Inona no hevitr’ireo Paléontologue?

1.1.1.1         Ny hevitr’ireo Paléontologue


Farany, nisy ihany koa ireo paléontologue malaza, izay mpomba ilay tsoa-kevitry ny fiovana ka nanambara fa avy amin’ny rajako ny olona. Nisy 6500 ny karazana rajako nisy teto ambonin’ny tany, ary ny ankamaroan’ireo dia efa lany taranaka avokoa. Ary dia maro tamin’ireo ihany koa no very ny karana na taolana avy tamin’ny lohany.  Dia nahita taolambalon-drajako ary ireo mandala ny fotokevitry Darwin ka nanambara fa io no razamben’ny olombelona, nantsoiny hoe Lucy io taolambalo io. Nahita hafa ihany koa izy dia ilay nataony hoe “homo erectus” na ny “homo ergaster” na ihany koa ny “homo sapiens archaique” izay tsy ahitana ny mahasamihafa azy amin’ny an’ny tena olona ilay izy. Ny hany tsy mampitovy azy dia zavatra kely monja eny amin’ny lohany.

 

-                      Ka moa ve mitovy ny taolana hita eny amin’ny lohan’ny afrikana, na ny eropeana, na ny amerikana latina? Samihafa ireo, ny sasany mandroso kokoa ny taolana eo ambony maso, ny sasany lehibe  kokoa ny valanoranony, ny sasany lehibe kokoa ny tapikandriny, sns.

1.1.1.1.1      Richard Leakey

Ilay paléontologue antsoina hoe Richard Leakey aza moa dia nilaza, “fa tena kely dia kely tokoa ny faha-samihafana misy eo amin’ny taolandoha hita eo amin’ity lazaina fa Homo erectus ity sy ny an’ny olona amin’izao fotoana izao, izay ambarany fa toy ny maha-samihafa ny mponina mipetraka manerana ny tany amin’izao fotoana izao”. Ny hany herin’ireo manora-tena ho mpandala ny foto-kevitry Darwin ireo, dia ny famoronana sary  manindrahindra an’izany ho fandresen-dahatra: dia tena tsy mitsahatra ny mandainga ireo mpomba  ny foto-kevitry ny fiovana ireo, mba hanohanany ilay foto-kevitry Darwin.

1.1.1.1.2      Charles Dawson

Tamin’ny taona 1922 dia nampidirin’i Charles Dawson tany Angletera ny  fossile iray, izay nolazainy fa io no manambara ilay fitohizana nisy tamin’ny rajako sy ny olona. Ary dia naseho sy naranty tao amin’ny mozea tao Londre nandritra ny 40 taona izany taolam-bato izany. 

Tamin’ny taona 1949 anefa dia nisy manampahaizana iray izay niverina nijery an’io taolam-bato io, ka nilaza fa fitaka izy io satria dia taolan-dohan’olona ny ambony, ary an’ny rajako antsoina hoe orang-outan kosa ny valanorano ambany.

Maro ihany koa no toy izany, ohatra:

·      Ilay olona nantsoin’izy ireo hoe homme de Néandertal, izay naseho ny taona 1856 izao dia voaporofo fa tsy izy ny taona 1960;

·      Ilay olona nantsoina hoe Piltdown, izay naseho ny taona 1912, dia voaporofo fa tsy izy ihany koa ny taona 1953;

·      Ilay nantsoiny hoe Zinjantrophus, naseho ny taona 1959, dia voaporofo fa tsy izy ny taona 1960;

·      Ilay nantsoiny hoe Ramapithecus, naseho ny 1964, dia voaporofo fa tsy izy ny taona 1979.

Izany foto-kevitra diso izany anefa dia mbola ampianarina ny ankizy any ampianarana, mbola lasa fotom-pisainan’ny lehibe koa aza any amin’ny firenena maro manerana ny tany.

Mbola anisan’ny mahavariana sy mahatalanjona ihany koa ny firafitr’io vatan’ny olombelona io. Santionany vitsy no entintsika manamarina izany :

-          Mirefy 100 000 km ny halavan’ny lalan-drà rehetra ao anatin’ny vatan’ny olombelona iray raha atohitohy izany. Izany hoe mitovy amin’ny hoe in-telo mihodidina ny tany izany refy izany.   (https://sante.journaldesfemmes.fr/magazine/1181967-20-infos-insolites-sur-le-corps-humain/1343181-la-longueur-totale-des-vaisseaux-sanguins-represente-100-000-km)

-          Ny sela iray ao anatin’ny rà dia mahodidina ny vatana iray manontolo ao anatin’ny 1minitra monja sante.journaldesfemmes.fr Laurène Levy, Anne Xaillé

-          Fantaro fa ny isan’ny “neurone” na ireo sela fototra mitambatra ho tonga hozam-pandrenesana na “tissu nerveux” ao anatin’ny vatantsika olombelona dia miisa 86 000 000 000 (86 milliards de neurones)

-          Raha atambatra ka ampifampitohizana ireo hozam-pandrenesana “fibres nerveuses” rehetra ao amin’ny vatatsika olombelona dia mirefy 180 000 km izay mitovy amin’ny hoe in-efatra mihodidina ny tany

Ireo fotsiny aloha no entina amintsika fa mbola marobe ny zavatra azo entina izay tena mampitolagaga amin’ny maha lehibe ny asa famoronana ny vatan’ny olombelona.

