1.1 Famaritana teny vitsivitsy
Mba tena hampitovy ny fomba fijerintsika, dia tsara raha ho faritantsika ny hevitry ny teny vitsivitsy ao anatin’ny Soratra Masina, dia hazava amintsika ny tiany hambara rehefa avy eo.
1.1.1 Ny famaritana ny teny hoe “MARINA” na ny “FAHAMARINANA”
Matetika dia manahirana ny olona tokoa ny mamaly io fanontaniana io. Andramo anie ny mametraka izany fanontaniana izany manao hoe: inona no antsoina hoe marina? Na hoe inona no antsoina hoe fahamarinana? Fa ho hitanao fa saika ny ankamaroan’ny olona dia mihodinkodina eo fotsiny tsy mahavaly an’izany e! ny maro dia hilaza hoe “tsy diso” no valin’izany, izay lasa valinteny boribory fotsiny. Toa zavatra heverina ho tsotra, sy tsy misy dikany loatra izany, kanefa dia mitondra fomba fijery hafa mihitsy, raha vao tsy hay ny famaritana tena izy an’izany teny izany.
Raha ho valiantsika miaraka ary izany dia izao: Antsoina hoe marina ny zavatra iray, rehefa avy nampitahaina amin’ny lalàna fototra iray na maromaro izay napetraky ny mpamorona azy, ka natao hamaritana na handrefesana na mifanaraka amin’izany lalàna fototra izany io zavatra natao io na tsia.
Izany fahamarinana izany dia tsy miova na amin’ny fotoana inona, na amin’ny toerana aiza, fa mitoetra ho marina hatrany. Ohatra: raha hanao kajy ny olona iray ka manao hoe 2 + 2 = 4, dia milaza avy hatrany ny rehetra fa marina izany, satria nanaraka ny lalàna fototry ny kajy ilay izy; toy izany koa ohatra raha hanao hoe 3 x 4 = 12, dia samy hilaza ny rehetra fa marina izany, satria manaraka ilay lalàna fototry ny kajy hatrany izany. Fa raha vao manoratra hoe 3 x 5 = 17, dia efa samy manaiky ny rehetra fa diso izany, satria nodisoina na nolavina na nodikaina ilay lalàna fototra izay efa napetraky ny mpamorona izany.
Dia toy izany koa, raha vao miresaka hoe “marina” isika ato amin’ny Soratra Masina, dia tsy maintsy misy lalàna na didy na fitsipika entina mamaritra na handrefesana, na diso na marina izay zavatra miseho na nataon’ny tsirairay.
Ny Soratra Masina dia manana ny lalàny, na ny didy sy ny fitsipiny manokana, ary izay Tompon’ilay Teny nitambatra ho Soratra Masina no nanome ilay lalàna voarakitra ao. Ny fandikana izany lalàna na didy na fitsipika izay napetrak'Andriamanitra izany dia ampy hilazana avy hatrany fa diso na nanota ny olona iray; ary ny fanajana sy fankatoavana izany kosa no hilazana fa marina ny olona iray.
1 Jaona 3:4 « Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. »
Fandikan-dalàna no hamaritana ny OTA raha araka ny Soratra Masina. Izany hoe raha atao dika mifanohitra amin’izany teny izany no handikana ity teny voalaza eto ity dia izao no azo hanoratana azy:
“ Izay rehetra manao ny marina no mankatoa ny lalàna; fa fahamarinana ny fankatoavana ny lalàna”.
Mahitsy kokoa ny fomba entina hilazana azy rehefa mivadika ohatra an’io ny fandikan-teny. Izao no hambaran’ny Soratra Masina mahakasika izany famaritana ny teny hoe FAHAMARINANA izany:
Deoteronomia 6:25: « Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika. »
Ny FAHAMARINANA izany dia azon’ny olona iray rehefa nanaraka ilay lalàna fototra izay napetraka izy, ka nankatoa sy nanàja an’izany.
Nasehon’i Jesosy antsika araka ny fianarana miaina sy mitandrina ny lalàn'Andriamanitra, mba ho tonga tanteraka ilay fahamarinana.
Jao 1:17 « Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy. »
Navahany tsara mihitsy ireo lalàna tokony ho tandremana, sy ny tokony hajaina, ka nolazainy mazava, fa izay avy tamin’ny Rainy dia tsy maintsy hajaina, fa izay tsy avy aminy kosa dia tsy maintsy esorina.
Mat.15:13 « Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana. »
1 Jaona 2:3 – 7 «3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. 4 Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. 5 Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra* izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. [* Na: ny fitiavan'Andriamanitra] 6 Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. [* Na: Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc] 7 Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nananareo hatramin'ny voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo. »
Raha toa izany ny olona iray tsy mino ny lalàna dia tsy tanteraka mihitsy ny fahamarinany. Raha milaza ny olona iray fa tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy mitandrina ny didy sy ny lalàna izy, fa raha toa ka tsy manao izany izy dia kilasian’ny Soratra Masina sahady fa mpandainga izy izany.
Ny didy izay asainy ho tandremana izany dia tsy didy vaovao fa izay efa nisy hatry ny ela ihany, dia izay nomen’Andriamanitra antsika hatrany hatrany amboalohany.
Rom 10:8-10 «8 Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay; 9 satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao. 10 Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena. »
Ary ny finoana an'i Jesosy Ilay voalazan’ny Soratra Masina, dia ho isaina ho fahamarinan’ilay olona mino ihany koa.
Jao 18:38 « Hoy Pilato taminy: Inona no marina? ... »
Jao 18:37« … Jesosy namaly hoe: ... Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. »
Samy mikatsaka sy mitady izany hoe marina izany avokoa ny olona rehetra, eny fa na dia ny mpanjaka nisy tamin’izany aza dia mba nanontany an'i Jesosy ihany koa. Milaza izany i Jesosy eto fa ny nahatongavany teto an-tany dia ny hilaza izany “marina” izany.
Efa hitantsika teo ambony anefa fa ny antsoina hoe “marina” dia izay zavatra natao na lazaina ka tsy mifanohitra amin’ilay fandrefesana na lalàna na didy efa napetraky ny mpamorona.
Toa manamporofo izany fa hafatra avy amin’ny Ray izay mpamorona no nentin’i Jesosy sy nampianariny, ary izay rehetra mandeha amin’ny fahamarinana izany dia mahay mandray sy mihaino ny feon’i Jesosy.
1.1.2 Ny famaritana ny antsoina hoe « OTA »
Tsy hitady famaritana hafa ivelan’izay voalazan’ny Baiboly isika na ny Soratra Masina, fa dia ao ihany no haka izay fomba hamarintatsika ny antsoina hoe “OTA” izany. Raha tsorina be ny fomba fijery, dia azo lazaina fa hoe izay mifanohitra amin’ny marina no antsoina hoe “OTA”.
1 Jao 3:4 « Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. »
1 Sam 15:24 « Ary hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin'i Jehovah sy ny teninao; … ».
Io no famaritana ny antsoina hoe “ota”, ary dia mazava tsara ny hanambarany azy, fa ny antsoina hoe “ota” izany dia midika ho fandikana lalàna, na mandika ny tenin’i Jehovah.
