Ny Fanahy Masina

  

1         Ny Fanahy Masina

Apokalypsy 4:5 « Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin'ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan'ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton'Andriamanitra ireo. »

Raha ny fanambarana nataon’ny Apostoly Jaona hita any amin’ny boky Apokalypsy na ny Fanambarana, dia voalaza fa eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra dia misy Jiro fito, dia tsy inona ireo fa ny fanahy fiton’Andriamanitra izany. Any amin’ny bokin’i Isaia dia milaza fa « Ary ny fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah ; » Isaia 11:2

Izany hoe izay olona hitoeran’ny fanahin’i Jehovah izany dia misy:

-       Ny Fanahin'ny fahendrena

-       Ny Fanahin'ny  fahazavan-tsaina;

-       Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina

-       Ny Fanahin'ny  faherezana;

-       Ny Fanahin'ny fahalalana

-       Ny Fanahin'ny  fahatahorana an’i Jehovah ;

Ireo no toetra izay hananan’ny Fanahin’i Jehovah. Fa tsara ihany kosa aloha raha hitondrantsika fanazavana ity fanahy fiton’Andriamanitra ity.

1.1     Inona avy izany Fanahy Fiton’Andriamanitra izany?

Efesiana 1:13–14«13 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. 14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny. » Izany hoe ity Fanahy Masina ity izany rehefa mirotsaka dia mametaka ny tombo-kasen’Andriamanitra eo amintsika, rehefa avy nino an’ilay Jesosy Kristy tena izy izay fototry ny famonjena isika. Dia nalaina ka napetaka tety amintsika izany tombo-kasen’ny fanahy masina izany araka ny teny fikasana. 

Efesiana 4:30 « Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana. »

Izay nandray ny Fanahy Masina izany dia voapetaka marika ohatra ny nasiana tombo-kase, ka vao alavitra dia efa fantatra ny tompon’ilay marika. Midika izany fa Ity Fanahy Masina ity, dia tena tombo-kase hamantarany ny olony indrindra amin’ny andro fanavotana.

Ny tombo-kase dia efa fantatsika amin’ny fiainantsika an-davan’andro, fa ireny hitantsika any amin’ny birao maro isan-karazany ireny, izay raha adika amin’ny teny frantsay dia midika hoe “cachet”. Tsy inona izany fa famantarana apetaka amin’ny taratasy na zavatra iray ahafantarana ny niavian’ilay taratasy na ilay entana, sns… Ny tena tombo-kase dia ilay faritra misy soratra eny ambany izay marika hamantarana ilay tompon’ny tombo-kase, izany hoe famantarana hanavahana izay tena tompon’ny soratra no ho hita eo.

Noho izany raha hiresaka ity tombo-kasen’ny Fanahy Masin’ Andriamanitra ity izany isika, dia tsy maintsy miresaka famantarana fito mba ho tena tafatoetra tsara ilay tombo-kasen’Andriamanitra. Dia toy izany ihany koa: misy ihany koa ny tombo-kasen’ny devoly, dia ilay fanahy mamitaka izany. 

FANAHY FITON’ANDRIAMANITRA = TOMBO-KASEN’ANDRIAMANITRA

1.1.1 Ny mariky ny tombo-kasen’Andriamanitra

Misy fito no isan’ny mariky ny tombo-kasen’Andriamanitra, fa saingy mihodidina amin’ilay finoana fa Jesosy no Kristy, Ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo izany:

1.     Ny ràn’ny Zanak’ondry

2.     Ny fahamarinana sy ny fahamasinana

3.     Ny famorana

4.     Ny batisa

5.     Ny telo andro sy telo alina

6.     Ny fanajana ireo sabatany amin’ny fotoany avy

7.     Ny fanavahana ny maloto sy madio

 

NY TOMBO-KASE = MARIKA FANAVAHANA NA FAMANTARANA

Aiza no mipetraka izany marika izany ?

Apokalypsy 7:2 – 3 «2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary izy niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe: 3 Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika. » eo amin’ny handrina izany no hametahany ny marika fanavahana na ny Tombo-kasen’Andriamanitra. Tena fomban’Andriamanitra tokoa ny fametahana ny marika eo amin’ny handrina izany ho fanavahany ny olony na ny tsy olony.

Ezekiela 9:4 « Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika* ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.[Heb. marika mitanam-bokovoko] » Tazoniny ho fomban’Andriamanitra izany ny fametrahana marika eny amin’ny handrina. Ary ny tsy fisian’ilay marika na tombo-kase dia tena handringanan’Andriamanitra mihitsy ny olona izay tsy nandray izany: Ezekiela 9:6 « Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin'ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin'ny lahy antitra izay teo anoloan'ny trano ireo. »

 

Fa maninona no eny amin’ny handrina no asiana marika?

Satria eny no tsy azo hafenina, dia misy ohabolana iray manambara ny zavatra mipetraka eny amin’ny hadrina io milaza manao hoe “Vay an-kandrina ka sady maharary no mahamenatra” Izany hoe zavatra tsy azo afenina mihitsy fa tsy maintsy ho hita miharihary izany. Noho izany ny fandraisana ny tombo-kasen’Andriamanitra izany dia tsy mba azo afenina fa tsy maintsy ho miharihary hitan’ny be sy ny maro.

Mipetraka eo amin’ny handrina ihany koa, satria eo no toerana akaiky ny atidohan’ny olona indrindra, ka noho izany dia zavatra eken’ny sain’ilay olona mihitsy izany ilay marika matoa mipetraka eo, na marika tsara io na marika ratsy.

Jeremia 3:3 « Ka dia voasakana ny orana mivatravatra, sady tsy tonga ny fara-orana; Ary ny handrinao dia handrin'ny vehivavy janga ka tsy manan-kenatra. »

 

Ho jerentsika tsirairay ireo mariky ny tombokasen’Andriamanitra ireo

1.1.1.1                 Ny ràn’ny Zanak’ondry

Io dia marika efa niainga hatrany amin’ny fiandohana na Genesisy mihitsy. Hita izany tamin’i andron’i Adama sy Eva, tamin’izany dia efa nisy famelan-keloka natao. Rehefa nitanjaka izy mivady dia nitafy ravinkazo, dia hoy i Jehovah hoe soloy iny ravinkazo iny fa soloina hodi-biby. Mazava ho azy fa tsy  azo ny hodi-biby raha tsy alatsaka ny ràny. Tsy maintsy ho biby madio aloha izany no novonoina nakana ny hodiny. Mbola hita ihany koa izany tamin’ireo zanak’i Adama sy Eva izay nitondra fanatitra dia i Kaina sy Abela izany. Nankasitrahana ny fanatitra netin’i Abela satria zanak’ondry mifahy no nentiny, ka ny fanatitra dia tsy maintsy nalatsaka ny ràny.

Raha raisintsika hatrany amin’ny testamenta taloha ilay izy dia izao: Eksodosy 12:11–13 «11 Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan’i Jehovah. 12 Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin'ny tany Egypta hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah . 13 Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho. »

Io ràn’ny zanak’ondry io izany, izay napetaka eny amin’ny tolam-baravarana dia isan’ny iray izay famantarana lehibe niarovan’Andriamanitra ny isiraeliana tamin’ny loza izay nihatra tamin’ny lahimatoa rehetra tany Egypta. Amin’izao fotoana izao, satria ny vatantsika no tempolin’ Andriamanitra velona, dia midika izany, fa misy tolam-baravana ahafahana miditra amin’izany tempoly izany, dia tsy inona izany fa ny tanantsika sy ny handrintsika Apokalypsy 13:16 « Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa, ». Ka ity ràn’ny zanak’ondry izay resahina eto ity izany dia mazava ho azy fa, ilay Ràn’i Jesosy Kristy izay nalatsany ho famonjena antsika, Izy Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, izany no asehon’izany zanak’ondry izany aty amin’ny testamenta vaovao. Izao no voalaza ao amin’ny Jaona 1:29 « Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra* ny fahotan’izao tontolo izao! » Izany hoe Jesosy Kristy izany no novonoina tamin’io andro io, ary satria Jesosy dia fahamarinana, izany hoe nitandrina ny didy sy ny lalàna, ary anisan’izany ny fanajana ireo Sabata amin’ny fotoany avy, dia midika izany fa tena nitandrina ny fotoana rehetra voatondro Izy, dia tamin’ny fotoana famonoana ny zanak’ondrin’ny andro Paska mihitsy izy no novonoina, satria Izy no Zanak’ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo.  izao.

1.1.1.1.1                  Ahoana ary no handaminantsika izany fotoana namonoana an’i Jesosy Kristy izany araka ny fotoany avy?

Misy teboka vitsivitsy izay hitondrantsika fanazavana aloha ahafahantsika manadihady tsara ny zava-misy marina.

-         Efa hitantsika tany ambony fa ny fanisan’andro araka ny soratra masina araka ny nandidian’i Jehovah azy dia manomboka ny hariva maty masoandro ka hatramin’ny ampitso maty masoandro. Izany hoe raha miresaka hoe 14 Abiba izany ny fanisan’andro, ka mametraka izany amin’ny fanisan’andro tena izy araka ny soratra masina dia midika fa nanomboka tamin’ny 6 ora hariva na ny maty masoandro teo aloha ny fanisana izany 14 Abiba izany ary mifarana amin’ny 6 ora hariva ny ampitso.

-  Ny voalohan’ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia ilay andro fihinanana ny Paska satria ny mofo nasaina nihinanana ny ondry voatsatsika tamin’ny Paska dia mofo tsy misy masirasira. Eto izany raha miteny ny mpianatra manao hoe Matio 26:17 « Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska? » dia midika izany fa amin’ny fotoana antomotra hihinanana ilay Paska mihitsy ry zareo no manontany an’i Jesosy, 13 Abiba andro mazava izany, izany hoe efa hifarana ny andro 13 abiba fa efa hiditra 14 abiba indray raha vao hariva ny andro.

Ary io andro hariva fiandohan’ny andro 14 abiba io no ilay fihinanana ny
Paska araka ny fotoana voatendrin’i Jehovah. Raha hitarina kely io resaka io dia azo lazaina fa valo andro no fihinanana ny mofo tsy misy masirasira satria ankoatra ilay 7 andro izay voatendrin’i Jehovah ho fihinanana izany mofo tsy misy masirasira izany dia fito andro aorian’ny Paska izany, saingy satria ny mofo hihinanana ny Paska dia mofo tsy misy masirasira ihany koa dia io no maha valo azy sady fiandohany.

-  Nihinanana ny Paska tamin’ny fotoana nandidian’i Jehovah azy ohatra ny fotoana voatondro tany Egypta izany Jesosy Kristy sy ny mpianany teto. Izany hoe raha vao nanomboka ny 14 Abiba, raha vao nihilana ho maizina ny andro, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva, izay fiandohan’ny andro dia nihinana ny Paska Izy sy ny mpianany.

-  Tamin’io fotoana io ihany koa no nanaovan’i Jesosy Kristy ny fomba hahatsiarovana ny Paska dia ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira ho solon’ny tenany, sy fisotroana ny divay ho solon’ny ràny. Tamin’io fotoana io no nanovany ny fomba fisoronana ho fahatsiarovana ny Paska.

-  Ny Jiosy kosa dia nanjary tsy nankalaza izany fotoana izany araka ny tokony ho izy, fa nankalaza kosa ilay fotoana fiandohan’ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira araka ny fotoana nandidian’i Jehovah azy. Io fotoana io dia mifanitsy amin’ilay fotoana izay nivoahan’ny zanak’isiraely tany Egypta, lasa fotoana fifaliana ho an’ny zanak’isiraely izany fotoam-panafahana lehibe izany (ny ampitson’ilay fandalovan’ny anjely mpandringana ka nahafaty ny lahimatoa rehetra tany Egypta).

-         Ahoana no hanamarinantsika an’izany rehetra izany? Lioka 22:7 – 14 «7 Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska8 Ary Jesosy naniraka an'i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika9 Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy? 10 Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin'ny trano izay hidirany. 11 Dia lazao amin'ny tompon-trano hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro? 12 Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary. 13 Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy. 14 Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly. » Raha ity Soratra Masina vao hitantsika ity izao no resahina dia tena mampiseho miharihary mihitsy fa tena ao anatin’ny fotoana izay voatondro ho fihinanana ny Paska tokoa no nihinanan’i Jesosy sy ny mpianany ny Paska teto. Nanaja ny fotoana izay voatondro tokoa izany Jesosy raha ny fanajana ireo Sabata amin’ny fotoany avy no jerena. Mbola nohamafisin’ity andalan-teny manaraka ity ihany koa izany : Marka 14:12 – 18 «12 Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska? 13 Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy. 14 Ary lazao amin'ny tompon'ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro? 15 Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara; any no amboary ho antsika. 16 Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy. 17 Ary nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin'ny folo lahy. 18 Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy. »

Mazava tsara aloha izany hatreto fa tena nanaja sy nitandrina ireo Sabata amin’ny fotoany avy Jesosy sy ny mpianany. Matoa ny Soratra Masina eto milaza fa Marka 14:12 ; 16 – 18a «12 Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska? 16 Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy. 17 Ary nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin'ny folo lahy. 18 Ary raha nipetraka nihinana izy» Tsy misy soratra milaza mihitsy eo fa hoe ny ampitson’ilay andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska zareo vao tokony hihinana an’io fa ny voasoratra dia hoe ny harivan’iny fotoana famonoana ny zanak’ondrin’ny Paska ry zareo dia tonga nihinana izany. Noho izany dia tena tao amin’ny fotoana fihinanana ny Paska tokoa izy ireo no nihinana izany tamin’io fotoana io. Ny azo marihina ihany koa eo dia hoe: miresaka famonoana ny Paska ihany koa ny soratra masina eto, izay midika izany fa nitandrina ny Paska araka ny didy napetraky ny Ray ihany koa izany Jesosy sy ny Mpianany, Lioka 22:7 – 8 «7 Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska8 Ary Jesosy naniraka an'i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.” Ny fomba fanamboarana ny Paska tamin’ny andron’i Jesosy sy ny mpianany dia mbola izay fitandremana ny Paska voatendrin’i Jehovah ihany (Famonoana zanak’ondry rehefa 14 nisana rehefa hariva, mofo tsy misy masirasira, ana-mangidy).

-         Ny tohin’ny tantara dia hoe: nandeha nivavaka tany an-dohasaha izay efa falehany Izy sy ny mpianany taorian’io fotoana io, izany hoe ny alin’io fotoana izay nihinanany ny Paska io izany. Jaona 18:1 – 2 «1 Rehefa voalazan'i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin'ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran'izy sy ny mpianany. 2 Ary Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahalala izany tany izany, satria mpankao matetika Jesosy mbamin'ny mpianany. »

-         Ahoana kosa no hanaporofointsika fa efa tsy tamin’ny fotoana tokony ho nihinanana ny Paska araka ny voatendrin’i Jehovah intsony ny Jiosy no nihinanana izany tamin’io fotoana namonoana an’i Jesosy io? Izao no voasoratra mahakasika an’izany. Raha ny fanadihadiana izay hitantsika teo ambony dia voamarina fa tamin’ny fotoana voatondron’i Jehovah hihinanana ny Paska tokoa i Jesosy sy ny mpianany no nihinanana izany. Voaresaka ihany koa fa rehefa avy nihinanana izany Izy no nandeha nivavaka tany an-dohasaha izay falehany. Rehefa vita ny vavaka vao tonga i Jodasy izay narahin’ireo iraka avy tamin’ny mpisoronabe sy ny Fariseo ary ny antokona miaramila nisambotra Azy.

-         Voasambotra Izy ny alin’io fotoana avy nihinana ny Paska io ary nentina teo anatrehan’i Kaiafa tao an-dapan’ny Jiosy. Izao no voalazan’ny Apostoly Jaona ho tohin’izany tantara izany. Jaona 18:28 « Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin'i Kaiafa ho ao anatirova*; ary maraina koa ny andro tamin'izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova*, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy. [*Gr. pretoria] » ny voasoratra mazava tsara eto aloha izany dia hoe : tsy navela hiditra tao anati-rova Jesosy, fandrao ho voaloto izany rova izany fa efa hihinana ny Paska ry zareo. Midika izany fa mbola tsy nihinana ny Paska izy ireo hatramin’io fotoana nanolorana an’i Jesosy teo aminy io, nefa Jesosy sy ny mpianany dia efa avy nihinana izany Paska izany tamin’ny fotoany. Mbola vao eo ampikasana na mihomana hitandrina izany Paska izany izy ireo tamin’io fotoana niampangana an’i Jesosy io. Hamafisin’i Pilato izany fanaon’ny Jiosy amin’ny fomba fankalazana ny Paska izany amin’ity andalan-teny ity: Jaona 18:39 « Fa misy fanaonareo amin'ny Paska, handefasako anankiray ho anareo; koa tianareo va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan'ny Jiosy? » Manamarina tokoa io teny io fa ao anatin’ny fihomanana amin’ny fankalazana ny fetin’ny Paska tokoa ny Jiosy tamin’io fotoana io. Mbola hamafisin’i Pilato hatrany izany manao hoe Jaona 19:14 « ary andro fiomanana amin'ny Paska ny andro, tokony ho tamin'ny ora fahenina dia hoy izy tamin'ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo! » Izany hoe ny fankalazana ny andro Paska araka ny nahitantsika azy tany ambony dia miantomboka amin’ny 6 ora hariva maty masoandro. Eo no fotoana hamonoana ny zanak’ondry ary hihinanana izany ny alin’iny.  Eto anefa raha araky ny fitantaran’ny mpanoratra, i Pilato dia milaza fa andro fihomanana amin’ny Paska io fotoana io, ary ilay ora fahenina lazainy eto dia tsy inona fa amin’ny 12 ora atoandro amin’ny fanisam-potoana ampiasaintsika ankehitriny. Ny tiana resahina aloha hatreto izany dia hoe : Jesosy sy ny mpianany efa nihinana ny Paska araka ny fotoany ary efa avy nihinana an’izany izy ireo talohan’izao fotoana hiampangana Azy izao. Fa mbola misy andalanteny iray hafa ihany koa ity izay milaza fa mbola tsy nihinanana ny Paska ny Jiosy tamin’io fotoana io : Jaona 19:31 « Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin'i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon'ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin'ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany. » Ny tiany ambara amin’io hoe Sabata andro lehibe io dia ilay andro Paska fa tsy sabata andro fahafito akory. Jesosy Kristy efa voahombo teo amin’ny hazo fijaliana tamin’io fotoana resahina eto io. Izy anefa dia efa hitantsika fa efa nihinana ny Paska talohan’io fotoana io ary araka ny fotoana voatendrin’i Jehovah no nanaovany izany. Jesosy Kristy dia efa hitantsika fa antsoina ihany koa hoe Fahamarinana, izany hoe nandeha araka ny lalàna. Ny fihinanana izany Paska izany anefa dia nisy lalàna nifehy, nisy fotoana nasain’i Jehovah ho tandremana, ka amin’Izy nandeha araka ny fahamarinana izany dia tena nitandrina manontolo izay lalàna napetraky ny Ray Izy. Raha ny voaresaka eto amin’io andinin-teny farany izay ambaran’ny soratra masina io dia voaporofo tokoa fa anisan’ny Sabata ary ambarany fa Sabata lehibe mihitsy ny Paska, ka anisan’ny voarara ny fanantonana faty na famelana faty eo ambony hazo fijaliana amin’izany andro izany (araka ny lalàna).

