apokalypsy faha 19 dia ny fidinan’Ilay mitaingina soavaly fotsy izay manana maso toy ny lelafo sy misy sabatra maranitra mivoaka amin’ny vavany, misy anarana voasoratra eo amin’ny lambany sy feny manao hoe Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo ary harahin’ireo miaramilany marobe izay samy mitaingina soavaly fotsy avokoa no resahiny eto. Hatreto aloha izany dia mbola tsy niseho izany rehetra izany, noho izany dia mbola tsy niverina izany Jesosy Kristy, fa amin’ny fotoana izay hiverenany dia ho toa izay efa nilazany Azy no ho fisehon’ny fiverenany. Ity teny ato amin’ny Apokalypsy ity dia tena manazava tsara izany andro fihaviany izany, sy izay tena ho fisehon’izany :

Apokalypsy 19:11 – 21 «11 [Ny amin'ilay nitaingina soavaly fotsy sy ny miaramilany, izay naharesy ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka] Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany. 12 Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala  akory afa-tsy ny tenany ihany. 13 Ary miakanjo akanjo voafafy rà* Izy; ary ny anarany antsoina hoe Ny Tenin'Andriamanitra. 14 Ary ny antokon'ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio. 15 Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha. 16 Ary manana anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO. 

17 Ary hitako fa, indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin'ny masoandro, ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao tamin'ny voro-manidina rehetra teo afovoan'ny habakabaka hoe: Avia, ka miangòna ho amin'ny fanasana lehiben'Andriamanitra, 18 mba hihinananareo ny nofon'ny mpanjaka sy ny nofon'ny mpifehy arivo sy ny nofon'ny mahery sy ny nofon'ny soavaly mbamin'izay mitaingina azy ary ny nofon'ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe.

 19 Ary hitako ilay bibi-dia sy ny mpanjakan'ny tany mbamin'ny miaramilany tafangona mba hiady amin'ilay mitaingina ny soavaly sy amin'ny miaramilany. 20 Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. 21 Ary ny olona sisa dia matin'ny sabatra mivoaka avy amin'ny vavan'ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony. »

Izany hoe raha ity fisehoana hita sy voasoratra eto ity dia tena miharihary tokoa ny fisehoan’izany rehetra izany. Tsy maintsy ho hitan’ny olona rehetra tokoa izany fihaviany izany fa tsy mba any amin’ny takona.

Inona avy ny zavatra hitranga amin’izany fotoana izany?

1-   Hahita lanitra voasokatra isika, izany hoe ho tazan’ny olona rehetra izany toa ilay helatra ho hita hatrany atsinanana ka hatrany andrefana;

2-   Misy soavaly fotsy mivoaka avy tao ka izay mitaingina izany soavaly fotsy izany dia antsoina hoe Mahatoky sy Marina, izany hoe izay mandeha tsy misy tsiny, mandeha amin’ny fahamarinana. Ny mason’izay mitaingina izany soavaly izany dia lelafo, ary ny lohany dia nisy diadema maro, izany hoe mpandresy amin’ny lafiny maro izany izay mitaingina izany soavaly izany, na ihany koa hoe Mpanjaka amin’ny lafiny maro ka izay no antony hisian’ireo diadema maro eo amin’ny lohany. Iza io ambaran’ny soratra masina io fa manana maso tahaka ny lelafo io? Ny valiny dia izay tohin’ny vakiteny no mamaly izany, hoy ny tohiny hoe :

3-   Miakanjo akanjo voafafy rà Ilay mitaingin-tsoavaly, ary ny anarany dia antsoina hoe Ny Tenin’Andriamanitra. Mazava ho azy izany fa Jesosy no Ilay mitaingina ilay soavaly fotsy voalaza eto io, satria Izy dia fahamarinana, Izy dia ambara fa Mahatoky sy Marina, Izy dia antsoina ihany koa hoe Ny Tenin’Andriamanitra, ary farany ny endrika ahitana Azy any amin’ny voninahiny dia io manana maso toy ny lelafo io ary koa misy sabatra roa lela maranitra mivoaka amin’ny vavany. (Jereo ilay boky “Iza moa Kristy?” izay boky mirazotra amin’ity boky ity).

4-   Ny antokon’ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy, ary samy mitaingina soavaly fotsy sy miakanjo rongony fotsy madio avy.

5-   Hanapaka ny firenena amin’ny tehim-by Izy, ;

6-   Manana anarana izay voasoratra ihany koa Izy eo amin’ny lambany sy ny feny antsoina hoe : MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO. Io no manambara fa io Ilay mitaingina soavaly fotsy io no Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. Izany anefa dia efa haintsika tsara fa Jesosy Kristy no antsoina hoe Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo izany.

7-   Inona ihany koa ny zavatra miseho? Misy anjely iray hoy izy nitsangana teo amin’ny masoandro niantso tamin’ny feo mahery niantso ny voro-manidina rehetra teo afovoan’ny habakabaka, ho any amin’ilay fanasana lehiben’Andriamanitra. Inona izany fanasana lehiben’Andriamanitra izany? Ny mba hihinana ny nofon’ireo mpanjaka sy ny mpifehy arivo, sy ny nofon'ny mahery sy ny nofon'ny soavaly mbamin'izay mitaingina azy ary ny nofon'ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe. 

Izany hoe hisy fandringanana lehibe miseho amin’izany fotoana izany, fandringanana ireo mpanjakan’ny tany, izany hoe ireo rehetra mitarika ny olona tsy hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra, ireo izay mpitarika ny fironan-kevitry ny vahoaka (Leader d’opinion) tsy hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra, ny olona sisa ihany koa. Ireny dia samy ho fatin’ilay sabatra roa lela mivoaka amin’ny vavan’Ilay mitaingina soavaly fotsy avokoa.

Iza ireo mpanjakan’ny tany sy ny mpiaraka aminy izay ho haringan’i Jehovah amin’izany fanasana lehiben’Andriamanitra izany?