MARINA = MANAJA LALANA
FAHAMARINANA = REFESINA AMIN’NY FANAJANA NY LALÀNA
OTA = FANDIKANA LALÀNA
FAHOTANA = REFESINA AMIN’NY FANDIKANA NY LALANA
1.1.3 Ny famaritana ny antsoina hoe “ TSINY”
1.1.3.1 Ny “TSINY” araka ny Rakibolana Malagasy
Misy ankolafiy maro no azo hamaritana ny teny hoe “Tsiny” raha ny hita ao amin’ny Rakibolana Malagasy.
1. Fanamelohan'ny mpiara-monina noho ny hadisoana nataon'ny tena taminy: Nahazo tsiny tamin'ny rainy izy noho ny ditra nataony.
2. Ota na fahotana: Mbola zaza tsy manan-tsiny izy io. Io resahiny hoe Ota io dia mazana ireo kilasiany hoe “ota fady”, na toetra tsy mety ka mahatonga likiliky sy ngidin-koditra, heloka, soketa, kiana, tebaka, kizaka, safay, fondra eo amin’ny fiarahamonina
3. Kilema: Misy tsininy kely ny latabatra namboarinao,
4. Fanamafisana vy amin'ny fanampiana na fanofanana azy: Tsy tsara tsiny ity angadinao ity.
Raha araka io famaritana nentin’io Rakibolana io dia mazava tsara ny hamaritany azy hoe ny Tsiny dia midika hoe Ota, fahotana, kilema, voina, latsa, ngidin-koditra, likiliky, zavatra zara raha vita, na tsy tonga lafatra, sns…
1.1.3.2 Ahoana indray ny hamaritan’ny soratra masina izany Tsiny izany?
Hebreo 7:26 « Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin'ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra, » ny hoe tsy misy tsiny izany dia izay tsy misy loto, voasaraka amin’ny loto, izany hoe mandeha araka ny didy sy ny lalàna ary ny fitsipika izay napetraka.
Tsy mifanalavitra velively izay nambaran’ny Rakibolana sy ny Soratra Masina, fa samy milaza tsy fahatomombanana, milaza ota sy fahalotoana izany Tsiny izany.
Izao no hamintinany azy
Ilain’Andriamanitra ho tsy manan-tsiny isika na tsy misy tsiny raha te handova ny fiainana mandrakizay, sy handova fiainana dieny mbola ety an-tany. Vakio ny Salamo faha 15.
Ohabolana 10:29 « Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy. »
Salamo 19: 7. Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah, mahahendry ny kely saina.
Ohabolana 28:18 « Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin'ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka. »
Ohabolana 29:10 « Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy*.[Na: Ary mitady ny ain'ny mahitsy] »
1.1.4 Inona no antsoina hoe lalàna?
Voaresaka hatrany ity resaka lalàna ity, ka ny antsoina hoe lalàna dia ireo fepetra na didy sy fitsipika izay napetraka ho tsy maintsy tandreman’ny tsirairay ka ankatoaviny mba ampirindra ny fiarahamonina, na ampirindra ilay ankohonana izay tiana hitoerana. Manana ny lalàny ny fiarahamonina misy antsika ka ny filoha mpitarika izany fiarahamonina izany no mametraka izany lalàna na fitsipi-pifehezana izany; manana ny lalàny ihany koa ny ankohonantsika tsirairay avy, ary ny loham-pianakaviana no mametraka sy mampihatra izay fitsipika arahina ao. Dia toy izany koa ny ankohonan’Andriamanitra, misy didy sy fitsipika izay napetrany ihany koa ao mba arahin’ireo rehetra manaiky ho ankohonany, ka raha te ho isan’ny ankohonan’ Andriamanitra izany ianao, dia tsy maintsy manaiky izay didy sy fitsipika apetraky ny loham-pianakaviana, dia tsy iza fa Jehovah Andriamanitra. Manana ny lalàny Jehovah, izay efa nomeny ny mpanompony hatry ny ela ary izany dia ho dinihantsika ao aoriana. Tsy miova ireo lalàny ireo, na hatry ny taloha na ankehitriny eny na ho rahampitso aza dia tsy miova io. Voaporofo izany amin’ity andalan-teny iray izay nosoratan’i Jaona ity, (boky voasoratra ao amin’ny baiboly any amin’ny faram-paran’ny testamenta vaovao io) 1 Jao 2:7 « Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin'ny voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo. » 1 Jao 5:1 «1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. 2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny. 3 Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. » Tsy mitombina mihitsy araka izany ny filazana fa hoe efa foana ny lalàna nanomboka tamin’ny testamenta vaovao, fa nijanona ho an’ny Zanak’isiraely fahiny fotsiny izany.
Fa ny tena mahatalanjona sy mahagaga dia ity teny voasoratra manaraka eto ity :
Salamo 2:1 – 4 «1 [Ny mpikomy amin'Andriamanitra sy ny Mesiany] Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena 2 Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe: 3 "Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany." 4 Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo. »
Voalaza izany eto fa misy tokoa ireo mpikomy amin’Andriamanitra sy ny Mesiany. Ny Mesiany aloha dia efa fantatsika tsara fa i Jesosy Kristy no ambarany fa Mesia. Misy dikan-teny tena tranainy miseho eto ka izay no lasa tsy hahazoan’ny maro ny tena tian’ity andalan-teny eto ity ho lazaina. Ny dikan’ny hoe “misaina anoano foana” dia midika hoe “misaina zava-poana” na “misaina zavatra tsy misy dikany”.
Ny dikan’ny teny hoe "Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany." dia midika toy izao "Aoka ho tapahintsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany." Izany hoe raha hiverenana atao mazava tsara izany ny voasoratra dia izao no tena heviny : Salamo 2:1 – 4 «1 [Ny mpikomy amin'Andriamanitra sy ny Mesiany] Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina ZAVA-POANA ny firenena 2 Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe: 3 "Aoka HO TAPAHINTSIKA ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany." 4 Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo. »
Ahoana no tiany resahina?
"Aoka HO TAPAHINTSIKA ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany." Inona no ilay famatorana sy famehezana izay tsy zakan-dry zareo ireo ka tiany ho tapahina? Izany dia tsy inona fa ireo didy sy lalàn’i Jehovah no heveriny fa ho famatorana sy famehezana ho azy ireo. Tsy zakany izany fa te hiaina amin’ny fahalalahana ry zareo. Ary dia maro tokoa ny mpitondra fivavahana ankehitriny no te hanapaka ireo didy sy lalàna ary fitsipika ireo. Ampianarin-dry zareo ny olona fa manandevo ny ambany lalàna sy ny fitsipika izany fa te hiaina ambany fahasoavana ry zareo. Dia maro ny didy sy ny lalàn’i Jehovah no efa tsy hajainy intsony, toy ny hoe ny fitandremana ny Sabatan’i Jehovah, izany dia tafiditra ao anatin’ilay hoe fanovana ny fotoana sy ny lalàna; eo koa ohatra ny fampianarana ny olona tsy hifady intsony ny nofo fahavetavetana fa amin’izy ireo dia apetrany fa efa madio avokoa ny zavatra rehetra. Ao ihany koa ny famporisihina ny fanambadian’ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy na ny fanambadiana biby, izay tena voakilasy ho isan’ny fahavetavetana lehibe tokoa.
Inona anefa ny zavatra miseho mandritra ny fanaovan-dry zareo sy ny mpanaraka azy ireo izany zavatra rehetra izany?
