Ny Tempolin’Andriamanitra

Sabata 04/04/2020 

Fanamasinana ny Tempoly 

Hevitra asongadina

  • Ny fifandraisan’ny Tempoly sy ny vatan’ny olona

  • Ny fahamasinan'ny tempoly.

Apokalipsy 11:19: “Ary novohana ny tempolin’Andriamanitra any an-danitra , ka hita ny fiaran’ny fanekeny teo anatin’ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy”

1 Korontiana 3:16: “Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo. ”

Samy milaza Tempoly ireo andalan-teny Soratra Masina roa ireo, ny voalohany dia miresaka ilay Tempolin’Andriamanitra any an-danitra, izay nakana ny endriky ny Tempoly nasaina nataon'i Mosesy, ka nasaina ho tandremana mihitsy ny refiny sy ny endriny rehetra.

 Fa ny faharoa kosa dia milaza fa ny tenantsika no tempolin’Andriamanitra. 

Ahoana ny firafitry ny Tempoly?


« [Ny nandidian'Andriamanitra an'i Mosesy ny amin'ny hanaovana ny Tabernakely sy ny fanaka momba azy] » (Eksodosy 25:1)


Hebreo 9:2 - 5: «2 Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe "ny fitoerana masina", izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho. » «3 Ary ao anatin'ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe "ny fitoerana masina indrindra," » «4 izay nisy lovia* volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran'ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin'io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran'ny mana, sy ny tehin'i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena; [* Na: alitara] »«5 ary teo ambonin'io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana,- tsy azonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny. » 


Ny Firafitry ny Tempoly 

Misy fefy manodidina ilay Tempoly

Faritra ivelany indrindra ny fefy, ka azo hoarina amin’ilay fitafiana hanaovan’ny olona, izay tempolin'ny Fanahy Masina. Ny fefy no manavaka ny toerana ho masina mihoatra amin’ny any ivelany. Misy araka izany ny fitafy efa voatendrin'i Jehovah hahamendrika ny olony. 

Misy vavahady ilay Tempoly

Ny vavahady no varavarana voalohany hidirana ao amin'ny Tempoly. Tahaka ny Tempoly, ny tenantsika koa dia manana vavahady izay tsy inona akory fa ny maso, ny sofina, ny orona ary indrindra ny vava. Ireo no hidiran’ny hevitra na fahalalana ho tonga hatrany amin’ny atiny indrindra amin’ny olona izay lazaina fa tempoly. Mety ho tsara na ratsy ny zavatra miditra ao. 

Tamin'ny andron'ny zanak'Isiraely, Jehovah dia nandidy azy ireo hanatentina ny tataom-baravarana sy ny tolana roa amin’ny ràn'ny zanak’ondry mialoha ny Paska, fandalovan’i Jehovah (Eksodosy 12:22). Izany no nasaina natao 'izy ireo  mba hanafahan'i Jehovah azy teo ambany fanadevozan’ny Egyptiana. Jesosy Kristy koa dia nanao fanavotana ho an’ny olombelona rehetra tamin'ny ràny. 

Atenteno amin'ireo varavarana eo aminao  ny ràn’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’ondrin’ny Paska, mba tsy haringana ianao, mba handao fotsiny ny varavaranao ny anjely mpandringana, ary ianao dia hahazo fanafahana amin’ny fanadevozan’ilay ratsy, ka tsy ho hitanao intsony ny fijaliana sy fanandevozana nahazo anao fahiny. 

Misy tafo ilay Tempoly

Ny tafo dia maneho ny loha sy ny volo eo amin’ilay tempoly. Ny volo no endrika sy voninahitry ny olona. 

1 Korintiana 11: 14. Tsy mampianatra anareo va izao fomban'ny zavatra rehetra izao fa raha lava volo ny lehilahy, dia mahafa-boninahitra azy izany? 15. Fa raha lava volo kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany fa ny volo no nomena azy ho fisaronana.

Ataovy tsara hety ny volo ho an'ny lehilahy, ary tokony ho lava volo kosa ny vehivavy mba ho voninahitry ny Loha, dia Kristy.

Misy kianja ilay Tempoly

Alitara fanaterana fanatitra: ny fanaterana fanatitra no anisan’ny fangatahana ny famelan-keloka ho an’izay miditra ao amin'ny Tempoly. Mila afa-keloka isika izay vao afaka miditra  ao amin’ny Tempoly. 

Tavy fisasana: ny tavy fisasana dia ny midika fa mila midio avokoa ny olona mialoha ny hidirana ao amin'ilay Tempoly. Torak'izany koa, isika tempolin’Andriamanitra dia mila fahadiovana sy fahamasinana. 

Misy lalàna mifehy ny Tempoly:

Misy varavarana ny Tempoly ary tsy misy tafiditra ao afa-tsy ny mpisorona irery ihany. Ny mpisorona aza dia tsy mahazo mamo, ary tsy maintsy voatokana ny mpisorona vao mahazo miditra ao. Izany hoe, mila manoka-tena mihitsy ny tsirairay raha te hanana anjara sy hiditra ao amin’ny Tempoly. Ny tenantsika dia tempolin'ny Fanahy Masina ; noho izany, dia tsy tokony hampidirana zava-padiana sy zava-betaveta toy ny biby maloto sy ny sakafo tsy tokony hohanina. Tokony hotandremana tsara koa ny fijery sy ny fihaino mba tsy hisy zavatra tsy masina hiditra ao. Rehefa misakafo ohatra dia mivavaka mba hohamasinin'Andriamanitra ny sakafo ary hotsofiny rano ny rano hosotroina.