Salamo 2:1 – 4 «1 [Ny mpikomy amin'Andriamanitra sy ny Mesiany] Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena? 2 Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe: 3 "Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany." 4 Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo. » raha io vakiteny io dia sarotra ary tsy azon’ny maro tokoa ny tena dikan’ny teny satria dikanteny mampiasa voambolana malagasy tranainy ilay izy. Raha  raisintsika ny dikanteny ao anatin’ilay Baiboly antsoina hoe : “Ny soratra Masina Fandikan-tenin’ny Tontolo vaovao” baiboly fampiasan’ny “Fikambanana vavolombelon’i Jehovah” dia izao no handikan-dry zareo azy io : Salamo 2: 1 – 4 “1 NAhoana no mikorontana ireo firenena, Ary mingonongononamilaza zava-poana ny firenena samy hafa, 2 Mitsangana ny mpanjakan’ny tany, Ary mivondrona ny manam-pahefana, mba hanohitra an’i Jehovah sy Ilay voahosony (Mesiany) 3 ka milaza hoe : “Andao ho tapahintsika ny fatotra nataony, ary hariantsika any lavitra any ny tady namatorany antsika! 4 Hihomehy fotsiny anefa Ilay mipetraka any an-danitra, Eny haneso azy ireo i Jehovah” Izany hoe ireo mpanjakan’ny tany sy ireo manampahefana na ireo mpiaraka aminy ireo izany dia ireo izay mifehy ny tany amin’ny resaka finoana sy ny fahefam-pitondrana. Ambaran’ny soratra masina fa mihoko sy manohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany izy ireo. Inona no antony? 

Voalaza fa mahatsiaro ho voafehy sy voafatotra izy ireo ka te hanapaka izany fatorana izany. Inona ilay fatorana tsy zakan’izy ireo? Ilay fitandremana ny didy sy ny lalàna ary ny fitsipiky Jehovah. Maro no mitarika ny olona ankehitriny tsy te hitandrina intsony izany didy sy lalàna ary fitsipika izany satria mahatsiaro ho voageja sy voafatotra izy ireo, te halalaka, tsy te ho voafehy, te handeha araka ny filany sy izay tiany na amin’ny fihinana na amin’ny fitafy na amin’ny fomba fanao, sns… kanefa ireny mpitarika ny olona hanao izany sy ireo olona manaraka izany hoy izy dia hihomehezany sy hesoin’’i Jehovah sy ny Mesiany, ary ho aringana amin’ilay andro fanasana lehiben’Andriamanitra izany. Ho lanin’ny voromanidina ny nofony, ary ho ringana tokoa rehefa tonga izany fotoana izany.

8-   Ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitakany efa nandray ny mariky ny bibi-dia ihany koa dia ho samborina, ary alefa any amin’ny farihy mirehitra solifara izy roroa. Izany hoe ireo izay nampandray, sy nampianatra ary nandresy lahatra ny olona handray sy hisafidy ny tombo-kase ny bibidia. Efa hitantsika fa ny tombo-kase ny bibi-dia dia izay tombo-kase mifanohitra manontolo na amin’ny ampahany amin’ny tombo-kasen’Andriamanitra. Ohatra hoe mampianatra ny olona tsy hino ilay ivombesatry ny tombo-kasen’Andriamanitra dia ny finoana fa Jesosy no Kristy. Misy tena mampianatra ny olona mihitsy fa Jesosy dia mpaminany tsotra fotsiny, fa tsy izy no Kristy fa mbola misy andrasany. Na ihany koa hoe “tsy i Jesosy no tenin’Andriamanitra fa manaiky ihany zareo fa Izy dia zanak’Andriamanitra fotsiny”. Sns….. Raha hiresaka “Sabata” indray isika izay singa iray famantarana ao anatin’ilay Tombo-kase dia misy ny mampianatra fa tsara avokoa ny andro rehetra ka tsy maninona izay andro hivavahana, fa ny zava-dehibe hoy ny maro dia ny toe-po sy saina no ilaina ho tandremana. Misy ihany koa ny mampianatra hitandrina ilay sabata andro fahafito fotsiny ihany, fa ireo sabatan’i Jehovah ilay fety fito nasainy notandremana dia tsy hajainy na hajainy amin’ny ampahany fa tsy manaraka ny fotoana izay voatendry (ohatra hoe mitanndrina ny Paska izy fa tsy araka ny daty izay voatondro, fa mijanona ho alahady hatrany izany ary misy alatsinain’ny paska ny ampitso). Izany rehetra izany dia fampianarana ny olona handray tombo-kase hafa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy. Ary izay mampianatra zavatra tsy izy dia ho samborina ka ho atsipy any amin’ny farihy afo sy solifara.

1.5.2 Ilay fanjakan’Andriamanitra na Ilay PARADISA

Ny mahakasika ity Paradisa ity ihany koa dia mahatonga fisarahan-kevitra maro eo amin’ny samy kristiana. Ny fiheverana izany paradisa izany mantsy dia toerana iray feno fiadanana, feno zava-tsoa, feno fahasambarana. Maro no mihevitra fa any an-danitra any no misy izany toerana izany. Izao no voasoratra :

Apokalypsy 21:2 « Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. »

Voalaza izany fa misy tanana iray antsoina hoe tanàna masina ary ny anaran’izany tanana masina izany dia Jerosalema vaovao. Marihina aloha fa samy hafa ny tanàna malala sy ny tanàna masina. Ny tanana malala dia ilay nitoeran’i Jesosy sy ny miaramilany marobe miaraka amin’ireo olomboafidy nandritra ny fanjakana arivo taona, fa ny tanàna masina kosa dia Ilay Jerosalema vaovao izay ampidinina ety an-tany rehefa tapitra ny fanjakana arivo taona ary rehefa natsipy tao amin’ny farihy afo sy solifara i satana mba tsy hamitaka ny olona intsony. Voalaza ihany koa fa izany tanàna vaovao izany dia nidina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra tena mihaingo toy ny vehivavy entina hampakarina. Ahoana no hilazany izany fihaingoana toy ny vehivavy ho ampakarina izany? Moa ve tena azo lazaina fa Paradisa tokoa izany toerana izany?