Fa nahoana ny jiosy no lasa nandiso na nanova izany fotoana fankalazana ny Paska izany?

-         Niova ny fotoana izay nankalazan’ny Jiosy izany fety izany noho ny fisian’ilay fotoana roa izay nifanakaiky ny fahatsiarovana azy, dia ny Paska sy ny fiandohan’ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira voatendrin’i Jehovah. Io fotoana izay fiandohan’ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira io no mifanitsy amin’ilay fotoana izay nivoahan’ny zanak’Isiraely tany Egypta (15 Abiba io fotoana io), ary efa andro firavoravoana lehibe teo amin’ny zanak’isiraely ny fahatsiarovana azy, ary io no lasa tena nankalazainy sy notandremany. Nanjary nafangarony ny andro fihinanana ny Paska (14 nisana) sy ny firavoravoan’ny Paska (15 nisana), ary dia lasa ilay andro firavoravoan’ny Paska no notazoniny, ary io ilay andro firavoravoan’ny Jiosy voalazan’ny Kaiafa mpisorona be.

-         Ny fotoana nahafaty an’i Jesosy izany dia mbola tao anatin’ilay andro 14 nisana na 14 abiba fa tolak’andro.

-         Izany hoe nihinana ny Paska Jesosy sy ny mpianany tamin’ny fiandohan’ny 14 Abiba na 14 Nisana, rehefa tonga ny fotoana. Maty kosa Jesosy tamin’ny 14 Abiba na 14 Nisana raha araka ny baiboly dia hoe : “tamin’ny ora fahasivy” araka ny fanisam-potoana araka ny baiboly, izay mifanitsy amin’ny hoe amin’ny telo ora hariva amin’ny fanisam-potoana amin’izao fotoana izao. Marka 15:34 « Ary tamin'ny ora fahasivy Jesosy dia niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany! izay hoe, raha adika: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 2). » Marka 15:37 « Ary Jesosy niantso tamin'ny feo mahery, dia afaka ny ainy. »

Natolotra teo ambony hazo fijaliana izany i Jesosy Kristy tamin’ny andron’ny Paska, satria Izy koa no tandindon’ilay Zanak’ondry novonoina tamin’ny andro Paska, ka dia tsy maintsy halatsaka ny ràny. Noho izany antony rehetra izany no maha famantarana ity rà ity.

 

Ka raha olona manana ity Fanahy Masin’Andriamanitra ity izany, dia ilay Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah ity, fa tsy fanahy mamitaka, na sanatria fanahin’ny demonia, na fanahin’ny dragona no ao amin’ilay olona, dia manaiky izy ny fiasan’ny hery sy ny asan’ny ràn’ny zanak’ondry izany. Ka io rà miasa ao anatiny io no mahatonga azy hanaiky fa hoe: “tsy misy famelan-keloka raha tsy misy rà nalatsaka, ary io ran’ny zanak’ondry io ihany koa dia manamasina”.

Dia rehefa tonga eo amin’izany ràn’ny zanak’ondry manamasina izany isika, dia miverina eo amin’ilay Fanahy Masina ihany. Ohatra: raha raisintsika ny Hebreo 13:12 « Ary amin’izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny ràny. » Dia jereo fa ilay tombo-kase izany dia Fanahy Masina, noho izany raha vao miresaka tombo-kase izany ianao, dia miresaka Fanahy Masina. Ary tsy maintsy hita ao anatin’ilay tombo-kase io, ny famantarana ary anisan’izany ny rà. Fa matoa famantarana ilay ràn’ny zanak’ondry, na tany amin’ny testamenta taloha na vaovao, dia tsy maintsy Fanahy Masina no tanjona amin’izay, mba hahazoanao Fanahy Masina, ary ny tanjon’ny ny ràn’ny zanak’ondry izany dia manamasina, mampihavana, mandresy ny asan’ny maizina, mamela heloka.

NY RAN’NY ZANAK’ONDRY = FAMANTARANA = TOMBO-KASE

1.1.1.2                 Ny Fahamarinana sy ny Fahamasinana

Ireto teny roa ireto dia tena samy manana ny heviny tokoa, azo sarahina roa miavaka tsara nefa rehefa tena dinihina dia tena mifameno tokoa.

Efa fantatsika satria efa nazavaina hatrany ampiandohana ny hevitr’ireo teny roa ireo, na dia izany aza dia hiverenantsika kely mba hampipetraka tsara ny famaritana ny teny hoe tombo-kasen’ny Fanahy Masina satria anisan’ny singa mamaritra izany tombo-kase izany ny fahamarinana sy fahamasinana.

Salamo 119:160 « Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra. »

Jaona 17:17 « Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. » Raha ny voasoratra eto dia ny Tenin’Andriamanitra irery ihany no antsoina hoe fahamarinana. Efa hitantsika hatrany ampiandohana anefa fa Jesosy Kristy no ambara fa Tenin’Andriamanitra. Izy no fahamarinana, satria Izy no Tenin’Andriamanitra, Izy no didy sy lalàna ary fitsipika satria dia tenin’Andriamanitra izany rehetra izany. Nambarantsika ihany koa fa ny antsoina hoe Fahamarinana dia izay mitandrina sy mankatoa ny didin’Andriamanitra. Tsy nisy nahatanteraka an’izany hafa tsy iray ihany dia izay lazaina fa fahamarinana dia Jesosy izany. Raha toa izany isika ka Kristiana, dia manaiky izany aloha fa Jesosy no Kristy, izany hoe manaiky izany isika fa zanak’Andriamanitra. Raha zanak’Andriamanitra isika dia manaiky fa Jehovah no Tsitoha, Izy no Ray, ary raha Izy no Ray dia Izy izany no mametraka ny didy sy ny fitsipika izay tokony ho arahintsika, satria Izy no tompon’ny ankohonana. Raha zanaka ary isika dia tsy maintsy mandeha araka ny fitsipiny sy ny didiny, ary dia isaina ho fahamasinantsika izany. Isaia 35:8 « Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan'ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy* ka izay mandeha amin'ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza. [Na: Fa ho an'ireo izy] » Ambarany eto fa misy làlana voavoatra, izany hoe lalan’ny fahamarinan’Andriamanitra. 1 Jaona 3:4 « Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. »  izay azo adika toa izao ihany koa raha raisina ny hevitra mifanohitra amin’izay voalaza:

1 Jaona 3:4 « Izay rehetra marina (mandeha amin’ny fahamarinana) no mitandrina ny lalàna; fa fahamarinana ny fitandremana ny lalàna. »

Nahoana ary no lazaina fa anisan’ireo singa mandrafitra ny tombo-kasen’Andriamanitra na famantarany ny olony ny fanajana ireo didy sy lalàna ary fitsipiny ireo?

Deotoronomia 6:6 – 8 «6 Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. 7 Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha; 8 ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao, »

Deotoronomia 11:18 – 20 «18 Koa alatsaho ao amin'ny fonareo sy ao amin'ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinareo19 ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha an-dalana, na mandry, na mifoha; 20 ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao izy; »

Ny fitandremana tsara sy fanajana ny didy sy ny lalàna ary ny fitsipiky Jehovah izany dia anisany hamantarany ny olony, satria mipetraka ho famantarana ny olony izany na eo amin’ny tanany, izany hoe izay rehetra ataon’ilay olona mitandrina an’izany dia ahitana soritra mihitsy fa manaraka sy mankatoa ny didin’Andriamanitra izy, ary koa mipetraka eo ambonin’ny handriny, satria ny fisainan’ilay olona dia mifototra tanteraka amin’ny didin’Andriamanitra. Tsy hanao na hisaina zava-dratsy izany olona izany ary izay saininy rehetra dia saininy hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra avokoa, ary dia ho tsaroany mandrakariva izany. Tsy hijanona ho an’izay efa mahalala ihany ny fahafantarana sy fanajana ny didy sy fitsipik’Andriamanitra rehetra fa tsy maintsy ampianarina ireo taranaka fara-mandimby izany, ary tsy azo hiandrasana andro sy fotoana, fa araraotina avokoa ny fotoana rehetra misy sy hiarahana amin’izy ireo hampianarana izany. Eny fa na dia eny amin’ny tolam-baravaran’ny trano izay hitoeranao aza dia tokony ahitana soratra ohatra izany. Famantarana iray ao anatin’ilay tombo-kase izany ny fanajana ny didy sy ny lalàna ary ny fitsipika.

Rehefa  voatandritsika ny lalàna dia antsoina hoe marina isika izany, izany hoe mandeha araka ny fahamarinana, dia omeny manaraka eo kosa ny antsoina hoe fahamasinana. Ny fahamasinana dia azontsika rehefa mandeha amin’ny fahamarinana isika : 1 Tesaloniana 4:7 « Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana. »

Hebreo 12:14 « Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. » Mila mitady izany fahamasinana izany isika, Levitikosy 11:44 « Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin'izay zavatra mandady na mikisaka amin'ny tany. »

Levitikosy 20:25 – 26 «25 Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin'ny biby, na amin'ny vorona, na amin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto. 26 Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy. » Ny fanonkanantenantsika hiala amin’ny loto, na amin’ny fanao na amin’ny fihinanana na amin’ny fisotro dia hanamasinana antsika ary ho tafatoetra aty anatintsika ilay tombo-kase ny Fanahy Masina.

NY FANAVAHANA NY MADIO SY NY MALOTO = FAMANTARANA = TOMBO-KASE

1.1.1.3                 Ny Famorana

Ny famantarana fahatelo izay ho raisintsika izany dia ny FAMORANA. Io famorana io dia famantarana iray izay napetraky Jehovah tamin’ireo taranak’i Abrahama izay efa hatrany amin’ny testamenta taloha mihitsy: Genesisy.17:9 – 11 «9 Dia hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby. 10 Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. 11 Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany. » Izany hoe nisy fifanekena izay nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama izany niseho teo, ary tsy i Abrahama ihany no nanaoany izany fifanekena izany fa hatramin’izay taranany rehetra ka manaiky ny ho forana dia mitazona izany faneken’i Jehovah izany avokoa. Io famorana io izany dia anisan’ireo fanekena sy famantarana izay napetraky Jehovah ho ataon’ny olony. Tsy zavatra mora ny manao izany famorana izany fa tena mafy sy maharary, ary izany indrindra no ilana ilay fanekena, satria mila manaiky izany ny ilay olona ho forana fa Andriamanitra lehibe sy Tompon’ny tompo no mitaky ny hanaovany izany famorana ny nofo izany, ho famantarana eo aminy forana sy Ilay Jehovah Andriamanitra Mpamorona, dia manaiky an-tsitrapo izy na dia maharary fatratra aza izany fomba fanao izany. 

Nitoetra ho fanao ara-bakiteny hatrany izany fomba izany hatramin’ny nifantsihan’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazo fijaliana, satria dia azo resahina fa natokana ho an’ny zanak’Isiraely, na ny taranak’i Abrahama ara-bakiteny ihany ny fanaovana izany famorana izany, eny nisy hafa firenena vitsivitsy ihany izay noforana tamin’izany satria niara-nitoetra tamin’ireo zanak’isiraely izy ireo tamin’izany fotoana izany.

Fa rehefa taty aorian’ny hazofijaliana kosa, dia inona indray ny zavatra nitranga tamin’ity famorana ity?

Rehefa tonga ny fotoana izay nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ireo mpianatry Jesosy (tamin’ny andro Pentekosta, ka nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny olona 120) dia niparitaka haingana izany filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra izany satria samy naheno izany tamin’ny fiteniny avy ny olona tonga nivory tamin’ny toerana izay niangonan’ny mpianatra tamin’io fotoana io. Niha-nazava tamin’ny olona ny foto-kevitry ny filazantsara ny fanjakan’Andriamanitra, ary azo lazaina fa tsy nitoetra ho an’ny Jiosy na ny zanak’isiraely irery intsony izany vaovao mahafaly izany fa nihitatra hatrany amin’ireo firenena Jentilisa manodidina ihany koa izany. Ny olana dia nohoo ilay fomba amam-panao Jiosy izay sarotra tanterahana ka lasa  zary sakana ho an’ireo te hino ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra izany. Anisan’ireny ny fomba fanao ireny ny famorana, izay tena nanahirana ireo Jentilisa manodidina ny fanarahana sy fanatanterahana azy. Tsapan’ny Apostoly Paoly izany sakana izany ka nahatonga azy hilaza manao hoe : Romana.2:28-29 «28 Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy , ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana; 29 fa izay araka ny miafina no Jiosy , ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra. »

Misy endrika famorana vaovao indray izany tian’ny Apostoly Paoly ho nampitaina teo. Izany hoe izay efa nanana ilay fomba hoe mamora izany dia mbola afaka mitazona izany ihany, fa saingy tsy ampy izany, ka rehefa tonga ny hazofijaliana dia mbola nisy ihany koa ilay endrika  famorana vaovao izay ara-panoharana indray fa tsy ara-bakiteny araka izay noresahina teo. Hoy ny apostoly Paoly manao hoe: tsy izay rehetra mifora no atao hoe Jiosy, na ihany koa zanak’isiraely ara-bakiteny satria miseho araka ny nofo ilay mariky ny famorana. Tsy izany hoy izy no antsoina hoe Jiosy na zanak’isiraely fa izay manaiky any anaty amin’ny fo sy ny fanahy no atao hoe Jiosy . Izany hoe misy Jiosy  miafina izany any, ary ilay famorana atao ho marika famantarana dia famorana ny fo sy araka ny fanahy, izay tsy mitovy velively amin’ilay famorana izay atao amin’ny zaza ara-bakiteny ireny, fa avy eo amin’ny fo sy ny fanahy indray no misy famorana atao.

Dia hamarinin’i Paoly io famorana io fa tena tombo-kasen’Andriamanitra mihitsy izany: Romana 4:11 « Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain'ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an’ireny ny fahamarinana, »

Miresaka an’i Abrahama izy izany eto, tamin’i Abrahama mbola tsy voafora, kanefa izany famorana izany dia tsy maintsy natao tamin’i Abrahama satria izay ilay famantarana nifanekeny fa atao. Fa na dia mbola tsy voafora aza i Abrahama ka nanaiky ny ho forana dia efa noraisiny ho finoany ihany koa izany. Ka ankehitriny ary, ahoana indray izany ny famorana amin’ny maha famantarana azy izany? Ary ahoana koa moa no hilazana hoe taranaka fara-madimbin’i Abrahama izany no tsy maintsy ho forana na tsy ara-bakiteny aza fa amin’ny endrika vaovao indray? Dia ahoana ihany koa izany io endrika vaovao ny famorana io, izay famorana ny fo? Ary farany, iza izany ireo taranak’i Abrahama ho forana fo ity?

Galatiana.3:27 – 29 «27 Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy. 28 Tsy misy intsony na Jiosy  na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. 29 Fa raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. » Izany hoe isika izay taranaka aty aoriana izany, ka nanaiky ny ho atao batisa ao amin’i Jesosy Kristy dia lasa taranak’i Abrahama. Ary raha vao natao batisa tao amin’i Jesosy Kristy izany ianao, dia mazava ho azy, fa foana miaraka amin’izay ilay firazanana sy fokom-pirenena nisy anao teo aloha fa niova fokom-pirenena ianao manomboka eo, dia tonga taranak’i Abrahama izany. Ka raha taranak’i Abrahama ianao, dia tsy maintsy forana, fa tsy voatery ho famorana ara-bakiteny intsony izany no tontosaina amin’izany, fa dia famorana ara-panahy, dia tsy inona fa ny famorana ny fo, araka ny fotokevitra tian’ny Apostoly Paoly resahina amintsika: Romana.2:28 « Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy , ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana; »

Inona no zavatra mitranga rehefa voafora ny fon’ilay olona?

Rom.10:9–10 «9 satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao. 10 Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena. »

Inona no hinoana ahazoana fahamarinana izany?

Tsy maintsy mino aloha izany fa Jesosy no Kristy, (izany dia famakafakana efa nataontsika tany aloha ka manasa anao hiverina hijery izany), ary raha mino an’izany isika dia ambara fa naterak’Andriamanitra na zanak’Andriamanitra. 1 Jaona 5:1 « Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. »

Mino ihany koa fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy Kristy, ary mitoetra eo an-kavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha, ary mbola ho avy indray hitsara ny velona sy ny maty. Dia mihitatra ny resaka satria hoe: “amin’ny fo no hinoana hahazoana ny fahamarinana, ary amin’ny vava no hanekena hahazoana famonjena”. Ka raha voafora izany ny fonao; ary dia manaiky ny vavanao fa i Jesosy no Kristy ary Izy efa nitsangana tamin’ny maty, dia izay finoana ao aminao sy izay fanekena ataon’ny vavanao izay, no lazain’ny Romana.6:3 – 4 «3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. » Izany hoe raha vao nino an’io Jesosy Kristy io izany ianao, tamin’ny fonao, fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia ny dikan’izay izany dia miara-maty tamin’ilay Jesosy Kristy tamin’ny batisanao izany ianao, mino ianao fa niara-nilevina taminy tamin’ny fahafatesany, ary dia niara nitsangana velona taminy ho olom-baovao. Noho izany dia ity famantarana fahatelo ity izany raha raisina, dia iray ilay izy fa mizara telo: ahitana ny famorana, ny finoana, ary dia mivoaka hatrany amin’ny batisa izany ilay izy.