Salamo 2: 4 Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
Tsy misy fankasitrahana ho an’ireo olona ireo, fa eso sy latsa aza no ho azon’ireo olona ireo. Noho izany ny antony hivavahana ho an’ny kristiana rehetra dia ny hoe: hahazo sitraka avy amin’Andriamanitra sy ny Mesiany. Ny zava-misy anefa eto dia eso indray aza no azony noho ilay tsy fahalalana, satria manaraka ireo fampianarana diso dia ny fanapahana ny lazainy fa famatorana sy ny famehezan’i Jehovah sy Mesiany. Mila tandremantsika izany.
1.1.5 Ahoana indray ny hamaritana ny teny hoe “ratsy fanahy”?
Satria resaka Fanahy no tiantsika ho hadihadiana dia ny Soratra Masina izany no tsara indrindra hakana izay famaritana ny teny tiantsika ho hadihadiana. Misy andalan-teny maromaro ho alaintsika hitondrantsika ny fanazavana :
-
- Deoteronomia 13:14 « Nisy olona tena ratsy fanahy nivoaka avy teo aminao ka nitaona ny mponina ao an-tanànany nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrareo). » Ny fitaomana ny olona handeha hanompo andriamani-kafa izany dia efa hanasokajiana ny olona iray hoe ratsy fanahy. Mila mitandrina tsara sy tena mamantatra tsara Ilay Andriamanitra tena hivavahana izany ny tsirairay indrindra ny mpitarika mba tsy ho voakilasy ho isan’ireo tena ratsy fanahy.
- 1 Mpanjaka 21:10 « Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an'Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty. » Ity tantara ity dia mitantara ny hevi-dratsy nampiasain’i Jezebela izay vadin’ny mpanjaka Ahaba, raha te hahazo ny tanin’i Nabota izy. Nampiasa olona tena ratsy fanahy izy hiampanga lainga hanameloka an’i Nabota hahafaty azy hahazoany ny taniny. Salamo 37:12 « Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny marina ka mihidy vazana aminy. »
- Salamo 10:13 « Nahoana no mamingavinga an'Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao? » Ny famingavingana an’Andriamanitra ihany koa izany dia hitenenana olona iray hoe ratsy fanahy. Anisan’ny famingavingana an’Andriamanitra ny fitenenana hoe “lany andro eo fotsiny nareo fa tsy misy izany Andriamanitra izany” sns…eny fa na dia tsy miloa-bava aza ilay olona fa any am-pony any ihany no hilazany an’izany.
- Salamo 37:14 « Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana. » Anisan’ny hamaritana ny antsoina hoe ratsy fanahy ihany koa izany ny fanamparam-pahefana mba hanambakana na hanambotriana ny ory sy ny malahelo.
- Salamo 37:32 « Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy. » Ny ratsy fanahy ihany koa izany dia tsy mitsahatra mandrakariva mitady ny fomba rehetra haminganana ny marina.
- 1 Samoela 2:12 « Ary ny zanakalahin'i Ely dia tena ratsy fanahy, tsy nahalala an'i Jehovah. » ny olona izay tokony hahalala nefa minia tsy mahalala an’Andriamanitra izany dia kilasiana ho ratsy fanahy, an’isan’ireo ny zanaky ny mpisorona
- Joba 8:13 « Toy izany no lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy*,[Na: ratsy fanahy] » Ireo mpiatsaravelatsihy ihany koa dia ambara fa ratsy fanahy. Joba 13:16 « Ary izao no ho famonjena ahy: Ny* mpihatsaravelatsihy** tsy sahy mankeo anatrehany.[*Na: Ary ho famonjena ahy Izy, fa ny][**Na: ratsy fanahy] »
- Salamo 10:3 « Ny ratsy fanahy mandoka izay irin'ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an'i Jehovah. »
Salamo 12:8 « Raha avy izay isandratan'ny tsinontsinona eo amin'ny zanak'olombelona, dia miebœbo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon'izay azom-pahoriana mafy loatra. » mandokandoka, sy mieboebo eny rehetra eny ny ratsy fanahy
- Salamo 71:4 « Andriamanitro ô, afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, dia amin'ny tanan'ny mpanao meloka sy ny lozabe. » ireo mpanao meloka izany hoe ireo tsy mpankatoa ny lalàna, ireo mpandika lalàna sy ireo lozabe na ireo kitonina masiaka be dia ambara fa ratsy fanahy.
- Ohabolana 6:12 « Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy, » Ireo tsy mahatandrina ny lelany fa mandratra ny namany amin’ny teny ratsy teny maharary dia ambara fa tena ratsy fanahy; Ilay manao vava ratsy dia izay olona mandrombo rehetra sy miteny avonavona, Salamo 12:3 « Holevonin'i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona, » ; izay miteny zavatra feno fitaka, Salamo 52:4 « Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka. »
Jakoba 3:8 « fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty. »
Ohabolana 10:32 « Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka. »
Ohabolana 15:28 « Ny fon'ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana. »
- Ohabolana 17:23 « Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba ho entiny mamadika ny rariny. » Ny ratsy fanahy ihany koa izany dia mandray kolikoly entina mamadika ny rariny,
- Ohabolana 28:5 « Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an'i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra. »
- Salamo 119:155 « Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny. »
- Isaia 57:20 « Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka. »
- Joda 4 « Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika*. [* Na: mandà ny Andrian-tokana sy Jesosy Kristy Tompontsika] » Raha misy olona mandà i Jesosy Kristy tsy ho Tompo, nefa efa nandray ny fahasoavan’Andriamanitra ka mamadika izany hanaovana fitondran-tena tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, na entina hiheveran-tena ho tsy misy toa azy, dia ambara fa ratsy fanahy izany olona izany
- Jeremia 5:26 « Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony. » Misy olona izay ambara fa ratsy fanahy izany izay feno fitaka ny fiainany, na tsy misaina hafa tsy izay hamandrihana ny namany ka entiny manambaka ny hafa izany hahazony harena.
Raha izany rehetra izany no jerena dia hitantsika fa miisa 17 isa ny famaritana ny teny hoe ratsy fanahy :
1. ireo izay manao ny fanambadian’ny mitovy fananahana
2. ireo izay mitarika ny olona hanompo andriamanitra tsy izy;
3. ireo izay miampanga lainga hanameloka ny namany;
4. ireo izay mamingavinga an’Andriamanitra;
5. ireo izay manao fanamparam-pahefana hampahory ny ory sy ny malahelo;
6. ireo izay mitsikilo ny marina ka manao izay hahafaty azy.