Apokalypsy 21:16 – 27 «16 Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany; ary nandrefy ny tanàna tamin'ny volotara izy, ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony. 17 Ary nandrefy ny màndany izy, ka efatra amby efa-polo amby zato hakiho, araka ny refin'ny olona, dia ny an'ny anjely. 18 Ary ny màndany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio. 19 Ary ny fanorenan'ny màndan'ny tanàna dia voaravaka vato soa samy hafa rehetra. Ny fanorenana voalohany jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda, 20 ny fahadimy sardonyksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faharaika ambin'ny folo hyakinta, ny faharoa ambin'ny folo ametysta. 21 Ary ny vavahady roa ambin'ny folo dia perila roa ambin'ny folo;  perila iray avy ny isam-bavahady; ary ny lalambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano. 22 Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak'ondry no tempoliny. 23 Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr'Andriamanitra no nanazava azy, ary ny Zanak'ondry no fanazavana azy*. [* Gr. jirony] 24 Ary ny firenena maro no handeha amin'ny fahazavany; ary ny mpanjakan'ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny. 25 Ary ny vavahadiny tsy harindrina akory amin'ny andro (fa tsy mba hisy alina ao). 26 Ary ny voninahitra sy ny hajan'ny firenena maro dia ho entina ao anatiny. 27 Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. »

Apokalypsy 22:1 – 5 «1 Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry 2 teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro. 3 Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy 4 ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny. 5 Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy. »

Raha ny filazany izany tanàna midina avy any an-danitra izany dia ilay antsoina hoe Jerosalema vaovao, dia tanàna iray miendrika goba na (cube) lehibe ilay izy, izany hoe mitovy ny refin’ny alavany sy ny sakany ary ny haavony. Voalaza hatrany ihany koa fa tena voahaingo fatratra izany tanàna izany.

1.5.2.1                 Ny refiny sy ny endriky ny tanàna, Ilay Jerosalema vaovao :

Ny refin’ny tanàna dia 12000 stadio ny lafy iray ka voalaza fa mitovy ny refin’ny sakany sy ny lavany ary ny haavony. Ny 1 stadio = 185 metatra (refy izay hita tao anatin’ilay boky dictionaire biblique),  è 12 000 x 185 = 2 220 000 metatra na 2 220 km izany ny refin’ny lafiny iray amin’ilay tanàna. Lehibe dia lehibe izany tanàna antsoina hoe Jerosalema vaovao izany. Ary amin’ny maha endrika goba na “cube” azy dia tanàna iray mety miendrika tendrobohitra avo be tokoa satria dia mahatratra 2 220 km ihany koa izany ny haavony. Izany tanàna lehibe izany dia voalaza ihany koa fa tena volamena ary toy ny fitaratra madio ny fahitana azy. Ny hevitr’izany hoe volamena izany dia midika hoe zavatra sarobidy, lafo vidy, mavesa-danja, tsy miova ny lanjany sy ny hasiny, mamiratra hatrany ;

Ny refin’ny manda na ny tamboho dia 144 hakiho. Ny hakiho iray dia mitovy amin’ny hoe 0,50 metatra (refy izay hita tao anatin’ilay boky dictionaire biblique), izany hoe ny 144 hakiho izany dia mitovy amin’ny hoe : è 144 x 0,50 = 72 metatra. Avo dia avo izany tamboho izay mirefy 72 metatra izany. Miravaka tokoa ny tanàna satria ilay manda na tamboho manodidina dia voaravaka vatosoa maro sosona ka vato Jaspy no hita ety ambany indrindra, ny eo amboniny sosona faharoa dia safira, ny eo amboniny sosona fahatelo dia kalkedona, ny sosona fahefatra dia emeralda, ny sosona fahadimy indray dia sardonyksa, ny sosona fahenina karneola, ny sosona fahafito krysolita, ny sosona fahavalo beryla, ny sosona fahasivy topaza, ny sosona fahafolo krysopraso, ny faharaika ambin'ny folo sosona hyakinta, ny faharoa ambin'ny folo sosona ametysta. Hitantsika amin’izany fa na dia ny tamboho fotsiny ihany aza dia efa ampy ahitana fa tena voahaingo tokoa izany tanàna izany. Ny fototr’izany manda na tamboho izany ihany koa dia miisa roa ambiny folo, ary dia misy ny anaran’ireo Apostoly mpianatry Jesosy roa ambiny folo.



Tsy vitan’izany ihany fa misy vavahady roa ambin’ny folo no miditra ao an-tanàna, izany hoe ahitana vavahady telo avy isaky ny lafiny no miditra ao an-tanàna. Ary ny mampiavaka izany vavahady izany dia perla iray lehibe no mipetraka ho vavahady isam-baravarana. Izany vavahady izany dia voalaza ihany koa fa tsy mba harindrina mihitsy fa mijanona hivoha eo foana, kanefa tsy mba ho tafiditra ao mihitsy hoy izy izay tsy masina (ireo izay tsy mitandrina ny hasin’ny fanambadiana, ireo izay tsy nanavaka ny madio sy ny maloto, ireo izay tsy nanokan-tena ho an’Andriamanitra) izay manao vetaveta, izay mandainga. Mazava ho azy izany satria amin’ny fotoana izay hampidinana an’i Jerosalema vaovao ety an-tany dia efa avy nandalo ilay fanjakana arivo taona isika. Efa nogadraina satana nandritra ny fanjakana 1000 taona, ary novahana kely izy rehefa tapitra ny 1000 taona, avy eo dia natsipy tany amin’ny farihy mirehitr’afo sy solifara indray izy sy ny mpaminany sandoka, ary ny olona marobe toy ny fasiky ny ranomasina izay nanaraka an’i satana indray ka nanafika ny tanàna malala na ny tobin’ny olona masina dia nolevonina tamin’ny afo nilatsaka avy tany an-danitra. Izany hoe tsy hisy hamitaka ny olona sisa tavela intsony izany eo, fa samy ho masina avokoa izay sisa tavela rehetra ka afaka hiditra ao amin’ilay Jerosalema vaovao.

Fa rehefa tafiditra eo amin’ny varavarana indray dia mahita fa tena volamena toy ny fitaratra mamiratra no ahitana ny lalam-be rehetra ao an-tanàna.

Raha ny voalaza ihany koa izany dia tsy mba mila fanazavana toy ny masoandro sy ny volana izany tanana izany, eny fa na ny jiro aza dia tsy ho ilaina ao amin’izany tanàna izany fa dia ny voninahitr’Andriamanitra no manazava azy, ary ny Zanak’ondrin’Andriamanitra no jiro manazava ao. Izany hoe tsy misy alina sy atoandro izany ao fa mitovy avokoa.