Izao anefa raha jerentsika ilay fahasarotana lehibe izay mbola tsy voavahan’ny sain’ny zanak’olombelona, momba ny sela voalohany noheveriny fa nahatonga izao rehetra izao, na ireo sela mitambatra sy mandrafitra ny taova sy ny vatan’olombelona ; indrindra moa ireo ADN sy ARN izay efa hitantsika teo aloha, fa misy tenimiafina mandrafitra azy ireny ; sy ny singa madinika indrindra mitambatra ho taova sy vatana ; ary indrindra indrindra ny filaminana sy ny fahasamihafana hita eo amin’ny natiora ; ary farany ireo lalana fizika na ny lalan’ny natiora izay efa nisy hatrizay ary mifehy ity planeta tany hiainantsika ity, dia izao no azo tsoahina :

-       Raha misaina sy mandinika tsara ny zava-boahary manodidina antsika isika, na ny hazo na ny lanitra na ny rivotra, na ny ranobe, eny fa na dia ny tany hay aza. Dia alefaso kely anie ny fisainantsika e! Tongatonga ho azy ve ireny rehetra ireny? Toa sarotra hinoana izany, fa tsy maintsy ho nisy Mpamorona tao. Raha toa ianao mpandala ny foto-kevitry ny fiovana, moa ve efa nosaininao fa avy amin’ny inona izany no niandohan’ny kisoa, ny omby, ny alika, sns… ; Mbola vao ny biby sy ny manodidina azy izany fa efa nosainintsika ve hoe misy sela madinika ihany koa anie mandrafitra ny zavamaniry rehetra e! ka moa koa ve izany niainga avy selan’ny inona koa izany ny hazo, dia nivadika ho inona rehefa avy eo?

Ny tena ezahin’ireo manampahaizana ho hozongozonina mantsy dia ilay asa famoronana farany nataon’Ilay Nahary, dia ny famoronana ny olombelona. Io no tiany ho porofoina fa azo tamin’ny fiovana niseho niainga tamin’ny biby hono ka tonga olombelona. Toa voabahan’ny fahambonian’ilay asa famoronana farany izay ambony sy hafa indrindra nataon’Ilay Nahary ny fisainantsika, ka te handa fotsiny ilay asa famoronana goavana sy tena avo lenta nataon’Ilay Mpamorona, ary te handà ilay fisiany fotsiny! Fa mba saino fotsiny raha toa ka izany no nisiam-piainana teto an-tany, dia mba ahoana kosa izany ny amin’ireo biby hafa sy ireo zava-maniry marobe misy? raha niainga avy amin’ny trondro no niandohany, ka nandalo ny endrika rajako rehetra, vao tonga olombelona, raha toa ka izany no ekenao fa marina, dia hatrizay efa taona marobe izay efa nisian’ny olombelona izay ve izany, tsy efa tokony ho niova zavatra hafa indray kosa ny olombelona? Tsy tokony efa nisy zava-mananaina sady tsara lavitra sy manan-tsaina lavitra noho ny olombelona ve izany teto amin’ity planeta niainantsika ity? Satria dia tsy maintsy mbola nisy fiovana hatrany tao raha toa ka io lalàn’ny fiovana io no mitoetra. Tsy ho nijanona ohatra an’ireo karazana zava-mananaina efa fantatra sy nisy ireo no nisy teto an-tany, raha toa ka nitombona izany fomba fijery izany fa ho efa niova be ilay olombelona amin’izao fotoana izao!! tsy tokony ho lasa be loha be ve izany ny olombelona ! lasa be tampikadrina be satria niha nivelatra hatrany ny atidohany ! tsy tokony nisy fiovana be mihitsy ve izy izany amin’izao fa tsy hoe nijanona ohatra izao hatrany ? mampiheritreritra ! Fa hita miharihary ilay lainga marivotototra entina handotoana ilay asa famoronana goavana izay efa nisy. Tsy ho nitombina akory ny voambolana hoe “sampona” raha toa ka maro ny tranga fiovana nisy teto an-tany, fa satria tena vitsy na tsy misy mihitsy izany fiovana izany dia tafapetraka tsara mihisy ny teny hoe “sampona” raha vao mivaona amin’ny trangan-javatra efa misy ny seho iray. Mitombina ve raha amin’ny zava-maniry no misy fiovana sahala amin’izany? Ohatra hoe ny vary dia lasa katsaka, ary avy eo dia lasa nivadika ho akondro!!! Na hoe akondro dia nivadika ho manga dia nivadika hoe letchie sy paoma avy eo!! Tsy mitombina mihitsy izany!