7. Ireo izay tokony hahalala an’i Jehovah nefa minia tsy te hahalala Azy;
8. Ireo mpiatsaravelatsihy ihany koa dia ambara fa ratsy fanahy.
9. Ireo mpandoka tena sy mpieboebo ihany koa dia kilasiana ho ratsy fanahy.
10. Ireo mpanao meloka sy ireo lozabe dia ambara fa ratsy fanahy.
11. Ireo mandehandeha manao vava ratsy, feno fiavonavonana ny avoakan’ny vavany, ary fenofeno fitaka ihany koa, feno faharatsiana
12. Ireo izay mandray kolikoly entina mamadika ny rariny, na entina manameloka ny namany dia ambara ihany koa fa ratsy fanahy;
13. Ireo izay tsy mahalala ny rariny rehetra ;
14. Ireo rehetra izay tsy mitady ny didin’i Jehovah ;
15. Ireo rehetra izay misamboaravoara lava, feno fahatezerana matetika, ireo izay feno hevi-dratsy mameno ny lohany,
16. Ireo izay mandà an’i Jesosy Kristy tsy ho Tompo, sady mamadika ny fahasoavan’Andriamanitra hanaovana fitondran-tena tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra na amin’ny fijejojejoana ka hiheveran-tena ho tsy misy toa azy, dia ambara fa ratsy fanahy ;
17. Ireo izay tsy misaina hafa tsy ny hamandrika sy hamitaka ny namany mba hahazoany harena.
Raha izany rehetra izany ny famaritana ny ratsy fanahy dia fantatsika tsara izany manomboka eto fa raha te honina ao amin’ny tabernakelin’i Jehovah dia tsy azontsika atao izany ny manaja ny olona toa izany. Kanefa izao, tsy ny hahafaty azy ireo no ilain’Andriamanitra fa ny hahatonga azy ireo hiova fo, ka hahafantatra ny fahamarinana. Misy asa takiany amintsika ao, izay tena sarotra tokoa dia ny hampiova ny ratsy fanahy hitandrina ny didin’i Jehovah.
Ezekiela 18:21 « Fa raha ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty. »
Ezekiela 18:23 – 24 «23 Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ? 24 Fa raha ny marina no miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon'ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy. »
1.1.6 Inona ny famaritana ny teny hoe “mpiampanga”?
Ny mpiampanga dia ilay olona mitondra ireo fitoriany na fiampangany manoloana ny mpitsara. Ny mpiampanga izany dia olona mpijery ny fahadisoan’ny olona iray, ka mitory na mitondra izay heloky ny olona iray eo anoloan’ny mpitsara. Izany hoe mahafantatra tsara ny lalàna sy ny fitsipika izy izany, ary mahafantatra tsara ihany koa izay nataon’ilay olona na nandika izany lalàna izany izy na tsia, ka mitondra izay ho fiampagany na ny fitoriany any amin’ny mpitsara. Jao.5:45-47«45 Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo. 46 Fa raha mba nino an'i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy. 47 Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko? » Mazava tsara amintsika izany eto fa i Mosesy no mpiampanga, izany hoe mahafantatra tsara ireo lalàna sy fitsipika entina manameloka na miampanga ny olona iray izany i Mosesy.
Ka lalàna inona io ampiasain’i Mosesy hiampangana olona io?
Tsy hisy fisalasalana akory isika hilaza hoe: izay lalàna nomena azy ihany no ahahafahany manao izany. Ny lehibe indrindra tamin’ny lalàna izay nomena an’i Mosesy dia ny didy folo. Noho izany dia izao: « Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin’izy rehetra. » Jakoba 2:10
Ambaran’i Jesosy ary fa nanoratra nilaza Azy Mosesy, ary izay nosoratan’i Mosesy no hiampangany antsika. Raha dinihintsika tsara anefa izay boky milaza sy manambara an’i Mosesy ao amin’ny baiboly dia ny (Eksodosy, Levitikosy, Nomery, Deoteronomia) dia tsy ahitana soratra milaza sy manambara an’i Jesosy Kristy mihitsy ao, fa dia saika ny didy sy lalàna sy fitsipika ary teni-vavolombelona avokoa no voasoratra ao. Dia ho hisy hahasahy hilaza ve izany hoe mandainga na mirediredy Jesosy? Sanatria izany; mila mandinika tsara ny Soratra Masina isika: satria Tenin’i Jehovah no nampitainy tamin’i Mosesy ka nosoratany tao anatin’ireo boky efatra ireo, na bokin’ny lalàna, dia midika izany fa Jesosy Kristy no ireo voasoratra ho didy sy lalàna sy fitsipika ary teni-vavolombelona hita ao amin’ireo boky efatra voasoratra milaza an’i Mosesy ireo. (Ho fanampim-panazavana dia jereo ny fanadihadiana ataontsika ao aoriana ao amin’ilay lohateny hoe: “Iza ary i Jesosy Kristy”) Dia manamafy an’izany rehetra izany ity teniny hita ato amin’ny bokin’i Jaona voasoratra manaraka eto ity:
Jaona 12:46 – 50 «46 Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy. 47 Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. 48 Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany, 49 satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. 50 Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko. »
Ambaran’i Jesosy ary fa, ny Tenin’i Jehovah dia tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana ho an’izay mandray azy, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino izany Tenin’Andriamanitra izany. (Mitoetra ao amin’ny maizina dia midika fa hoe mitoetra ao amin’ny fahaverezana, na manaraka ilay ratsy). Raha toa kosa ka misy maheno na mandre izany teny izany nefa tsy mitandrina azy, (izany hoe tsy manaja na mitandrina ilay Tenin’Andriamanitra rehetra: na didy sy lalàna na fitsipika na teni-vavolombelona, na teny faminaniana, na teny fikasana), dia manana mpitsara azy izy, dia ny teny izay nolazainy sy notoriany tamintsika.
Mazava ny fanambarany fa ny teny izay nolazainy sy notoriany tamintsika dia teny avy tamin’ny Ray, fa tsy avy aminy. Satria izy dia tonga tety an-tany avy amin’ny anaran’ny Rainy izay any an-danitra, fa tsy avy amin’ny anaran’ny tenany manokana. Noho izany ny zavatra izay ampianariny sy toriany ary asainy tandremantsika dia izay nampianarin’ny Rainy Azy ihany, fa tsy namorona lalàna na didy na fitsipika hafa ankoatra izay voalazan’ny Rainy Izy.
Noho izany dia io tenin’Andriamanitra io ihany koa izany no ho mpitsara antsika, izany hoe ilay mpamoaka didy sy mpandinika na diso isika na marina. Ary farany dia eo amin’ny Jaona 12: 50 izay efa voasoratra eo ambony io dia voalazany mazava tsara fa fiainana mandrakizay no azon’izay rehetra mankatoa ny didin’ny Rainy izay any an-danitra.
Fa hoy Izy any amin’ny Mat 5: 17–18 «17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. 18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera* iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra. »
1.1.7 Inona ny famaritana ny teny hoe MPITSARA?
Ny mpitsara dia ilay mpampihatra ny lalàna, fa tsy mpanelanelana. Izy no manapaka izay didy mivoaka, na ho voaheloka na ho afaka ny olona voampanga iray. Ny mpitsara noho izany no manadihady sy mandinika ilay trangan-javatra miseho, ka mampihatra ny lalàna misy. Any ampamoahana ny didy dia ambarany mialoha ny lalàna misy, ka asehony ny fahadisoan’ izay voaheloka, ary mamoaka ny didim-pitsarana farany izy avy eo.
Hoy Jesosy Kristy Jao 12:48-49 «48 Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany, 49 satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. »
Izany hoe ny teny izay nolazain’i Jesosy Kristy izany no hitsara antsika amin’ny andro fitsarana. Kanefa Jesosy dia nilaza ihany koa fa tsy teny avy aminy izay rehetra nolazainy fa avy amin’ilay Rainy izay naniraka Azy tety ambonin’ny tany. Dia mazava araka izany, fa izay Tompon’ny Teny no hitsara izay olona mandika izay voalazany:
Sal 9:7-8 «7 Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy, 8 Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny fahitsiana Izy. »
Noho izany dia ambara fa Jehovah no mpitsara amin’ny andro farany.