Hita ao anatin’izany toerana izany ihany koa ny seza fiandrianan’Andriamanitra miaraka, ary ny endrik’izany seza fiandrianan’Andriamanitra izany dia efa hitantsika tany ambony. Voalaza eto kosa fa misy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, mivoaka avy eo amin’izany seza fiandrianan’ Andriamanitra izany.

Matoa voaresaka eto izany seza fiandrianan’Andriamanitra izany, dia midika fa tafafindra eto an-tany ilay ny toerana misy an’Andriamanitra, tafafindra eto an-tany ny toeram-pibaikona, na ny centre du commandement.

Ny teny hoe manganohano dia enti-milaza zavatra madio dia madio mitarehin-drano, azo hitarafana, mitovy hevitra amin’ny hoe mangalahala, mangarangarana. Izany hoe io onin’ny ranon’aina io izany dia tena madio dia madio tokoa, mangarangarana, ary izany dia mandeha mamaky teo afovoan’ny lalambe teo an-tanàna. Ny lalambe moa dia averintsika ihany fa tena volamena. Tsy vitan’izany ihany fa voalaza fa misy hazon’aina maniry eny amin’ny andaniny roa amin’ny ony, ary dia hafakely tokoa izany hazon’aina maniry amin’ny andaniny roa izany satria dia ny hazon’aina iray dia mamoa voa roa ambin’ny folo samy hafa karazana avy, nefa isam-bolana dia mamoa hatrany ilay hazo. Ny mampihavaka ity hazon’aina ity ihany koa dia ny ravin’izany hazo izany dia fanasitranana firenena maro. Tena hazon’aina tokoa izany ilay izy satria raha jerena amin’ny ara-nofo dia hazo manome sakafo tsy mijanona, satria dia mamoa isam-bolana, ary misy karazana voankazo 12 karazana mivoaka ny fototra iray. Fa raha sendra maharary ihany koa izany dia ny ravin’ilay hazo dia mahasitrana ny firenena maro. Ny azo antoka izany dia tena paradisa tokoa izany toerana izany, satria tsy misy hanohanana, tsy misy aretina, fa fiadanana sy fahasambarana no mitoetra ao.

Apokalypsy 21:4 « Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. » Ho an’izay rehetra tafiditra ao izany dia tsy mba hisy ranomaso intsony eo amin’ny masony, tsy mba hisy fahafatesana intsony, tsy mba hisy alahelo intsony, tsy mba hisy fitarainana, na fanaintainana intsony, fa dia averintsika hatrany fa fahasambarana sy fiadanana no ao.

Isaia 65:25 « Ny amboadia* sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.[lopa] »

Manaporofo izany ihany koa io voasoratry ny mpaminany Isaia io fa ny amboadia sy ny zanak’ondry dia hiara-komana. Zavatra tsy azo heritreretina izany satria dia sakafon’ny ambodia tokoa izany zanak’ondry izany, kanefa dia lasa hiaraka hihina-mololo izany izy ireo. Matoa misy mololo ho fihinan’ny ambodia sy ny zanak’ondry sy ny liona sy ny omby sns… dia misy tany mahavokatra vary ao izany. Izany no endrik’io paradisa na ilay Jerosalema vaovao izay ho ampidinina ety an-tany io. Tsy mitombina araka izany ny fiheverana fa any an-danitra any no hitoeran’izany paradisa na Jerosalema vaovao izany, fa ny voasoratra sy hita mazava tsara dia ny hidinan’izany Jerosalema vaovao izany ety an-tany, na ilay antsoina hoe paradisa, ary izay no anton’ilay vavaka nampianarin’ny Tompo manao hoe : Matio 6:10 « Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. » Dia ho tonga ety an-tany tokoa ilay fanjakan’Andriamanitra, araka io vavaka nampianarin’i Jesosy io rehefa tonga izay fotoana izay, ka hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, tahaka ny efa hanaovana izany any an-danitra. 

1.5.2.2                 Iza no mahazo miditra ao?

Apokalypsy 21:7 « Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. »

Raha ny fanadihadiana izay efa hitantsika teo ambony dia tsy ho tafiditra ao mihitsy hoy izy izay tsy masina izany hoe izay masina izany no ho tafiditra ao. Ka iza no masina? Tsy iza ireo fa izay mahatazona na mitondra ilay tombo-kasen’Andriamanitra, ka mametraka izany eny amin’ny handriny. Raha ny soratra masina hitantsika eto ity dia milaza izy fa “izay maharesy no handova izany zavatra izany” izany hoe ny fepetra apetrany izany dia hoe izay maharesy. Maharesy ahoana? Maharesy amin’ny inona?

Raha vao miresaka hoe maharesy izany isika dia tsy maintsy miresaka ady izany. Tsy misy fandresena azo raha tsy misy ady natrehina. Ka nandresy tamin’ny inona izany? Inona ilay ady natrehina? Misy ady izay hatrehin’ny Kristiana ankehitriny. Ny tena lehibe indrindra dia ilay fandraisana ilay tombo-kasen’Andriamanitra eo aminy. Tena ady izany satria tsy mora ny manapa-kevitra sy mihazona izany marika maha zanak’Andriamanitra izany. Saika isan’andro dia misy ady hatrehina hatrany ary tsy maintsy tena vonona hiady mba tena ho tafatoetra ho mpandresy mandrakariva. Mazava ny voasoratra manaraka ireto ary tena ady be tokoa no tsy maintsy hatrehana amin’ny safidy izay tsy maintsy atao, na hanaiky ho naman’izao tontolo izao dia hanaraka ny fombany sy ny filàny ! na hisafidy ny ho hankahalain’izao tontolo izao, ka tena hijoro ho kristiana tokoa Matio 10:22 « Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. »

Matio 24:9 « Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako. »

Jaona 15:18 « Raha halan'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. »

1 Petera 4:4 « ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy; » izany no mahazo ireo manokan-tena ho an’ny Tompo. Hankahalain’ny manodidina azy, rabirabiana, esoesoina, ho ampahoriany ary mety ho vonoiny mihitsy aza. Mafy ny ady hatrehina kanefa hoy ny Tompo, « Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. »

1.5.2.3                 Inona no maha zavadehibe izany fandresena izany amin’ny fahatongavana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra?