Raha vao miresaka ny batisa izany moa, dia mazava ho azy fa misy ny batisan’ny rano, misy ny batisan’ny afo, ary misy ny batisan’ny fanahy masina. Dia jereo fa miverina amin’ilay tombo-kasen’ny Fanahy Masina ihany izany ilay resaka. Jereo tsara izany fa tsy zavatra tongatonga ho azy ilay famantarana ato anatin’ity tombo-kasen’Andriamanitra ity, ary izay zavatra ho resahina ato izany dia tsy maintsy mankany amin’ilay Fanahy Masina hatrany.

NY FAMORANA = FAMANTARANA = TOMBO-KASE

1.1.1.4                 Ny batisa

Ny famantarana fahefatra dia izao: ny batisa.

Fantatsika fa Marina Jesosy, Masina Jesosy, tsy nisy fahotana vitany na tokony hibebahany satria Izy dia Fahamarinana. Tsy maintsy mino izany izay rehetra manaiky fa Kristiana, tsy maintsy mino fa tanteraka Izy satria Izy no Tenin’Andriamanitra tonga nofo. Na dia izany aza ny fahamarinan’i Jesosy dia tsy nijanona na nanamarin-tena Izy fa niroso ho amin’ny ranon’ny Batisa. Fantany tsara fa Batisan’ny fibebahana no nataon’i Jaona kanefa nanaiky Izy hiroso amin’izany : Marka 1:3 – 4  «3 Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa 40. 3), 4 dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka. » Eny fa na i Jaona mpanao batisa aza dia sadaitra raha tonga nanantona azy Jesosy mba ho atao batisa, satria  fantany tsara fa feno fahamarinana sy tsy nanota Izy:

Matio 3:13 – 15 «13 Ary tamin'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i Jaona Izy mba hataony batisa. 14 Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko? 15 Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy. »

Ny fanontaniana nipetraka dia ny hoe : fa nanota ve izany Jesosy no tonga hanao Batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka izay nataon’i Jaona Izy? Ny valiny dia TSIA. Tsy nanota Jesosy, tsy misy fandikan-dalàna izay tokony hibebahany, fa ny zavatra tsy maintsy ataontsika ao an-doha tsara dia ny hoe : tonga ho modely Izy ety tamin’ny fandalovany tety an-tany. Tonga ho modely Izy mba ho fianarana ho an’ny olona rehetra mino an’Andriamanitra ny zavatra rehetra nataony tety an-tany. Tsy tamin’izany fotoana izany ihany Izy no nitoetra  ho fitaratra fa hatramin’izao fotoana hiainantsika izao ihany koa.

Raha tamin’izany fotoana izany dia nihezaka nitory i Jaona mpanao batisa ny mba hirosoan’ny Jiosy na ireo taranak’i Abrahama amin’ny ranon’ny batisa na ny fibebahana marina, saingy nanamafy ny fony izy ireo. Nijoro ho modely kosa i Kristy ka na dia tsy nisy pentina aza Izy dia nanaiky ny hatao batisa Izy. Matio 3:8 – 10 «8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo; 9 ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 10 Ary, indro, efa mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. »

Maro no niziriziry ny Jiosy tamin’izany ka tsy nety niroso tamin’io batisan’i Jaona io satria nanamarin-tena izy ireo, ka mety nahasahy niteny mihitsy fa tsy manana fahadisoana, ary dia izany no nahatonga an’i Jesosy nitsangana ho modely nirosoany tamin’ny batisa.

Fa mifanohitra amin’izany dia mba tonga ihany koa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseho mba te hiroso amin’izany ranon’ny batisan’ny fibebahana izay nataon’i Jaona izany.

Raha i Jaona izany no nanao batisa tamin’ny rano, izay efa voalzantsika ombieny ombieny fa batisan’ny fibebahana izany nataony izany, dia i Jaona ihany koa no milaza fa Jesosy no ho avy hanao batisan’ny Fanahy masina sy ny afo.

Matio 3:11 « Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; »

Izany hoe raha izao izany no jerena dia misy karazana batisa roa no misy eo :

-         Batisan’ny rano, na batisan’ny fibebahana

-         Batisan’ny Fanahy Masina, sy ny afo


Inona no fepetra ilaina amin'ny Batisa?

Raha ny modely asehon’i Jesosy eto dia tsy zaza intsony Izy no natao batisa fa efa lehibe, afaka namakafaka afaka nandinika. Ny fanamarihana faharoa ihany koa dia hoe : tao amin’y onin’ny Jordana no natao ny batisa fa tsy tamin’ny rano kely afafy amin’ny zinga.

Ny fepetra manaraka dia izao : Matio 28:18 – 19 «18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; 19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » Jesosy mihitsy no mametraka ny fepetra manaraka eto, fepetra na hafatra farany izay napetrany alohan’ny niakarany any an-danitra. Maniraka antsika Izy, ny mba handehanantsika mampianatra ny olona na firenena rehetra, ka rehefa mahay ny olona vao atao batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Tsy ny zazakely mihitsy akory no  afaka mianatra ohatra izao ataontsika izao, fa tsy maintsy efa olon-dehibe na tanora afaka mandanjalanja tsara. Ireo no mianatra ary dia atao batisa avy eo. Izany hoe olon-dehibe no mianatra, sy mino izay vao atao batisa.

Oviana no niseho voalohany ny batisan’ny Fanahy Masina sy ny afo izany?

Asan'ny Apostoly 2:1 – 4  «1 [Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. 2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. 3 Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. 4 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. » Ny fotoana Pentekosta izany no nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny mpianatry Jesosy izay tafavory tamin’ny toerana iray.

Amin’izao fotoana izao ahoana ny handraisana izany batisan’ny Fanahy Masina izany?

Asan'ny Apostoly 8:15 – 18 «15 Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. 16 Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy Tompo ihany izy. 17 Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo. 18 Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nitondra vola homena azy » Tsy  ny fanaovana ny batisan’ny rano ihany na ny fibebahana akory dia ampy handraisana ny Fanahy Masina, fa raha araka ny hitantsika voasoratra eo ambony dia tsy mbola nilatsaka akory ny Fanahy Masina na dia efa vita soa aman-tsara aza ny batisan’ny rano, na dia natao tamin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina aza izany. Tsy mbola ampy izany fepetra izany fa tsy maintsy mbola hametrahan’ny mpitarika tanana ilay olona vao milatsaka ny Fanahy Masina. Na vita batisa aza izany ny olona ka tsy amin’ny anaran’i Jesosy, sy tsy nametrahan’ny mpisorona tanana izy dia ho tsy nahare izany fanahy masina nilatsaka izany akory izy. Asan'ny Apostoly 19:2 – 6 «2 ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. 3 Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona. 4 Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. 5 Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo. 6 Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany. »

Ny batisa izany dia atao amin’ny anaran’Ilay Jesosy Kristy (mazava ho azy fa Ilay Jesosy Kristy araka izay voalazan’ny soratra masina) rehefa avy nampianarina tsara ny olona iray, izany hoe olon-dehibe efa vory saina tsara, ka rehefa vita izany dia hametrahan’ny mpisorona tanana izy avy eo.

NY BATISA = FAMANTARANA = TOMBO-KASE

1.1.1.5                 Ny telo andro sy telo alina

Inona io famantarana hita eo io?

Matio 12:38 – 40 «38 Ary tamin’izany ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay. 39 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin’i Jona mpaminany40 fa tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany. »

Ity koa izany famantarana mipetraka ao anatin’ity tombo-kase ity:

JESOSY KRISTY NITOETRA TELO ALINA SY TELO ANDRO TAO ANATIN’NY FASANA

= FAMANTARANA = TOMBO-KASE

Izany hoe na iza na iza no natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy dia niara maty tamin’i Jesosy Kristy amin’ny fahafatesana, niara nilevina tamin’i Jesosy Kristy amin’ny fahafatesany, miara mitsangana amin’i Jesosy Kristy amin’ny fiainam-baovao.

Andro inona ary no nahafatesan’i Jesosy Kristy raha toa ka niara-maty taminy isika?, firy andro sy firy alina izy no nilevina tao am-pasana raha niara-nilevina taminy isika?, andro inona izy no nitsangana raha miara mitsangana taminy isika?

Hitantsika tena mivelatra kokoa ny fanazavana an’ireo raha mijery sy mamaky ilay boky faharoa efa voalazako tany aloha isika dia ny hoe “Iza moa i Jesosy Kristy?” Dia hita izany fa ity finoana an’i Jesosy Kristy ity, izay amin’ny maha zanak’ondry azy ka maty, dia fantatra ihany koa fa misy famantarana.

1.1.1.6                 Ny fanajana ireo Sabatan'i Jehovah amin’ny fotoany avy

Misy famantarana iray ihany koa ity ao amin’ny lalàna dia ny fanajana ireo SABATAny amin’ny fotoany avy izany. Io indray no lazaina fa famantarana ao amin’ny didy folo:

Levitikosy 19:3 « Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. »

Levitikosy 19:30 « Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah. »

Efa nazavaintsika hatrany ambony fa tsy mahalaza ireo fahamaroan-javatra mihitsy ny teny Malagasy fa tsy maintsy mandray dikanteny vahiny isika vao afaka mamantatra tsara ny hevitry ny teny, mba tsy hisian’ny fahadisoan-kevitra.

Lévitique 19 : 3 “ Vous craindrez chacun sa mère et son père ; et vous garderez mes sabbats. Moi, je suis l’Eternel, votre Dieu »

Lévitique 19 : 30 “ Vous garderez mes sabbats, et vous révérerez mon sanctuaire. Moi, je suis l’Eternel. »

Ezek.20:11 – 12 «11 Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany. 12 Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy. »

Ny fanajana ireo Sabatan’i Jehovah ireo amin’ny fotoany avy izany no famantarana nolazainy. Raisin’izay rehetra manaja ireo Sabatany amin’ny fotoany avy izany famantarana izany, ary dia hamasinin’i Jehovah tokoa na hoe hatokan’i Jehovah tokoa izay olona mitandrina izany.

Ezekiela .20:19 – 20«19 fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany. 20 Ary manamasina ny Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. »

Ézéchiel 20:19 – 20 «19 Je suis l'Éternel, votre Dieu ; marchez dans mes statuts, et gardez mes ordonnances et pratiquez-les ; 20 et sanctifiez mes sabbats, et qu'ils soient un signe entre moi et vous, afin que vous connaissiez que je suis l'Éternel, votre Dieu. »

Jehovah dia manamasina ireo Sabata ireo amin’ny fotoany avy, ary ny olona ihany koa dia asainy manamasina ny sabata, satria ireo sabata ireo dia famantarana hatramin’ny andron’ny testamenta taloha

Averintsika ihany hoe inona avy ireo sabata izay asain’i Jehovah ho tandremana amin’ny fotoany avy  ireo :

-         Sabata andro fahafito, izay fahatsiarovana fa vita ny asa famoronana izay nataony nandritra ny enina andro ary dia nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito.

-         Ny Paska, ankalazaina ny faha 14 volana Abiba na Nisana. Fahatsiarovana ilay fanavotana lehibe izay nataony tamin’ny Zanak’isiraely raha noandevozina tany Egypta izy, fa mbola io Paska io ihany koa no nanaovana sorona an’i Jesosy Kristy mba hanavotana antsika olombelona ho afaka amin’ny fanadevozan’i Satana.

-         Ny Fihinanana ny Mofo tsy misy masirasira izay hajaina mandritra ny fito andro, ary hisy fivoriana masina ny fiandohany dia ny 15 Abiba na 15 Nisana, sy ny fihafarany 22 Nisana na 22 Abiba. Izany dia ho fianarana hialana amin’ny ratsy handosirana an’i satana, sy analana izany amin’ny fiainana.

-         Ny Pentekosta, izay isaina ho 50 andro aorian’ny Paska. Fotoana iray izay handraisana ny Fanahy Masina.

-         Ny Fitsofana Trompetra io dia ankalazaina amin’ny voalohan’ny volana fahafito, andro fampitairana io, izany hoe fanairana ny olona ho vonona fa tsy maintsy hisy farany izay rehetra izao, ka tokony hifady ny ratsy, sy hiverina amin’Andriamanitra.

-         Ny Andro Fanavotana io dia ankalazaina amin’ny andro fahafolo amin’ny volana fahafito. Fotoana iray izay nentina ho fanafahana amin’ny ota izay nahazo ny olombelona io.

-         Ny fetin’ny Tabernakely, fito andro izy io ary manomboka amin’ny faha 15 amin’ny volana fahafolo ka mifarana 22 volana fahafolo, izay samy hisy fivoriana masina avy ny fiandohany sy ny fihafarany. Fotoana iray izay niheverana fa honina amintsika Jehovah, ary ao anatin’izany fotoana izany no hiheverana fa nahateraka ny Mpamonjy. Izay ilay fitoerana an-tranon-dratsankazo

-         Ny farany dia ilay Fara Fivoriana, io dia ankalazaina ny ampitson’ny faran’ny fetin’ny Tabernakely.

  Dia izay no mahatonga an’i Jesosy Kristy ihany koa hilaza aty amin’ny Jaona 15:9 – 10 «9 Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako ianareo. 10 Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany. » Jesosy Kristy izany dia nitandrina ny didin’ny Ray nitoetra tamin’ny fitiavana, ka raha ohatra Jehovah nanome ireo sabata ireo izay nohamasinin’i Jehovah ary nodidiany ho tandremana amin’ny fotoany, dia mbola izany ihany koa no nolazainy fa famantarana na hamantarany ny olony.

I Jesosy Kristy izany raha ny fanambarany no asian-teny araka ny efa nahitantsika azy teo ambony, dia hoy Izy: “ny didin’ny Ray no didiny”, ka noho izany dia ireo sabatan’i Jehovah izany no ireo sabatan’i Jesosy Kristy, ny aza mangalatry Jehovah ihany izany no aza mangalatr’i Jesosy Kristy, ny aza mandaingan’i Jehovah ihany izany no aza mandaingan’i Jesosy Kristy, ny aza mijangajangan’i Jehovah ihany koa izany no aza mijangajangan’i Jesosy Kristy, sns … tsy misy zavatra miova io izany. Noho izany raha mitoetra eo amin’ny fitiavan’i Jesosy Kristy ianao izany, dia mitoetra eo amin’ny didin’i Jesosy Kristy tahaka ny nitandreman’i Jesosy Kristy ny didin’ny Rainy, fa tsy ny didin’i Jesosy Kristy. Tsy mifanohitra amin’ny didin’ny Rainy na oviana na oviana izany.

Ho porofointsika fa tena nanaja ireo Sabatan’i Jehovah ireo amin’ny fotoany mihitsy Jesosy sy ny mpianany.

Lioka 22:7 – 8 «7 Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska8 Ary Jesosy naniraka an'i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika. »

Lioka 22:14 « Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly. » Ny ohatra voalohany hitantsika eto izany dia nitandrina ny Paska Jesosy sy ny mpianatra, izay efa hitantsika teo ambony fa isan’ireo sabatan’i Jehovah, ary nitandrina izany tamin’ny fotoany mihitsy izy ireo.

Jaona 7:2 « Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely, »

Jaona 7:8 « Miakara ho amin'ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako. » Nanaja ny Sabata Tabernakely ihany koa izany Jesosy ary tsy nandrara ny mpanaraka Azy Izy hoe aza manatrika izany, fa ny teniny dia hoe “Miakara ho amin’ny andro firavoravoana ianareo”, ary dia nitandrina izany amin’ny fotoany Izy.

Fehiny dia nitandrina ireo sabatan’i Jehovah amin’ny fotoany avy izany Jesosy sy ny mpianany, satria Izy dia nampianatra ny fahamarinana, Izy no Ilay Marina. Izao no nanadidian’i Jehovah an’ireo sabatany ireo ho hajaina amin’ny fotoany avy ary ambarany mihitsy fa famantarana izany :

Eksodosy 13:6 – 10 «6 Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin'ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an'i Jehovah. 7 Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin'ny taninao rehetra. 8 Dia hambaranao amin'ny zanakao amin'izany andro izany hoe: Noho ny nataon'i Jehovah tamiko tamin'ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao. 9 Dia ho famantarana ho anao eo amin'ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn'i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta. 10 Dia tandremo amin'ny fotoany isan-taona izao lalàna izao. » Hajaina araka izay nandidian’i Jehovah azy izany ireo sabatany ireo, ary amin’ny fotoany avy izay nandidiany azy avy, fa isan’ireo famantarana izay hamantarany ny olony ny fitandremana izany amin’ny fotoany avy. Izany hoe midika izany fa isan’ireo singa mandrafitra ilay tombo-kasen’Andriamanitra hipetaka eo amin’ny tanana sy ny handrin’ny olony izany ny fitandremany ireo Sabatany amin’ny fotoany avy.

 Noho izany raha vao miresaka sabata ianao dia misy fahamasinana ao, ka izay no mahatonga an’i Jesosy Kristy hilaza aty amin’ny Lioka.6:5 « Ary hoy Izy taminy: Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona. » ka raha vao miresaka sabata izany ny Zanak’olona dia efa fahamasinana hatrany izany.