1.1.8 Ahoana no hamaritana ny teny hoe FAHAMASINANA?
Raha ho faritantsika izany ny teny hoe fahamasinana, dia midika ho vokatra izay omen’i Jehovah antsika, rehefa avy nandeha tamin’ny fahamarinana isika, izany hoe nankatoa ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny isika. Noho izany raha te ho masina izany ny olona iray, dia tokony hiezaka andeha amin’ny fahamarinana, izany hoe manokan-tena.
Io fanavahana ny tena amin’ny hafa io, izay midika fa tsy fanaovana ny zavatra voalaza fa mahaloto ny tena nefa fanaon’ny olona maro, no midika fa manamasina ny tena. Rehefa tanteratsika izany dia Izy no hanamasina antsika, satria omen’i Jehovah antsika izany fahamasinana izany, na koa hoe Jehovah no manamasina antsika:
Levitikosy 20:8 « Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamasina anareo. »
Milaza mazava tsara mihitsy izany Izy eto fa Izy no manamasina antsika. Izany hoe “ny Fahamasinana” izany dia omeny antsika rehefa avy nanokan-tena sy nitandrina ny didiny sy ny lalàny isika.
Romana 6:19 « Miteny araka ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana. »
Làlana tsy mifanohitra na sanatria mifanipaka izany ny fandehanantsika ho amin’ny fahamarinana, sy ny hanomezany antsika ilay vokatry ny fahamarinana dia ny fahamasinana, fa tena mifandray sy mifampitohy tsara mihitsy. Ka izany no ahazoantsika ilay fanomezam-pahasoavana avy amin’ilay Mpamorona dia ny fiainana mandrakizay:
Rom 6:22-23 «22 Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. 23 Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. »
1.1.8.1 Inona no fepetra mba ahazoana izany fahamasinana izany?
1.1.8.1.1 Hamasino midika hoe atokàny
Jer 12:3 « Fa Hianao, Jehovah ô, mahalala ahy; Mahita ahy Hianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokàny* ho amin'ny andro hamonoana.[Hebreo hamasino] »
- Mila manoka-tena izany isika mba ho masina, izany hoe hisaraka amin’ny ratsy, ka hiavaka amin’ny rehetra. Noho izany dia misy toetra vitsivitsy ireto, izay tsy maintsy ialàna mba ho voatokana ho masina tokoa isika.
1 Pet 4:3-4 « 3 Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; 4 ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy; »
- Misy koa andro natokana hivavahana mba ho masina, na hanamasinan-tena. Izany dia voatendry fa ho hamasinina amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Io teny hoe fanendrena andro io dia midika ho fanamasinana andro amin’ny teny HEBREO.
2 Mpanj.10:20 « Ary hoy Jehovah: Manendre* fivoriana masina ho an'i Bala. Koa dia nanendry* andro izy.[*Hebreo Manamasina] » Manana ny andro notendreny izany Jehovah, na ihany koa andro nohamasininy ka tokony hajaina. Dia toy izany koa Satana, izay manana ny azy ihany koa.
Andro fifadian-kanina:
Joe 2:15« Tsofy ao Ziona ny anjomara, ka mana-masina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina. »; Joe 1:14
Ny Sabatan’i Jehovah:
Eks31:13-14 «13 Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. 14 Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. »
Ezek 20:20 « Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. »
1.1.8.1.2 Manasa fitafiana, sy miomana
Izany fanamasinana ny olona izany ihany koa, dia midika hoe manasa fitafiana sy mitaky fiomanana.
Eks 19:14-15 «14 Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany. 15 Ary hoy izy tamin'ny olona: Miomàna ianareo ho amin'ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory. »
Mar 6:16” Ary izay mino sy hatao batisa no hovonjena, fa izay tsy mety mino no hohelohina” ; Asa 2:38 “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina” ; Rom 6:3-4 “3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany? 4 koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao”.
Rehefa vita batisa izany ny olona iray, dia mandray fitafiana vaovao, izany hoe miroso amin’ny fiainana hafa noho ny teo aloha :
Kol 3:10 “ary efa notafianareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy”
Voalaza ary fa misy fiomanana tokony hatao raha te hahazo izany fahamasinana izany. Anisan’izany ny fianarana ny soratra masina sy ny fibebahana mba ho azo atao batisa izay rehetra nianatra sy nibebaka. Ny fiomanana faharoa, dia ny fanekena ny hitafiana ilay toetra vaovao:
Efes4:17-32 «17 Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin'ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan'ny jentilisa amin'ny fahafoanan'ny sainy; 18 fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin'ny fony, 19 dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin'ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin'ny fieremana. 20 Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy, 21 raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin'i Jesosy, 22 mba hialanareo ny toetrareo* taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan'ny fitaka; [* Gr. olonareo] 23 fa mba hohavaozina kosa ianareo amin'ny fanahin'ny sainareo, 24 ary mba hotafinareo ny toetra* vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. [* Gr. olona] 25 Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika. 26 Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. 27 Aza manome fitoerana ho an'ny devoly. 28 Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana. 29 Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana. 30 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin' Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana. 31 Esory aminareo ny fo-lentika* rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; [* Gr. fangidiana] 32 ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy. »
1.1.8.1.3 Manaisotra zavatra voaozona
Jos 7:13 « Mitsangana, manamasina ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasina ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan'ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony. »
Raha te ho masina izany isika dia mila manala izay zavatra efa voaozona eo amin’ny fiainantsika, na toetra tsy mety, na fananana azo amin’ny tsy rariny, na ireo endriky ny sampy (sary masina, na sary vongana, sns)
1.1.8.1.4 Manadio ny tena na tsy mandoto ny tena amin’ny nofon’ny fahavetavetana
Levitikosy 20:25-26 «25 Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin'ny biby, na amin'ny vorona, na amin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto. 26 Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy. »
Raha tena manaiky tokoa ianao fa natokana sy navahana, satria masina ho an’i Jehovah dia mila mitandrina izany fahamasinana izany, ka tsy manendry izay voalazany fa nofon’ny fahavetavetana.
Betsaka ny tsy te hanaraka an’io, tsy te hifady na inona na inona, kanefa ny zavatra fantatra sy voaporofo dia raha vao miresaka zava-panahy (na tsara io na ratsy) ka hanana ny heriny sy ny tanjany dia tsy maintsy misy zava-padiana tsy maintsy tandremana ao.
Ohatra hoe:
- Raha mandeha mankeny ambanivolo na toerana hafa dia ahitana hatrany toerana ambaran’ny olona fa misy fadiny, ohatra hoe tsy azo atao ny milalao io rano io raha nihinana hena-kisoa, sns… Ka raha misy olona maninana an’izany dia mahita loza tokoa, satria misy fady najain’izay olona mitandrina ilay toerana eo ka lasa manajiana ilay toerana.
