1.1.1 Ny famaritana ny teny hoe “MARINA” na “FAHAMARINANA”
Matetika dia manahirana ny olona tokoa ny mamaly io fanontaniana io. Andramo anie ny mametraka izany fanontaniana izany manao hoe: inona no antsoina hoe marina? Na hoe inona no antsoina hoe fahamarinana? Fa ho hitanao fa saika ny ankamaroan’ny olona dia mihodinkodina eo fotsiny tsy mahavaly an’izany e! ny maro dia hilaza hoe “tsy diso” no valin’izany, izay lasa valinteny boribory fotsiny. Toa zavatra heverina ho tsotra, sy tsy misy dikany loatra izany, kanefa dia mitondra fomba fijery hafa mihitsy, raha vao tsy hay ny famaritana tena izy an’izany teny izany.
Raha ho valiantsika miaraka ary izany dia izao: Antsoina hoe marina ny zavatra iray, rehefa avy nampitahaina amin’ny lalàna fototra iray na maromaro izay napetraky ny mpamorona azy, ka natao hamaritana na handrefesana na mifanaraka amin’izany lalàna fototra izany io zavatra natao io na tsia. Izany fahamarinana izany dia tsy miova na amin’ny fotoana inona, na amin’ny toerana aiza, fa mitoetra ho marina hatrany. Ohatra: raha hanao kajy ny olona iray ka manao hoe 2 + 2 = 4, dia milaza avy hatrany ny rehetra fa marina izany, satria nanaraka ny lalàna fototry ny kajy ilay izy; toy izany koa ohatra raha hanao hoe 3 x 4 = 12, dia samy hilaza ny rehetra fa marina izany, satria manaraka ilay lalàna fototry ny kajy hatrany izany. Fa raha vao manoratra hoe 3 x 5 = 17, dia efa samy manaiky ny rehetra fa diso izany, satria nodisoina na nolavina na nodikaina ilay lalàna fototra izay efa napetraky ny mpamorona izany.
Dia toy izany koa, raha vao miresaka hoe “marina” isika ato amin’ny Soratra Masina, dia tsy maintsy misy lalàna na didy na fitsipika entina mamaritra na handrefesana, na diso na marina izay zavatra miseho na nataon’ny tsirairay. Ka ny Soratra Masina izany dia manana ny lalàny, na ny didy sy ny fitsipiny manokana, ary izay Tompon’ilay Teny nitambatra ho Soratra Masina no nanome izany lalàna izany. Ny fandikana izany lalàna na didy na fitsipika izay napetrany izany, dia ampy hilazana avy hatrany fa diso na nanota ny olona iray, ary ny fanajana sy fankatoavana izany kosa no hilazana fa marina ny olona iray. 1 Jaona 3:4 « Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » Izany no famaritana ny OTA raha araka ny Soratra Masina. Izany hoe raha atao dika mifanohitra amin’izany teny izany no handikana ity teny voalaza eto ity dia izao no azo hanoratana azy. “ Izay rehetra manao ny marina no mankatoa ny lalàna; fa fahamarinana ny fankatoavana ny lalàna”. Mahitsy kokoa ny fomba entina hilazana azy rehefa mivadika ohatra an’io ny fandikan-teny. Izao no hambaran’ny Soratra Masina mahakasika izany famaritana ny teny hoe FAHAMARINANA izany : Deoteronomia 6:25 « Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika. »
Ny FAHAMARINANA izany dia azon’ny olona iray, rehefa nanaraka ilay lalàna fototra izay napetraka izy, ka nankatoa sy nanàja an’izany.
Nasehon’i Jesosy antsika araka izany ny fianarana miaina sy mitandrina izany lalàna izany, mba ho tonga tanteraka ilay fahamarinana. Jao 1:17 « Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy. » Navahany tsara mihitsy ireo lalàna tokony ho tandremana, sy ny tokony hajaina, ka nolazainy mazava, fa izay avy tamin’ny Rainy dia tsy maintsy hajaina, fa izay tsy avy aminy kosa dia tsy maintsy esorina. Mat.15:13 « Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana. »
1 Jaona 2:3 – 7 «3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. 4 Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. 5 Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra* izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. [* Na: ny fitiavan'Andriamanitra] 6 Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. [* Na: Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc] 7 Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nananareo hatramin'ny voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo. »
Raha toa izany ny olona iray tsy mino ny lalàna dia tsy tanteraka mihitsy ny fahamarinany. Raha milaza ny olona iray fa tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy mitandrina ny didy sy ny lalàna izy, fa raha toa ka tsy manao izany izy dia kilasian’ny Soratra Masina sahady fa mpandainga izy izany. Ny didy izay asainy ho tandremana izany dia tsy didy vaovao fa izay efa nisy hatry ny ela ihany, dia izay nomen’Andriamanitra antsika ihany.