MANAJA IREO SABATA AMIN’NY FOTOANY = FAHAMASINANA = TOMBO-KASE

1.1.1.7                 Ny fanavahana ny maloto sy ny madio

Levitikosy20:25 – 26 «25 Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin'ny biby, na amin'ny vorona, na amin’izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto. 26 Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah ; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy. »

Izany hoe isan’ny iray izay mampiavaka ny fanahy masin’Andriamanitra izany, dia ny fahamasinana. Asainy manamasina ireo sabatany ireo amin’ny fotoany avy ny vahoakany. Tsy vitan’izany ihany koa, fa asainy manavaka ny biby maloto sy ny madio, ny hazandrano madio sy maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio ihany koa izy ireo. Voalazany tsara mihitsy, fa fametavetana ny fanahy ny tsy fanavahana ireo biby madio sy ny maloto. Toy izany ihany koa ny toetra madio sy maloto, ny fanao madio sy maloto, sns… Tena ilainy izany ny fahamasinana satria izay mivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka Aminy amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana, fa hoy Izy, ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy. Izany hoe misy andian’olona maro izany, na ihany koa ireo hafa firenena, izay tsy manompo an’i Jehovah Andriamanitry Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ary anisan’izany ireny fiangonana hafa ireny, satria tsy manamasina ireo sabatan’i Jehovah amin’ny fotoany avy izy ireo, nefa izany dia nambarany fa famantarana eo aminy sy izay rehetra manompo Azy, no sady koa tsy manamasina ny tenany satria tsy manavaka ireo maloto sy madio, dia mazava fa manana andriamanitra hafa izay tompoiny izy ireo izany. Ireo hafa firenena ireo dia tsy mba manavaka izany maloto sy ny madio izany, fa aminy dia madio avokoa ny zavatra rehetra. Io dia manamarina ilay faminaniana nolazain’ny mpaminany Isaia manao hoe : Isaia 4:1 « Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso » efa nazavaintsika ihany io teny io fa averintsika kely fotsiny : ny vehivavy dia midika hoe fiangonana, ny Lehilahy iray dia i Jesosy Kristy, izany hoe misy fiangonana fito izany eo izay mihazona an’i Jesosy Kristy izany hoe mino an’i Jesosy Kristy, fa Izy ireo dia tsy mifady izay ho haniny, sy izay ho fitafiny, fa ny mahamaika azy ireo fotsiny dia ny hahazony voninahitra amin’ny fiantsoana azy ireo hoe “kristiana”. (Toa midika izany teny izany fa raha tena te ho antsoina hoe Kristiana ny olona iray dia tokony hitandrina sy hanavaka izay hoaniny). Ambaran’ireo olona ireo fa tsy misy fady izany intsony, fa efa voahombo teo amin’ny hazo fijaliana hono ny fandrarana ny fihinanana ireny nofo fahavetavetana ireny. Asa angaha taiza no nahitany an’izany? Ireto avy ny karazana hena misy na lazaina fa hena madio na hena maloto: ny henan’omby, ny henan’ondry, ny henan’osy, ny henan’alika, ny henan-kisoa, ny henam-boalavo, ny kitozam-boalavo, ny amalona ny bibilava, ny kankana, ny foza orana ny drakaka, ny sahobakaka, ny tsiboboka, ny gisa ny gana ,ny otrisa, ny akoho ny ramanavy, ny kadradraka amin’ny kapoaka, eny fa na dia ny olona ihany koa aza mbola misy mampiditra ao anatin’izany karazan-kena izany. Dia misy mihinana an’izany rehetra izany, fa aminy dia tsy mba olana mihitsy ny fihinanana an’izany indrindra ho an’ireo firenen-kafa izay tsy manompo an’i Jehovah. Dia hisy hamaly indray izao ilay te ho antsoina hoe Kristiana rehetra fa hoe : izahay kosa tsy mihinana totozy sy voalavo sy alika izany ka, fa ny anay henan-kisoa, sy amalona, sy drakaka, sy patsabe, sy bibilava sy gana sy gisa dia hoaninay tsara mihitsy, satria matsiro be ireny. Ireny kosa tsy mitovy amin’ny voalavo sy totozy izany ka.

Fa nahoana no tsy mitovy avokoa izany rehetra izany? Mba jereo tsara izay voasoratra ato ity : Isaia 65:3 – 4 «3 Dia firenena izay nahatezitra ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eo amin'ny tanimboly Ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin'ny tanimanga, 4 Dia izay mipetraka any amin'ny fasana ary mitoetra mandritra ny alina ao am-pierena, sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron'ny hena fahavetavetana no ao amin'ny loviany, »

Isaia 66:15 – 17 «15 Fa, indro, Jehovah ho avy amin'ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin'ny fahatezerany mirehitra, sy ny fitenenany mafy amin'ny lelafo. 16 Fa ny afo sy ny sabany no ho entin'i Jehovah hifandahatra amin'ny nofo rehetra; Ary ho maro ny voaringan'i Jehovah. 17 Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah. » Tena ambarany mazava tsara mihitsy aloha fa ho levonin’i Jehovah avokoa izay mihinana henan-kisoa, (izay nataony mitokana mihitsy ny filazana azy), sy ny zava-betaveta (kadradraka, gisa, gana, patsabe, drakaka, bibilava, sns…) ary ny totozy. Toa manambara izy izany fa mitovy tsy misy valaka ny henan-kisoa sy ny totozy sy ireo zava-betaveta. Mitovy amin’ny mihinana totozy izany ny fihinanana hena-kisoa.

Eto an-tany dia misy kolontsaina maro, ary arakaraky ny faritra sy ny firenena misy ny olona no mahasamihafa izany. Ohatra hoe any antsinanana dia misy ny sinoa sy ny Indiana izay samy jentilisa avokoa, izay samy manana ny andriamanitra tompoiny ary samy manana ny fombany. Tena samihafa tanteraka ny fomba amam-panao sy ny sakafo fihinanana ho an’ireo firenena ireo sy ny an’ny zanak’isiraely, na ara-nof na ara-panahy. Ary dia izany no nahatonga an’i Jehovah hilaza hoe: havao ny maloto sy ny madio fa aoka ho masina ho ahy ianareo, fa efa navahako tamin’ny firenena hafa ianareo.

Raha any amin’ireo firenena aziatika roa nolazaintsika teo ireo dia tsy manavaka an’izany mihitsy izy ireo, fa aminy dia madio vokoa ny zavatra rehetra. Amin’izy ireo dia tsy misy bedy ny fihinanana ireo karazan-kena rehetra, ary araka ny hitantsika amin’ny sary fanehoana izao dia hoanindry zareo ireo na dia zazakely avy any ambohoka aza,   tsy mampaninona azy ireo ny mihinana henan’alika, eny fa na dia ny scorpion aza dia hoaniny, hatramin’ny kadradraka, ny kankana, ny ala, ny tarondro, ny tanalahy, ny voalavo, ny totozy. Miaraka amin’izany eny na ny omby, na ny ondry na ny osy, na ny kisoa. Tsy mahagaga izany ireo olona ireo, na ireo firenena ireo raha mihinana an’izany, satria ny Baiboly anie efa nilaza eto fa hoe Levitikosy20:25 « Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin'ny biby, na amin'ny vorona, na amin’izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto. » Jehovah izany dia efa nilaza hoe: ireto dia tsy mba ho haninareo, fa efa navahako tamin’ny firenena hafa ianareo. Dia marina tokoa izany satria ny firenen’i Isiraely ihany no nanompo an’Andriamanitra tamin’izany, fa ireto firenena hafa ireto dia tsy nanompo an’Andriamanitra izany, tsy mahagaga ireo raha mihinankinam-poana toy izany. Tsy mahagaga ihany koa izany raha misy firenena hafa milaza fa mivavaka amin’Andriamanitra izy, nefa tsy manavaka an’izany madio sy maloto izany. Raha ohatra izany ianao milaza, fa firenena mivavaka amin’io Jehovah Andriamanitra io, kanefa tsy hainao ny manavaka ny maloto sy ny madio, dia hafahafa ihany izany!! Ianao aza olombelona io, dia mba hainao ihany ny misasa sy manadio vatana rehefa mahatsiaro maloto na ny akanjo sy ny vatanao, kanefa ianao milaza fa hoe madio avokoa ny zavatra rehetra, ka maninona no mbola mandro ihany, fa tsy mijanona amin’izao raha madio avokoa ny zavatra rehetra??? Dia tena miala tsiny moa raha mavesabesatra amintsika ny zavatra voalaza, fa dia misy olona dia mandray an-tendrony fotsiny, dia milaza fa hoe efa maty i Jesosy Kristy ka dia madio avokoa ny zavatra rehetra, izay midika fa dia azo hohanina avokoa ny zavatra rehetra, ary dia angataham-bavaka hoe: Andriamanitra ô! tsofirano ity sakafo matsironay ity, dia ireto kadradraka, sy kankana, sy ny kisoa sy ny bitro sy ny amalona sy ny sisa ity, fa hoe madio avokoa ny zavatra rehetra!! Ny hiafarany dia hohaninao hatramin’ny ravim-paiso sy ny voandelaka. Matoa miteny hoe madio ny zavatra rehetra dia midika izany fa tsy misy fanavahana, fa azo hohanina avokoa ny zavatra rehetra, na tsindaory, na granta, na songosongo dia azo hohanina avokoa? Tsy atao mahagaga raha misy olona miaro izany fihinanana biby maloto izany, satria hafa firenena izany olona izany, ka tsy mba mivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra, fa mba te ho tononina fotsiny hoe “Kristiana” izahay, fa raha mivavaka amin’ny Jehovah Andriamanitra Mpahary ny lanitra sy ny tany izany olona izany, dia hahay hanavaka ny maloto sy ny madio. Ka izany ihany koa dia tsy hifanomezantsiny fa vokatry ny filozofian’ny tandrefana izay milaza fa ny olombelona dia taranaka biby avy amin’ny rajako. Ka raha ohatra izany ianao tsy avy amin’ny biby fa taranaka noforonin’ Andriamanitra dia hahay manavaka ny maloto sy ny madio ianao, fa raha ohatra kosa ka avy amin’ny biby ny fihavianao dia mazava ho azy fa tsy hahay hanavaka ny madio sy ny maloto izany ianao. Hataon’izany ahoana no hanavaka izay madio sy maloto? Ka izay no ataoko hoe hanompo an’Andriamanitra izany dia tena tsy vita mora fa samia mandinika tsara isika, satria ao anatin’ny fanavahana ny madio sy ny maloto ity tokoa ny vahoakan’Andriamanitra. Ka raha ny Fanahy Masina no miasa ao anatinao dia hoy Jehovah hoe aoka ho masina ho ahy ianareo, fa raha fanahy mamitaka no miasa ao aminao dia ho tsy hainao mihitsy ny manavaka ny madio sy ny maloto izany.

Ireo izany ilay karazana tombo-kase ary hita avy hatrany, ka ireo famantarana na fanavahana ity tombo-kase ity, dia nentin’i Jehovah navahana ny firenen’isiraely tamin’ny firenena hafa. Hoy izy hoe aoka ho masina ho ahy ianareo satria masina aho, fa ny firenena hafa izany dia tsy manavaka an’izany maloto sy madio izany, ary marina izay foto-kevitra izay satria tsy manompo an’ilay Jehovah Andriamanitry Abrahama sy Jakoba ary Isaka ireny firenena hafa ireny, ka izay no mahatonga azy tsy hanavaka ny maloto sy ny madio.

Ahoana no fipetrak’izany rehetra izany indray taty aorian’ny hazo fijaliana, satria mbola ady hevitra be daholo moa izany rehetra izany?

Kanefa na dia izany aza dia tsy maintsy jerentsika  avokoa ny toko sy ny andininy mifandraika amin’izany aty amin’ny testameta vaovao.

Ity resaka maloto sy madio ity, dia misy miresaka azy io aty amin’ny: Apok.22:11 « Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy. » Izany dia mahafaoka be mihitsy, izany hoe izay mbola maloto dia mbola hiha-maloto ny fony, maloto ny fisainany, maloto ny lamba fitafiny, maloto ny fijeriny, maloto ny teny haloaky ny vavany, maloto ny zavatra hohaniny, tsy misy zavatra madio mihitsy ao aminy. Ny fo efa maloto, ny saina ihany koa maloto, ny teny haloaky ny vavany dia tsy misy hafa tsy teny maloto, ompaompa fotsiny no hataony, na rahalahiny,na ny anabaviny dia ompainy avokoa. Fa hoy ny Baiboly hoe 1 Jaona 3:15 « Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. » Maro amin’ireo mpitondra fivavahana ankehitriny no tsy miraharaha an’izany. Na dia ny zavatra hohaniny aza, dia amporisihiny avokoa ny mpivavaka ao aminy hihinana an’izany, fa hoe madio avokoa ny zavatra rehetra, dia asainy mihinana maloto daholo ny mpivavaka rehetra, satria madio avokoa ny zavatra rehetra hoy izy. Ka mazava fa izay masina dia mbola hihamasina hatrany. Fa izao no voalaza ao amin’ny 2 Korontiana 6:15 – 18 «15 Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino? 16 Ary inona no ikambanan'ny tempolin' Andriamanitra amin'ny sampy ? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Levitikosy 26. 11, 12). 17 Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo. 18 Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa. 52. 11, 12). » 2Korontiana 7:1 « Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. »

Raha vao miresaka an’i Kristy sy Beliala izany ianao, dia efa miresaka an’i Jesosy Kristy sy i Satana, ny mino sy ny tsy mino.

Toy izany koa, raha vao miresaka tempoly izany ianao na ny sampy dia fanahy no resahina amin’izany. Misy ny fanahin’ny tempolin-tsampy, ary misy ny fanahin’ny tempolin’Andriamanitra. Taiza ihany koa no nisy tempolin’Andriamanitra nampidirana kisoa izany tamin’ny andro taloha, kanefa isika milaza fa isika no tempolin’Andriamanitra? taiza no nisy tempolin’Andriamanitra nampidirana toaka? taiza no nisy tempolin’ Andriamanitra nifoana sigara? raha lazaina fa hoe tempolin’Andriamanitra ny vatany!!. Ka ny mahagaga dia izao, lazainy fa hoe tempolin’ Andriamanitra ny vatany dia tsy ampidirany toaka sy sigara, kanefa dia ny biby maloto rehetra dia ampidiriny ao daholo. Ary ny tena maharikoriko aza, dia misy olona izay manana toe-tsaina hoe nihinana azy hono ireny parasy sy ny haofotsy ireny ka dia hohaniny ihany koa, satria hoe nihinana ny ràny hono. Dia rehefa hanontanina izy hoe ahoana izany? dia hoy izy hoe: ny pasiteranay efa nilaza fa hoe madio avokoa ny zavatra rehetra ka inona ny olana amin’izany? Fa fampianaran’ny demonia hono ny manavaka ny maloto sy ny madio izany, fa ho azy dia efa madio avokoa ny zavatra rehetra. Ka raha tsapatsika fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia jereo fa miverina eo amin’ilay Fanahy Masina hatrany isika amin’izany. Dia ahoana hoy izy? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Levitikosy 26. 11, 12). »2Korontiana 6:17 « Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah , Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo. » io izany ilay fanavahana izay nataon’i Jehovah tary amin’ny testamenta taloha, dia mbola haveriny ilay izy aty amin’ny testamenta vaovao, ary dia i Paoly no nasainy namerina azy, ary dia mbola ny teny tany amin’ny testamenta taloha ihany no nilazany azy. Ka raha mbola fiangonana manendry ireny zavatra tsy madio ireny izany, dia tsy fiangonana manompo an’i Jehovah Andriamanitra, fa manompo andriamanin-kafa, ka ianao izay mbola mitoetra any amin’ireny toerana mbola mampihinana zavatra maloto anao ireny, raha ny tokony ho izy, dia aoka hivoaka amin’ireny toerana ireny ianao hoy ny Soratra Masina, fa tsy misy izany hoe madio avokoa ny zavatra rehetra. Dia aza mihinana izany zavatra tsy madio izany ianao, na tsara ohatra ny ahoana aza io, na dia misy tongolo gasy sy sakamalaho sy carry aza io, fa izany dia fitaky ny devoly, satria ny fiainana dia efa sarotra rahateo, dia ampilendalendainy amin’ny poivre sy ny tongolo gasy sy sakamalaho sy ny carry eo ny olona, dia roboka mihinana ny zavatra tsy madio. 2Korontiana 6:18 « Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa. 52. 11, 12). » Jereo ny manao ny sonia an’izany an! Hoy i JEHOVAH Tsitoha no niteny an’izany. Tsy i Jesosy Kristy akory, Ilay Zanak’Andriamanitra, ilay Teny Tonga Nofo aza no niteny an’izany, fa i JEHOVAH mihitsy no mbola miverina miteny izany eto. Tsy mitombina mihitsy noho izany ny filazan’ny sasany fa hoe tsy misy miresaka hoe Jehovah mihitsy aty amin’ny testamenta vaovao, na ihany koa hoe tsy miteny intsony i Jehovah aty amin’ny testamenta vaovao, fa efa an’i Jesosy Kristy manontolo. Diso izany ary dia io no anisan’ny porofo iray azo hanamarinana an’izany. 2Korontiana 7:1 « Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. » Mazava be izany. Raha manana ireo teny fikasana ireo isika dia hanadio ny tenantsika.

Ka inona ary moa ireo teny fikasana ireo?

Ireo dia tsy inona fa ny fanavahana an’i Jesosy Kristy sy i Beliala, izany hoe ny mampiavaka an’i Jesosy Kristy tena izy amin’ny Jesosy Kristy sandoka. Zavatra tsy miaraka izany. Be dia be ny kristiana no sady mivavaka no mbola manompo sampy. Zavatra tsy tokony hiaraka izany raha ny baiboly no resahina, na ianao manompo sampy dia mijanona tsy mivavaka, na ianao mivavaka dia tsy manompo sampy. Isika no tempolin’Andriamanitra hoy izy, satria Andriamanitra no monina ao anatintsika. Dia hoy ny Tompo hoe: mivoha ao aminy ianareo, misaraha aminy, ary aza manendry zavatra tsy madio hoy i Jehovah dia handray anareo aho. Ka aza manendry zavatra tsy madio, na izay sotroina izany na izay ho fihinanana na fisainana izany na fitafy. Ka raha manana izany teny fikasana izany isika ry malala, dia ambarany mazava tsara fa lasa vahoakan’Andriamanitra izay tiany amin’ny fony manontolo mihitsy. Satria izay olona tianao amin’ny fonao manontolo ihany no antsoinao hoe malala. Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra. Ny fahalotoana rehetra, na avy amin’ny fotom-pisainana izany, na ny avy amin’ny aloaky ny vava, na ny henon’ny sofina, ny ataon’ny tanana, ny alehan’ny tongotra, ny ampidirina ao ambava, ny hoanina ao ambava, ny sotroin’ny vava, ny setroka ampidirina ao ambava…. Dia izay rehetra mety handoto ny vatana, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, mila miala amin’ireny fanahy mamitaka isan-karazany rehetra ireny, dia ireo fanahy mampihinana ny maloto rehetra ireny, fa mody ny tenin’Andriamanitra fotsiny no tefitefena eo mba hampihinanana maloto ny vahoaka entiny. Ireny dia sain-dalin’ny devoly avokoa ary manampy antsika hanokatra ny fijerintsika aho mba tsy ho voafitapitaka amin’izany isika. Raha tsapatsika ary fa mampanao an’izany, na mampihinana biby maloto ny fiangonana harahintsika dia mandidy antsika ny soratra masina mba hivoaka amin’izany toerana izany, ary hanadio ny tenantsika, ary Izy Andriamanitra ihany no hahatanteraka antsika amin’ny fahamasinana amin’ny fahatahorana Azy. Dia mihodina eo amin’io resaka Fanahy Masina io ihany koa izany, na singa iray mandrafitra ny tombo-kase ihany koa izany  ny fanavahana ny maloto sy ny madio.