Apokalypsy 2:7 « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra. [* Gr. eklesia] » Izay maharesy dia avelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra. Efa hitantsika teo ambony fa tsy mba hiditra ao amin’izany Paradisan’Andriamanitra izany mihitsy izay tsy masina, ary misy hazon’aina maniry eo amoron’ny ony ao amin’izany Fanjakan’Andriamanitra izany. Ony izay mivoaka avy eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, ary izany hazon’aina izany dia misy voa roa ambiny folo karazana, ary ny ravin’izany hazon’aina izany dia manasitrana ny firenena maro. Ny azo tsoahina aloha izany dia hoe tsy maintsy miady isika mba ho tonga ho masina ka hanana anjara ho tafiditra ao amin’izany Paradisan’Andriamanitra izany. Noho izany dia mila mitandrina ireo tombo-kasen’Andriamanitra isika, mila manamasina ny tenatsika isika mba hanana anjara ho tafiditra ao.

 Apokalypsy 2:11 « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa. [* Gr. eklesia] » iza ireo tsy hosimbain’ny fahafatesana faharoa? Ireo dia izay mpisoron’Andriamanitra sy miara-manjaka amin’i Jesosy Kristy : Apokalypsy 20:6 « Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. »

 Inona no fepetra narahin’ireo ka nahatonga azy ireo ho tonga mpisoron’Andriamanitra sy miara-manjaka amin’i Jesosy Kristy mandritra ny fanjakana arivo taona?

Apokalypsy 20:4 – 5  «4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. 5 Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. » Ny fepetra voalohany voaresaka eto izany dia ilay fahasahiana mitory ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra. Sahy mitory satria hoy Jesosy manao hoe : Marka 13:13 « Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. »

Dia niharitra sy nitàna izany fitoriana ny filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izany tokoa amin’ny anaran’i Jesosy ka dia nihantra aman’aina izany rehetra izany. Ny fepetra faharoa dia efa niverina teto foana fa ireo izay tsy nitondra ilay marika na tombo-kasen’ny devoly, fa nitazona kosa ilay tombo-kasen’Andriamanitra. Ireo izay nahatandrina izany fepetra roa izany no olona hatsangana ho mpitsara miaraka amin’i Jesosy, ireo no naharesy satria tsy nivadika, fa nahatoky hatramin’ny fahafatesana. Ireo no ilay mipetraka eo ambony seza fiandrianana, ho mpitsara, sy ho mpisoron’Andriamanitra ka hiara-manjaka amin’i Jesosy ao amin’ilay fanjakana arivo taona. 

 

Apokalypsy 2:17 « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany. [* Gr. eklesia] » misy anarana miafina omena antsika ao amin’ny lamba ziay ho tafiana, anarana izay mipetaka amin’ny vato izay tsy ho voafafa izany.

 

Apokalypsy 2:26 – 27 «26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; 27 ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. » Misy anjara asa miandry antsika ao, inona izany asa izany? Ny asa voalohany dia fihazonana ny fahamarinana sy ny fanaovana ny asan’Andriamanitra. Ny tena asa nataon’i Jesosy teto anefa dia ny fitoriana ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra, sy ny fanasitranana ny marary. Saika izany no nibahana sy nanomezany baiko ho tanterahan’izay mino Azy. Lioka 9:2 « Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary. »

Lioka 9:11 « Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny. »

Mila fanapahan-kevitra avy amintsika izany, fa rehefa mino isika ka nianatra tsara ary vonona dia afaka miroso isika. Rehefa mihezaka mitozo amin’ny fanarahana izany isika dia hahazo fitahiana be ary tsy eto ihany fa hatrany amin’ny Paradisa dia hitohy hatrany izany fitahiana be izany.

Apokalypsy 3:12 « Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao. » Izany hoe izay maharesy izany dia atao andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitra, izay midika fa izay mihazona ny rafitry ny tempolin’Andriamanitra tsy hianjera. Ahoana izany tempolin’Andriamanitra izany? Raha tamin’ny fotoana fahiny dia Jerosalema vaoao no resahina, ary styb mijanona eo amin’izao ftoana izao ny fitahiana izay omenaaanao, fa hatrany ihany koa dia mitohy izany. Apokalypsy 3:21 « Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany. » Averintsika eto hatrany fa ilay ady izay ho ataontsika dia ilay ady miseho noho ilay fanenjehana sy fanevatevana izay ataon’ny olona satria mitory ny filazantsaran’ny fanjakan’nAndriamanitraisika ary koa mihezaka ny mandray ilay tombo-kasen’Andriamanitra. Izany hoe izay maharitra hatramin’ny fahafatesana izany no hipetraka sy omeny izany seza fiandrianana izany. 

Io seza fiandriananan resahiny eto io dia ilay efa hitantsika voasoratra tao amin’ny Apokalypsy 20:4 «4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona.». Fampanantenana izay mbola nomen’Andriamanitra antsika ihany koa izany.


 Apokalypsy 3:5 « Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny. »  Iza  ihany koa ireo izay maharesy ka hiitafy lamba fotsy ireo? Ireo no ilay efa nandre ny filazan-tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra ka nandray izany ary dia nibebaka marina tokoa, nanasa ny fitafiany tamin’ny ràn’ny zanak’ondry. Nitandrina sy nifikitra marina tokoa tamin’izany fampianrana izany izy ireo. Apokalypsy 3:3 « Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina* ianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. [* Gr. hiari-tory] » Ho antsika izay efa nahavaky sy naheno izao fampianarana izao mihitsy no hiantefan’izany teny rehetra izao. Mibebaha ario ny fahotana, vonoy miaraka tamin’ny fahafatesan’i Jesosy izany, aleveno toy ny nilevenan’i Jesosy izany otanao izany, ary mitsangana ho tonga olom-baovao, toy ny nitsangan’i Jesosy tamin’ny maty. Raha tanteraka izany dia ho voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana tokoa ny anaranao, ary tsy ho voafafa intsony fa hanana anjara amin’ny fiainana ianao, hiara-manjaka amin’i Jesosy any amin’ilay fanjakana arivo taona ary tsy hananan’ny fahafatesana faharoa anjara intsony fa ho velona mandrakizay.