- Ny dahalo na malaso mpangalatr’omby raha adeha hivoaka hanafika, dia mazàna manantona ombiasa, ka rehefa omeny ody hoe ho fiarovana azy ireo tsy ho laitran’ny balan’ny mpitandro filaminana izy ireo dia misy fady tononiny ho tsy azon’ireo malaso ireo hatao mihitsy mialoha sy mandritra ary aorian’ny fanafiana : ohatra hoe tsy mikasi-behivavy mialoha sy mandritra ny fanafiana, tsy mihinana anamamy, tsy mihinana voajobory, tsy mihinana hena-kisoa, sns… na ny fomba fivoahana ny trano aza dia misy fombafomba atao vao mandeha. Rehefa mahavita ireo fombafomba ireo ry zareo ireo dia mahatsiaro ho manana hery hafa sy voaharo ka feno fahasahiana manatontosa fanafihana maro samihafa.
Etsy ankilany ny mpitandro ny filaminana ihany koa mba manao ny fombany ihany koa rehefa hanenjika ny dahalo, tsy mandeha amin’ny herin’ny tenany izany fa misy fiarovana ampiasainy. Raha mpino kristiana izy dia tsy maintsy olona efa feno finoana, ary nahavita nifady hanina, nahavita nifady ireo zava-padiana voambara ao amin’ny soratra masina, izay vao manankery hanohitra azy ireo; fa raha tsy izany dia lasa mitoky amin-javatra hafa, ohatra hoe manontany ombiasa hafa ka izay tenenin’ilay ombiasa no ataony hanoherany ilay ody maherivaika ampiasain’ireo dahalo. Ohatra hoe miteny ilay ombiasa hoe hosory rà avy amin’ny fadimbolan’ny vehivavy ny lohan’ny basinareo, fa izay no maha voahota fady an’io ody ampiasainy io, dia ataon’ireo mpitandro filaminana izany dia resy tokoa ireo malaso.
- Ny azo amehezana azy dia izao, tsy misy zava-panahy tsy manana ny fombany izany. Raha te hanokan-tena ho an’Andriamanitra izany ny olona iray ka te ho masina ho an’i Jehovah Andriamanitra, te hanana ny hery avy amin’i Jehovah, te ho arovan’i Jehovah, dia tsy maintsy mifady ireo zava-padiana ireo araka izay efa nandidian’Ilay Ray Tsitoha dia Jehovah Andriamanitra izany.
1.1.8.1.5 Mitandrina ny didin’i Jehovah
Levitikosy 20:7-8 «7 Dia manamasina ny tenanareo ianareo, ka aoka ho masina ianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 8 Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamasina anareo. »
Tsy omeny izany fahamasinana izany mihitsy isika raha tsy mitandrina ny didiny, izany hoe mandeha amin’ny fahamarinana izay midika ihany koa hoe manokan-tena ho Azy, ary izany no fepetra farany takiany amintsika mba hahazoantsika izany fahamasinana izany.
1.1.9 Iza no antsoina hoe mpanompon’i Jehovah?
Rom 6:22 «22 Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay»
Raha ny voasoratra izany dia ireo olona afaka amin’ny ota no tonga mpanompon’ Andriamanitra, izay midika fa olona mandeha amin’ny fahamarinana, ary efa nandray ny fahamasinana ihany koa aza. Ny mpaminany Isaia ihany koa dia mba nanoratra nilaza izay namaritany ny hoe mpanompon’ Andriamanitra izany:
Isaia 42:18-20 «18 Mihainoa ianareo, ry marenina; Ary mijere, ry jamba, mba hahita. 19 Iza no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizan'i Jehovah, ary jamba tahaka ny mpanompony? 20 Mahita zavatra maro ianao, nefa tsy mitandrina; Manongilana ny sofiny izy, nefa tsy mihaino. »
Hafahafa ihany ny namaritany an’izany hoe mpanompon’i Jehovah izany, satria dia ireo jamba sy marenina no ambarany amin’izany. Tsy ilay jamba na marenina ara-bakiteny anefa no resahiny eto, fa ireo izay minia tsy mijery sy tsy mandre na tsy miraharaha izay rendrarendran’ny tany, fa mitoetra mandrakariva amin’ny fahamarinana. Izany hoe efa voafora maso sy voafora sofina izany ireo mpanompon’i Jehovah, satria ireo taova roa ireo no varavarana hidiran’ny ota amin’ny vatan’ny olombelona. Ka raha mirindrina na mihidy izany ireo varavarana roa ireo, izany hoe tsy tafiditry ny fitaoman-dratsy, dia midika fa afaka amin’ny ota ilay olona ka tonga mpanompon’i Jehovah, ka manana ny vokatry ny fahamasinana ary farany dia ny fiainana mandrakizay.
1.1.10 Ny làlan’i Jehovah
Matio 3:3 « Fa izy no ilay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny làlan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa. 40. 3). »
Tsy haiko na mitovy amiko ianao na tsia fa rehefa mandinika an’io andalan-teny io aho dia lasa saina hatrany hoe: Aiza izany làlan’i Jehovah izany, aiza no fiandohany dia mankaiza avy eo ? Angaha simba izy izany no amboarina ? sa be fiolanana ka tsy maintsy ahitsy ? mifamahofaho ireo fanontaniana ireo, ka ny farany dia tsy maintsy nikaroka ihany mba ahalalana ny marina. Dia hiroso hanadihady an’izany resaka izany ary isika na dia tsy lasa lalina loatra aza :
Hosea 14:10 « Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy. »
Raha io voalaza io aloha izany dia mazava fa misy izany lalan’i Jehovah izany, ka ny marina hoy izy no mandeha sy mahita izany lalana izany, (izany hoe ireo marina ireo raha ny fandihadiana hitantsika teo aloha dia tsy iza fa ireo mitandrina sy maridrefy tamin’ny lalàna izay napetraky Jehovah); fa ny mpanota kosa hoy izy dia tafintohina raha mandeha eo aminy. (Ny mpanota dia efa hitantsika teo aloha fa ireo izay mpandika lalàna, tsy mandeha araka ny lalàn’i Jehovah).
Ny teny hoe tafintohina dia mety hidika zavatra roa: na izy voafingana dia mitrotrongy mila hianjera, na maratra mihitsy ny tongotra, na koa midika ho sosotra, sy sorena, satria voatohintohina ilay diany.
Raha izany dia misy ilay làlan’i Jehovah ary izay mandeha amin’ny fahamarinana ihany no mahita sy mandeha eo amboniny, fa etsy ankilany dia mahasorena ny olona mpanota kosa ny mandeha eo aminy, satria manohintohina ny filany izany, ka mahatsiaro ho tery sy voafehy be loatra izy ao anatin’izany.
Sal 1«1 [Ny tsi-fitovian'ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy] Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira; 2 Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina. 3 Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa. 4 Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin'ny rivotra izy. 5 Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin'ny fitsarana, na ny mpanota eo amin'ny fiangonan'ny marina. 6 Fa fantatr'i Jehovah ny lalan'ny marina, fa ny lalan'ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin'ny fahaverezana.»
Raha araka ny soratra masina izany dia mahasambatra ny olona ny mandeha sy misaintsaina ny lalan’i Jehovah andro aman’alina. Raha ny hilazany azy eto dia toy ny hazo maniry eo amoron’ny rano velona izy, izany hoe tsy mba hanan-java-mahory, satria ahazo rano hatrany ny fakany na main-tany na fahavaratra, ka dia ho soa tokoa ny faniriny.