1.1.1.8                 Finoana fa Jesosy no Kristy, Ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo

Io finoana fa Jesosy no Kristy io na Ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo io no ivon’ilay Tombo-kase ny Fanahy Masina. Satria ireo singa rehetra izay noresahintsika teo ireo, (Ny ràn’ny Zanak’ondry, Ny fahamarinana sy ny fahamasinana, Ny famorana, Ny batisa, Ny telo andro sy telo alina, Ny fanajana ireo Sabatany amin’ny fotoany avy, Ny fanavahana ny maloto sy madio) dia ny soratra masina no ahitana an’ireo, na koa ny Tenin’Andriamanitra no ahitana azy ireo, ary efa noporofointsika ara-tsoratra masina avokoa izany. Izao no hilazany an’ity Soratra Masina ity raha ny baiboly no jerena: Jaona 17:17 « Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. » Izany hoe ny fanarahantsika tsara ireo singa mandrafitra ny Tombo-kase ireo izany dia entintsika Manamasina Azy, na koa hoe ny fanokanan-tenantsika hanaraka ny sitrapony amin’ny fanajana ireo singa fito mandrafitra ny tombo-kase ireo, dia mahatonga antsika andeha amin’ny fahamarinana, izay midika hoe mitandrina ny didy sy ny lalàna ary ny fitsipik’Andriamanitra.

Noho izany dia mitoetra eo ampovoany indrindra amin’izay tombo-kasen’Andriamanitra izay ny teny hoe: ny Finoana fa Jesosy no Kristy na ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo. Efa nazavaintsika tsara tany ambony ny mahatonga ilay hoe “Finoana fa Jesosy no Kristy” ary averintsika eto ity soratra ity 1 Jaona 5:1 « Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. » Izany hoe ny tanjon’ilay Tombo-kasen’Andriamanitra izay hipetaka eo amin’ny olony dia ny hanavahana azy amin’ny firenena hafa, hanavahana azy ireo fa tena zanak’Andriamanitra tokoa izay rehetra nandray izany tombo-kasen’Andriamanitra izany. Noho izany raha zanak’Andriamanitra izany ny olona iray dia tsy maintsy mino izy ireo aloha fa Jesosy no Kristy, izay midika hoe : Jesosy no Ilay voahosotr’Andriamanitra, Izy no Ilay Iraka manokana avy amin’Andriamanitra hisolo tena Azy ety an-tany. Izy no Ilay Mesia Andriana, na ihany koa hoe Ilay Mpanjaka nandrasana hamonjy ilay firenena voafidy. Nanaiky izany maha Kristy an’i Jesosy izany i Paoly, i Paoly izay fantatsika tsara fa mpanenjika an’i Jesosy fahiny. Izy no ilay tena natahoran’ireo mpianatry Jesosy mafy tokoa rehefa niakatra tany an-danitra Jesosy taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty. Mbola Saoly no anarana nentiny tamin’izany fotoana izany. Fa rehefa taty aoriana kosa rehefa nifanena tamin’i Jesosy i Saoly dia niova ho Paoly ny anarana nentiny, ary dia nanaiky sy sahy nilaza ampahibemaso ny Apostoly Paoly fa Jesosy no Kristy.

Asan'ny Apostoly 17:1 – 3 «1 [Ny nankanesan'i Paoly sy Silasy tany Tesalonika sy Beria] Ary rehefa nandeha namaky an'i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan'ny Jiosy tao. 2 Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin'ny Soratra Masina tamin'ny olona tao. 3 Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin'ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy. »

Asan'ny Apostoly 18:5 « Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy. »

Asan'ny Apostoly 18:28 « fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason'ny olona ka naneho marimarina tamin'ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy. »

Izany hoe tena azo antoka tokoa izany fa naterak’Andriamanitra tokoa i Paoly Apostoly satria nahasahy nitory sy niteny satria nino tokoa izy fa Jesosy no Kristy. Fantatra tsara tamin’izany fotoana niainan’ny Apostoly izany fa mahafaty ny fitenenana sy ny fitoriana hoe Jesosy no Kristy izany, kanefa dia tsy nahoan’i Paoly izany fa noteneniny tany amin’ny tany rehetra izay notsidihiny.

FINOANA FA JESOSY NO KRISTY = FANEKENA FA ZANAK’ANDRIAMANITRA IANAO

 = TOMBO-KASE

 

Vita izany izao ilay tombo-kasen’Andriamanitra na ilay Fanahy Masina, ilay Fanahy fiton’Andriamanitra, ary ny antony, na ny fotom-pisian’io tombo-kasen’Andriamanitra io izany dia ny hananantsika fahamasinana, satria tsy mba hahita an’Andriamanitra izay tsy manana fahamasinana. Dia mazava ho azy izany fa raha te hahazo ilay fahamasinana ianao, dia tsy maintsy ny Fanahy Masina no fototra voalohany indrindra tsy maintsy hanananao.

Dia hiresaka izany isika ny momba ity Fanahy Masina ity, mba hanavahana azy amin’ny fanahy mamitaka.

FAMINTINANA:

Fa io Fanahy Masina io dia mitaona ny olona hanaiky:

-       Ny ràn’ny Zanak’ondry:

·        satria manamasina io ràn’ny zanak’ondry io,

·        manana hery sy feno zava-miafina io ran’ny zanak’ondry ,

-       Ny fahamarinana sy ny fahamasinana : ao amin’i Jehovah Andriamanitra na ao amin’i Jesosy Kristy ihany koa dia tsy mba fanjakan’ny baroa na tany tsy misy fanjakana, na tany tsy misy fitsipika, fa dia misy fitsipika sy lalàna ao. Ny fitandremana ireo no mahamarina ny olona ary rehefa mitandrina izany ny olona dia manokantena hifady ny ratsy dia tonga ao amin’ny fahamasinana. 

-       Ny famorana ny fo, hahatongavana amin’ny finoana sy ho teraka amin’ny batisa, hahazoana ny fanahy masina amin’ny maha tombo-kase azy.

-       Ny batisa : mila mianatra, mila mahafantatra tsara, mila mino, mila mibebaka (miaiky ny heloka na ota natao, dia mangataka ny ràn’ny Zanak’ondry hanadio, ary dia tsy mamerina izany intsony) izany hoe olon-dehibe izay vao miroso amin’ny ranon’ny batisa. Fa rehefa vita batisa ny olona dia hametrahan’ny mpitarika tanana handraisany ny Fanahy Masina   

-       Ny telo andro sy telo alina : Io fanahy masina io koa dia mandresy lahatra antsika mba hahafahantsika mino, fa ilay Jesosy Kristy izay mpamonjy izao tontolo izao io, dia nilevina tao ampasana telo andro sy telo alina ary nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro faha-telo. Raha tsy miasa io Fanahy Masina io dia tsy mahavita manaiky an’izany ny olona. Fa raha io fanahy mamitaka io no ao anatinao, dia tsy mahavita mino an’izany Jesosy Kristy maty tamin’ny antsasaky ny herinandro izany mihitsy ianao.

-       Fanajana ireo Sabatany amin’ny fotoany avy :

Ao anatin’ny fitsipika sy lalàna, dia tsy misy nolazainy ho famantarana, sy lazainy fa nohamasinin’i Jehovah hafa tsy iray ihany, dia ny fanajana ireo SABATANY amin’ny fotoany avy. Izy tsy nanao hoe: ny aza mandainga no hanamasino, na hoe izaho no hanamasina ny aza mamono olona na izaho no hanamasina ny aza mijangajanga!! tsy misy an’izany ao, fa ity Sabata ity dia notsipihiny manokana mihitsy, ka nolazainy fa hoe Izaho no manamasina an’io, ka ianareo izay manompo Ahy dia manamasina an’io ihany koa. Izany hoe ny firenana hafa na fiangonana hafa izay manompo andriamanin-kafa izany, dia tsy hihazona an’izany resaka izany mihitsy. Tsy mahagaga izany, satria tsy io Jehovah Andriamanitra io no andriamaniny, ka ahoana no hanamasinany an’io? Io aza dia ho potipotehiny ohatra ny sira mihitsy, kanefa dia mbola hivaingana indray avy eo. Misy lalàna sy fitsipika ny fiarahana amin’i Jehovah. Fa ny mahagaga tokoa dia izao: amin’io lalàna sy fitsipika io tokoa anie dia ity sabata ity ihany no tsy lanin’ny vavonin’dry zalahy sasan-tsasany ireo, na ireo pasitera sasan-tsasany ireo. Tsy zakany mihitsy ny miresaka io sabata io, satria hafa mantsy ilay andriamanitra tompoiny fa tsy ilay tompon’ny sabata, ka tsy mahagaga izy raha tsy mahazaka an’io.

-       Ny fanavahana ny maloto sy ny madio : Tempolin’Andriamanitra ny vatanao ka tsy tokony hampidirana biby maloto, satria izaho aloha mbola tsy nahita biby maloto nampidirina tao anaty Tempolin’Andriamanitra izany: tsy mbola nisy kisoa nampidirina tao, na hoe bibilava nampidirina tao anaty tempoly na fiangonana, na ihany koa sanatria alika no nampidirina tao anaty tempoly? Tsy mbola nahita aho, fa asa angaha any amin’ny tany mandroso any, ka dia hoe efa hampidirana an’izany any!! Hoe hivavaka ao ampiangonana ny alika na ny kisoa sns. Tsy misy izany satria fantany hoe tempoly io, ka inona moa no hitondrana an’izany any!! Nefa isika, Tempolin’Andriamanitra ny vatatsika dia hampidirana kisoa sy alika ve?. Ny mahagaga anie rehefa manompa ny olona manana fiainam-panahy ambony ireny dia izao no ataony: itony koa sahala amin’ny kisoa sy alika, mitabataba ohatra ny inona eo, mivoaha any!! Ka dia afangaron’ny olona izany ny kisoa sy ny alika, satria samy biby maloto io. Tsy mahagaga izany raha afangaron’ny olona amin’ny ompa ny kisoa sy ny alika. Ka raha Tempolin’Andriamanitra izany, dia tokony ho hainao tsara ny manavaka ny hoe zavatra maloto ve no ampidirina ao amin’ny Tempolin’Andriamanitra?. Raha madio avokoa ny zavatra rehetra dia maninona ny olona no tsy mifoka sigara sy rongony, na tsy misotro toaka, rehefa manana fiainam-panahy ambony izy, kanefa ny sigara sy ny toaka aza dia mbola tsy biby maloto toa ny voalavo, sy ny alika sy ny kisoa, sns. Kanefa hatrany amin’ny testamenta taloha anie, dia efa nisy teny nilaza fa hoe manimba ny tempolin’Andriamanitra ny toaka!! Ka io moa rehefa tiana ho diovina dia na ny mainty aza dia lasa fotsy. Izay no nahatonga an’i Jehovah nilaza hoe: tandremo sao mijanona amin’izany toerana izany, fa efa navahako tamin’ny firenena hafa ianareo, ka nohamasiniko satria masina aho Jehovah.


1.1     Inona moa no mety ho fiatraikany raha toa ka tsy fantatry ny olona io tombo-kase io? inona no mety hiafaran’ilay olona?

Apokalypsy 9:3 – 5 «3 Ary nisy valala nivoaka avy tamin'ny setroka nankamin'ny tany; ary nomena hery* ireny, tahaka ny herin*'ny maingoka amin'ny tany. 4 Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin'ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen'Andriamanitra eo amin'ny handriny ihany. 5 Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan'ny maingoka, raha mamely olona. »

Ity valala ity izany dia izay tena mpampahory sy hitondra loza ho an’ny olona hoy izy, dia izay olona tsy manana ny marika na ny tombo-kasen’Andriamanitra izay efa noresahina teo. Izay tsy manana izany tombo-kase izany, dia ho tratran’izany fampahoriana sy fijaliana rehetra izany. Satria raha tsy ny tombo-kasen’Andriamanitra no eo aminao dia mazava ho azy fa ny tombo-kasen’ny bibidia no eo aminao. Io no marika mipetaka fa an’Ilay Mpahary ianao, zanany ianao, olony ianao.

  Apokalypsy 16:1 – 2 «1 Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra. 2 Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny. » Izay olona manana ny sariny na ny mariky ny bibidia, izany hoe izay tsy manana ny tombo-kasen’ Andriamanitra, dia hitantsika tsara ny zavatra tian’ny baiboly ho resahina amin’ny zava-miafina momba an’ity tombo-kasen’Andriamanitra sy ity mariky ny bibidia ity, satria samy hapetaka amin’ny handrina daholo na ny tombo-kasen’Andriamanitra na ny mariky ny bibidia. Dia zavatra tokony ho fantatra daholo izany izay. Hidiran-doza avokoa izay olona tsy manana ny tombo-kasen’Andriamanitra fa mandray ny mariky ny bibidia. Izany dia averintsika hatrany fa efa fomba fiasan’Andriamanitra hatrizay ela izay. Ezekiela 9:6 « Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin'ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin'ny lahy antitra izay teo anoloan'ny trano ireo. » Mitovy hatrany amin’izay voalazann’y boky Apokalysy izany teny voalazan’i Ezekiela izany : Apokalypsy 14:9 - 10 «9 Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, 10 dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry izy; » Raha misafidy marika hafa izany ny olona dia ny mariky ny bibidia izany fa tsy ilay mariky ny tombo-kasen’Andriamanitra dia ambarany fa hisotro ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra tokoa izy, ary hampijaliana amin’ny afo sy ny solifara izy.

Raha asehontsika amin’ny alalan’ny tabilao ny fampitahana izay mety ho endriky ny marika roa na ny tombo-kase roa dia izay an’Andriamanitra sy ny an’ny bibidia na devoly Satana dia izao no azo hamintinana azy:

 

TOMBO-KASEN’ANDRIAMANITRA

TOMBO-KASEN’NY BIBIDIA

 

Finoana fa Jesosy no Kristy,

Ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo izany:

Tsy mino fa Jesosy no Kristy, mbola miandry Kristy hafa ho avy, na tsy mino fa Jesosy dia Zanak’Andriamanitra

1.      

Ny ràn’ny Zanak’ondry

Tsy mino ny asan’ny ràn’ny Zanak’ondry

2.      

Ny fahamarinana sy ny fahamasinana

Tsy mitandrina lalàna, fa voahozona izay ambany lalàna. Ary tsy manamasina ny tenany na tsy manokana ny tenany

3.      

Ny famorana

Tsy mamora ny fo, manana fo vato.

4.      

Ny batisa

Batisan-jazakely na tsy mandray ny batisan’ny fanahy masina

5.      

Ny famantarana hateloan'andro sy hateloan'alina 

Tsy mino ny famantarana hateloan'andro sy hateloan'alina 

6.      

Ny fanajana ireo Sabatan'i Jehovah amin’ny fotoany avy

Tsy manaja manontolo ireo sabatan’i Jehovah amin’ny fotoany.

7.      

Ny fanavahana ny maloto sy madio

Tsy manavaka ny maloto sy madio fa madio avokoa ny zavatra rehetra

 

Ireo no fampitahana izay azo natao. Anjarantsika ny misafidy satria tsy natao ho terena isika fa nomena malalaka izany ka afaka manaraka izay heverintsika fa mety amintsika. Fa hoy ny Apostoly Paoly Filipiana 3:13 – 14 «13 Ry rahalahy, tsy mbola ataoko* fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, [* Na: (tsy nataoko)] 14 eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony* ao amin'i Kristy Jesosy. [* Na: ho any ambony] » Aza mbola mora kivy isika hoe izaho tena tsy nandeha tamin’izany marik’Andriamanitra izany mihitsy, tena tsy izany mihitsy no nalehako fahiny, aza kivy amin’izany fa hoy ny Apostoly Paoly manao hoe : hadinoy ny fahiny, fa ny ho avy no banjino hanatraranao ny tanjona eo anoloana, miezaha manatratra ilay marika dia ilay tombo’kasen’Andriamanitra, mba hahazoantsika ilay loka dia ny fiantson’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy. Mampahery anao hatrany amin’ny anaran’I Jesosy Kristy.

1.2     Ahoana no ahatsapanao fa efa ao aminao tokoa ny Fanahin’ny Fahamarinana ?

Amin’ity fanadihadiana manaraka ity dia hijery izay rehetra nilazan’i Jesosy Kristy an’izany Fanahy Masina izany isika.

« Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny. » 1 Jaona 4:13

«37 Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. 38 Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. 39 Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin’izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. » Jaona 7:37 – 39

Misy famantarana vitsivitsy izay tokony hitranga eo amin’ny olona iray raha toa ka nandray tokoa izany fanahy masina izany izy. Tsy zavatra na toetra terena hitranga izany, fa tonga ho azy, fanomezana. Ny filazana ireo eto dia mba handrefesantsika ny tenantsika tsirairay avy na efa tonga ao anatintsika marina na tsia ny Fanahy Masina.

1.2.1 Mitandrina ny didiny

Jaona 14:15 – 17 «15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. 16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, 17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.  »  

Ny teny hitantsika voalohany eto dia ny hoe: raha tia an’i Jesosy isika dia hitandrina ny didiny. Dia mazava be izany araka ireny fanadihadiana rehetra efa hitantsika tany ambony ireny, ary nampiany hoe: Izy hangataka amin’ny Ray mba hanomezany antsika Mpananatra. Ny tena dikan’ny teny hoe Mpananatra izany eto dia midika fa ny Fanahy Masina izany. Raha amin’ny teny Grika dia midika hoe “Parakleto” izany teny izany. Ny heviny dia  ny hoe, Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava. Izany hoe io Fanahy masina io na ny Fanahin’ny Fahamarinana io izany dia manampy  sy mampahery, ary afaka misolovava ny olona izay nomen’ny Ray izany Fanahy izany ka hitoerany.