-       isaky ny zava-mananaina iray dia karazana iray, tsy misy mitovy aminy, samy manana ny mampiavaka azy avy.

-       Misy Mpamorona tao, misy Mpifehy izao tontolo ihainantsika izao, misy Tompony ity tany ity sy izay rehetra momba azy,  ary dia lehibe ambonin’ny zavatra rehetra izany Mpamorona izany. Tsy misy toa Azy, satria Tompon’ny fahalalana rehetra Izy.

Jehovah Ilay Izy hatrizay hatrizay ka ho Mandrakizay no anarany. Izy no Mpahary, Izy no Ilay Tsitoha, Izy no nahary izao rehetra izao, ary raha mbola mihevitra ny tenany ho Kristiana izany ny olona iray, dia tsy maintsy mino an’io asa famoronana io.

Na izany aza anefa dia tsy azontsika tsinontsinoavina ny fikarohan’ireo manampahaizana, satria dia notohanany tamin’ny vokam-pikaroana tsara avokoa izany rehetra izany. Voalazan’ny manampahaizana ary fa efa nisy hatramin’ny 4 500 000 000 taona ny tany. Ireo mpandala sy mpamakafaka ny soratra masina anefa dia milaza fa manodidina ny 4000 taona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy no nisian’izany asa famoronana lehibe izany.

- Ny taona 1596, Andriamatoa Johannes Kepler dia nametraka fa tamin’ny taona 3993 talohan’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy no nisehoan’izany (Gabriel Gohau, Les Sciences de la terre aux XVIIe et XVIIIe siècles : naissance de la géologie, Albin Michel, 2014, p. 69)

- Tamin’ny taona 1647 indray dia namoaka tsoa-kevitra indray ny mpitondra fivavahana anglisy iray antsoina hoe John Lightfoot fa heverina hoy izy fa tamin’ny taona 3928 talohan’i Jesosy Kristy no nisehoan’izany (G. Brent Dalrymple, The Age of the Earth, Stanford University Press, 1994, p. 21)

- Ny taona 1650 indray dia nanambara ny pretra James Ussher fa io asa famoronana io dia niseho tamin’ny 23 octobre 4004 av. J.-C., (chronologie

d'Ussher (en) dans ses Annales Veteris Testamenti, a prima mundi origine deducti).

- Fa 50 taona taty aorian’io dia nilaza i Isaac Newton, nanambara fa tamin’ny 3998 taona talohan’i Jesosy Kristy no nisehoan’izany . ( Frank H. T. Rhodes, Earth. A Tenant's Manual, Cornell University Press, 2012, p. 97)

 

Izany fomba fijery izany no tena tsy mampitovy mihitsy ny fomba fijery misy eo amin’ireo manampahaizana sy ny mpivavaka. Maro amin’ny Kristiana amin’izao fotoana izao aza no mbola miheritreritra fa tao anatin’ny 24 ora ny andro iray nanaovan’Andriamanitra ny asany, izany hoe 6 andro ampitomboina 24 ora izany dia midika fa 144 ora no niasany.

Iza no marina ? Iza no harahina ? ny fomba fijery Kristiana sa ny fomba fijery siantifika ?

Moa ve tena mifanipaka tokoa ireo fomba fijery roa ireo ka tsy misy marimaritra hiraisana mihitsy ? sa misy fahalalana banga eo amintsika, ka lasa mampifandrafy ny zavatra izay tsy mifanohitra velively ?

Ny mpandala ny siansa dia tsy te hino ny fisian’Andriamanitra akory satria manana porofo betsaka izy ireo hanamarinany fa efa nisy zava-mananaina betsaka niaina efa an-tampitrisan-taona hitan-dry zareo, ary dia ireny asehony antsika rehetra ireny ireo taolam-bato na «fossiles» sy ireo vokam-pikaroana maro isan-karazany hanamporofoany an’izany.

 

Izao anefa no nolazain’ilay olobe nikoizana izay

anisan’ireo manam-pahaizana tena fanta-daza maneran-tany dia tsy iza Andriamatoa Albert Einstein izao no fanambarana izay nataony : « ny siansa tsy misy finoana an’Andriamanitra dia mandringa, ary ny finoana an’Andriamanitra tsy misy siansa kosa dia fahajambana » « La science sans religion est boiteuse, la religion sans science est aveugle. (Albert Einstein) »