Fa ny mifanohitra amin’izany kosa ny lalan’ny ratsy fanahy, satria toy ny akofa aelin’ny rivotra izy, izany hoe toy ny fako, ka tsy maintsy ho dorana rehefa avy eo, hany ka dia efa voasivana hatrany ampiandohana izy. Toy izany ny fihavahan’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ka ahoana marina ary izany làlan’i Jehovah izany?
Sal 25:8-10 «8 Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny làlana. 9 Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny làlany. 10 Ny làlan'i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony. »
Inoako fa efa manomboka mazava amintsika ny tiany ambara, ka rehefa tsapatsika fa mpanota isika, izany hoe mpandika lalàna, ary manaiky ny hibebaka sy hiverina amin’ny làlana marina, (izany hoe mitandrina ireo didy sy ny lalàn'Andriamanitra rehetra) dia ampianariny antsika ny làlana mizotra mankany aminy, dia ny fahamarinana izay inoako ihany koa fa efa haintsika ny famaritana azy.
Mba hampipetraka tsara ilay fanadihadiana izay hataontsika dia ho jerentsika izay voasoratra ao amin’ny Salamo faha 119. Ho lava be raha apetratsika ny andininy rehetra ao, fa vitsivitsy ihany no aseho eto, fa raha mety dia mba vakio manontolo satria ao no manazava an’io làlan’i Jehovah io.
Sal119:1-8«1 Sambatra ny mahitsy lalana, Izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah 2 Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony ka mitady Azy amin'ny fo rehetra; 3 Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalàny. 4 Hianao namoaka ny didinao mba hotandremana tsara. 5 Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako hitandremako ny didinao! 6 Dia tsy ho menatra aho, raha mandinika ny didinao rehetra. 7 Hidera Anao amin'ny hitsim-po aho amin'ny ianarako ny fitsipikao marina. 8 Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao. »
Izany hoe ireo izay mahitsy làlana izany dia tsy iza fa ireo izay mandeha amin’ny làlan’i Jehovah, izany hoe mandray sy mankatoa ny lalàny, mitandrina ny teni-vavolombelony, mianatra ny fitsipiny. Raha tsorina kokoa izany ny resaka dia izao, izany làlan’i Jehovah izany dia tsy inona tsy akory, fa ny fandehananao mandeha mahitsy manaraka ny didiny sy ny fitsipiny, ary mitady izany amin’ny fonao rehetra. Izany hoe mandeha amin’ny fahamarinana, ka ny antsoina hoe marina dia efa hitantsika teo ambony, fa ny fanarahana ny didiny sy ny fitsipiny araka ny maridrefy.
Sarotra ny manaraka ny didin'Andriamanitra satria tery sy sarotra ny làlana, tsy mifanaraka amin’ny filan’ny nofon’ny olona io làlana io, feno sakantsakana, tsy azo hoanina ity, tsy azo atao itsy, tsy fanao iry, ets… kanefa hoy Jesosy:
Mat.7:13-14 «13 Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. 14 Fa èty ny vavahady, ary tery ny làlana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. »
Eto dia miresaka vavahady Jesosy:
Ahoana tokoa ny mahakasika izany vavahady izany? Aiza no misy azy? Tsy hitady valiny hafa isika fa izay voasoratra ao amin’ny Genesisy 28:17 no hamaliantsika izany:
« Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe: Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra. »
Ny vavahadin’ny lanitra izany dia tsy hafa fa ny tranon’ Andriamanitra. Dia mahita trano izay lazain’ny olona maro isika fa tranon’ Andriamanitra mijoro sy hita eny rehetra eny, ka moa ve ireny rehetra ireny io lazaina fa vavahadin’ny lanitra io?
Anjarantsika no mamaly na eny na tsia ny valiny, fa ho ahy manokana aloha dia “Tsia” no valiny hapetrako, satria mino aho fa izay fiangonana mampianatra ny tena sitrapon’ Andriamanitra ihany no hinoako fa ho izany vavahadin’ny lanitra izany.
Izao mantsy, betsaka tokoa ireo fiangonana no mampianatra zavatra hafa ankoatra izay voalazan’i Jehovah: manamasina andro hafa hivavahana ankoatra izay voalazany, tsy mifady na inona na inona, fa amin’izy ireo dia madio avokoa ny zavatra rehetra, mankasitraka ny fifanambadian’ny mitovy fananahana, sns… ka izany ve ho vavahadin’ny lanitra?
Izay no lafiny iray, fa amin’ny lafiny hafa ihany koa dia izao: voalaza fa ny tenantsika no ambara fa tempolin’Andriamanitra (vakio 1Korontiana 3: 16-17), ka raha tempolin’ Andriamanitra io dia mazava ho azy fa io ihany koa izany ny vavahadin’ny lanitra. Dia tafaverina eo amin’ilay fanadihadiana na famaritana ny antsoina hoe mpanompon’i Jehovah efa hitantsika eo ambony ny resaka, satria hoy isika teo ambony, ny maso sy ny sofina no vavahady hidiran’ny ota amin’ny tenantsika, dia mila mifehy izay jeren’ny maso sy renesin’ny sofina izany isika, mba ho tena vavahadin’ny lanitra tokoa. Satria hoy Jesosy Kristy, Matio 5:28:
« Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. »
Mila mifehy izay jeren’ny masontsika isika, fa na dia tsy nijangajanga ara-nofo aza isika fa naniry noho ny fijerintsika dia efa nanota sahady.
1.2 Iza moa io Jehovah Andriamanitra tokony hivavahantsika io?
Eks 3:14 – 15 «14 Ary hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin'ny Zanak’isiraely: IZAHO IZAY IZY no efa naniraka ahy ho aty aminareo. 15 Ary hoy koa Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izao no holazainao amin'ny Zanak’isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no efa naniraka ahy ho aty aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby. »
Izy no Ilay tokony hiankohofana,
Salamo 29:2 « Omeo an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina. »
Salamo 96:9 « Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra. »
Salamo 99:5 « Manandrata an'i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin'ny fitoeran-tongony; Fa masina Izy. »
Izy no Ilay tsy mamitaka
Nomery 23:19 « Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny? »
Izy no Ilay tsy azo hampirafesina.
Eksodosy 34:14 « Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy, »
Eksodosy 20:3 – 5 «3 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. 4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. 5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; »
Izy no Ilay Mpahary izao rehetra izao
Jeremia 10:16 « Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran'i Jakoba; Fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany. »
Jehovah Andriamanitra no Ilay Tompon’ny tompo rehetra, Ilay Mpamboatra sy Mpahary izao tontolo izao. Ny zavatra rehetra misy teto ambonin’ny tany, na dia ireo madinika indrindra aza « être microscopique» dia noforon’io Andriamanitra io avokoa, na ny tany na ny habakabaka, na ny volana na ny masoandro, na ny rano sy ny ranomasina sy izay zava-mananaina rehetra ao anatiny; na ny zavatra rehetra ety ambonin’ny tany sy izay rehetra eo aminy, na zava-maniry na ny biby rehetra, na ny rivotra sns…, fa io Andriamanitra io ihany no hany tokana tsy nisy mpamorona, efa teo hatrizay hatrizay, ary dia lehibe sy mahagaga, ary avo indrindra. Mahagaga satria dia afaka namorona aina, afaka nametraka ny tontolo araka ny sitrapony, tsy ny planeta tany ihany fa ireo galaxie rehetra misy. Izy nos efa nisy hatrizay ary misy ankehitriny ary mbola hisy mandrakizay.