Ny Fanahin’ny Fahamarinana dia voalaza ihany koa fa tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria ny olona nomena izany Fanahy masina izany dia izay olona tia an’i Jesosy ary mitandrina ny didiny, ireo ihany no nomen’ny Ray izany fanahy izany, izany hoe nandray ny Tombo-kasen’Andriamanitra. Efa hitantsika teo aloha fa tery ny làlana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no manaraka sy misafidy an’izany, ary malalaka sy migodana kosa ny mankany amin’ny fahaverezana ka dia mizotra mankany izao tontolo izao, satria tsy mitandrina ny didin’i Jesosy izy ireo izay midika hoe: ny didin’ny Ray ihany koa izany. Ny antony mahatonga izany dia tsy ao anatiny io Fanahy masina io. Noho izany dia tsy nisy nandray izany Fanahin’ny Fahamarinana izany ireo hafa firenena ireo, satria izany Fanahy izany no mitarika ny fitiavana an’i Jesosy Kristy. Ka ny fitiavana an’i Jesosy Kristy dia ny fitandremana ny didiny. Matoa tia an’i Jesosy Kristy dia tsy maintsy ho mahalala Azy aloha vao ho tia Azy. Ny ahatsapana voalohany izany fa ao anatin’ilay olona ny Fanahy Masina dia ny ahatonga azy hanaja sy hitandrina ny didin’ Andriamanitra ary tsy misy fanavahana izany didy izany, na sanatria hilaza indray ny olona fa hoe mavesatra ny didiny.

1Jaona 5:1–3«1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak' Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. 2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny. 3 Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. »

1.2.2 Mahay ny zavatra rehetra

Jaona 14:25 – 26 «25 Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26 fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. »

Averintsika ihany fa io Fanahy masina io na ny Fanahin’ny Fahamarinana io izany dia manampy  sy mampahery, ary afaka misolovava ny olona nandray Azy. Ny Fanahy Masina izany no manampy sy mampahery antsika hianatra ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro antsika ny zavatra rehetra izay efa nambaran’i Jesosy Kristy tamintsika. Raha tsy ao anatintsika izany ny Fanahy Masina, dia tsy afaka ny hianatra sy hahatsiahy izay zavatra rehetra nampianarin’ny Tompo antsika isika. Izany hoe raha tsy ao anatintsika izany ny Fanahy Masina, dia ho kely hery isika, sasa-poana isika na dia hiezaka ny hianatra na hanao tsianjery ny Soratra Masina, nefa tsy misy ho azontsika izay lazainy, na ho tsy ho lasa lalina ny fahaizantsika izany. Ka moa ve tsy mitovy amin’ireny olona izay milaza fa efa nahavaky ny Baiboly hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, ary efa in’telo na in’efatra mihitsy aza, nefa dia tsy misy zavatra azony ao, fa toa misy sarona manarona ny masony. Io Fanahy Masina io izany no fanalahidy ahafahantsika mahafantatra izay ambaran’ny Soratra Masina, ary hanome fitadidiana izay ambarany sy voasoratra. Izay no mahatanteraka ilay teny voasoratra manao hoe: Isaia 54:17 « Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon’i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah. » Deoteronomia 18:18 « Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin'ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy. »

Tsy ho tanteraka izany raha tsy ao anatinao ny tombo-kasen’Andriamanitra dia ny Fanahy Masina izany.

1.2.3 Mahay manambara sy mijoro ho vavolombelon’i Jesosy Kristy

Jaona 15:26 – 27 «26 Fa raha tonga ny Mpananatra*, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. 27 Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany. »

Ny Fanahy Masina no vavolombelona hanambara an’i Jesosy Kristy, ary raha ao anatintsika ny tombo-kasen’Andriamanitra na ny Fanahy Masina dia ho feno hery isika ka ho sahy hanambara sy hilaza ary ho vavolombelon’i Jesosy Kristy, satria izany Fanahy izany no hisolovava antsika hanambara Azy. Izany hoe raha tena ao anatintsika izany ilay Fanahy masina, dia izany no hitarika antsika tena hahay hanavaka sy hamantatra an’ilay tena Jesosy Kristy tena Izy, ka tsy ho menatra ny hanambara Azy sy hitory ny filazantsarany. Tena hahay handray ireo famantarana ahafantarana sy anavahana an’ilay Jesosy tena izy, dia ireto avy izany:

-         Maty tamin’ny antsasaky ny herinandro araka ny filazan’ny mpaminany Daniela (Daniela 9: 26-27)

-         Nilevina telo andro sy telo alina tao anatin’ny tany, toa ny nitoeran’i Jona telo alina sy telo andro tao ankibon’ny hazandrano lehibe. (Matio 12:38-42)

-         Nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo (Marka 8:31-32; Marka 9: 31-32; Marka 10: 33- 34)

Io Fanahy Masina io izany dia niaraka niaina tamin’i Jesosy Kristy tany amin’ny Ray ka tsy azo fitahina, fa mahafantatra Ilay tena Izy sy ny tsy izy.

1.2.4 Mahay mibebaka marina sy miala amin’ny fahotana

Jaona 16:7 – 11 «7 Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny  Mpananatra*; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy. 8 Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana: 9 ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy; 10 ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo; 11 ny fitsarana, satria ny andrianan’izao tontolo izao dia efa voatsara. »

Ny Fanahy Masina no hampihaiky ny olona ny fahotany, izany hoe tsy ho afaka ny hibebaka ny olona iray raha tsy efa ao anatiny ny Fanahy Masina. Ny mibebebaka izany dia tsy hoe mihaiky fotsiny an’ilay heloka izay natao fa tsy maintsy mikasa ny tsy hanao izany intsony, ary tsy hiverenana intsony izany. Dia midika izany fa tena miova tanteraka io olona mibebaka io, miova ny fiteniny, miova ny toetrany, manjary lasa malemy fanahy, miova ny fihetsiny, ny fitafiny, ny famindrany, sns… izany hoe tena lasa olom-baovao tanteraka izany ilay olona nibebaka. Ilay Fanahin’ny fahamarinana izay efa noraisiny satria efa nino an’ilay Jesosy Kristy tena Izy ny olona iray, dia izany no hitari-dalana azy ho amin’ny fiovana tanteraka, ka ahatonga azy hibebaka marina, sy hampihaiky azy fa mpanota tokoa izy teo aloha, ary dia hitarika azy ho amin’ny fahamarinana. Izay mino sy mahafantatra tsara an’Ilay Jesosy Kristy tena Izy, ary afaka mibebaka marina no hatao batisa: ka ny batisa dia tsy inona tsy akory fa:

-        fanekena fa hiara-maty amin’i Jesosy Kristy tena Izy amin’ny antsasaky ny herinandro, ianao sy ny asan’ny nofonao rehetra (Gal.5:19–21 «19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, 21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. »)  Ireo asan’ny nofo rehetra ireo izany dia tsy maintsy miara-maty amin’ilay Jesosy Kristy tena Izy rehefa hatao batisa ny olona iray rehefa avy nibebaka sy nianatra, namantatra tsara ilay Jesosy Kristy tena izy.

-       hiara-hilevina amin’ilay Jesosy Kristy tena Izy, telo andro sy telo alina ao anatin’ny tany, ny asan’ny nofonao rehetra, izany hoe tena tafiditra marina ao anatin’ny tena fibebahana marina izany, ary hiala tanteraka ao anatin’izany fatoran’ny asan’ny nofo izany ;

-       ary farany dia hiara-mitsangana aminy amin’ny andro fahatelo, izany hoe amin’ny andro sabata izany, fa tsy andro hafa, ka tena hitoetra marina ao anatin’ny asan’ny Fanahy tokoa, satria efa maty sy nalevina ilay asan’ny nofo nangeja antsika. Ny asan’ny Fanahy (Gal.5:22–25 «22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, 23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. 24 Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana. 25 Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. »)

Noho izany dia mila fantarina tsara izany ilay Jesosy tena tokony arahina mba tsy ilay sandoka no lasa hanaovana batisa anao, ka ho sasa-poana eo isika hilaza hoe: efa nibebaka tokoa aho, nefa tsy nisy fiantraikany eo amin’ny fiainanao akory izay mety ho fibebahana nataonao. Izay no mahatonga an’i Jesosy Kristy hilaza fa hoe: Matio 7:21 – 23 «21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. 22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] 23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. » efa manota sahady ny olona iray raha vao tsy mino Azy ilay tena Izy araka ny Soratra Masina.

Ambarany ihany koa fa ny Fanahy Masina araka izany, no hitarika ny olona ho amin’ny fahamarinana. Ka efa hitantsika tany aloha moa fa raha vao miresaka hoe fahamarinana izany, dia tsy maintsy misy refy na fitsipika handrefesana ilay olona na zavatra mitranga eo ka hilazana azy hoe marina izy na tsy marina. Raha olona izany no resahina hoe marina na tsia dia mazava ho azy fa ilay didy sy lalàna ary fitsipika no handrefesana azy. Dia efa hitantsika teo aloha ary fa ny Fanahy masina ihany no hitarika ny olona hitandrina ny didy sy ny fitsipik’Andriamanitra.

1.2.5 Mitari-dalana amin’ny marina rehetra

Jaona.16:13–15«13 Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo14 Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. 15 Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. »

Ny Fanahin’ny Fahamarinana no hitari-dalana antsika ho amin’ny marina rehetra. Ny famaritana  ny teny hoe marina moa dia efa vitantsika tany aloha; Tsy maintsy misy lalàna sy fitsipika voapetraka mialoha izany ao aloha, vao afaka mitsara ny olona iray na marina ny zavatra iray na diso. Ka raha ara-tsoratra masina izany, raha vao miteny isika hoe: fahamarinana dia efa mazava ho azy fa efa misy didy sy fitsipika mipetraka mialoha ao izany. Dia tsy mahagaga i Jesosy Kristy raha hilaza hoe «45 Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo. 46 Fa raha mba nino an’i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy. » Jaona 5:45 – 46. Raha milaza izany i Jesosy Kristy fa i Mosesy no hiampanga antsika fa tsy Izy, dia milaza amintsika ankolaka sahady Izy izany, fa i Mosesy dia midika fa didy sy fitsipika, satria i Mosesy no nomena an’izany didy sy fitsipika izany tany Horeba. Tsy i Jesosy Kristy ihany no manambara an’izany fa na dia i Jehovah aza, izay Tompon’ny zavatra rehetra, dia efa manamafy an’izany ihany koa: « Tsarovinareo ny lalàn’i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin'ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika. » Malakia 3:22

Midika izany fa izay itoeran’ny Tombo-kasen’Andriamanitra dia ny Fanahy Masina dia hahay hanaja ny didy sy ny fitsipika rehetra, ary ahafantatra ny marina rehetra. Ary ny olona hitoeran’ny Fanahy masina izany dia olona tsy matahotra ny hilaza ny marina, tsy matahotra ny ampianatra satria ilay Mpananatra no efa nomena azy ka manampy azy, dia mahery hatrany izy na dia sarotra aza izany.

1.2.6 Afaka mamita iraka

Jaona 20:21 « Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. »

Rehefa mandray ny tombo-kasen’Andriamanitra dia ny Fanahy Masina dia afaka mamita iraka toa an’i Jesosy Kristy, izay namita iraka ihany koa. Tsy mora no manan-tateraka an’izany, raha tsy eo ilay Mpananatra izay mitari-dalana antsika ho amin’izany, mila mpisolovava isika hanao izany iraka izany, mila hery sy tanjaka ihany koa, satria ho irahiny isika ho eo ampovoan’ny amboadia, ka mila ny fitarihan’izany Fanahy izany.

Matio 10:16 « Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia*; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà** tahaka ny voromailala.»

Inona izany iraka nampanaovin’i Jesosy Kristy izay olona nandray ny FANAHY MASINA  izany?

 Matio 28:19 – 20 «19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina 20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan’izao tontolo izao. »

1.2.6.1                 Inona avy ireo iraka asainy atao?

Ireto avy izany ny iraka izay tsy maintsy hataon’izay nandray ny Fanahy Masina:

1.2.7 mandehana mampianatra ny olona rehetra.

 Ka moa ve afaka ny hampianatra raha tsy efa avy nianatra tsara sy notarihin’ny Fanahy masina ihany koa? Noho izany dia mila mazoto mandinika ny Soratra Masina tsara izany isika, indrindra ireo didy sy ny fitsipika rehetra, mba ho afaka ny hianatra tsara ary dia mba hampianatra ihany koa rehefa avy eo; Deoteoromia.11:19 « ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha an-dalana, na mandry, na mifoha; »

-       Rehefa vita izany dia manao batisa ireo izay efa nianatra tsara, ka nino ary nibebaka marina tokoa.

-       Ireo izay vita batisa kosa dia ampianarina hitandrina tsara ny didy sy ny lalàna izay efa nandidian’i Jesosy ho tandremantsika (jereo ny lesona any ambony) Marka 16:16–18 «16 [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] 17 [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola

hainy izy;] 18 [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny] »

1.2.7.1                 Inona avy ireo famantarana hanaraka izay mino ?

Hisy famantarana hanaraka izay olona mpamita iraka izany eo, ka ireo mpamita iraka ireo dia:

·     Hamoaka demonia amin’ny anaran’i Jesosy Kristy

·     Hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy, (izany hoe hitory ny filazantsara izany);

·     Handray menarana nefa tsy hampaninona azy izany;

·     Na hisotro zava-mahafaty aza dia tsy hampaninona azy izany; izay hoe tsy hatahotra izay herin’ilay ratsy mihitsy fa mahatoky tanteraka.

·     Hametra-tanana amin’ny marary dia ho sitrana ireny

1.2.8 Afaka mamafa heloka

Rehefa mandray ny Fanahy Masina ihany koa izany dia afaka mamafa heloka na mitazona heloka.

Ahoana izany hoe mamafa heloka izany ?

mamafa heloka = Manasitrana

Lioka 5:20 – 25 «20 Ary raha hitan’i Jesosy ny finoan’ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao. 21 Fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy* Ity? [*Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9.3] Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany? 22 Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo? 23 Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana? 24 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana ety ambonin'ny tany hamela heloka - dia hoy Izy tamin’ilay mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. 25 Ary tamin’izay dia nitsangana teo anatrehan'ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an'Andriamanitra. »

Io famafana heloka io no nentin’i Jesosy Kristy nanasitranana tamin’izany fotoana izany. Midika izany fa misy aretina izay mitranga amin’ny fiainan’ny olona, izay azo avy amin’ny fahotany, ka rehefa voavela heloka izy dia sitrana amin’izany aretina mangeja azy izany. Misy tranga iray hafa ihany koa izay azontsika hanamporofona an’izany: Jaona 5: 1 – 16

Efa hitantsika teo ambony fa ny olona nandray ny tombo-kasen’Andriamanitra na ny Fanahy masina dia olona mpamita iraka, ka anisan’  izany ny fametrahan-tanana amin’ny marary sy ny hanasitrana ireny. Fomba iray entina hanasitranana ny olona ihany koa izany ny famelana heloka, ka dia izany no ampianarin’i Jesosy eto. 2Korontiana 2:10a« Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; » Mbola endrika iray hafa izay tena hahatsapana ny fifamelan-keloka ihany koa ny fifanasan-tongotra!, izany dia tena mariky ny fanetren-tena lehibe, ary dia tena tokony hatao tokoa, raha tena kristiana ny olona iray. Jao.13:13–14 «13 Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.14 Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. » Moa misy izany ve ao amin’ny fiangonana lazaina fa Kristiana harahinao! Raha tsia ny valiny dia mivoaha tao fa tsy izy izany.

1.2.9 Afaka miaro tena amin’ny fandrika ataon’ilay ratsy

Jaona 8:3 – 11 «3[Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ary rehefa napetrany teo afovoany izy,] 4 [dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tanana nijangajanga] 5 [Ary ao amin'ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22. 22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao?] 6 [Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany] 7 [Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany] 8 [Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tànany] 9 [Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin'ny zokinjokiny ka hatramin'ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo] 10 [Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?] 11 [Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony] »

Na dia nofandrihana sy saika hasian-dratsy aza i Jesosy Kristy dia tsy nahavoa azy izany satria teo hatrany ny Fanahy Masina nitari-dalana Azy.

1.2.10                    Mandroaka devoly

Asan’ny Apostoly 10:38 « Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy. »

Raha ao amintsika tokoa izany ny tombo-kasen’Andriamanitra na ny Fanahy Masina, dia hanjary hanana fahefana handroaka ny devoly sy ny asan’ny maizina isika. Asa tokony atao sy tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny olona vita batisa tena izy izany io fandroahana ny devoly io.

1.2.11                    Fiteny maro samihafa

Asan’ny Apostoly 2:8 – 12 «8 Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika 9- dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia 10 sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an’i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy  na proselyta, 11 Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra? 12 Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr’izany? »

Zava-dehibe io fitenenana amin’ny fiteny maro samihafa io, satria dia maro tokoa ny manao dika vilana azy io. Misy ny olona no milaza fa rehefa miteniteny foana manao hoe alabady albaka, sns… dia efa miteny amin’ny teny tsy fantatra izay!!, fa raha ny voasoratra dia izao, mahay miteny amin’ny fitenim-pirenena maro samihafa no lazainy eto, izany hoe afaka mitory manerana ny vazan-tany efatra izany. Eto dia tsy olona iray no nahay ireo fiteny maro ireo, fa mpianatra maromaro no niaraka nanao izany, ary dia samy nandre ny filazantsara tamin’ny fiteniny avy ireo hafa firenena izay tonga nanatrika teo. Raha ny ohatra iray azo tsapain-tanana tamin’io fiteny tsy fantatra io, dia ny fandikana ny baiboly ho amin’ny fiteny maro samihafa, araka izay efa nahitantsika azy tany aloha. Io ilay nambaran’ny bokin’ny Fanambarana manao hoe: Apokalypsy 3:8a « Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), » Ilay Tenin’Andriamanitra izay efa voadika tamin’ny fiteny maro samihafa ka lasa eny an-tanan’olon-tsotra, ary dia vakiany sy dinihiny ary ampiasainy amin’ny fiainany an-davan’andro no tiany resahina amin’io varavarana mivoha ka tsy misy maharindrina azy io intsony. Izany hoe raha norarana izany ny famakian’ny olon-tsotra ny baiboly tany aloha, dia ankehitriny kosa dia tsy misy antony afaka hanakana intsony ny olon-tsotra tsy hanana na handinika ny baiboly, raha tsy hoe angaha, ilay olona mihitsy no efa tsy te hanana an’izany ho eo an-tanany. Isika ihany koa izany raha hita ao amintsika ny tombo-kasen’Andriamanitra na ny Fanahy Masina dia ho afaka hitory ny filazantsara amin’ny olona rehetra isika hatrany amin’ny faravazan-tany.