 

Apokalypsy 21:7 « Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. » Feno zavatra be dia be izany ampanantenain’Andriamanitra antsika izany rehefa maharesy isika. Izany hoe rehefa maharesy ireo zavatra be dia be ireo isika dia ho lavorary ary ho feno eo amin’ny toetran’Andriamanitra. Ary arakaraky ny maha lehibe ny fandresentsika no maha lehibe ny andraikitra izay omena antsika ihany koa, ka ny andraikitra dia lehibe miaraka amin’ny voninahitra omena anao. Ny tsy maintsy tsarovantsika dia ny hoe ny olona dia tsy afaka mandresy irery fa tsy maintsy mila ny fanampian’Andriamanitra hatrany. Mila miorina tsara isika, nefa izao koa : tsy afaka mandresy ho an’ny olona hafa isika, tsy afaka miady ho an’ny olona hafa fa ny tsirairay no miady ho an’ny tenany. Mitaky ezaka avy amin’ny tsirairay avy izany ny fandresena. Miara-mpandova amin’i Jesosy Kristy ny Mpandresy, miara-manjaka aminy, ary hitandrina ny jentilisa amin’ny tehimby izy, ary ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo. 2 Timoty 2:12 « raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika; »

Apokalypsy 2:26 – 28 «26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; 27 ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. 28 Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. »

Apokalypsy 20:6 « Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. »

1.6     Iza no tsy mahazo miditra ao?

Apokalypsy 21:8 « Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. »

Apokalypsy 21:27 « Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. »

1.6.1 Iza ireo osa?

Raha ny hamaritan’ny rakibolana Malagasy ny teny hoe “osa”, dia entiny hilazana olona na biby na zavatra tsy manana tanjaka, na herim-batana, mora reraka, na tsy salama. Ny antsoina kosa hoe “kanosa” dia midika hoe : tsy ampy herim-po ka saro-tahotra, resy ambony ihany. Voalaza ary fa hoe tsy mba hiditra ao amin’izany fanjakan’Andriamanitra izany mihitsy ny osa, na ny kanosa. Ny antony dia satria misy ady hatrehina ao, kanefa na inona endriky ny ady na inona dia mila tanjaka na ara-batana na ara-tsaina na ara-panahy avokoa izany. Raha te hatanjaka anefa ny olona iray dia tsy maintsy manokan-tena, manoman-tena, manao fanazaran-tena. 1 Korintiana 9:25 « Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò. » Tsy ny mpihazakazaka ihany na ny mpanao fanatanjahantena ihany no mila manao fanazaran-tena ka mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra, izay manao ny fanomanan-tenany saika isan’andro, vao mifoha, ny maraina, ny atoandro, ny hariva, amin’ny lafiny rehetra dia saika ampidiriny antsehatra avokoa amin’ny  fanoman-tenany, fa ny zava-panahy ihany koa dia mila fanomanana toa izany, eny mihoatra lavitra noho izany aza mba hampahatanjaka antsika ara-panahy. Satria isika hoy izy dia tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra fa ny fahavalo eny amin’ny rivotra, dia mila fanomanana be dia be ny ara-panahintsika izany. Mila mianatra mamantatra ny azo atao sy ny tsy azo atao rehetra isika ary avy eo dia mianatra manohitra izay fakam-panahy mety hiseho. Mila manana hery be hanoherana ny fanangolen’ny devoly, mila miaritra ny fanenjehana rehetra mety hahazo noho ny amin’ny anaran’i Jesosy Kristy. Raha tsy matanjaka ara-panahy isika dia ho mora reraka, ary tsy hahatohitra ny fahavalo mihitsy. Izay no mahatonga azy hilaza fa hoe ny osa dia tsy mba ho tafiditra ao mihitsy. Mila fanomanan-tena mafy izany, mila mianatra isan’andro isan’andro.

Iza ireo tsy mino?

Ireo tsy mino dia ireo izay manohitra ny fampianarana marina momba ny amin’ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy mino ohatra fa Jesosy no Kristy na Ilay voahosotra, tsy mino fa Jesosy no Ilay Tenin’Andriamanitra niresahany tamin’ny zanak’olombelona. Tsy mino ireo tombo-kasen’Andriamanitra, na manontolo na amin’ny ampahany.

1.6.2  Iza ireo vetaveta?

Misy maromaro ireo izay ambarany fa vetaveta raha ny voasoratra ao amin’ny soratra masina:

-         Ny fanompoan-tsampy na fanompoana andriamanitra hafa ankoatry Jehovah Andriamanitra dia anisan’ny fanao vetaveta tena halan’i Jehovah mihitsy. Io fanompoan-tsampy io dia misy amin’ny endrika tena izy, ohatra hoe manao sarim­biby dia miankohoka mivavaka amin’iny, na manamasina hazo na vato mba hangataham-pitahiana dia tafiditra ho anisan’ny fahavetavetana ihay koa izany. Fa misy fanompoan-tsampy moderina na maka endrika toa marina nefa feno fitaka ny ao ambadika, toa ny fanaovana sarin-javatra voasikotra ihany fa natao sy lazaina fa endriky lona masina, ary dia marobe tokoa no miankohoka mivavaka sy mangatam-pitahiana amin’izany, ohatra hoe ny sarin’i Masina maria, sy ny sisa. Fahavetavetana  eo imason’i Jehovah avokoa ireny rehetra ireny.

-         Ny fitetehana ny tenany olona noho ny fanarahana fanompoan-tsampy dia fahavetavetana ihany koa. Deotoronomia 14:1 « [Ny amin'ny hifadiana izay fanao vetaveta, na izay zavatra tsy fihinana] Zanak'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin'ny handrinareo noho ny amin'ny maty. »

-         Ny mifanohitra amin’ny teny hoe vetaveta dia ny hoe masina. Levitikosy 20:25 – 26  «25 Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin'ny biby, na amin'ny vorona, na amin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto. 26 Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy. » Izany hoe raha te ho masina dia mitandrina ireo, raha tsy te ho masina fa te ho vetaveta dia tsy mitandrina an’ireo.

-         Ny fitenenana ihany koa hoe tsy misy Andriamanitra dia efa maha vetaveta ny olona izany : Salamo 14:1 « [Ny faharatsian'ny olona, sy ny fanirian'ny sasany famonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara. » Ireo izay milaza fa tsy mino ny fisian’Andriamanitra izany dia tafiditra ao anatin’io sokajy io.