Izy no Ilay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
Eksodosy 15:18 « Jehovah hanjaka mandrakizay doria. »
Eksodosy 3:14 « Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho aty aminareo. »
Izy no Ilay tsy miova sy velona ary manjaka amin’ny taona rehetra, na omaly, na anio, na ampitso na mandrakizay.
1.3 Mahita sy mijery antsika Jehovah
Tsy vao izao fotoana izao izay nidiran’ny fivavahana kristiana manerana ny tany izao no nahatsapan’ny olombelona fa misy izany Andriamanitra izany, hoe misy izany Mpamorona izany fa efa ela tokoa. Efa nivavaka tokoa ny mponina teto an-tany hatrany ampiandohana ary arakaraky ny toerana sy ny firenena nisy azy avy no nisian’izany.
Tsy mahagaga izany satria Andriamanitra tokana no nahary izao tontolo izao, ary efa nazavaintsika tany ambony aza fa na dia ny fomba fitenenana aza dia niraisana raha mbola tany ampiandohana
Genesisy 11:6 – 9 «6 Ary hoy Jehovah : Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan'ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao. 7 Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy. 8 Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy. 9 Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no nampielezan'i Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany rehetra. »
Nahafantatra an’Andriamanitra izany ny olona rehetra raha ny tany am-piandohana, fa saingy ny tsy azo hadinoina dia efa teo hatrany i Satana namitaka ny olona ary namilana ilay fahalalana an’Andriamanitra ka nampivily ilay fitiavana mivavaka ao anatin’ny tsirairay.
Anisan’ireny isika malagasy, hatrany ampiandohana ireo Ntaolo razantsika dia efa nahalala ny fisian’Andriamanitra, ary tena tsy diso tokoa ny fomba nahalalany izany Andriamanitra izany fa nifanakaiky tamin’izay voalazan’ny soratra masina.
Ahoana ny finoan’ny Ntaolo izany Andriamanitra izany ?
Hoy ny Ntaolo, « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Ilay Zanahary an-tampon’ny loha ». Izany tokoa no fototra izay nijoroan’ny fisainana Malagasy fahiny, ary nivoahan’ny fomba fisainana izay namehy ny fiaraha-monina tamin’izany fotoana manao hoe:
- “Na ny tain’omby nivadika aza tsy nisy sahy naka”
- Ao ihany koa ilay fomba fiteny hoe “Ny tsy hanaovan-dratsy dia noho ny tahotra an’Andriamanitra”
Noho ny fatahorana an’Ilay Andriamanitra an-tampon’ny loha no mahatonga izany fisainana rehetra izany. Na dia any amin’ny toerana mangina sy tsy nisy mpahita aza izy ireo dia tsy nisy nahasahy hanao izay ratsy satria matahotra sy mijanona ao an-tsainy mandrakariva ny finoana fa mahita ny miafina indrindra izany Andriamanitra an-tampon’ny loha izany. Raha araka ny Soratra Masina dia tsy mifanalavitra amin’izany mihitsy ny teny izay voasoratra manao hoe:
Lioka 8:17 « Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho. »
Mitovy sy tena mifanakaiky tokoa izany fomba fisainana izany, ary izany no toe-tsaina tena tian’ny Soratra Masina ho tafiditra anatin’ny sain'ny tsirairay avy.
Salamo 69:5 « Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao. »
Daniela 2:22 « Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy. »
Deoteronomia 10:17 « Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly; »
Mahita sy mamantatra antsika sy izay ataontsika rehetra Jehovah , ary izay matoky Azy sy tena mitady Azy dia tsy mba ho diso anjara, fa tena ho zanany mihitsy, ka Izy no hiahy sy hiaro azy. Tsy mijery ivelany Jehovah, fa tena mandinika ny voa sy fo tokoa izy, eny ny ataonao amin’ny miafina indrindra aza dia mbola hitan’i Jehovah avokoa.
Sal 34 «1 (…). Hisaotra an’i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. 2 Jehovah no reharehan'ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho faly. 3 Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika. 4 Mitady an’i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra. 5 Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany. 6 Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra. 7 Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy. 8 Andramo ka izahao fa tsara Jehovah ; sambatra izay olona mialoka aminy. 9 Matahora an’i Jehovah, ianareo olony masina; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy. 10 Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an’i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory. 11 Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’i Jehovah no hampianariko anareo. 12 Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa, 13 Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. 14 Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany. 15 Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. 16 Ny tavan’i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy. 17 Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. 18 Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah , ary mamonjy izay torororo fanahy. 19 Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany. 20 Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza. 21 Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina. 22 Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy. »
Io andalan-teny izay nosoratan’i Davida Mpanjaka io no hiaingantsika, tena hirosoana amin’ny fanadihadiana rehetra.
Fa iza tokoa moa ny olombelona tsy mba mikatsaka izay hahasoa ny fiainany raha mbola eto ambonin’ny tany? Ary izany fikatsahana ny mahasoa ny fiainana izany dia amin’ny lafiny maro mihitsy tokoa (toy ny hoe: tsy hampahamaloka ny endritsika manoloana ny fahoriana maro samihafa, mba ho voaharo amin’ny loza mety hitranga, hanana mpiaro azo antoka, tsy hanan-java-mahory sy tsy hatahotra, mba ho ela velona, ho voavonjy amin’ny fahoriantsika rehetra, ho lavitry ny aretina isan-karazany).
Izany rehetra izany dia samy efa novaliany, sy efa nomeny antsika ny tsiambaratelo sy ny fanalahidy hamahantsika izany dia ny hoe:
- Misaora lalandava an’i Jehovah ; Sal 34 : 1
- Ataovy ho reharehan'ny fanahinao Izy; Sal 34 : 2
- Miaraka mankalaza Azy; Sal 34 : 3
- Miara-manandratra ny anarany Sal 34 : 3
- Mitadiava an’i JHV, miantsoa ny anarany ;
- Mialofa sy mitadiava Azy;
- Matahora sy matokia Azy;
- Miaro ny lelantsika amin'ny ratsy ary ny molotsika mba tsy hiteny fitaka.
- Hanalavitra ny ratsy isika,
- Hanao soa; hitady fihavanana, ary dia hihaino an’i Jehovah
- Miderà Azy mandrakariva
Ireo zavatra rehetra asainy ataontsika ireo dia tsy mba ho vitantsika mihitsy na dia iray monja aza, raha tsy misy ny fitarihin’ny Fanahy Masina. Fa rehefa eo kosa ny fitarihan’ny Fanahy Masina, dia hisy amin’ireo zavatra asainy ataontsika ireo no ho vitantsika samy irery, toy ny fisaorana Azy lalandava, ny mametraka Azy ho reharehan’ny fanahinao, ny miantso sy mialoka ary ny mitady ny anarany, ny matahotra sy mahatoky Azy, miaro ny lelantsika tsy hiampanga lainga na hiteny fitaka, ny manalavitra ny ratsy, ny hanao soa sy hitady fihavanana ary hihaino Azy.
Fa misy kosa ny tsy ho vitantsika irery raha tsy hiarahana amin’olon-kafa. Noho izany dia tsy maintsy ilaina ny fiaraha-mivavaka, ny fiaraha-manompo, ny fiaraha-mankalaza, ny fiaraha-midera ary ny fiaraha-manandratra ny anarany.