1.2.12                    Faminaniana

Asan’ny Apostoly 19:2 – 6 «2 ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. 3 Ary hoy Paoly: Ho amin’inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan’i Jaona. 4 Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. 5 Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran’i Jesosy Tompo. 6 Ary rehefa nametrahan’i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany. » Ny olona efa nandray ny tombo-kasen’Andriamanitra na ny Fanahy Masina izany dia afaka ny mino sy mitory ho vavolombelon’i Jesosy kristy, ary dia maminany ihany koa.

1.3     Tandremo ny fanahinareo

Raha tena hiroso tena hivavaka tokoa ary isika, dia tsy maintsy mitandrina izany Tombo-kasen’Andriamanitra na ny Fanahy Masina izany, satria araka ny efa nahitantsika azy hatrany ampiandohana dia fantatsika tsara fa izay mivavaka amin’ny Ray dia tsy maintsy mivavaka aminy, amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. Fitaovana entina manatsara ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra izany ny Fanahy, ka dia mila tandremana tsara tokoa, satria raha efa nomena antsika aza izany ka tsy tandremantsika, dia ho lasa tsy ho tafatoetra ao anatintsika izany.

1.3.1 Ahoana izany hoe mitandrina ny fanahy izany?

Misy fepetra maromaro tokoa izay napetrak’i Jehovah mba ho tandremantsika ahazoana izany fanahy araka an’Andriamanitra izany, ka ahatonga antsika ho tsara fifandraisana aminy.

1.3.1.1                 Ny sakafo

Tafaverina hatrany ao anatin’ireo resaka ireo isika, satria dia hiankinan-javatra lehibe tokoa izany. Tsy ho asiana resaka lava intsony fa avy dia ny tenin’i Jehovah no apetratsika: “ Levitikosy20:25 « Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin'ny biby, na amin'ny vorona, na amin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto. »” Mila manaja ny sakafo izany isika mba tena hananantsika fanahy tena masina, sy tsy voavetaveta ho an’i Jehovah.

1.3.1.2                 Manaja ny fanambadiana

Malakia 2:15 « Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany ? Fa inona andrefa no notadiavin'ilay anankiray? Taranaka araka an'Andriamanitra*. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany. » Anisan’ny fanajana sy fitandremana ny Fanahy ihany koa izany ny fanajana ny vady, araka ny fepetra rehetra izay efa hitantsika tany aloha ireny.

1.3.1.3                 Tsy miteny fitaka, tsy mandainga

Malakia 2:16 « Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo. » Tsy mahatsara ny fanahy ihany koa izany ny famitahana na ny lainga, na ho an’ny vadinao na ho an’ny manodidina anao. Mila mitandrina ny lelantsika izany isika, mba tsy ho simba ny fanahy .

1.3.1.4                 Manaja ireo sabatany amin’ny fotoany

Jer 17:21 « Izao no lazain'i Jehovah: Tandremo ny fanahinareo, ka aza mitondra entana amin'ny andro Sabata, ary aza mampiditra entana: amin'ny vavahadin'i Jerosalema; » Anisan’ny fitandremana ny Fanahy ihany koa izany ny fanajana ireo Sabatany amin’ny fotoany avy. Izany fitandremana ny andro sabata izany dia nasiany fepetra : hoy Izy hoe Aza mitondra entana sy hoe, aza mampiditra entana amin’ny vavahadin’i Jerosalema.

Ahoana tokoa izany? Raha jerena maimaika izany teny izany, dia avy dia hilaza isika hoe: ho an’ny Zanak’isiraely fotsiny izany satria eto amintsika tsy misy vavahadin’i  Jerosalema izany.

Aleo ho jerena tsirairay dia ho mihamazava ihany izay tiany ambara:

1.3.1.4.1                   Aza mitondra entana amin’ny andro sabata

Ny antsoina hoe « entana » dia zavatra entina eny an-tanana, na lolohavina, na babena, izay mety ho maivana na mavesatra, mety ho kely na lehibe, ary mety  manelingelina ihany koa na tsia, izay bataintsika manaraka antsika raha andeha isika. Ny hoe mitondra entana amin’ny andro sabata izany dia midika fa mitondra zavatra entina manaraka antsika, izay mety mavesatra na maivana, na manelingelina na tsia antsika isika amin’ny andro sabata. Tsy voatery hoe ara-bakiteny io, ka hoe rehefa tsy miloloha kitapo feno vary aho amin’ny andro sabata dia efa tsy mitondra entana izay. Fa misy ihany koa ny hevitra ara-bakiteny, izay hinoako fa io no tena tiany ambara satria tsy mampifantoka intsony ny mpino izany entana entiny amin’ny andro sabata izany, dia ny olana maro isan-karazany misy eo amin’ny fiainany : na olana ara-bola izany na tsy fahampiana, na ara-pifandraisana amin’ny samy olombelona, na olana ara-pitiavana, na olana ara-pianarana, na arak’asa, sns…) Lasa tsy mitsahatra tanteraka intsony izany ilay mpino, ka tsy ampy fifantohana amin’ Andriamanitra. Lasa tsy tena hanaiky fa Izy no Mpamorona izao rehetra izao,  fa lasa miheritreritra ilay olana mitambesatra aminy ilay mpino, ka very ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Manimba ny Fanahy ihany koa izany ny fitondranao sy ny fibatanao ny entanao amin’ny andro sabata. Izany dia toa ilay ohatra iray izay efa diso haintsika loatra hoe: nisy vehivavy lehibe iray niloloha entana fa handeha alavitra ka nisakana fiara-pitanterana. Rehefa nijanona ny fiara dia niditra ilay vehivavy niloloha ny entany, ka na dia efa ao anaty fiara lehibe aza izy, dia mbola nololoaviny ihany ny entany fa tsy napetrany. Dia toy izany ny olona izay mbola mibata entana amin’ny andro sabata, mila mitsahatra tanteraka isika amin’izany andro sabata izany, mametraka ilay ady ho an’Andriamanitra satria Azy ny ady fa isika kosa hangina.

1.3.1.4.2                  Tsy mampiditra entana amin’ny vavahadin’i  Jerosalema

Efa hitantsika tany ambony, fa raha te ho mpanompon’i Jehovah isika dia mitandremana izay jeren’ny maso, mba ho tena jamba tokoa amin’ny zavatra tsy mahasoa eo amin’izao fiainana izao, sy izay renesin’ny sofina mba ho tena ho marenina tokoa ny amin’ny zavatra tsy mahasoa. Ireo no vavahadin’ny tenantsika. Koa satria efa hitantsika tany ambony fa isika dia zanak’Andriamanitra, taranaka voafidy, ilay zanak’isiraely vaovao, dia midika izany fa any Jerosalema isika no mipetraka fa tsy any babylona.  Ilay tenantsika izany no ilay Jerosalema, ary ny maso sy ny sofina no ilay vavahady hidirana ao. Ka ny hoe tsy mampiditra entana eo amin’ny  vavahadin’i Jerosalema amin’ny andro sabata izany dia midika, fa tsy mampiditra zavatra hafa tsy mampifantoka ny saina amin’izany andro sabata izany, ohatra hoe: mijery film na horonantsary tsy mendrika, mijery zavatra mampisy fankam-panahy, na ny mihaino ihany koa aza hiran’izao tontolo izao, ny manao facebook sns… dia tsy mahatsara ny fanahintsika. Aza mampiditra ota ao amponao sy ao amin’ny tempoly masina amin’ny andro sabata. Nefa ihany koa aza mampiditra ota na fahatezerana, izany hoe mahatonga fanafintohinana, na alahelo eo amin’ny namanao indrindra amin’ny andro sabata.

1.3.1.5                 Mitia sy manaja ary matahotra an’i Jehovah

Deo 4:9-10«9 Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan'ny masonao, ary andrao miala amin'ny fonao izany, amin'ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany, 10 dia izay hitanao tamin'ny andro izay nitsangananao teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony ety amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin'ny andro rehetra hiainany ambonin'ny tany sady hampianariny ny zanany koa. »

Ny fanajana ny didy , izay nomena tany Horeba sy ny fianarana izany, ary ny fahatahorana an’i Jehovah dia anisan’ny fitandremana ny fanahy ihany koa.

Josoa 23:11 « Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo. » manamarina hatrany ny fanadihadiana rehetra izay efa hitantsika tany ambony ireo andalan-teny rehetra ireo.

2         Ny valisoa omeny izay mitoky aminy

Jehovah Andriamanitra tsy mba jamba na koa matory, fa mahita izay rehetra ataontsika sy miseho na aiza na aiza ny toerana misy antsika. Ny andrasany amintsika dia ny hanaovantsika ny sitrapony, sy hitoerantsika ao anatin’ny fahamarinana, ny hitondrantsika ilay tombo-kase marina avy aminy. Ary raha ataontsika izany ny sitrapony, dia ho hitany sy ho tsapany izany, ka Izy hamaly izay hataontsika araka izay tandrifin’ny asantsika avy:

2.1     Raha tsara ny nataontsika

Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, hasandratr’i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao; ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao: 

Ø Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. (Ny marina dia ireo izay manaja sy mankatoa ny didy sy lalàna ary ny fitsipiky Jehovah)

Ø Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy. Ireo izay manana fo nofo araka izany no ankasitrahany fa tsy ireo izay manana fo vato. 

Ø Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany. 

Ø Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza. 

Ø Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy

Ø Ity olo-mahantra ity niantso ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra

Ø Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy

Ø Sambatra izay olona mialoka aminy, fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.

Ø Fa izay mitady an’i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory, ary omeny fiainana sy andro maro hahitana ny soa

Ø Hotahina ianao ao an-tanàna, ary hotahina ianao any an-tsaha.

Ø Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao.

Ø Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.

Ø Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka.

Ø Hatolotr’i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao. 

Ø Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.

Ø Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin'ny làlany. 

Ø Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran’i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.

Ø Ary hataon’i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany izay nianianan’i Jehovah tamin'ny razanao homena anao. 

Ø Hovohan’i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra.

Ø Dia hataon’i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany

Toy izao no tena fomba nilazany an’izany:

Deoteronomia  28:1 – 14 « 1[Ny soa izay ho valin'ny fanarahana an’i Jehovah, ary ny loza izay hanjo ny miala aminy kosa] Raha mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr’i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao; 2 ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao 3 Hotahina ianao ao an-tanàna, ary hotahina ianao any an-tsaha. 4 Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao. 5 Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao. 6 Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka. 7 Hatolotr’i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao. 

8 Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao. 9 Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah , araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin'ny lalany. 

10 Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran’i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy. 11 Ary hataon’i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany izay nianianan’i Jehovah tamin'ny razanao homena anao. 

12 Hovohan’i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra. 13 Dia hataon’i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin’i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy. 14 Ary aza miala amin'ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy. » 

Maro ireo resaka efa nataontsika teo aloha, ary dia saika mifantoka tanteraka tamin’ny hoe: velona Jehovah, tsy niova izy na omaly, na ny anio, ary dia mbola tsy hiova ihany koa izy na dia ho mandrakizay aza. Tsy mandainga Izy fa izay rehetra notononiny dia tsy maintsy efainy avokoa. Izay mivavaka aminy araka izany dia tsy maintsy mivavaka aminy amin’ny Fanahy sy ny fahamarinana. Ka izany rehetra izany dia efa samy hitantsika avokoa, ka noho izany dia mila mivelona ao anatin’izany fahamarinana izany isika, mila voatomboky ny tombo-kasen’Andriamanitra isika raha tena te hivavaka aminy tokoa, mila mitandrina ny fanahy, ary mikatsaka ny ahazoantsika ny fahamasinana. Jesosy Kristy no ilay Teniny Tonga nofo ka niara-nonina tamintsika, ary izany no nahatanteraka ilay anaran’i Jesosy izay midika hoe Jehovah Monina amintsika. Noho izany dia tsy nisy niova izany ny Tenin’Andriamanitra rehetra na tany amin’ny testamenta taloha na ny tamin’ny testamenta vaovao. Mila mitandrina ny varavaran’ny tempolintsika isika, dia ny maso sy ny sofina raha tena hanompo Azy. Ka ny fankatoavantsika izany sy ny fanekentsika amin’ny fotsika fa mino sy mahatoky Azy, ary ny fanekena ny hiasan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika dia midika fa manaraka sy mankatoa Azy isika, ary dia ho tanteraka eo amin’ny fiainantsika tokoa ireo teny rehetra izay midika ho tsodrano nambarany teo ireo. Raha ny Fanahy Masina tokoa no mitarika sy mibaiko ny fiainantsika dia tsy ho sahirana isika hanaraka ireo didy sy ny fitsipiny rehetra ireo, ary dia manjary ho toetrantsika andavan’andro izany. Ireo no hamantarany antsika sy hanamarihany antsika fa tena anisan’ireo olona mpankatoa sy mino Azy isika. Izy dia mahafantatra ireo olony ireo: mihaino sy mamaly, miahy sy mamahana azy ireo, mampitafy, miaro amin’ny loza, manome izay soa rehetra heveriny fa mahatsara ireo mpanompony.

Fa hahitantsika ihany koa anefa io teny voasotra araka ny Salamo faha 34 io, fa tsy voatery hahita fahasambarana feno tanteraka isika raha miaraka aminy. Mipetraka ho zanak’Andriamanitra isika, satria mankatoa ny teniny. Tsy safosafo mandrakariva anefa no azon’ny zanaka amin’ny rainy, fa misy ihany koa ny famaizana, misy ny kapoka, satria tiany isika. Tiany isika ka dia asiany amin’ny tsorakazoOhabolana13:24 « Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely. »

Ohabolana22:15 « Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy. »

Ohabolana29:15 « Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny. » Tsy midika ho tsy fitiavana ny famaizana, fa mba hialantsika amin’ny làlandratsintsika no mahatonga azy hikapoka. Mety hisy ny fitsapan-toetra na fisedrana hiseho, satria izay no nahatonga Azy nanambara ireto andalan-teny vitsivitsy ireto:

Mitaraina ny marina, maro ny fahoriany: eny na dia manao ny marina aza isika dia mety mbola hisy ihany ny fahoriana, sy ny zavatra mampitaraina (zavatra maharary mahatonga taraina, na ara-nofo na ara-panahy…) satria mazàna dia tsy zakan’ny fiaraha-monina misy antsika ny fanaovana ny marina ka henjehiny, harabiany, potehiny isika izay mitana ny fahamarinana, ka mitaraina sy tsy mahatanty. Fa saingy inona no maha-samihafa antsika amin’ny olona tsotra? Jehovah mamonjy antsika amin'ny fahoriana rehetra, ary manafaka antsika amin’izany rehetra izany. Nefa Jehovah tsy mba manome izay fahoriana mety tsy ho zakantsika; eny mety hisy ihany koa ireo karazam-pahoriana entiny hitsapana antsika: kanefa moa ve maharitra sy mahatoky isika sa naman’ireo izay mihemotra?

Mangorakoraka ny fo, ary torotoro ny fanahy: tsy ny zavatra mahafinaritra akory no mampangorakoraka ny fon’ny olona iray na mahatorotoro ny fanahiny, fa misy antony izay mitarika alahelo sy ratra anaty ka manempotra izay hiarany. Miseho ireo toe-javatra ireo rehefa be ny alahelo izay hateraky ny tsy rariny hataon’ny olona sasany eo amin’ny fiarahamonina. Jehovah dia mahafantatra izay tena ao anatin’ny fontsika. Izy dia tsy tia izay manana fo vato sy tsy mba mandefitra, fa mankasitraka kosa ny fo nofo, sy ireo izay tena mitady azy amin’ny fony manontolo tsy misy fitaka. Raha miseho aminao ireo dia aza kivy fa efa nambarany fa: Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torotoro fanahy. Anjarantsika no manantona Azy fa eo akaikintsika Izy.

Olo-mahantra:

Joba 36:15 « Fa ny fahorian'ny ory kosa no entin'Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny. »

Eny mety ho olo-mahantra tokoa no maro mitady an’i Jehovah. Io karazam-pahantrana io dia misy endrika maro:

-       Fahantrana ara-nofo: tsy fananam-bola, sy ny fahoriana maro

-       Fahantrana ara-panahy: mety manam-bola be sy harena nefa tsy manana fiadanan-tsaina, eny fiadanam-panahy fa mikorotan-dava.

-       Fahantrana ara-pitiavana: mety ho olona feno fahasiahana, tsy mahay miara-monina aman’olona, kizitin-dava, mora tezitra; na ihany koa nilaozan’ny olon-tiany, na ankahalain’ny fiarahamonina, noho ny fanavakavahana amin’ny endriny maro (na volon-koditra, na firazanana, na harena sy fananana

-       Sns

(mahantra ara-bola, mahantra ara-pitiavana, mahantra ara-panahy,…) Fa ny olo-mahantra tsy mba manan-kianteherana afa-tsy Jehovah Andriamanitra. Nefa hoy Jehovah: Ity olo-mahantra ity niantso ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra Aho.

Sambatra izay olona mialoka aminy, fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.

Fa izay mitady an’i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory, ary homeny fiainana sy andro maro hahitana ny soa.

Ny fanahin'ny mpanompony: fa isika isan’andro dia ho tsaraina amin’ny fanahy hananantsika. Na ho fanahy ratsy na ho fanahy tsara no ao anatintsika dia samy ho tsaraina araka izany avokoa isika. Hoy Jehovah tamintsika: Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy, fa hahafaty kosa ny ratsy fanahy amin’ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohiny.

Tapaka ny taolany: matoa tapaka ny taolana iray dia noho ny dona mafy nahazo azy, (loza maro isan-karazany, fianjerana, kapoka …) mety hiseho tokoa izany saingy isika efa nanambaran’i Jehovah fa hoe: Miaro ny taolana rehetra Izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza, teny nampanantenain’i Jehovah izany ka tsy maintsy tanteraka araka izay nilazany azy raha mahatoky sy mino Azy isika. Mety hiseho tokoa ny loza saingy mahagaga ny ho fisehony amin’ny olona tena mahatoky Azy, fa toy ny nisy tanana niaro izy, ka voaharo tanteraka amin’izany, satria hasehony miharihary hatrany ny voninahiny isan’andro. Satria ny Anjelin’i Jehovah dia mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.