-         Izay manao meloka, na nanota, izany hoe nandika lalàna sy fitsipika dia voakilasy sy ambarany ihany koa fa vetaveta : Ezekiela 16:52 b « … Noho ny fahotanao izay nahatonga anao ho vetaveta mihoatra noho ireo, ka dia miseho ho toa marina noho ianao izy, eny, menara koa ianao, ka mitondrà ny henatrao noho ny nampisehoanao ny rahavavinao ho toa marina. »  Joba 15:16 « Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano! »

-         Ny fijangajangana ihany koa dia hilazana fa vetaveta ny olona iray: 1 Korintiana 5:1 « [Anatra noho ny tsy nanesorany ilay lehilahy nanao fitondran-tena vetaveta] Efa re marina fa misy fijangajangana aty aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin'ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy. »

-         Ny toetry ny olona vetaveta ihany koa dia ny manambonimbony tena na ireo mieboebo ho tompon’ny fahamarinana, ireo tia miady hevitra amin’ny tsy marina na miaro hevitra tsy marina, ka mahatonga fialonana sy fifandirana, fanaratsiana, sy fihahiahin-dratsy, ireo mpifanditra lava. Izany no toetry ny olona vetaveta fisainana, 1 Timoty 6:4 – 5 «4 dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala* amin'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, [* Gr. marary] 5 fifandirana lalandava, fanaon'ny olona vetaveta saina sady efa nialan'ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ho fahazoan-javatra. »

-         Ny olona voakilasy fa vetaveta ihany koa dia ireo olona milaza fa mahalala an’Andriamanitra, kanefa ny fomba fanaony dia tsy misy manaraka izay fomba nandidian’Andriamanitra azy mihitsy Titosy 1:16 « Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona. » izao no azo hanazavana an’izany : Isaia 4:1 « Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso » Efa nazavanintsika ihany ity resaka ity tany aloha fa tsy maninona  averina kely eto. Ireo fiangonana no antsoina hoe vehivavy, ary eto izy dia milaza vehivavy fito na fiangonana fito; ary Jesosy Kristy Ilay Tenin’Andriamanitra velona, Ilay natao sorona alatsa-drà farany kosa no Ilay lehilahy iray izay lazaina fa notazonin’ireo fiangonana fito. Ny fitsipika izay napetraky ny Ray dia ny hanamasinana izay rehetra mivavaka aminy, satria Izy dia Fanahy ary izay mivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka aminy amin’ny Fanahy sy ny fahamarinana. Eto dia milaza ireo fiangonana fito ireo fa hoe ny haninay ihany no hohaninay, izany hoe tsy te hitandrina na hifady izay sakafo hohanina izy ireo, raha ny ara-nofo no jerena kanefa Jehovah dia nametraka tsara mihitsy fa mahaloto ny fanahy na mahavetaveta ny fanahin’ny olona ny fihinanany ireo sakafo voakilasiny fa maloto na nofo fahavetavetana. Levitikosy 20:25 – 26 «25 Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin'ny biby, na amin'ny vorona, na amin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto. 26 Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy. » Tanteraka tokoa sy miseho izany ankehitriny, satria dia marobe ny antokom-pivavahana na fiangonana miorina etsy sy eroa, izay tsy mampifady ny mpivavaka ao aminy ireo voalaza fa sakafo maloto. Izao anefa, raha miresaka amin’izy ireo isika ka miresaka io fomba fanao io dia valinteny masiaka no azo manao hoe “Aza mifampitsaratsara fa samy manana izay hinoany io” ary raha anontaniana ihany koa izy hoe inona no hinoanareo dia milaza mazava izy ireo, ary manizingizina mihitsy fa “kristiana” izy ireo. Izay no mahatonga ahy miteny hoe tanteraka tokoa izany faminaniana izay nambaran’ny mpaminany Isaia izay efa voalazantsika etsy ambony : Isaia 4:1 « Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso » Izany no nahatonga ny Apostoly Paoly hiresaka fa olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy izay manao izany fomba izany satria mandà an’Andriamanitra amin’ny asany izany olona izany.

1.6.3 Iza ireo mpamono olona?

Eto dia misy ny voalaza ara-bakiteny fa mpamono olona, izany hoe nandatsak’aina mihitsy ilay olona. Fa misy ihany koa ireo mpamono olona ankolaka, dia ireo izay manao tsinontsinona ny ory sy ny malahelo, ireo izay manambaka azy ireo, ireo izay mpampahory azy ireo dia mabara fa mpamono olona avokoa.

Joba 24:14 « Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra. »

Fa  ankehitriny dia misy fomba fijery hafa ihany koa nampianarin’ny apostoly Jaona izay milaza fa « Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. »1 Jaona 3:15 Mazava tsara izany fa raha vao mankahala olona isika dia efa mpamono olona sahady no hiantsoana antsika ary tsy mba hiditra ao amin’izany fanjakan’Andriamanitra izany mihitsy isika.  

1.6.4 Iza ireo mpijangajanga?

Mizara roa izy io: misy ny fijangajangana ara-nofo ary misy ny finjangajangana ara-panahy. Samy tsy sitrak’Andriamanitra avokoa izany.

Ny fijangajangana ara-nofo aloha dia misy maro ihany koa ny zavatra miseho ao, misy ny miaraka amin’ny  olona maro na mampirafy, indrindra ireo maka vadin’olona; fa misy koa ireo maka ny vadin’ireo akaiky azy indrindra na vadin’ny rahalahy, na vadin’dray sns… fa Jesosy koa dia nametraka fa raha vao mijery olona fotsiny ka maniry ny handry aminy dia efa nijangajanga sahady izany olona izany. Ireo ihany koa izany dia efa tsy ho tafiditra ao amin’izany fanjakan’Andriamanitra izany mihitsy.

1.6.5  Iza ireo mpanao ody ratsy sy mpanompo sampy?

Ireo mpanao ody ratsy dia ireo izay mitazona na manana zavatra, fitaovana, toy ny vakana na moara na tapakazo, na lamba mena sns…. Nangatahina fanampian’ny fanahy maloto, na vazimba na kokolampy na ny herin’i Satana mihitsy aza ka nentina hamonoana, na hamosaviana, na hanimbana olona. Dia mety ho gaga angamba ny mpamaky manao hoe fa angaha koa misy an’izany, fa angaha manana ny heriny izany rehetra izany? Dia tsotra ny valinteny manao hoe misy izany, satria raha toa ka tsy misy izany dia diso ny soratra masina. Milaza mazava ny soratra masina fa tsy ho tafiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra mihitsy izay mpanao ody ratsy, dia midika izany fa misy ilay izy. Ary izao ihany koa : marobe ao amin’ny soratra masina ny karazana fanompoan-tsampy voaresaka ao, izay tena fahavalon’i Jehovah tokoa, toa ny hoe : Bala izay nanana ny alitarany mihitsy, tao ihany koa ny Astarta, tao ihany koa ry Moloka, ry Kemosy sy ry Refana sns…. izay samy anaran-tsampy nisy avokoa.