Rom 10:8-10 «8 Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay; 9 satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao. 10 Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena. »
Ary ny finoana an’Ilay Jesosy Tena Izy araka ny voalazan’ny Soratra Masina, dia ho isaina ho fahamarinan’ilay olona ihany koa.
Jao 18:38 « Hoy Pilato taminy: Inona no marina? ... »
Jao 18:37« … Jesosy namaly hoe: ... Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » Samy mikatsaka sy mitady izany hoe marina izany avokoa ny olona rehetra, eny fa na dia ny mpanjaka nisy tamin’izany aza dia mba nanontany izany tamin’i Jesosy ihany koa. Milaza izany i Jesosy eto fa ny nahatongavany teto an-tany dia ny hilaza izany “marina” izany. Efa hitantsika teo ambony anefa fa ny antsoina hoe “marina” dia izay zavatra natao na lazaina ka tsy mifanohitra amin’ilay fandrefesana na lalàna na didy efa napetraky ny mpamorona. Toa manamporofo izany fa hafatra avy amin’ny Ray izay mpamorona no nentin’i Jesosy sy nampianariny, ary izay rehetra mandeha amin’ny fahamarinana izany dia mahay mandray sy mihaino ny feon’i Jesosy.
1.1.2 Ny famaritana ny antsoina hoe « OTA »
Tsy hitady famaritana hafa ivelan’izay voalazan’ny Baiboly isika na ny Soratra Masina, fa dia ao ihany no haka izay fomba hamarintatsika ny antsoina hoe “OTA” izany. Raha tsorina be ny fomba fijery, dia azo lazaina fa hoe izay mifanohitra amin’ny marina no antsoina hoe “OTA”.
1 Jao 3:4 « Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. »
1 Sam 15:24 « Ary hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin'i Jehovah sy ny teninao; … ».
Io no famaritana ny antsoina hoe “ota”, ary dia mazava tsara ny hanambarany azy, fa ny antsoina hoe “ota” izany dia midika ho fandikana lalàna, na mandika ny tenin’i Jehovah.
MARINA = MANAJA LALANA
FAHAMARINANA = REFESINA AMIN’NY FANAJANA NY LALÀNA
OTA = FANDIKANA LALÀNA
FAHOTANA = REFESINA AMIN’NY FANDIKANA NY LALANA
1.1.3 Ny famaritana ny antsoina hoe “ TSINY”
1.1.3.1 Ny “TSINY” araka ny Rakibolana Malagasy
Misy ankolafiy maro no azo hamaritana ny teny hoe “Tsiny” raha ny hita ao amin’ny Rakibolana Malagasy.
1. Fanamelohan'ny mpiara-monina noho ny hadisoana nataon'ny tena taminy: Nahazo tsiny tamin'ny rainy izy noho ny ditra nataony.
2. Ota na fahotana: Mbola zaza tsy manan-tsiny izy io. Io resahiny hoe Ota io dia mazana ireo kilasiany hoe “ota fady”, na toetra tsy mety ka mahatonga likiliky sy ngidin-koditra, heloka, soketa, kiana, tebaka, kizaka, safay, fondra eo amin’ny fiarahamonina
3. Kilema: Misy tsininy kely ny latabatra namboarinao,
4. Fanamafisana vy amin'ny fanampiana na fanofanana azy: Tsy tsara tsiny ity angadinao ity.
Raha araka io famaritana nentin’io Rakibolana io dia mazava tsara ny hamaritany azy hoe ny Tsiny dia midika hoe Ota, fahotana, kilema, voina, latsa, ngidin-koditra, likiliky, zavatra zara raha vita, na tsy tonga lafatra, sns…
1.1.3.2 Ahoana indray ny hamaritan’ny soratra masina izany Tsiny izany?
Hebreo 7:26 « Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin'ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra, » ny hoe tsy misy tsiny izany dia izay tsy misy loto, voasaraka amin’ny loto, izany hoe mandeha araka ny didy sy ny lalàna ary ny fitsipika izay napetraka.
Tsy mifanalavitra velively izay nambaran’ny Rakibolana sy ny Soratra Masina, fa samy milaza tsy fahatomombanana, milaza ota sy fahalotoana izany Tsiny izany.
Izao no hamintinany azy
Ilain’Andriamanitra ho tsy manan-tsiny isika na tsy misy tsiny raha te handova ny fiainana mandrakizay, sy handova fiainana dieny mbola ety an-tany. Vakio ny Salamo faha 15.
Ohabolana 10:29 « Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy. »
Ohabolana 28:18 « Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin'ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka. »
Ohabolana 29:10 « Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy*.[Na: Ary mitady ny ain'ny mahitsy] »