Izany rehetra izany dia hitantsika araka izay efa voasoratra etsy ambony ao Salamo 34.



Ary dia hamafisina izany aty amin’ny filazantsara nosoratan’i Matio:

Matio 6:25 – 33 « 25 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana? 26 Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? 27 Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany* na dia kely monja** aza? [* Na: Ny halavan'ny tenany] [** Gr. Hakiho iray] 28 Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo* any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny;[*Karazan'ny lilia] 29 nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny. 30 Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana? 31 Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? 

32 Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. 33 Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » 

 

Eto dia mazava sy nohamafisiny fa ho azontsika sy efa omeny antsika ny zavatra rehetra fa ny hany andrasany amintsika, dia ny fanekentsika Azy, mila manaiky isika fa Izy no Mpamorona izao rehetra izao, Izy no Tompon’izao rehetra izao, Izy no Mpanjakan’ ny mpanjaka, ary Andriamanitry ny andriamanitra rehetra.

Ary ny manaraka izay dia ny hitadiavantsika ny Fanjakany, sy ny hankatoavantsika Azy andro aman’alina, miaraka amin’ilay Fanahy sy Fahamarinany. Fa raha tena katsahantsika izany rehetra izany dia Izy no handrindra sy hitantana ny fiainantsika ka homeny antsika izay ilaintsika isan’andro.

Salamo 85:8 - 13 « 8 Hihaino izay holazain’i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy, dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo. 9 Eny tokoa, akaikin’izay matahotra Azy ny famonjeny, mba hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny tanintsika10 Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana. 11 Ny fahamarinana mitsimoka amin'ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra. 12 Eny, Jehovah hanome ny tsara ary ny tanintsika hahavoka-javatra. 13 Ny rariny no hialoha Azy, sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana. »

Hitantsika teo ny fanalahidy iray takian’i Jehovah amintsika mba tena hahafahantsika miray tanteraka aminy ao amin’ny fahasoavany. Anjarantsika ny manatanteraka na tsia izay rehetra voalaza, izay marihako tsara fa tsy mba noforoniko, izaho mpanoratra fa mazava ny voalazan’ny soratra rehetra hitantsika teo, ka izay teny nambaran’i Jehovah ihany no nambara sy novoasana teo.

2.2     Raha ratsy kosa no nataontsika:

Ny tavan’i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa:

Ø Hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy. 

Ø Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana;

Ø Ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina. 

Ireo rehetra ireo no aniasan’ny fanalahidy izay hangatahan’i Jehovah ho

2.2.1 Andriamanitra mamaly izay mivadika aminy ka tsy mankatoa ny didiny

Satria efa nambarany fa sarotra ho an’ny olona ny hanompo tompo roa dia Andriamanitra sy ny vola na ihany koa Andriamanitra sy ny fahasambaran’ny tany. Eo koa ilay tsy fahazarana miaina miaraka Aminy, dia manadino Azy isika rehefa mba mahazo fitahiana, ka mahatsiaro ho afa-pahoriana, na somary sambatra. Ohatra iray no ho entintsika manoan-kevitra eto: mba firy amin’ny olona voalaza sy milaza fa mpivavaka no mahavita misaotra ny anaran’i Jehovah raha mba nahazo sakafo isan’andro, ary vao mainka tena vitsy no mahavita ny manao vavaka fisaorana rehefa avy misakafo. Io no mahatonga ny olona sasany voalazan’ny fiarahamonina fa miadana, mpanan-karena, mpanabola maro toa lasa manadino an’Andriamanitra ary lasa mitoky amin’ny herin’ny fananany sisa. Tsy tsapany intsony fa noho ny fitahiana azony no nahazoany izany ka tsy tokony hihevi-tena ho zavatra izy, fa hahatsiaro Ilay nanome azy izany fitahiana lehibe izany, ka hahay hisaotra.

Isika dia mahatsapa matetika fa toa sasa-poana na toa rerak’aina fotsiny ihany amin’ny fisasarantsika sy ny amin’izay mba hahasoa ny fiainantsika andavan’andro; Ary koa toa very anjavony avokoa ireo rehetra izay hikelezantsika aina. Tsy fantatsika mihitsy ny mety ho anton’izany, ka mahatonga antsika hihevitra zavatra hafa ho antony (toy ny hoe nisy nisompatra ny fiainako, na nisy namosavy, nisy nanozona, angamba nanota fady….), ary izany aza no vao mainka mahatonga ny maro hivarilavo handeha amin’ny làlana tsy izy (mandeha mitady mpanandro, na mpisikidy, na mpimasy, sns) ka mampirehitra ny fahatezeran’ Andriamanitra. Fa tsy vitsy no mihezaka mitady ny fomba rehetra hanatsarana izany fiainany andavanandro izany, eny fa na dia ny fanambakana ny namana aza dia atao avokoa, satria mahatsapa ilay tsy fahampiana. Mahatsapa fa osa sy malemy ka mikatsaka izay fomba tsotra hahazoana vola sy harena amin’ny fomba haingana. Maro anefa no mihevitra fa efa manao ny marina izy na ihany koa, tsy tsapany intsony ilay zavatra tsy mety fanaony, lasa heveriny fa mety izany ka dia tsy mampaninona azy ny fanaovana izany. Nefa tsarovy fa mijery antsika Jehovah ary mamaly izay rehetra ataontsika:

Mika 6:8 – 16 « Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena 9 Manaitra ny tanàna ny feon’i Jehovah , ary mahita ny anaranao ny hendry*; henoinareo ny tsorakazo sy izay nanendry azy 10 Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon'ny ratsy fanahy sy ny famarana* tsy ampy izay voaozona? 11 Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga sy kitapo misy vato tsy marina? 12 Fa feno loza ny mpanankarenany, mandainga ny mponina ao aminy, ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany. 13 Izaho kosa dia hikapoka maharary anao amin'ny fandringanako anao noho ny helokao. 14 Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin'ny sabatra. 15 Hiantso hamafy, nefa tsy hijinja; Hianao hanosihosy oliva, nefa tsy hihosotra diloilo, ary hanosihosy ranom-boaloboka, nefa tsy hisotro divay; 16 Fa fatra-pitandrina ny lalàn’i Omry sy ny asan'ny taranak’i Ahaba rehetra ianareo sady manaraka ny fisainany, mba hanolorako anao ho figagana, ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, ka dia hitondra ny latsan'ny oloko ianareo. »

Maro tokoa isika amin’izao vaninandro hiainantsika izao, no mahatsapa io kapoka namelezan’i Jehovah ny fiainantsika io, ary dia tena hiainantsika isan’ andro mihitsy aza izany, saingy tsy fantantsika fa kapoka avy tamin’i Jehovah izany mihatra amin’ny fiainantsika izany:

-       Mihinana nefa tsy ho voky, fa mbola ho ao anaty ihany ny fahanoanana;

-       Mampirina mba hanan-tahiry, nefa tsy mahatahiry, ary izay voatahiry aza dia lasan’ny jiolahy na voaroban’olon-kafa. 

-       Mamafy nefa tsy hijinja; na ihany koa manomboka asa fa tsy mihinana amin’ny vokatr’izany asa izany.

-       Manangan-javatra fa tsy mahatanteraka hatramin’ny farany fa mijanona an-tenantenany

-       Tsy hisy fihariana ho vanona fa toa ho sahiran-dava.

Fa inona no tena antony ?

Tsy noho ny inona no mahatonga izany, fa noho ireo otantsika izay tena lasa zary raiki-tapisaka amintsika, ka lasa heverintsika fa zavatra toa ara-dalana amin’ny fiainantsika. Ny ilazany izany amin’ny soratra masina eto, dia ny hanambarany santionana asa fanaontsika isanandro, (izay filazana  ohatra iray amin’ny asa fiariana hiainantsika an-davan’andro ihany io) dia ny mpivarotra mampiasa famarana, sy mizana mandainga, hanambakana ny mpividy, araka izay hitantsika voasoratra teo ambony (Mika 6 : 11 – 12) Nefa eto, dia azo lazaina fa tena betsaka ireo fanaontsika mahazatra, amin’ny fiainantsika isan’andro, no mitovitovy amin’io, ary samy tsy misy hankasitrahany antsika. Ao ihany koa ny lainga sy ny fitaka lasa toa fahazarantsika, ka dia manjary toetra raiki-tampisaka eo anivon’ny fiarahamonina izany; lasa tsy mampaninona ny fitaka sy ny lainga. Izany no hamaliany antsika amin’ny fahatezerany, ka mahatonga ny fiainantsika tsy tomombana araka ny tena fikasantsika sy ny tokony ho izy.

Ho fampianarana antsika handeha amin’ny fahamarinany anefa, no mampianatra antsika tena hitoky tanteraka Aminy, ary handrotsahany ny fitahiany amintsika ihany koa dia napetrany eo anoloantsika ny safidy na hanaiky sy hankatoa Azy dia handrotsahany fitahiana be, na handà sy hitoky amin’ny herin’ny tena hatrany ihany dia ho tratran’io fahasahiranana io. Ny tena tiana hambara dia ilay fankatoavana ny fanalahidin’ny fiainana sambatra na fitahiana be, dia ny fanaovana ny “Fanatitra ahevaheva” araka ny efa nanazavantsika azy tany ambony (Jereo ao amin’ny lohateny hoe “Fanatitra sy fahafolon-karena), fa eo ihany koa ny fanaovana ny fahafolon-karena. Mianatra mankatoa sy mino Azy isika amin’ny fanajana sy fanaovana izany. Mino tokoa satria manaiky fa Azy ny hery sy fahefana ary ny voninahitra, Azy izao rehetra izao, na ny haren’ny tany na ny fahefana rehetra. Ka ny fanaovantsika sy ny fankatoavantsika izany rehetra izany dia hanokafany ny varavaran’ny lanitra sy handrotsahany fitahiana manana amby ampy ho antsika. Mila mankatoa dia izay ihany no takiany amintsika.

Ity teny ao amin’ny Ohabolana ity anefa dia toa mampiheritreritra lalina, satria toa fohy ilay teny nefa azo lazaina fa mahafintina izay voasoratra teo aloha:

Ohabolana 28:22 « Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo. »

Eto izany dia azo tsoahina fa ny toetrantsika be fialonana, sy ny fahamaizantsika te hanan-karena haingana no tena mahatonga antsika hanao izay fomba tsy mety hahazoa-mbola haingana, ka lasa manao ny tsy sitrak’i Jehovah. Tsy mahasoa antsika anefa ilay vokatra fa vao mainka mitondra any amin’ny famaizan’Andriamanitra ny fiainantsika. Ny tsy fahafantarantsika izany antony fototra mahatonga ny tsy fahalavorarian’ny fiainantsika izany, no mahalasa sy mampivily ny heritreritry ny betsaka, fa nisy nisopatra sy namingana ny fiainany, ka mahatonga azy ireo tsy ho tafavoaka mihitsy na dia mihezaka mafy ihany aza amin’ny asa fivelomany. Izany moa dia efa fotom-pisainan’ny Malagasy izay manao hoe “tsy mba marary raha tsy nisy namosavy, na nisompatra”. Dia betsaka ny very hevitra ka lasa mitady hery hafa hifaharana, miroso mikatsaka fitahiana hafa, ary dia lasa mitoky amin’ny vato sy ny hazo, sy sarin-javatra voasikotra ka miankohoka amin’ny andriamanitra tsy izy. Nefa tsarovy fa izay no vao mainka mampirehitra ny fahatezeran’Andriamanitra.

Efa fantatsika izao ny antony, anjarantsika no manova sy manasitrana ny fiainantsika; hialantsika ireo mizana sy famarana mandainga misy eo amin’ny fihariantsika andavanandro. Hialantsika ireo lela feno fitaka, sy ireo izay asa fihariana tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ary ireo toetrantsika be fialonana ka ho maimay ta-hanan-karena, satria izany no fototr’ireo loza marobe mihantra amin’ny fiainantsika.

Habakoka 2:9; 11-12 «9 Lozan’izay fatra-pila harena amin'ny tsy marina ho an'ny taranany, hanaovany ny akaniny any amin'ny avo, mba tsy ho tratry ny tanan'ny loza » (…) «11 Fa hitaraina ny vato ao amin'ny rindrina, ary ny sakamandimby ao amin'ny trano* no hamaly azy.[Hebreo   hazo] 12 Lozan’izay manao vohitra amin'ny fandatsahan-drà sy manorina tanàna amin'ny heloka! »

Mila mitandrina ny tsirairay ny amin’izay hitondrany ny fihariany satria izany no tena fototra lehibe mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra ka mahatonga ny famaizany.

Ny hangatahiny amintsika dia izao “Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po ary ny hanaraka an’i Jehovah Andriamanitsika amin'ny fanetren-tena. Mika 6:8b 

Izy mampanantena antsika fa raha manao ny sitrapony isika ka tena mikatsaka ny fahamarinany, dia ambarany mazava tsara fa afaka mangataka izay zavatra rehetra isika, ka omeny antsika izany (na izay ilaintsika an-davanandro izany: sakafo, fitafiana …) ary Izy mampanantena fa izay tsara indrindra no omeny antsika.

Misy kosa no tsy te hahafantatra izany, na tsy mahafantatra mihitsy izay tena tokony aleha ka mikatsaka famonjena tsy izy, ka vao mainka mamotika ny fiainany:

Hab 2:17 – 20«17 Fa hanody anao ny loza natao tamin’i Libanona sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, noho ny ran'ny olona sy ny loza natao tamin'ny tany, dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy. 18 Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra, no misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra an-idina sy ny mpampianatra lainga, no matoky azy izay namorona azy tamin'ny nanaovany sampy moana? 19 Lozan’izay manao amin'ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin'ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo? He! Voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny. 20 Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina; Mangina eo anatrehany, ry tany rehetra! »

Vakio ihany koa ny Deoteronomia 28 ho famintinana izany rehetra izany.

Misy koa ny zava-boahozona izay tsy tokony hitsofoka ao an-trano izay miteraka fandringanana. Ny halatra hampidirina an-trano dia mitondra ozona sy fandringanana, ho an’izay nanao izany:

Josoa 7:21 – 25 «21 Nahita kapôty tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena, lanjan-tsekely dimam-polo, tamin'ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka; ary, indreo, voàfina ao ambanin'ny tany ao amin'ny laiko ireny, ary ny volafotsy ao ambaniny.

22 Dia naniraka olona Josoa, ka nihazakazaka nankany amin'ny lay ireo, ary, indro, voàfina tao anatin'ny lainy ny zavatra, ary ny volafotsy tao ambaniny. 23 Dia nalainy avy ao amin'ny lay ireny ka nentiny teo amin’i Josoa sy ny Zanak’isiraely rehetra, ary napetrany teo anatrehan’i Jehovah 24 Dia nalain’i Josoa sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak’i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapôty sy ny anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny aman'osiny ary ny lainy mbamin’izay rehetra nety ho azy; dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny. 25 Ary hoy Josoa: Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin'ny afo sady nanangom-bato teo amboniny»

Misy ihany koa ireo sarin-javatra izay hitoeran’ny fanahy ratsy toy ny aloalo, ny mpanjakaben’ny tany, ny hasina, ny akorandriaka (corail) dia mazàna tsy tsara hatao ao an-trano fa mitahiry fanahy maloto, na fanahy ratsy. Ny ohatra fahita matetika dia ny fahitana fa misy fanahy an’ny zazavavindrano ny akoran-driaka, ka ny tokatrano izay misy azy dia mikorontan-dava, misarapanam-badiana sns…

Ireny rehetra ireny dia anisan’ny mariky ny bibidia avokoa, na ny tsy fanajana ny tombo-kasen’Andriamanitra izany, na ny fitehirizana ny mizana mandainga, na ny fiankohofana amin’ny sampy isan-karazany (na ireo lazaina fa sary masina na ireo sary vongana rehetra), kanefa dia tena amin’ny fahatezerana mafy mihitsy, no hamalian’i Jehovah izay rehetra miankohoka sy mandray, ary mankalaza ny mariky ny bibidia.

Apokalypsy 14:10–11« 10 dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran' Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; 11 ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. »

Raha toa kosa ary isika ka manala ireo mariky ny bibidia eo amin’ny fiainantsika, ka manaiky ny hanompo sy hitandrina ny didiny, ary handatsaka am-po izany rehetra izany, dia ho tanteraka eo amin’ny fiainantsika teny ao amin’ny Isaia ity, satria dia lasa isika mihitsy no itenenan’i Jehovah an’izany

Isaia 45:14 – 25 «14 Izao no lazain’i Jehovah: ny vokatry ny fisasaran’i Egypta sy ny tombom-barotr’i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany. 

15 Marina tokoa fa Hianao dia Andriamanitra miafina, ry Andriamanitry ny Isiraely sady Mpamonjy ô. 16 Ho menatra sy hangaihay izy rehetra; eny, handeha aman-kenatra avokoa ny mpamorona sarin-javatra, 17 fa ny Isiraely kosa ho voavonjin’i Jehovah Amin'ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo. 18 Fa izao no lazain’i Jehovah , Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana): Izaho no Jehovah , ary tsy misy hafa. 19 Tsy tao amin'ny mangingina, dia tao amin'ny fitoera-maizina amin'ny tany no nitenenako; Izaho tsy niantso ny taranak’i Jakoba hitady Ahy foana; Izaho Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.

20 Mivoria, ka avia, ary miaraha manatona, ianareo jentilisa sisa afaka. Tsy manam-pahalalana izay mitondra ny hazo nataony sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin’izay andriamanitra tsy mahavonjy.  21 Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin'ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho. 22 Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa. 

23 Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin'ny fahamarinana* ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan'ny lohalika rehetra, sy hianianan'ny lela rehetra hoe*: 24 Ao amin’i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin'ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy. 25 Ao amin’i Jehovah no hanamarinana ny taranak’isiraely rehetra sy hananany rehareha. »

Eksodosy 19:3 – 6 « 3 Ary Mosesy niakatra ho ao amin'Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin'ny taranak’i Jakoba sy hambaranao amin'ny Zanak’ isiraely: 4 Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty amiko. 5 Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra. 

6 Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin'ny Zanak’isiraely. »

Izany teny izany, dia hinoako ihany koa, fa ho antsika rehetra izay mandray izany teny izany, ka mitandrina izany amin’ny fotsika rehetra. Amen

 

Jehovah ô! « Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra. » Salamo 119:160

« Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. » Jaona 17:17