Mpitsara 2:13 « Eny, nahafoy an'i Jehovah izy ka nanampo an'i Bala sy Astarta. » Matoa nisy nivavaka tamin’ireo dia azo antoka fa nanana ny heriny ihany koa izany ireo tsangan-tsampy ireo, ary matoa manana ny heriny dia manana ny fadiny izany. Ny zava-panahy rehetra na tsara izay manaraka ny sitrapon’i Jehovah, na ratsy izay manaraka ireo tsangan-tsampy maro isan-karazany dia tsy maintsy manana ny fadiny sy ny fitsipiny matoa izy ireo manana ny heriny. Ny fady sy ny fitsipiky Jehovah dia efa voatanisantsika betsaka hatrany ampiandohana, fa ny fitsipik’ireo tsangan-tsampy ireo kosa dia misy azo aroso ihany ireto ahatsapantsika fa halan’i Jehovah ny fanaovana izany : Levitikosy 19:28 « Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin'ny tenanareo: Izaho no Jehovah. »

Deotoronomia 14:1 « [Ny amin'ny hifadiana izay fanao vetaveta, na izay zavatra tsy fihinana] Zanak'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin'ny handrinareo noho ny amin'ny maty. » ny fomban-tsampy Bala dia mandidy ny olona hitetika ny tenany rehefa misy maty ao amin’ny ankohonany, tsy sitraky Jehovah izany. Misy ihany koa ny didy napetrany dia ny hanaovana na fanasiana tombo-kavatsa amin’ny tenan’ny olona, izany koa izao dia efa tsy tian’i Jehovah. Ireo ihany koa dia manao tsangam-bato, na sary sikotra na manamasina zavatra (mety ho vato, na hazo, na fasana) izay mitoetra eo afovoan’ny saha hivavahana, izany koa dia tsy ankasitrahan’i Jehovah. Tao koa ohatra ny fitondrana ny zaza hamaky ny afo teo amin’ny alitaran’i Moloka  Levitikosy 18:21 « Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. »

Na eto amintsika aza amin’izao vanim-potoana hiainantsika izao dia misy izany, ary na ireo dahalo mpangalatr’omby aza dia manana ny ombiasany, na ireo mpanao ody ratsy mba hanampy azy ireo amin’ny fandrobana izay ataony.

Mbola maro ihany koa ny toerana manana ny fadiny sy ny fombany eto Madagasikara izay tena mbola misy hery mifehy azy satria tena misy mitazona sy manaraka ny fomban’izany toerana izany! Tsy mahagaga araka izany raha be ny mpizaha tany sy ny olona tra-doza amin’ireny toerana ireny satria tsy manaraka ny fombany sy ny fadin’ilay toerana, ary dia mazana ireo mpino milaza fa kristiana nefa tsy te hanaraka na tsy nitandrina intsony ny didy sy fitsipiky Jehovah no tratran’izany satria milaza fa ambany fahasoavana fa tsy ambany lalàna sy fitsipika.

Ampahatsorana be no hilazana etoana fa tsy afaka ny handresy ireny hery hafahafa ireny mihitsy ny olona tsy mifady na inona na inona, tsy manaraka ny didin’i Jehovah, fa manaraka fampianarana hafa dia ireo izay mila antsoina fotsiny hoe “kristiana” nefa ny fihinany sy ny fitafiny, izay fombany dia tsy mifanaraka amin’izany mihitsy.

Tsarovy tsara fa raha mino isika fa velona Jehovah, ary mahery ny ràn’i Jesosy Kristy, Velona mandrakizay Izy, dia ny mifanohitra amin’izay koa izany marina sy tokony hinoantsika dia ny hoe mbola eo koa Satana sy ny miaramilany, mbola vonona ny hamitaka antsika izy vonona ny hamono sy hampijaly antsika izy, ary dia izany no antony hisafidianantsika tsara mihitsy izay lalana handehantsika mba hananantsika Mpamonjy azo antoka tsara raha tena  manaraka ny didiny sy ny fitsipiny dia ny sitrapony isika.

Tsarovy ihany koa fa raha misy ny tsara dia tsy maintsy misy ny ratsy eo ankilany, raha misy ny lahy dia tsy maintsy ho misy vavy koa ankilany eo, raha misy ny maizina dia misy mazava koa ankilany eo, sns…

Mila mitandrina isika ary mametraka safidy tsara mihitsy amin’izay ho alehantsika. 

1.6.6  Iza ireo mpandainga ?

1 Jaona 2:22 « Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy*, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. [* Na: ilay antikristy] »

Izay manda an’i Jesosy tsy ho Kristy na Ilay voahosotra izany dia izy no mpandainga. Raha ny filàza azy mahitsihitsy kokoa dia avy amin’i Satana izany olona izany Jaona 8:44 « Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin*'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga. [*Na: (mitoetra amin')] » Ny mpandainga izany dia tsy mino an’i Jesosy ho Kristy ary avy amin’ny devoly izany olona izany, ny devoly no ambara fa rain’ny lainga. Ny filazana lainga izany dia midika fa momba sy manakaiky an’i Satana ilay olona. Ny vava miteny lainga izany dia tena tokony alavirina mihitsy ary tsy ho tonga amin’izany mihitsy ny olona raha tena mitoetra ao anatiny ny fitiavana an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Arakaraky ny toe-pon’ny olona na ihany koa arakaraka izay mahazo vahana be be kokoa ao anatiny ny teny mivoaka amin’ny vavany. Raha ny ratsy no mibahana ao anatiny dia ho teny ratsy sy ozona sy lainga no mivoaka betsaka ao ambavany, fa raha ny tsara no mibahana ao anatiny dia tsy hahateny zavatra ratsy akory izy ary tsy misy lainga ho voateniny eo. Matio 15:18 « Fa izay mivoaka avy amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona. »