Misy Efitra Masina ny Tempoly

Ny efitra masina dia ahitana:

Fanaovan-jiro fito: izay endriky ny Fanahin’Andriamanitra: Fahendrena, Fahazavan-tsaina, Fanoloran-tsaina, Faherezana, Fahalalana, Fahatahorana an’Andriamanitra, Fahatokiana. (Isaia 11: 1-3; 5) 

Alitara fandoroana emboka manitra: izay endriky ny vavaka asandratsika amin’Andriamanitra, ary izany dia miakatra toy ny emboka manitra any amin'Andriamanitra rehefa tafatoetra ao amintsika ny Fanahiny. 

Latabatry ny mofo aseho: izay endriky ny sakafo ampidirintsika ao amin’ny vatantsika. Misy ny sakafo ara-panahy, izay tenin’Andriamanitra vakiantsika isan’andro izay manamafy ny fiasan’ny Fanahiny ao amintsika. Misy koa ny sakafo ara-nofo izay anavahantsika ny madio sy ny maloto, mba ho tafatoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina. 

Misy Efitra Masina Indrindra ny Tempoly

Ny Fiaran’ny Fanekena: Ao amin’ny anatiny indrindra amin'ny Tempoly no itoeran'ny Fiaran’ny Fanekena. Izany dia maneho ny fo sy ny saina ary ny fanahin’ny olona izay tempolin’Andriamanitra. 

Ny vatofisaka roa: Ny vato fisaky roa dia ny Didy Folo, didy sy ny lalàn'Andriamanitra. Ny fontsika no endriky ny vato fisaka mirakitra ny didy sy ny lalàn'Andriamanitra. Ohabolana 2:1: « Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy » (Hebreo 10:16)

Ny lovia misy ny Mana: Ny mana no mofo avy any an-danitra narotsaky Jehovah ho an’ny Zanak’Isiraely tany an’efitra. Jesosy Kristy no Mofon’aina: « Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. » (Jaona 6: 35 - 51). Ahoana izany mihinana an’i Jesosy izay mofon'aina izany? Jesosy Kristy dia nitandrina Paska niaraka tamin’ny mpianany. Mofo no nataony ho solon’ny tenany.

Raha Jesosy no mofon’aina, Jesosy Kristy iza izany tena mofon’aina izany? Dia mazava ho azy fa izay voalazan’ny Soratra Masina: Ny famantarana tokana nomen'i Kristy hahalalana Azy dia ny nahafatesan'ny sy nilevenany, maty tamin’ny antsasaky ny herinandro Izy, nitoetra hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny tany, ary nitsangana tamin'ny maty tamin’ny andro fahatelo.

Jesosy Kristy no teny tonga nofo, ary ny tenin’Andriamanitra no mofon’aina ho an’izay mandray Azy. Tokony hitoetra mandrakariva ao anatin’ny tempoly ny tenin’Andriamanitra izay mofon'aina mahavelona ny fanahintsika, sady fahasalamana ho an'ny nofo rehetra izay mihinana Azy. 

Tehin’i Arona izay nitsimoka: Io no mariky ny finoana izay tokony hananantsika. « Miambena* ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. [* Gr. miareta tory] » (1 Korintiana 16:13).

Ny finoana no mitarika antsika ho amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra satria matoky sy mino isika fa Izy no Andriamanitra Tsitoha, Izy no Nahary izao zavatra rehetra izao.
  • Finoana no mitarika antsika ho amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra. 

  • Finoana no mitarika antsika ho amin’ny fahatokiana. 

  • Finoana no mitarika antsika ho amin’ny faharetana sy ny fivavahana (Faharetana amin’ny fahoriana, sy ny fahasambarana). 

  • Finoana no mitarika antsika ho amin’ny fanantenana. 

Rehefa tafatoetra sy feno ny fepetra amin’ny maha-tempolin’Andriamanitra ny vatanao dia hitoetra hiambina anao ireo Kerobima roa na ny Anjelin’i Jehovah, hiambina anao amin’izay alehanao rehetra izy, tsy hahakasika anao ny ratsy, ary azonao antsoina sy hirahina hanampy anao ny Kerobima.

Fehiny

Farany, amboary ny tempolinao mba ho tena tempolin’Andriamanitra marina tokoa. Ao anatintsika sy voatandrintsika avokoa ve ny didy sy lalàn'Andriamanitra? Mitoetra amin'ny finoana ve isika? Mino an’i Jesosy Kristy sy ny famantarana Azy araka ny Soratra Masina ve isika? 

Fadio ny masirasiran'ny ota rehetra mba ho masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ny tenantsika izany. 

« Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy. » (1 Korintiana 11:27)

« Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka. » (1 Korintiana 11:28)

« Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy. » (1 Korintiana 11:29)